Salamo
Toko faha-12 (11)
9 na dia mihaodihaody aminay aza ireny ratsy fanahy ireny ary na dia mihalo hatrany aza ny toetran'ny olombelona.
Toko faha-13 (12)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.2 TOMPO o, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy, ary mandra-pahoviana koa no tsy hanekenao hijery ahy?
3 Mandra-pahoviana aho no hiferinaina ka halahelo am-po isan'andro izao? Mandra-pahoviana ny fahavaloko no mbola hisandratra ho amboniko?
4 TOMPO Andriamanitro o, mba jereo aho ka valio vavaka. Avereno tanjaka sy hery aho, fandrao dia ho renoka tokoa ho amin-torimasom-pahafatesana,
5 fandrao koa ny fahavaloko no hihambo ho naharesy ahy; ary dia hibitaka ireo mpanohitra fa hoe nampilavo lefona ahy.
6 Ny fitiavanao kosa no ianteherako, ny famonjenao no hiravoako. TOMPO o, hihira ho voninahitrao aho noho ny soa nataonao tamiko.
Toko faha-14 (13)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.Adala izay miteny anakampo hoe: "Tsy misy Andriamanitra !" Maneho toetra lo sy maharikoriko ireo sady tsy mba misy manao ny tsara.
2 Avy eny an-danitra eny ny TOMPO no miondrika hijery ny olombelona, hizaha sao mba misy olon-kendry izay mitady Azy tokoa.
3 Fa izy rehetra no maniaka samy tsy valahara avokoa; tsy mba misy manao ny tsara, na dia iray akory aza !
4 Hoy kosa ny TOMPO hoe: "Tena tsy mahalala mihitsy ny mpanao ratsy rehetra fa fitsentsefana ny vahoakako no ataony foto-pivelomana, sady Izaho tsy antsoiny akory!"
5 Indreo fa matahotra dia matahotra ireny, satria ny mpivavaka iandanian'Andriamanitra.
6 Nataonareo tsinontsinona ny fikasan'ny ory, kanefa ny TOMPO ange no fialofany.
7 Hivoaka avy ao Tsiona anie ny famonjena an'i Israely! Ka hifaly sy hiravo ny taranak'i Jakoba, dia ny vahoaka Israely tsivakivolo, rehefa hambinin'ny TOMPO indray izy.
Toko faha-15 (14)
1 Salamo nataon'i Davida. -TOMPO o, iza moa no horaisina an- tempolinao sy hahazo toerana eo an-tendrombohitrao masina ?2 -Izay tsy manan-tsiny, izay mitandro ny rariny ka milaza tokoa ny marina ao am-pony;
3 tsy manao teny manendrikendrika olona sady tsy manisy ratsy ny namany, na manompa ny mpiara-monina aminy;
4 tsy miraharaha izay lavin'Andriamanitra, fa manaja an'ireo mpivavaka amin'ny TOMPO, tsy mivadika amin'ny fianianana vita na dia maningotra ny tenany aza izany;
5 sady tsy mba manisy zana-bola rehefa mampisambotra no tsy mba mandray tsolotra hamelezana ny tsy manan-tsiny. Izay manao izany sy izany dia tsy hihontsona na oviana na oviana.
Toko faha-16 (15)
1 Hira malefaka nataon'i Davida. Andriamanitra o, arovy aho satria Ianao no fialofako.2 Hoy aho tamin'ny TOMPO: "Ianao tokoa no Tompoko ka tsy misy hasambarako, raha tsy eo akaikinao!"
3 Ny vahoakan'Andriamanitra eto amin'ny tany no tena tsara laza ka sitrako fatratra.
4 Fa izay mpirohotra amin'andriamani-kafa dia hampitombo kosa ny fahorian-tsainy; tsy mba hiaraka aminy velively aho hanolotra ny fanati-dra izay ararany, ary tsy hanonona anarana azy akory.
