Salamo
Toko faha-25 (24)
18 Jereo ny fahoriako sy ny fijaliako, ka avelao ny fahotako rehetra.19 Jereo ny hamaroan'ny fahavaloko, sady loza tokoa ny fankahalany ahy.
20 Arovy re aho ka vonjeo; aoka tsy ho diso fanantenana aho, satria Ianao no fialofako!
21 Miantehitra aminao aho, TOMPO o, mba hiarovanao ahy hadio sy hahitsy.
22 Andriamanitra o, ilay Israely vahoakanao mba afaho amin'ny zava-drehetra mahory azy!
Toko faha-26 (25)
1 Nataon'i Davida. TOMPO o, ambarao ho tsy manan-tsiny aho fa madio fiaina sy matoky tanteraka ANAO.2 TOMPO o, fotory toetra sy diniho aho ka tsarao ny faniriako aman'eritreritro.
3 Ifantohan'ny masoko ny fitiavanao; ary ny fahamarinanao no arahiko.
4 Tsy niray tsikombakomba tamin'ny mpisoloky aho na niara-dia tamin'ny mpihatsaravelatsihy;
5 fa halako ny fikambanan'ny olon-dratsy ary ihatahako lavitra ny olo-meloka.
6 Hanasa tanana aho satria tsy manan-tsiny. TOMPO o, hanodidina ny alitaranao aho
7 ka hiredona hira fisaorana Anao sady hitantara ny asanao mahagaga rehetra.
8 TOMPO o, tiako ny trano onenanao, dia ny toerana ipetrahan'ny voninahitrao.
9 Aza aringana miaraka amin'ny mpanota aho; ny aiko, aza esorina toy ny an'ny mpamono olona,
10 dia ireo mivimbina ody ratsy an-tanan'ila ary ny ilany indray feno tsolotra noraisina.
11 Fa izaho kosa dia madio fiaina; koa afaho sy iantrao aho.
12 Lala-mahitsy no ijoroan'ny tongotro; ka isaky ny miangona aho, dia hisaotra ny TOMPO.
Toko faha-27 (26)
1 Nataon'i Davida. Ny TOMPO no mpanazava sy mpamonjy ahy, ka iza no hatahorako? Ny TOMPO no toy ny manda miaro ny aiko, ka iza no hangovitako?2 Raha manatona kosa ny olon-dratsy toy ny biby masiaka hamely ahy, dia ireo fahavalo mandrafy ahy ireo no ho lavo hitsikasina amin'ny tany.
3 Raha tafika no tonga hanao fahirano, dia tsy hanan-tahotra akory aho; ary na misy ady mihatra amiko aza, dia handry fahalemana ihany aho.
4 Zavatra tokana no angatahiko sady iriko fatratra homen'ny TOMPO: dia ny hitoetra ao an-tranony mandritra ny androm-piainako rehetra, mba hianoka amin'ny hatsarampony sy hiandry ny torolalany ao an-tempoliny.
5 Koa raha tonga ny andro mahory, dia hafeniny ao an'efitra fialofany aho sy hampiereny tokoa ao an-dainy; eny, hasandrany ambony vatolampy aho.
6 Amin'izay aho dia ho voasandrany tokoa ho ambonin'ireo fahavalo manodidina ahy; ka hanolotra sorom-pihobiana ao an-dainy sady hihira salamo hankalazana ny TOMPO.
7 TOMPO o, mba henoy ny feoko raha miantso vonjy aminao, ary iantrao aho ka valio.
8 Ndeha ianao, hoy ny foko amiko, ndeha ianao mitady ny TOMPO. Izany indrindra no itodihako aminao.
9 Koa aza mihodina amiko Ianao, aza mandroaka ahy an-katezerana, fa Ianao no efa namonjy ahy. Aza arianao aho ary aza ilaozanao, fa Ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy.
