Genesỳ
Toko faha-42
2 Indro, reko fa misy vary any Ejipta. Koa andeha midina any mividy vary ho antsika, mba ho velona isika fa tsy ho faty.3 Dia nidina tany Ejipta ireo zokin'i Josefa folo lahy mba hividy vary.
4 Tsy nalefan'i Jakoba niaraka tamin'ireo rahalahiny kosa i Benjamina zandrin'i Josefa, fa hoy izy hoe: Sao misy loza hanjo azy any.
5 Dia tonga hividy vary tany Ejipta toy ny hafa ireo zanakalahin'i Jakoba, fa tratry ny mosary koa ny tany Kanahana.
6 I Josefa no mpitondra ny tany Ejipta, ka izy no mpivaro-bary tamin'ireo olon'ny tany hafa rehetra. Koa tonga niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Josefa ireo rahalahiny.
7 Vao hitan'i Josefa ireo rahalahiny, dia fantany; saingy mody niseho ho vahiny taminy kosa i Josefa sady nandrahona azy hoe: -Avy aiza moa ianareo? Hoy kosa ireo hoe: -Avy any amin'ny tany Kanahana izahay. Tonga mba hividy sakafo.
8 Koa fantatr'i Josefa ireto rahalahiny, fa izy ireo kosa tsy nahafantatra azy.
9 Tsaroan'i Josefa ny nofiny momba azy ireo, ka hoy indray izy hoe: -Mpitsikilo ianareo! Hizaha izay toerana mora hanafihana eto amin'ny tany no nahatongavanareo.
10 Fa novaliany hoe: -Tsia, tompoko o! Tonga mba hividy sakafo fotsiny izahay mpanomponao.
11 Zanak'olona iray ihany izahay rehetra ireto; olo-marina fa tsy mba mpitsikilo akory izahay mpanomponao.
12 Ary hoy i Josefa taminy: -Tsia, fa hizaha izay toerana mora hanafihana eto amin'ny tany no nahatongavanareo.
13 Namaly kosa ireo hoe: -Misy 12 mirahalahy izahay mpanomponao, zanak'olona iray ihany any amin'ny tany Kanahana; ary indro ny faralahy aminay aza dia nijanona any amin'ny rainay, fa ny iray kosa efa tsy ao intsony.
14 Hoy indray i Josefa taminy: -Izany indrindra no efa nilazako anareo hoe mpitsikilo ianareo.
15 Koa izao no fizahan-toetra hatao aminareo: Velona ny Farao, ka mianiana aho fa tsy hiala eto mihitsy ianareo raha tsy tonga eto izany zandrinareo faralahy izany.
16 Maniraha anankiray aminareo haka azy, fa ianareo sisa kosa dia hatao an-tranomaizina. Ho hita amin'izany ny fahamarinan'ny teninareo. Fa raha tsy izany kosa, velona ny Farao, ka manizinginzina aho fa mpitsikilo tokoa ianareo.
17 Nataon'i Josefa an-tranomaizina nandritra ny telo andro izy rehetra.
18 Ary tamin'ny andro fahatelo dia hoy i Josefa taminy: -Izao no ataovy, dia ho velona ianareo, satria izaho koa mba manaja an'Andriamanitra.
19 Raha olo-marina tokoa ianareo, dia aoka ny anankiray aminareo hijanona ao an-tranomaizina nitazonana anareo; fa ianareo sisa kosa mandehana mitondra ny vary ho any amin'ny fianakavianareo mosarena.
20 Avy eo dia ento aty amiko ny zandrinareo faralahy, amin'izay dia ho voaporofo fa marina ny teninareo ka tsy ho faty ianareo. Dia nanaiky izany izy,
21 nefa nifampiresaka hoe: -Tena meloka tokoa isika noho ny amin'ny rahalahintsika izay hitantsika ny fahoriam-panahiny tamin'ny fiangaviany antsika, nefa tsy mba nohenointsika; ary izao dia manody antsika izany.
22 Dia niteny i Reobena hoe: -Moa tsy efa nilaza taminareo ve aho hoe: Aza manao heloka bevava amin'i Josefa leiretsy, kanefa tsy nihaino ahy ianareo. Koa izao dia manody antsika ny rany.
23 Tsy nampoizin'ireo hoe fantatr'i Josefa ny teniny, satria mpandika teny no niresahany taminy.
24 Dia nihodina niala teo anatrehany aloha i Josefa mba hitomany. Ary niverina teo amin'ireto rahalahiny indray i Josefa ka nilaza taminy fa i Simehona no hotazoniny, sady nafatony teo imason'izy ireo.
25 Avy eo dia nasainy nofenoina vary ny kitapon'izy ireo, ary naverina tao an-kitapony avy koa ny volan'ny isan-dahy sady nomena vatsy hoentiny eny an-dalana. Dia notanterahina izany.
26 Ary nataingin'izy mirahalahy avy teo ambony borikiny ny kitapom-bary, dia lasa izy.
27 Ary nony mby teo amin'ny toerana handriany hariva izy ireo, dia nosokafan'ny anankiray ny kitapony mba hanomezany sakafo ho an'ny borikiny, nefa indro ny volany hitany teo am-bavan'ny kitapo.
28 Dia niteny tamin'ireo rahalahiny izy hoe: -Naverina ny volako, fa io anaty kitapoko io! Dia nivarahontsana izy ireo sady raiki-tahotra ka nifanontany hoe: Inona izao ataon'Andriamanitra amintsika izao?
