Jôba

Toko faha-42

10 Rehefa avy nivavaka ho an'ireo namany i Joba, dia naverin'ny TOMPO hanan-karena indray ary nomeny indroan'izay rehetra nananany fahiny aza.

11 Dia tonga namangy an'i Joba avokoa ny rahalahiny sy ny anabaviny mbamin'ny olom-pantany fahiny, ka niara-nihinana taminy tao an-tranony. Naneho fiombonana taminy koa ireo sady nampionona azy noho ny loza rehetra nalefan'ny TOMPO taminy. Ary samy nanolotra fanomezana vola kesita iray sy rojo volamena iray avy ho azy izy rehetra.

12 Nandritra ny taona sisa niainan'i Joba, dia heniky ny fitahian'ny TOMPO mihoatra noho ny taloha izy, fa nanana ondry 14000, rameva enina arivo, omby miasa roa arivo ary borikivavy arivo izy.

13 Nanan-janaka lahy fito ary zanaka vavy telo koa izy,

14 ka ny vavimatoa nataony hoe Jemima, ny vaviaivo Ketsiha ary ny faravavy Kerena-Hapoka.

15 Tao amin'ny tany iray manontolo dia tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanakavavin'i Joba. Ary samy nomen-drainy ny anjara lovany tahaka ireo anadahiny avy izy.

16 Taorian'izany dia mbola velona 140taona i Joba ka nahita ireo zanany sy zafikeliny hatramin'ny zafindohaliny.

17 Dia maty i Joba rehefa ela niainana ka tratrantitra.

Salamo

Toko voalohany

1 Sambatra ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, na mijanona eo amin'ny lalan'ny mpanota, na miray toerana amin'ny mpaniratsira!

2 Fa ny fampianaran'ny TOMPO no sitrany, ka dia saintsaininy andro aman'alina.

3 Toy ny hazo nambolena eo amoron-drenirano izy, izay mamoa ara-potoana sady tsy malazo ravina , ka dia mahomby avokoa ny asa rehetra ataony.

4 Tsy mba toy izany ireo olon-dratsy, fa tahaka ny akofa aelin-drivotra.

5 Noho izany, dia ho voaheloka eo amin'ny fitsarana ireo; ary tsy hisy toerana ho azy akory eo amin'ny fivorian'ny olo-marina.

6 Tsimbinin'ny TOMPO tokoa ny fiainan'ny olo-marina, fa ny an'ny olon-dratsy kosa mankamin'ny fahaverezana.

Toko faha-2

1 Nahoana no mihotakotaka ny firenena ? Ireo vahoaka mikomy amin'ny tsinontsinona;

2 ireo mpanjakan'ny tany miomana hiady; ireo andriana miara-mioko hanohitra ny TOMPO sy ilay Mesiany.

3 Aoka hotapahintsika, hoy ireo, ny gadra angejany; ary hariantsika any izay fanjakazakany!

4 Ny Tompo Izay mipetraka any an-danitra kosa dia mihomehy azy sy maneso azy.

5 Ka itenenany amin-katezerana ireo sy ampihorohoroiny amin-kavinirana hoe:

6 Izaho no manendry Azy ho mpanjaka eo Tsiona tendrombohitro masina!

7 -Aoka hambarako, hoy ilay mpanjaka, ny didy navoakan'ny TOMPO; fa hoy Izy tamiko: "Ianao no zanako; Rainao niteraka anao Aho manomboka anio.

8 Koa angataho amiko ny firenena rehetra, dia homeko ho fanananao ireny hatrany amin'ny faravazan-tany,

9 ary hofehezinao amin'ny tehim-by ka ho azonao potehina toa vilany tany."

10 Koa misehoa ho hendry, ianareo mpanjaka; ary minoa anatra, ry mpitsara ny tany.

11 Tompoy amin-tahotra ny TOMPO ary ekeo amin-kovitra ny fahefany, fandrao hirehitra tampoka ny hatezerany ka ho fatin'ny fikasanareo ianareo.

12 Sambatra izay rehetra mialoka aminy.

Toko faha-3

1 Salamo nataon'i Davida, fony izy nandositra an'i Absaloma zanany lahy.

2 TOMPO o, akory ity hamaroan'ny fahavaloko! Maro loatra ny olona mitsangan-kanohitra ahy;

3 maro loatra ny milaza momba ahy hoe: "Tsy manam-pamonjena amin'Andriamanitra izy!"

4 Nefa Ianao, TOMPO o, no ampinga miaro ahy; Ianao no voninahitro sy mampitraka ahy.

5 Raha miantso vonjy amin'ny TOMPO aho, dia valiany avy ao an-tendrombohiny masina.

6 Matory aho ka renoka, dia mifoha, satria ny TOMPO no manohana ahy.

7 Tsy atahorako ny olona alinalina izay manemitra mba hamely ahy.

8 Ry TOMPO Andriamanitro o, midira an-tsehatra hamonjy ahy. Hasianao tehamaina ny fahavaloko rehetra, ka dia raraka ny nifin'ireo olon-dratsy.

9 TOMPO o, Ianao no hany afaka mamonjy. Ho amin'ny vahoakanao anie ny fitahianao!

Toko faha-4

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida.

2 Ry Andriamanitra mpanome rariny ahy o, raha miantso vonjy aho, mba valio. Tao an-katerena aho no efa nafahanao; iantrao ary aho ka henoy vavaka.

3 Mandra-pahoviana, rey olona, no handotoanareo ny voninahitro? Ny hanendrikendrika ahy tsy amin'antony sy ny hamoron-dainga hiampangana ahy: izany no kendrenareo hatrany hatrany.

4 Fantaro kosa fa igagana ny fitiavan'ny TOMPO ahy; henoiny aho rehefa miantso vonjy aminy.

5 Tezera kanefa aza manota ianareo , mieritrereta eo am-pandriana kanefa aza manahy.

6 Fa manaova kosa sorona araka ny lalana ary dia matokia ny TOMPO.

7 Maro ny olona mitaraina hoe: "Mba te hahita fahasambarana izahay, ka jereo amin-kamorampo, TOMPO o."

8 Nasianao fifaliana kosa ato am-poko mihoatra noho ilay fifalian'ireo, amin'ny itobahan'ny variny sy ny divainy.

9 Vao mandry aho dia renoka am-piadanana, satria Ianao irery ihany, TOMPO o, no mampitombina ahy tsy hanana ahiahy.

Toko faha-5

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny sodina. Salamo nataon'i Davida.

2 TOMPO o, mba henoy re ny teniko; aoka ho tandrinao ny sentom-poko.

3 Ry Mpanjakako sy Andriamanitro o, mandrenesa ny feoko fa miantso Anao aho; Eny, Ianao no ivavahako vao maraina,

4 ka ho henoinao ny feoko, TOMPO o. Vao maraina aho dia efa miomana ny horaisinao, ary miandry ny valim-bavaka avy aminao.

5 Tsy mba Andriamanitra tia ratsy Ianao; ka tsy hitoetra eo aminao ny olon-dratsy,

6 tsy zakanao ho eo anoloanao ny mpirehareha, halanao ny mpanao ratsy rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9068