10 Raha nandao ahy ny ray aman-dreniko, Ianao kosa, TOMPO o, no nandray ahy.
11 TOMPO o, asehoy ahy ny lalana soritanao; noho ny amin'ireo fahavaloko, dia tariho amin'ny lala-mahitsy aho.
12 Aza avela hanaram-po amiko ireo mpandrafy ahy, fa vavolombelona mandainga no mitsangan-kamely sy mifofofofo ery mba hiampanga ahy.
13 Inona ny amiko raha tsy natoky aho fa hahita ny hatsarampon'ny TOMPO eto amin'ity tany iainantsika ity?
14 Mahandrasa ny TOMPO ianao! Matanjaha ary mahereza fo; eny, mahandrasa ny TOMPO!
Toko faha-28 (27)
1 Nataon'i Davida. TOMPO o, miantso vonjy aminao aho. Ianao no Vatolampy fialofako ka aza manentsin-tadiny amiko; satria raha anginanao tsy valiana aho, dia ho tahaka an'ireo olona afaka aina izay efa midina mankany am-pasana.2 Koa henoy ary izany fitalahoako, rehefa miantso vonjy aminao aho ka manandra-tanana hivavaka mitodika amin'ny Toeramasinao.
3 Aoka aho tsy hailikao tahaka ny olon-dratsy, dia ireo olona efa zatra manao heloka; fihavanana no resahiny amin'ny namany, kanjo fandozana no mameno ny fony.
4 Valio araka ny asany tokoa ireny sy araka ny haratsian'izay nataony; eny, valio araka izay zava-bitany izy ka ny nataony no atsingereno aminy.
5 Tsy nahoany ny asan'ny TOMPO mbamin'izay zavatra vitany. Koa horavan'ny Tompo anie ireo ary tsy havelany hijoro intsony!
6 Hisaorana anie ny TOMPO fa nohenoiny ny fitalahoako!
7 Miaro ahy izy satria ampingako, ary nitokian'ny foko tokoa; voavonjy aho ka mientan-karavoana, ary dia mihira fiderana Azy.
8 Ny TOMPO no miaro ny vahoakany; Izy koa no manda famonjena ho an'ilay mpanjaka nohosorany.
9 TOMPO o, mba vonjeo sy tahio ity vahoakanao sady lovanao; ka meteza re Ianao ho mpiandry azy sy ho mpitandrina azy mandrakizay.
Toko faha-29 (28)
1 Salamo nataon'i Davida. Ianareo anjely , tolory haja ny TOMPO, eny, tolory haja izy fa be voninahitra sy hery;2 Atolory Azy ny voninahitry ny anarany, ka dia miankohofa eo anatrehan'ny TOMPO rehefa miseho ny fahamasinany.
3 Andriamanitra be voninahitra no mampikotrokotroka ny orana; mitrena eny ambony rano ny feon'ny TOMPO: ny TOMPO no manapaka eny ambony ranobe.
4 Midoboka mafy ny feon'ny TOMPO, satria heni-pahefana sy be fiandrianana izy.
5 Mandripaka hazo sedera ny feon'ny TOMPO: eny, ripaky ny TOMPO ireo sederan'i Libano.
6 Ampitroariny toa zanak'omby ny tendrombohitr'i Libano; ampitroariny toa vantotr'ombimanga ny tendrombohitr'i Hermona.
7 Mampitselaka ny tselatra ny feon'ny TOMPO.
8 Mampihovotra ny taniefitra ny feon'ny TOMPO; eny, ny TOMPO no mampihovotra ny taniefitr'i Kedesa.
9 Mampangovitra ny oaka ny feon'ny TOMPO ary mampihintsan-dravina ny ala be. Ny ao an-dapan'ny Tompo samy manao hoe: "Voninahitra anie ho an'Andriamanitra!"
10 Ny TOMPO no mitoetra ho mpifehy na dia ny rano tsy hita faritra aza; mitoetra ho mpanjaka mandrakizay izy.