Genesỳ
Toko faha-39
5 Nanomboka hatreo, noho ny amin'i Josefa, dia notahin'ny TOMPO ny tao an-tranon'ilay Ejiptianina sy izay rehetra nananany. Io fitahian'ny TOMPO io dia nanenika ny fananany rehetra na an-tsaha na an-tanana.6 Noho izany dia navelany teo am-pelatanan'i Josefa avokoa ny fananany rehetra; ka tsy nihevitra na inona na inona intsony i Potifara, afa-tsy izay sakafo hohanin'ny tenany ihany. Tovolahy tsara tarehy sady bikana i Josefa.
7 Taorian'ireo zava-niseho ireo, dia nangata-maso tamin'i Josefa ny vadin'ny tompony, ka nanao taminy hoe: -Avia handry amiko!
8 Fa hoy ny navalin'i Josefa azy: -Sanatria! Napetraky ny tompoko eo an-tanako avokoa ny fitandremana ny fananany rehetra ary matoky manana ahy izy ka tsy mikarakara na inona na inona intsony ato an-trano.
9 Ary na ato an-trano aza dia tsy manana fahefana noho izaho izy; ka tsy nisy nandrarany ahy, afa-tsy ianao izay vadiny. Koa ahoana no ahazoako manao zava-dratsy lehibe toy izany, ka hanotako amin'Andriamanitra?
10 Isan'andro isan'andro dia mbola nanangoly an'i Josefa ihany ilay vehivavy; fa tsy nanaiky handry na hiray aminy izy.
11 Indray andro dia niditra tao an-trano i Josefa mba hanao ny raharahany, ary tsy nisy mpanompo tao an-trano.
12 Dia nosamborin'ny vadin'i Potifara tamin'ny lambany izy, ka nataony hoe: -Avia handry amiko! Fa navelan'i Josefa teny an-tanan-dravehivavy ny lambany, dia nandositra nivoaka ny trano izy.
13 Nony hitan-dravehivavy fa nandositra i Josefa ka namela ny lambany teo an-tanany,
14 dia niantso vonjy tamin'ireo mpanompony izy ka nanao hoe: -Jereo fa nentina taty amintsika iny lehilahy hebreo iny mba hanadala antsika. Nanatona ahy saika handry tamiko izy, kanjo niantsoantso mafy aho.
15 Fa raha vao nandre ahy nanandra-peo sy niantsoantso izy, dia nandositra nivoaka ny trano ka namela ny lambany teto anilako.
16 Dia napetrak'ilay vehivavy teo anilany teo ihany ilay lamba mandra-pahatongan'ny vadiny tao an-trano.
17 Dia nitantara tamin'ny vadiny araka ireo teny ireo koa izy ka nanao hoe: Nanatona ahy mba hanadala ahy ilay mpanompolahy hebreo nentinao taty amintsika iny.
18 Fa nanandra-peo sy niantsoantso aho, dia lasa nandositra nivoaka ny trano izy ka namela ny lambany teto anilako.
19 Tezitra mafy ilay tompon'i Josefa, rehefa nandre ny fitantaran'ny vadiny izay nataon'ny mpanompony taminy.
20 Koa nasain'i Potifara nosamborina i Josefa sy nasainy nohidina tao am-ponja izay nisy ireo mpigadra meloka tamin'ny mpanjaka. Fa raha tao am-ponja i Josefa,
21 dia nomba azy kosa ny TOMPO sy naneho hatsaram-po taminy, ka nampahita sitraka azy tamin'ny lehiben'ny fonja.
22 Dia natolotr'ilay lehiben'ny fonja teo an-tanan'i Josefa avokoa ireo mpigadra rehetra, ka izy no mitarika ny asa rehetra nataon'ireo mpigadra.
23 Koa ilay lehiben'ny fonja dia tsy niraharaha na inona na inona tamin'ny zavatra rehetra nankininy tamin'i Josefa, satria ny TOMPO nomba azy ka nanambina izay nataony.
Toko faha-40
1 Taorian'izany zavatra izany dia nanao fahadisoana tamin'ny mpanjakan'i Ejipta tompony ny lehiben'ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny lehiben'ny mpanao mofo.2 Tezitra mafy tamin'ireo tandapany roa lahy ireo ny Farao,
3 ka nampanao azy an-tranomaizina; ny fonenan'ilay lehiben'ny mpiambina no nisy io tranomaizina io, dia ny fonja izay nigadran'i Josefa.
4 Ilay lehiben'ny mpiambina kosa nametraka azy roa lahy teo ambany fitandreman'i Josefa; ary fotoana vitsivitsy no nitanana azy tao.
5 Indray alina dia samy nanonofy tao an-tranomaizina izy roa lahy, dia ny lehiben'ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny mpanao mofon'ny mpanjakan'i Ejipta; ary samy nanana ny heviny avy ny nofiny.