29 Nony tonga tany Kanahana teo amin'i Jakoba rainy izy ireo, dia nitantara taminy ny zava-niseho rehetra ka nanao hoe:
30 -Ilay lehilahy tompon'ny tany dia nandrahona anay ka nilaza anay ho mpitsikilo.
31 Fa hoy izahay taminy: Olo-marina izahay fa tsy mpitsikilo.
32 Roa ambin'ny folo mirahalahy izahay no zanaky ny rainay, ka ny iray dia efa tsy ao intsony fa ny faralahy kosa dia nijanona any Kanahana miaraka amin'ny rainay.
33 Saingy ilay lehilahy tompon'ny tany dia namaly anay fa te hahafantatra raha tena olo-marina tokoa izahay ka nanao hoe: Aoka ny iray aminareo hijanona eto amiko; fa ianareo sisa kosa mandehana, ento ny vary ho any amin'ny fianakavianareo mosarena.
34 Dia ento aty amiko ny zandrinareo faralahy. Amin'izay dia ho fantatro fa tsy mpitsikilo ianareo fa olo-marina tokoa; dia haveriko aminareo i Simehona rahalahinareo, ary hahazo mivezivezy eto amin'ny tany ianareo.
35 Ary nony nararak'izy ireo ny tao an-kitapony, dia indro samy am-ponosana tao an-kitapony avy ny volany. Ary rehefa nahita ireo vola voafono toy izany izy mbamin'ny rainy, dia samy raiki-tahotra.
36 Ka hoy i Jakoba rainy taminy: -Tianareo tsy hanan-janaka ve aho? I Josefa efa tsy eo, i Simehona koa efa tsy eo, ary izao dia halainareo amiko indray i Benjamina! Izaho no ianjadian'izany rehetra izany.
37 Fa hoy i Reobena tamin-drainy: -Vonoy ny zanako roa lahy raha tsy tongako eto aminao indray i Benjamina; fa atolory ahy izy, dia izaho no hamerina azy eto aminao!
38 Hoy kosa i Jakoba hoe: -Tsia, tsy handeha hidina miaraka aminareo ny zanako. Efa maty ny rahalahiny, ary izy irery no sisa. Raha hisy fahavoazana manjo azy eny an-dalana, dia ianareo no hahatonga ity tenako efa antitra ity ho difotr'alahelo hankany amin'ny toeran'ny maty.
Toko faha-43
1 Mbola nanindry mafy tany Kanahana ny mosary.2 Koa rehefa lany avokoa ny vary rehetra nentina avy tany Ejipta, dia hoy i Jakoba tamin'ireo zanany lahy: -Andeha indray ianareo miverina mividy sakafo ho antsika.
3 Fa namaly azy i Joda nanao hoe: -Ilay tompon'ny tany dia nanafatrafatra mafy anay hoe: Tsy handray anareo aho, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.
4 Koa raha alefanao hiaraka aminay i Benjamina, dia handeha hidina hividy sakafo ho anao izahay.
5 Fa raha tsy alefanao kosa izy, dia tsy handeha izahay satria ralehilahy io dia nilaza taminay hoe: Tsy handray anareo aho, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.
6 Ary hoy i Jakoba hoe: -Nahoana no dia nampidi-doza ahy ianareo ka nilaza tamin'izany lehilahy izany fa mbola manana rahalahy ianareo? 7 Ka namaly ireo hoe: -Ralehilahy io no namotopototra mafy momba anay sy momba ny fianakavianay, ka nanontany hoe: Mbola velona ve ny rainareo? Mbola manana rahalahy ve ianareo. Ary izahay dia namaly fotsiny ny fanontaniany, fa tsy nampoizinay ny hilazany hoe: Ampidino aty ny rahalahinareo.
8 Ary i Joda kosa nanampy hoe: -Avelao, ry Dada, hiaraka amiko io zanakao io; fa tsy maintsy mandeha izahay, raha te ho velona fa tsy ho faty ianao sy ny tenanay ary ny fianakaviantsika.
9 Izaho no hiantoka azy ka azonao takina amiko; fa raha tsy haveriko eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao mandritra ny androko rehetra aho.
10 Ary ankehitriny raha tsy nitaredretra izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay.
11 Ka hoy i Jakoba tamin'ireo zanany: -Raha izany ary, dia izao no ataovy: Mitondra an-kitaponareo zavatra tsara vokatry ny tany mba hataonareo fanomezana ho an'ilay Ejiptianina. Mitondra zava-manitra isan-karazany: menaka manitra, ladana, tantely, voam-boatavo, ary amandy.
12 Mitondra vola toy ny taloha ary ento koa ireo vola teo am-bavan-kitaponareo, dia avereno aminy fa angamba nisy fahadisoana.
13 Dia ento ny rahalahinareo ary miainga ka miverena any amin'izany lehilahy izany.
14 Andriamanitra Tsitoha anie hahatonga azy hamindra fo aminareo ka hamela an'i Benjamina sy i Simehona hiverina hiaraka aminareo! Fa izao dia tsy homban-janak Andriamanitra Tsitoha anie hahatonga azy hamindra fo aminareo ka hamela an'i Benjamina sy i Simehona hiverina hiaraka aminareo! Fa izao dia tsy homban-janaka aho tahaka ny tsy nanan-janaka mihitsy.