Salamo
Toko faha-19 (18)
5 nefa ny rindrany miharihary eran-tany, ny hafany tonga any am-paran'izao tontolo izao. Nanorenan'Andriamanitra tranolay teny ana habakabaka ny masoandro.6 Koa isa-maraina dia miseho ilay izy toy ny mpampakatra mivoaka ny tranony; toy ny olo-matanjaka faly maka bahana mba hanefa ny hazakazaka fanaony.
7 Ny faravodilanitra atsinanana no iaingany ary ny faravodilanitra andrefana no iafarany; ka, eny amin'ny lalan-kizorany eny, dia tsy misy afa-miery amin'ny hafanany.
8 Lavorary ny lalanan'ny TOMPO ka mamelombelona aina. Mahatoky ny fepetra nataon'ny TOMPO ka mampahendry ny olon-tsotra.
9 Mahitsy ny fitsipiky ny TOMPO ka mahafaly ny fo. Mangarangarana ny baikon'ny TOMPO ka manazava ny fijery.
10 Madio ny fanajana ny TOMPO, ka maharitra hatrany hatrany. Marim-pototra ny fitsarana avoakan'ny TOMPO ka ara-drariny avokoa;
11 mahasarika noho ny volamena, dia ny vaingam-bolamena voadio; sady mamy noho ny tantely, dia ny tantely avy amin'ny tohotra.
12 TOMPO o, izaho mpanomponao dia hazavain'ireny tokoa; fa lehibe ny tombontsoa ho an'izay mitandrina azy.
13 Mety manao hadisoana ny olona, saingy tsy mahatsikaritra akory; koa mamela ahy amin'ny ota tsy nahy.
14 Arovy tsy ho voan'ny ota iniana aho, ka aza avela hanan-kery amiko ireny; dia tsy hanan-tsiny tokoa aho sady ho afaka amin'ny heloka bevava.
15 Hankasitrahinao anie iza ny teniko sy izay vetsoko teo anoloanao, ry TOMPO Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!
Toko faha-20 (19)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.2 Hovalian'ny TOMPO vavaka amin'ny andro mahory anie ianao, harovan'ilay Andriamanitr'i Jakoba,
3 handefasany vonjy avy ao an- toeramasiny ary hotohanany avy ao Tsiona!
4 Ho tsaroany anie ny fanatitrao rehetra ary hankasitrahiny ny sorona doranao!
5 Homeny anao anie izay zavatra irinao ary hotanterahiny izay rehetra kasainao!
6 Dia hanaovanay fihobiana ny fandresena ho azonao; ary hahofahofanay ny faneva ho voninahitry ny Andriamanitsika. Eny, hotanterahin'ny TOMPO anie izay rehetra angatahinao aminy!
7 Fantatro izao ankehitriny fa ny TOMPO manome fandresena ny mpanjaka nohosorany; avy any an-danitra toeramasiny no amaliany ny vavaka ataony, ka ny herin'ny tanany ankavanana no anolorany fandresena ho azy.
8 Ny an'ny sasany, ny kalesiny no itokiany; ny an'ny hafa, ny soavaliny no iankinany; ny anay kosa, ny anaran'ny TOMPO Andriamanitray no hany hery ianteheranay.
9 Koa ireny mitolefika sy mianjera, fa izahay kosa maharitra mijoro.
10 TOMPO o, omeo fandresena ny mpanjaka; ary mba valio ny vavaka ataonay amin'ny andro iantsoanay vonjy aminy!
Toko faha-21 (20)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.2 TOMPO o, ny herinao no ifalian'ny mpanjaka ary ny fandresenao no iravoany aoka izany.
3 Nomenao azy izay zavatra niriny ary tsy nolavinao izay nangatahiny taminao.
4 Eny, notsenainao fitahian-tsoa izy ka fehiloha volamena no nasatrokao ny lohany;
5 ny fiainana nangatahiny nomenao azy, dia andro mitandavana mandrakizay.
6 Noho ny fandresenao dia lehibe ny voninahiny: fiandrianana sy laza no arakotrao azy.
7 Fa ataonao heni-pitahiana hatrany izy ary ampifalinao amin'ny fanatrehanao.
8 Eny, ny TOMPO no itokian'ny mpanjaka, hany ka tsy hangozohozo akory izy satria tia azy ilay Avo Indrindra.
9 Ry Andriamanitra Mpanjaka o, ho azonao ny fahavalonao rehetra ary ho eo am-pelatananao ireo rehetra mpankahala Anao.
10 Raha vao hiseho fotsiny Ianao,dia ho toy ny afo mijoalajoala handevona azy.-Eny, hofongoran'ny TOMPO amin'ny hatezerany anie ireny tahaka ny andevonan'ny afo ireo zavatra dorana!
11 Hofoananao tsy ho eto an-tany ny taranany, ka ho esorinao tsy ho eo amin'ny olombelona.
12 Raha mikasa hanisy ratsy anao ireny na mitady hanohitra, dia tsy hahomby;
13 fa tifirinao amin'ny zana-tsipika izy ary ataonao rifatra mandositra.
14 Misandrata, TOMPO o, amin'izato herinao fa hankalazainay an-kira ny fandresenao.
Toko faha-22 (21)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hohiraina arakany feon'ny hoe "Ny dieravavy, fony mazava tsinanana". Salamo nataon'i Davida.2 Andriamanitro o, Andriamanitro o nahoana no dia nilaozanao aho ? Nahoana no mijanona eny lavitra eny Ianao ka tsy mamonjy ahy na mihaino ny tarainako?
3 Mandritra ny andro aho miantso Anao saingy tsy valianao, Andriamanitro o; ary miantso koa aho amin'ny alina, saingy tsy mahazo fiononana.
4 Kanefa mipetraka an-tsezafiandrianana Ianao, ry ilay Andriamanitra masina Izay fideran'i Israely vahoakanao.
5 Nitoky taminao ireo razanay; natoky Anao izy ka tsy diso fanantenana,
6 niantso vonjy taminao ka nafahanao, natoky Anao ka tsy diso fanantenana.
7 Efa toy ny kankana aho fa tsy olona intsony, ka sady voaompa no lavin'ny vahoaka;
8 izay mahita ahy dia maneso avokoa, manondro molotra, mihifikifi-doha.
9 Ka hoy izy ireo ny amiko hoe: "Ny TOMPO no itokiany ka aoka hanavotra; eny tia azy Izy, ka aoka hanafaka !"
10 Ianao, TOMPO o, no namoaka ahy mba hiala avy tao an-kibon-dreniko ka nampandry ahy teo an-trotroany.
11 Vao teraka aho, dia nankinina taminao; mbola tany am-bohoka aho, efa Andriamanitro Ianao.
12 Koa aza manalavitra ahy fa akaiky izao ny loza; ary izay hamonjy ahy dia tsy misy mihitsy.
13 Ireo fahavaloko no mitangorona amiko toa ombilahy maro manemitra ahy, toa ombilahy masiaka avy any Basana.
14 Misanasana vava hamely ahy ireny, mova tsy liona mandrotika sy mierona.
15 Very hery toy ny rano mihanaka aho, ary mivahavaha ny taolako rehetra; toa savoka ny foko ka miempo ato anatiko.