Salamo

Toko faha-5

7 Haringanao ny mpandainga; ary maharikoriko Anao, TOMPO o, ny mpamitaka sy mpamono olona.

8 Izaho kosa hiditra ao an-tranonao, satria Ianao efa fatra-pitia ahy; dia hiankohoka amim-panajana manoloana ny Toeramasinao aho.

9 TOMPO o, tariho amin'ny fahamarinanao aho noho ny afitsok'ireo olona mitsikilo ahy; ataovy mahitsy eo anatrehako ny lalana asainao alehako.

10 Tsy misy azo ianteherana izay lazain'ireo, sady feno heloka ny ao am-pony; ny lelany toy ny lala-malama, ny tendany toy ny fasa-mitanatana.

11 Andriamanitra o, melohy izy; ny fikasany anie hampianjera azy! Roahy izy fa be ota loatra, satria efa nikomy taminao.

12 Izay rehetra mialoka aminao kosa, aoka hifaly; ireo arovanao, aoka hihoby mandrakizay; ireo tia Anao, aoka hiravoravo aminao!

13 TOMPO o, Ianao no mitahy ny olo-marina; ny fanambinanao no toy ny ampinga miaro azy.

Toko faha-6

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny valiha torifolo. Salamo nataon'i Davida.

2 TOMPO o, tezitra amiko Ianao nefa aza faizina aho; vinitra amiko Ianao nefa aza sazina aho.

3 TOMPO o, iantrao aho fa reraka; TOMPO o, sitrano fa lany hery.

4 Mangorohoro aoka izany aho; fa Ianao kosa re, TOMPO o, aza mampiandry ahy ela loatra!

5 TOMPO o, miverena hanafaka ahy, vonjeo aho noho ny fitiavanao.

6 Fa ny maty tsy hahatsiaro Anao; any amin'ny fonenany, tsy hisy hidera Anao.

7 Trotraky ny sento aho; ka isan'alina dia kotsan'ny tomaniko ny fandriako ary vonton-dranomaso ny kidoroko.

8 Jembin'ny alahelo tokoa ireto masoko, efa pahina noho ny ataon'ny fahavaloko.

9 Miala amiko ianareo rehetra mpanao ratsy , satria efa ren'ny TOMPO ny fitomaniako.

10 Eny, ren'ny TOMPO tokoa ny tarainako ary noraisiny ny vavaka nataoko.

11 Aoka ho menatra avokoa ny fahavaloko; ho azon'ny horohoro izaitsizy anie ireo ka hiverina ilalana, feno henatra tampoka!

Toko faha-7

1 Fitarainana nataon'i Davida. Nohirainy teo anatrehan'ny TOMPO noho ny amin'i Kosy ilay Benjaminita.

2 TOMPO Andriamanitro o, Ianao no fialofako. Mba vonjeo re aho ary afaho amin'izay rehetra manenjika ahy.

3 Raha tsy izany, dia hamiravira ahy tahaka ny fanaon'ny liona izy, ka tsy hisy hanafaka na hanaisotra ahy eny aminy.

4 TOMPO Andriamanitro o, raha nahavita izany anaratsiany ahy izany aho, raha nanao heloka ny tanako,

5 raha namaly ratsy ny mpanasoa ahy aho na nandroba an'ireo mpampahory izay mandrafy ahy tsy amin'antony,

6 dia aoka ny fahavaloko hanenjika ahy ka hahatratra ahy! Aoka ho hoseny an-tany mbola velona aho , ka hotarihiny am-bovoka ny hajako!

7 TOMPO o, mirotsaha an-tsehatra Ianao. Aoka hirehitra tokoa ny fahatezeranao! Tohero ireo fahavaloko misafoaka; mijoroa re Ianao mba hanampy ahy, amin'ny fitsarana marina avoakanao.

8 Aoka ireo firenena hivory hanotrona Anao; ary maka toerana hanerinerina azy Ianao eo amin'ilay sezafiandriananao.

9 TOMPO o, Ianao no mpitsara ireo firenena; koa tsarao aho, ry TOMPO Avo Indrindra, fa tia rariny aho ary tsy manan-tsiny.

10 Ampitsaharo ny haratsian'ireo olon-dratsy, ampioreno mafy kosa izay tia rariny; fa Andriamanitra marina Ianao no mahalala ny ao am-po tsy miloaka.

11 Ny ampinga miaro ahy dia Andriamanitra, ilay Mpamonjy an'ireo mahitsy fo.

12 Mpitsara mitandro ny rariny Andriamanitra, ka rahonany mandrakariva ny olon-dratsy.

13 Koa raha tsy miala amin'ny ratsy ireo, dia handrani-tsabatra Andriamanitra sady hanenjan-tsipika ka hikendry hamely.

14 Fiadiana mahafaty no omaniny, dia zana-tsipika mandoro.

15 Indreo kosa ny mpiteti-dratsy: loza no saintsaininy lainga sy fitaka no aterany.

16 Mihady lavaka lalina tokoa izy, nefa izy ihany no mianjera ao.

17 Ny loza nomaniny dia mitsingerina eo an-dohany; ary ny herisetra notetehiny dia miantonta eo an-tampon-dohany.

18 Hidera Anao aho, TOMPO o, fa mitandro ny rariny Ianao; ary hankalaza ny anaranao amin-kira aho, ry TOMPO Avo Indrindra o.

Toko faha-8

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny jejilava. Salamo nataon'i Davida.

2 TOMPO Andriamanitray o, endrey ny halehiben'ny voninahitrao manerana ny tany tontolo! Nataonao manoatra ny lanitra ny fiandriananao.

3 Kanefa ny feon'ny ankizy madinika , eny, ny feon'ireo zaza mbola minono aza no anoheranao ny mpandrafy Anao; ary izany dia toy ny manda natsanganao hampanginanao ireo fahavalonao sy izay te hamaly ratsy.

4 Raha jereko ny lanitra asan-tananao sy ny volana aman-kintana napetrakao eny,

5 dia mba inona moa ny olombelona no tsarovanao, sy izay zanak'olombelona no karakarainao ?

6 Fa nataonao latsaka kely noho ny anjely izy , ka nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana;

7 nampanjakainao amin'ny asan-tananao: nataonao ho eo an-tongony ny zava-drehetra ,

8 dia ny omby aman'ondry sy osy mbamin'ny bibidia any an-tsaha,

9 ny voro-manidina sy ny trondron-dranomasina izay miriaria manaraka ny onjan-driaka.

10 TOMPO Andriamanitray o, endrey ny halehiben'ny voninahitrao manerana ny tany tontolo!

Toko faha-9

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon'ny hoe "Ny fahafatesan-janaka." Salamo nataon'i Davida.

2 Hidera Anao amin'ny foko manontolo aho, TOMPO o, ka hitantara ny zava-mahagaga rehetra nataonao.

3 Ho faly sy ravo aminao aho, ry Avo Indrindra o, ary hankalaza ny anaranao amin'ny zava-maneno.

4 Miverina ilalana ireo fahavaloko; lavo izy ka ringana teo anoloanao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9038