Salamo
Toko faha-18 (17)
6 toy ny fatotra ahodidina ahy ny toeran'ny maty, toa harato amandrihana ahy ny fahafatesana.7 Tao an-katerena aho no velon-taraina sy niantso vonjy tamin'ny TOMPO Andriamanitro, ka tany an- Tempoliny Izy no nandre ny feoko ary koa nihaino izany antsoantsoko.
8 Tamin'izay dia nihovitrovitra mafy ny tany; nikorosy ny fanambanin'ny tendrombohitra, ka nihozongozona ireny fa tezitra ny Tompo.
9 Nisy setroka nidonaka avy teo an'orony ary afo mandevona avy teo am-bavany, ka narahina tselatra mandoro izany.
10 Dia nampiondrika ny lanitra ny TOMPO ka nidina; rahona matevina no teo ambany tongony,
11 ka toy ny kerobima nitaingenany izany; dia nanidina sy nisosa Izy nahevahevan'ireo elatry ny rivotra.
12 Tao anaty raho-mainty Izy no niafina ka voahodidina rahona matevina izay ngalingaly toa rano lalina.
13 Manoloana Azy nisy hazavam-be ary koa rahona nandalo nifanesy niteraka havandra sy afo mitselatra.
14 Tany an-danitra ny TOMPO Avo Indrindra no nampitalakotroka ny varatra sy nampanakoako izany feony;
15 nalefany ny tselatra ka nipariaka toy ny zana-tsipika nifanaretsaka.
16 Noho ny fandrahonan'ny TOMPO sy fifofofofon'ny fahatezerany , dia niseho ny fanambanin'ny ranomasimbe, niharihary ny fanorenan'izao tontolo izao.
17 Avy eny an-danitra ambony Izy no naninji-tanana handray ahy sy nisintona ahy hiala tamin-dranobe;
18 ka afaka aho tamin'ny fahavaloko matanjaka, dia tamin'ireo mpandrafy mahery noho izaho.
19 Tamin'ny androm-pahoriako no nanafika ahy ireo nefa tonga ny TOMPO ka nanohana ahy;
20 navoakany ho eo an-kalalahana aho ary nafahany satria tena tiany.
21 Soa no ataon'ny TOMPO amiko satria marina aho; izany no avaliny ahy satria madio ny toetrako,
22 fa voatandriko ny lalan'ny TOMPO ary tsy ivadihako ilay Andriamanitro;
23 ankatoaviko avokoa ny fitsipiny ary tsy mba ialako ireo didiny.
24 Koa tsy manan-tsiny aminy aho fa nitandrin-tena tsy ho diso.
25 Eny, soa tokoa no navalin'ny TOMPO ahy satria marina aho sy hitany madio toetra.
26 TOMPO o, mahatoky Ianao amin'izay matoky Anao; tsy manan-tsiny koa Ianao amin'izay tsy manan-tsiny;
27 Madio Ianao amin'izay madio, miolakolaka kosa amin'izay mpiolikolika.
28 Ianao mihitsy no mamonjy ny vahoaka ory, fa mampitanondrika an'ireo mpiavonavona.
29 TOMPO Andriamanitro o, jiro mirehitra ho ahy Ianao ka manazava izany haiziko.
30 Noho Ianao Andriamanitro, na hady aza itsambikinako, na manda aza ihoarako.
31 Mpitarika tonga lafatra Andriamanitra; azo antoka ny torohevitra omen'ny TOMPO. Toy ny ampinga fiarovana Izy ho an'izay rehetra mialoka aminy.
32 Fa iza moa no Andriamanitra afa-tsy ny TOMPO ihany? Ary iza no vatolampy ho anay afa-tsy ilay Andriamanitray?
33 Izy no manome hery ahy sy mampahomby izay ataoko;
34 ataony kinga toy ny gazela aho ary ajorony amin'ny toerana avo ;
35 Izy no manofana ahy ho havanana amin'ny ady ka ahaizako manenjana tsipika varahina.
36 Ny tananao ankavanana no manohana ahy, Tompo o; toy ny ampingako Ianao ka miaro sy mamonjy ahy; mamaly ny antsoko Ianao ary koa manandratra ahy.
37 Ataonao faingam-pandeha kokoa aho, nefa ny hato-tongotro tsy hangozohozo.
38 Manenji-pahavalo aho ka mahatratra azy, ary tsy miverina raha tsy efa ringako izy.
39 Montsaniko ireo ka tsy tafarina ary dia mitsitra ambany tongotro.
40 Omenao hery ho enti-miady tokoa aho, ka adabokao ho ambaniko ny mpamely ahy.
41 Ataonao mandositra ahy ny fahavaloko ary aringako ireo mpankahala ahy.
42 Miantsoantso izy fa tsy misy mamonjy; ny TOMPO no antsoiny fa tsy mamaly azy.
43 Kosehiko toa vovoka entin-drivotra ireny; hoseko toy ny fotaka eny an-dalam-be.
44 Afahanao amin'ny vahoaka mpikomy aho ary apetrakao ho filohan'ireo firenena; ka olona tsy fantatro akory no indreo manjary manompo ahy.
45 Teny kely no ataoko, dia ekeny aho; vahiny no tonga mila sitraka amiko.
46 Mikoy izy ireo ka mangovitra no miala ny manda fiarovany.
47 Velona ny TOMPO! Isaorana ny Vatolampiko. Hasandratra anie Andriamanitra mpamonjiko!
48 Izy no manao ny famaliana ho ahy ary mampanaiky firenena ho feheziko.
49 TOMPO o, afahanao amin'ny fahavaloko aho; eny, ataonao resiko ireo mpamely ahy ary tsy mahazo ahy ny mpanao an-keriny.
50 Koa eo anivom-pirenena no hiderako Anao sady hankalazako ny anaranao amin-kira.
51 Ny TOMPO manome fandresena lehibe ho an'ilay mpanjaka voafidiny ary maneho fitia amin'ilay nohosorany , dia i Davida sy ireo taranany hatrany amin'ny mandrakizay.
Toko faha-19 (18)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.2 Ny lanitra manambara ny voninahitr'Andriamanitra ary ny habakabaka mitory ny asa vitany;
3 ny andro mitantara izany amin'ny andro mandimby, ary ny alina milaza izany amin'ny alina manaraka.
4 Tsy misy izay miteny na mivolana, tsy misy izay feo mety ho heno;