Salamo

Toko faha-9

5 Eo ambonin'ilay sezafiandriananao no ipetrahanao ho Mpitsara marina; ka niaro ny zoko Ianao ary nanome rariny ahy.

6 Norahonanao ny hafa firenena ary naringanao ny olon-dratsy; nokosehinao ny fahatsiarovana azy mba ho levona mandrakizay.

7 Nifarana hatreo ny amin'ny fahavalonay, satria rava tanteraka izy; efa narodanao ireo tananany, ka tsy hotsarovana intsony.

8 Injay ny TOMPO Izay maharitra mandrakizay: mametraka ny sezafiandrianana hitsarany Izy,

9 ka hitsara izao tontolo izao araka ny rariny sy hanapaka ny firenena araka ny hitsiny.

10 Ny TOMPO no fialofana ho an'ny ampahorina, eny, fialofana amin'ny andro mahory.

11 Aoka hiantehitra aminao ireo mahalala tsara Anao, satria Ianao tsy mba mandao izay mitady Anao, TOMPO o!

12 Ankalazao amin'ny zava-manenony TOMPO Izay monina ao Tsiona, ary ambarao amin'ireo firenenany zava-mahatalanjona nataony;

13 satria mikaroka ny mpamono olona Izy sady mahatsiaro ireo voavono ho faty sy ny fitarainan'ireo mahantra.

14 Iantrao aho, TOMPO o, ka jereo ny fahoriako, noho ny afitsoky ny mpankahala ahy; Ianao no misintona ahy ho afaka amin'ny hasomparan'ny fahafatesana.

15 Amin'izay dia ho tanisaiko avokoa ireo anton-javatra iderako Anao; ao an-tananan'i Tsiona no hiravoako, satria Mpamonjy ahy tokoa Ianao.

16 Ny lavaka izay nohadiny ihany no nianjeran'ireo hafa firenena; ny fandrika harato nafeniny ihany no nahavoasingotra ny tongony.

17 Nampahafantatra ny tena ny ny TOMPO fony Izy namoaka ny didim-pitsarany: ny fandrika nataon'ny olon-dratsy no indro nahavoa azy ireo.

18 Any amin'ny toeran'ny maty no aoka hiverenan'ny ratsy fanahy, dia ireo tsy mpivavaka rehetra izay mpanadino an'Andriamanitra!

19 Andriamanitra kosa tsy hanadinona oviana na oviana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan'ireo mahantra.

20 Mirotsaha an-tsehatra re, TOMPO o, aza avela hahery noho Ianao ny olona. Enga anie ireo hafa firenena hotsaraina eo anatrehanao!

21 TOMPO o, ampitahory ireo: aoka ho fantatry ny hafa firenena fa olombelona fotsiny ihany anie izy!

Toko faha-10 (9)

1 Nahoana Ianao, TOMPO o, no mijanona eny lavitra eny? Ary nahoana Ianao no miery amin'ny androm-pahoriana?

2 Mirehaka ery ny olon-dratsy mitsentsitra ny malahelo; tamina tetika maty paikano namelezany azy ireo.

3 Mibitaka ery ny olon-dratsy fa mahazo izay niriny; kanefa ny TOMPO tsiratsirainy sady hamavoiny tokoa.

4 Ny olon-dratsy mirehareha hoe: "Tsy hanadina Andriamanitra, tsy misy Andriamanitra. "Izany no ambentin-keviny.

5 Mahomby mandrakariva ny zavatra ataony, vingavingainy avokoa izay manohitra azy, tsy tazany ny fitsaran'Andriamanitra.

6 Hoy ny olon-dratsy anakampo ny: "Tsy misy atahorako akory, fa ieren-doza hatrany aho."

7 Ozona sy fitaka ary hafetsena no mameno ny teny lazainy ; fampahoriana sy faharatsianano zavatra tiany hambara.

8 Mamitsaka hanotrika eny akaikin-tanana izy ary mamono an-katakonana ny tsy manan-tsiny;
ny masony mitily ireo fadiranovana.

