Salamo

Toko faha-22 (21)

16 Maina toy ny tavim-bilany ny tendako; miraikitra amin'ny lanilaniko ny lelako. Toa ao amin'ny vovoky ny fahafatesana no efa ametrahan'ny fahavaloko ahy.

17 Andian'olon-dratsy no mitangorona amiko toa alika maromaro manodidina ahy; nafatotr'ireo ny tongotra aman-tanako.

18 Ny taolako rehetra no sisa hita, satria mahia aho ka jeren'ireo fotsiny sady angarihany;

19 ifampizarany ny fitafiako ary ataony antsapaka ny akanjoko.

20 Ianao kosa, TOMPO o, aza manalavitra ahy; Ianao, ry heriko, faingana re hamonjy.

21 Afaho tsy ho ritra tankina ny aiko, arovy aho tsy ho rembin'ireo alika,

22 vonjeo tsy ho rotidrotiky ny liona, ary tsy ho voan'ireo tandrok'ombimanga. Dia namaly ny vavaka nataoko Ianao!

23 Koa hanambara ny lazanao amin'ireo namako aho ary hidera Anao, rehefa miangona izahay :

24 "Midera ny TOMPO, ianareo mpanaja Azy. Aoka hanome voninahitra Azy ianareo rehetra taranak'i Jakoba; aoka hangovitra eo anatrehany ianareo rehetra taranak'i Israely!

25 Fa tsy nohamavoiny na notebahiny ity mahantra izay vesaram-pahoriana; tsy nanda ny hifanatri-tava aminy Izy, fa nihaino tokoa ny tarainany."

26 TOMPO o, Ianao no ahazoako midera Anao rehefa tafangona maro ny vahoakanao; eo anatrehan'ireo mpanaja Anao no hanefako ny voadiko taminao.

27 Hasaiko amin'ny sakafon-tsorona ny ory: hihinana anie izy ka ho voky! Hidera ny TOMPO anie ireo mitady Azy ka ho finaritra ho ela velona!

28 Aoka ny vahoaka hatrany am-paran'ny tany hahatsiaro ny TOMPO ka hiverina aminy; aoka ny fianakaviamben'ny firenen-drehetra samy ho tonga hiankohoka eo anatrehany!

29 Fa ny TOMPO no mpanjaka, Izy no manapaka amin'ireo firenena.

30 Eny, hiankohoka eo anoloany aza ireo rehetra matory ao ambanin'ny tany : handohalika avokoa eo anatrehany izay rehetra miverina ho vovoka satria efa tsy nisy aina intsony.

31 Hanompo Azy ny taranak'ireny; ny taranaka manaraka hilazana ny Tompo.

32 Ireo olona vao ho teraka hitantarana izay nataony hanafahana ny vahoakany.

Toko faha-23 (22)

1 Salamo nataon'i Davida. Ny TOMPO no mpiandry ahy ka tsy ory na inona na inona aho.

2 Ampandriny eo amin'ny ahi-maitso aho ary entiny eo amin'ny rano mahafa-tsasatra ,

3 velombelominy aina indray aho, ary tarihiny amin'ny lala-marina, satria mpiandry an'i Israely Izy.

4 Na mandeha mamaky lohasaha maizina izay tandindomin'ny fahafatesana aza aho, dia tsy misy loza atahorako fa Ianao no miaraka amiko. Tarihinao sy arovanao aho ka izany no mampatoky ahy.

5 Anomananao fanasana aho eo anoloan'ireo fahavaloko; hosoranao ilomanitra ny lohako sady fenoinao mitafotafo ny kaopiko.

6 Eny tokoa, mandritra ny andro iainako rehetra dia ny hatsarampo amam-pitiavanao no hiaraka amiko. TOMPO o, hitoetra lalandava ao an-tranonao aho.

Toko faha-24 (23)

1 Salamo nataon'i Davida. An'ny TOMPO izao tontolo izao sy izay eo aminy. Azy koa ny tany sy ny mponina ao aminy :

2 Izy no nanorina azy teo ambony ranomasina ka mampaharitra azy eo ambonin'ny onja.

3 -Iza ary no hiakatra ny tendrombohitry ny TOMPO ? Zovy no hahajoro ao amin'ny Toeramasiny?

4 -Izay madio tanana sy mahitsy fo , izay tsy nirona tamin'ny laingana nianiana ho enti-mamitaka.

5 Ireo no handray ny fitahian'ny Tompo, sy hoeken'Andriamanitra Mpamonjy ho marina.

6 Iza ny no karazan'olona mitady an'Andriamanitra, te hiatrika an'ilay Andriamanitr'i Jakoba!

7 Akaro ny tataonareo, ry vavahady; misandrata, ry varavarana fahagola, mba hidiran'ny mpanjaka be voninahitra!

8 -Iza moa iza ny mpanjaka be voninahitra izany? -Ilay TOMPO mahefa sy mahery, ilay TOMPO mahery an'ady!

9 Akaro ny tataonareo, ry vavahady; misandrata, ry varavarana fahagola, mba hidiran'ny mpanjaka be voninahitra!

10 -Iza moa izany mpanjaka be voninahitra izany? -Ilay TOMPOn'izao rehetra izao, Izy no mpanjaka be voninahitra!

Toko faha-25 (24)

1 Salamo nataon'i Davida. TOMPO o, Ianao no ifantohako;

2 Andriamanitro o, Ianao no itokiako ka aza avela ho diso fanantenana aho na ho resy hifalian'ny fahavaloko!

3 Izay rehetra miantehitra aminao dia tsy mba ho diso fanantenana; fa ireo mivadika aminao no ho menatra, ka enga anie hitondra tanam-polo mody!

4 TOMPO o, ampahafantaro ny lalanao aho ary ampianaro hiaina araka ny sitrakao.

5 Tariho amin'ny fahamarinanao aho ka ampianaro, satria Ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy sady hany ianteherako isan'andro.

6 Tsarovy, TOMPO o, fa hatrizay hatrizay dia be indrafo sy be fitiavana Ianao.

7 Koa hadinoy ny fahotako, fony aho tanora; eny, hadinoy re izay hadisoana vitako; nefa mba tsarovy kosa aho, TOMPO o, satria be fitiavana sy tsara fo Ianao.

8 Tsara fo sy mahitsy tokoa ny Tompo ka ny mpanota toroany lalan-kaleha,

9 ny ory tarihiny amin'ny hitsiny sady ampianariny ny sitrapony.

10 Ny torohevitra rehetra ataon'ny TOMPO dia maneho fitiavana tsy miova ho an'izay manaraka ny baiko raketin'ilay fanekem-pihavanany.

11 TOMPO o, mba ho voninahitrao, dia avelao ny heloko na lehibe aza.

12 Raha misy olona manaja ny TOMPO, dia hotoroany ny lalan-kofidina koa izy.

13 Hiaina amim-piadanana izany olona izany; ary ny taranany no handova ny tany.

14 Ireo mpanaja ny TOMPO no anehoany ny tsiambaratelony, satria ampahafantariny azy tokoa izay raketin'ny fanekem-pihavanany.

15 Banjiniko mandrakariva ny TOMPO, fa Izy ihany no hanafaka ahy amin'ny harato namandrihana ahy.

16 TOMPO o, todiho aho ka iantrao fa irery sady fadiranovana.

17 Toneo ny tebitebin'ny foko ary tsoahy avy ato an-katerena aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8991