5 TOMPO o, Ianao no zarako sy lovako; Ianao tokoa no mitantana ny hoaviko.
6 Zava-mahafinaritra no voatendry ho ahy; eny, ilay fananana soa indrindra no azoko.
7 Isaorako ny TOMPO Izay manolo-tsaina ahy; na amin'ny alina aza dia anarin'ny eritreritro aho.
8 Ataoko eo anoloako mandrakariva ny TOMPO, eo ankavanako Izy ka tsy hihontsona aho.
9 Koa faly sy ravo ny fo amam-panahiko, ary izany no itoerako amim-pahatokiana;
10 satria Ianao tsy manary ahy ho rembin'ny toeran'ny maty sady tsy mamela ahy hogiazan'ny fasana noho izaho tena mpivavaka aminao.
11 Ampahafantarinao ahy ny lalana izay mankany amin'ny fiainana; hafaliana no manenika ahy eo anatrehanao, fahafinaretana mitohy no eo ankavananao.
Toko faha-17 (16)
1 Vavaka nataon'i Davida. Mandrenesa, TOMPO o! Mitaky rariny aho. Enga anie ho tandrinao izato fitarainako! Mba henoy re ny vavaka ataoko fa teny tsisy fitaka izany.2 Avy aminao no tokony hivoaka ny didim-pitsarana momba ahy, satria mahita ny hitsiny Ianao.
3 Efa nandinika ny foko Ianao, ary avy alina namotopototra ahy; nizaha sy nisedra ny toetrako Ianao fa tsy nahita n'inona n'inona ho kianina. Tsy niteny ratsy
4 toy ny ataon'ny olona aho fa ny baiko voalazanao no hany notandremako. Ny sori-dalan'ny didinao
5 no nifikiran'ny diako; ny tongotro tsy mba nivaona hiala amin'ireo soritrao.
6 Koa miantso Anao aho, Andriamanitra o, satria mamaly vavaka Ianao. Aoka mba hanongilan-tsofina amiko Ianao handrenesanao izay lazaiko!
7 Asehoy ahy ny fitiavanao mahagaga, dia Ianao Izay mpamonjy amin'ny mpampahory ho an'ireo mialoka eo ankavananao.
8 Tandremo toy ny anakandriamaso aho ka afeno sy arovy eo ambany elatrao
9 mba tsy ho azon'ny olon-dratsy izay mampahory ahy tokoa, dia ireo fahavalo romotra tonga manemitra ahy.
10 Tsy mba manana fo mangoraka izy, ary ny teniny feno avonavona.
11 Mitsongodia ahy no ataony; ka indreo izy manodidina ahy sady mibandrina ahy fa te hamotraka ahy an-tany,
12 toa liona mamitsaka am-pierena efa may ny hamiravira remby.
13 Mirotsaha amin'izay Ianao, TOMPO o, mba hanohitra sy handaboka azy; ny sabatrao re no anafaho ahy mba tsy ho azon'ny olon-dratsy aho.
14 Aoka ny sandrinao, TOMPO o, handroaka azy mba tsy ho eo amin'ny velona intsony fa izany no natao ho anjarany etoana. Ampigohy azy ny mafaitra tahirizinao ho azy; ny zanany koa anie hisotro amin'izany ka hamela ny sisa ho an'ny zafikeliny!
15 Fa izaho kosa nomenao rariny, ka ho afaka hanatri-tava Anao; ary isaky ny mifoha aho, dia ho afa-po amin'ny endrikao.
Toko faha-18 (17)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hira nataon'i Davida mpanompon'ny TOMPO. Notononiny hanomezam-boninahitra ny TOMPO ireto teny ireto fony izy nafahany tamin'ny fahavalo ny rehetra, indrindra tamin'i Saoly.2 TOMPO o, tiako Ianao fa Ianao no heriko!
3 Ny TOMPO no harambato fierena azo antoka ho ahy. Izy no Andriamanitro sy vatolampy ialofako, ampinga fiarovana sy mpamonjy mahery ho ahy.
4 Hoderaina anie ny TOMPO! Fa niantso Azy aho, dia voavonjy ho afaka amin'ny fahavaloko.
5 Toy ny fatotra mangeja ahy ny fahafatesana sady nampitahotra ahy toa riaka mandrava;