9 Manotrika an-katakonana tokoa izy toy ny fanaon'ny liona ao am-pierena; manotrika hisambotra ny malahelo izy ka mitarika azy ho ao anaty haratony.

10 Torotoro ny malahelo fa resy mihitsy ka mianjera ho eo ambany fahefany.

11 Dia hoy ny olon-dratsy anakampony: "Tsy raharahain'Andriamanitra izany sady ikimpiany fa tsy mba jereny ary tsy hitany na oviana na oviana! "

12 TOMPO Andriamanitro o, mirotsaha an-tsehatra. Ahinjiro ny tananao hanafay ny olon-dratsy ka aza hadinoina re ireo malahelo.

13 Nahoana moa ny olon-dratsy no haneso Anao Andriamanitra, ka hiteny anakampo hoe: "Tsy hanadina ahy Izy!"

14 Hitanao fa mijaly sy ory ny mahantra, ka mivonon-kanampy azy hatrany Ianao; Ianao no itokian'ny malemy, sady mamonjy ny kamboty.

15 Koa poteho ny herin'ny olon-dratsy, adino aminy ny ratsy nataony ary aoka izy tsy ho hita soritra intsony!

16 Ny TOMPO no mpanjaka mandrakizay mandrakizay; ho fongotra amin'ny taniny ny mpanompo sampy.

17 TOMPO o, renao ny fanirian'ny malahelo ka ampaherezinao tokoa ny fony.

18 Vonon-kihaino hatrany ny kamboty sy ny ampahorina Ianao mba hanomezanao azy ny rariny. Dia ho foana tanteraka hatreo ny mpanjakazaka ety an-tany.

Toko faha-11 (10)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida. -Ny TOMPO no fialofako. Ahoana ary no ilazanareo amiko hoe: "Mandosira any an-tendrombohitra toy ny fanaon'ny voronkely ianao?"

2 -Jereo ny olon-dratsy fa manenjana tsipika sy manandrify zana-tsipika amin'ny tady mba hitifitra ao amin'ny maizina ny mahitsy fo.

3 Rehefa potika ny fanorenan'ny fiaraha-monina, inona indray moa no azon'ny olo-marina atao?

4 -Ny TOMPO anefa dia ao amin'ny Tempoliny masina sady eo an-tseza fiandrianany any an-danitra. Arahiny maso ny olombelona ka indray mijery dia voatombany.

5 Voatomban'ny TOMPO tokoa ny olo-marina sy ny olon-dratsy ka halany ireto mpankamamy herisetra.

6 Aoka ho vainafo sy solifara no halatsany toa ranonorana eo an-dohan'ireo olon-dratsy! Dia tafio-drivotra mahamay no anjara homeny azy ireo.

7 Eny, marina ny TOMPO ka tia fahamarinana; ary ny mahitsy fo no hifanatri-tava aminy.

Toko faha-12 (11)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny valiha torifolo. Salamo nataon'i Davida.

2 Mba vonjeo re, TOMPO o, fa miharingana ny mpivavaka marina; ary dia tsy misy intsony ny olona azo itokiana.

3 Lainga hatrany no ifampilazana: ny teny mandoka fa ny fotsy azo antoka.

4 Hofoanan'ny TOMPO avokoa anie ny mpandoka sy ireo avo vava,

5 dia ireo izay manambara hoe: "Ny filazanay no handresenay lahatra; hainay ny miteny, ka tsisy atahoranay!"

6 Hoy kosa ny TOMPO hoe: "Hirotsaka an-tsehatra Aho izao noho ireo mahantra ampahorina sy ireo malahelo mitaraina; ho vonjeko ireo voavingavinga."

7 Madio ny tenin'ny TOMPO: toa volafotsy voarendrika tamin'ny memy anaty tany ka voadio impito miantoana.

8 TOMPO o, mitana ny teninao Ianao ka hiambina anay mandrakariva tsy ho azon'ny karazan'olona toy izany,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9345