6 Nony maraina, rehefa tonga hijery azy ireo i Josefa, dia nahita azy nanjoretra,
7 ka nanontany azy hoe: -Nahoana no malahelo tarehy ianareo androany?
8 Dia novalian'izy roa lahy hoe: -Samy nanonofy izahay, nefa tsy misy olona mahalaza ny heviny. Hoy kosa i Josefa hoe: -Andriamanitra ihany no afaka manome ny heviny, fa mba tantarao amiko aloha ny nofinareo.
9 Dia nitantara ny nofiny tamin'i Josefa ilay lehiben'ny mpandroso zava-pisotron'ny mpanjaka, ka nanao hoe: -Nofiko fa nisy, hono foto-boaloboka iray teo anoloako.
10 Nisampana telo ilay foto-boaloboka, ka raha vao nitsimoka izy, dia namelana ary nisy voaloboka masaka an-tangozany.
11 Teny an-tanako ny tsangambavan'ny Farao ary notazako ny voaloboka, ka nofiazako tao; dia natolotro teo an-tanan'ny Farao ilay tsangambava.
12 Ary hoy i Josefa taminy: -Izao no hevitry ny nofinao: ny sampany telo dia manambara andro telo.
13 Ato anatin'ny telo andro dia hasandratry Farao ianao, ka haveriny eo amin'ny toeranao, ary hanolotra ny tsangambavan'ny Farao toy ny teo aloha araka ny maha lehiben'ny mpandroso zava-pisotro anao.
14 Fa mba tsarovy aho rehefa hambinina ianao, anehoy hatsaram-po ka mba resaho amin'ny Farao hamoahanao ahy hiala amin'ity tranomaizina ity.
15 Fa an-keriny no nitondrana ahy avy tany amin'ny tanin'ny Hebreo; ary teto koa dia tsy nanao na inona na inona akory aho, nefa natao an-tranomaizina.
16 Nony hitan'ilay lehiben'ny mpanao mofo fa tsara ny hevitry ny nofy nambaran'i Josefa, dia hoy izy taminy: -Izaho koa mba nanonofy, ka nisy hono harona telo fitondrana mofo nololohaviko.
17 Tao amin'ilay harona ambony indrindra dia feno ireo mofo fihinan'ny Farao, saingy tonga ny voro-manidina ka nihinana azy tao an-karona teny an-dohako.
18 Dia hoy ny navalin'i Josefa azy: -Izao no hevitry ny nofinao: ny harona telo dia manambara andro telo.
19 Ato anatin'ny telo andro dia hoesorin'ny Farao amin'ny toeram-boninahitrao ianao, ka hahantony amin'ny hazo; dia ho avy ny voro-manidina hihinana ny nofonao.
20 Nony afaka telo andro, dia nitsingerina ny andro nahaterahan'ny Farao, ka nanao fanasam-be ho an'ireo mpanompony rehetra izy. Koa teo anivon'ireo mpanompony no nanehoan'ny Farao an'ilay lehiben'ny mpandroso zava-pisotro sy ilay lehiben'ny mpanao mofo.
21 Ilay lehiben'ny mpandroso zava-pisotro dia naveriny tamin'ny raharahany ka nanolotra ny tsangambava ho eo an-tanan'ny Farao;
22 fa ilay lehiben'ny mpanao mofo kosa dia nasainy nahantona. Dia araka izay efa nambaran'i Josefa tamin'izy roa lahy avy izany.
23 Kanjo nanadino tanteraka an'i Josefa ilay lehiben'ny mpandroso zava-pisotro.
Toko faha-41
1 Ary nony afaka roa taona teo, dia nanonofy ny Farao: Nijoro teo amoron'i Neily hono izy,2 ary indreo nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy niakatra avy tao amin'ny ony ka niraoka ahitra teo amoron-drano.
3 Avy eo dia nisy ombivavy fito hafa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy tao amin'ny ony, ka nitsangana teo anilan'ireo matavy teo amoron-drano;
4 ary ireto ombivavy mahia dia nihinana iretsy matavy. Teo no taitra ny Farao.
5 Ary renoka indray ny Farao ka nanonofy fanindroany: Indreo nisy salohim-bary fito vokatra be sady tsara amin'ny tahony iray.
6 Avy eo dia nisy salohim-bary fito manakofa sady main'ny rivotra avy any atsinanana nitrebona taorian'ireo;
7 ka ireto salohim-bary manakofa dia nitelina iretsy vokatra sady tsara. Dia taitra ny Farao ka nahatsapa fa nanonofy izy.
8 Nony maraina dia nampiantso ny mpimasy sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta ny Farao satria feno tebiteby. Notantarainy tamin'ireo ny nofiny, kanefa tsy nisy nahalaza ny heviny.