Genesỳ

Toko faha-34

24 Samy nanaiky ny soso-kevitr'i Hamora sy i Sekema ny olona rehetra teo am-bavahady, koa noforana avokoa ny lehilahy rehetra tao an-tanana.

25 Tamin'ny andro fahatelo taorian'izany, raha mbola nararim-pery mafy iny ireo lehilahy ireo, dia nandray sabatra ny zanakalahin'i Jakoba, dia i Simehona sy i Levy anadahin'i Dina, ka niditra an-tsokosoko tao an-tanana, ary nandringana ny lehilahy rehetra tao;

26 ka anisan'izany koa ry i Hamora sy i Sekema zanany lahy. Dia naka an'i Dina tao an-tranon'i Sekema izy roa lahy, ka lasa nandeha.

27 Ireo zanakalahin'i Jakoba hafa kosa nanendaka ireo faty sy nandroba ny tanana noho ny nandotoana ny anabaviny.

28 Nalainy avokoa ny ondry aman'osiny ary ny ombiny sy ny borikiny, dia ny tao an-tanana sy tany an-tsaha.

29 Nobaboiny ny hareny rehetra mbamin'ny zaza amam-behivavy, ka nofaohiny avokoa ny zavatra tao an-trano.

30 Dia hoy i Jakoba tamin'i Simehona sy i Levy: -Nampidi-doza ahy ianareo fa nahatonga ahy ho mangidy hoditra amin'ny mponina tompon-tany, dia ny Kanahanita sy ny Perizita. Hitambatra hamely ahy ireo, dia handresy ahy satria olom-bitsy no eto amiko; ka ho fongotra ny tenako sy ny fianakaviako.

31 Fa namaly ireo hoe: -Nahoana no ho toy ny vehivavy mpivaro-tena no anaovany ny anabavinay?

Toko faha-35

1 Indray andro dia hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba: -Miainga, miakara any Betela ka mitoera any; ary manaova alitara eo ho an'ilay Andriamanitra Izay niseho taminao fony ianao nandositra an'i Hesao rahalahinao.

2 Dia hoy i Jakoba tamin'ny ankohonany sy izay rehetra niaraka taminy: -Ario avokoa ireo andriamani-kafa eo aminareo, ka midiova ary misoloa fitafiana.

3 Ndeha isika hiainga hiakatra any Betela; fa hanamboatra alitara any aho ho an'Andriamanitra Izay nihaino ahy tamin'ny androm-pahoriako sady nomba ahy tamin'izay rehetra nalehako.

4 Dia natolony an'i Jakoba ireo andriamani-kafa rehetra tany am-pelatanany mbamin'ireo kavina teny an-tsofiny, ka nalevin'i Jakoba teo am-pototr'ilay hazo midoroboka tao akaikin'i Sekema.

5 Ary rehefa niala teo ry i Jakoba sy ny zanany, dia nampihorohoroin'Andriamanitra ireo tanana manodidina, ka tsy nisy sahy nanarakaraka azy avy taoriana.

6 I Jakoba sy ireo rehetra niaraka taminy dia tonga tao Lozy, izany hoe tao Betela izay ao amin'ny tany Kanahana.

7 Ary nanamboatra alitara teo izy, ka niantso an'io toerana io hoe Andriamanitr'i Betela; satria teo no nisehoan' Andriamanitra taminy fony izy nandositra ny rahalahiny.

8 Ary maty i Debora, izay nitaiza an'i Rebeka, ka nalevina teo akaikin'i Betela, teo am-pototry ny hazo oaka izay nantsoina hoe Hazo oaka fitomaniana nanomboka hatreo.

9 Rehefa niverina avy tany Mezopotamia ambony i Jakoba, dia nisehoan' Andriamanitra indray sady notsofiny rano

10 ary nitenany hoe: -I Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ianao fa hatao hoe Israely. Dia nataon'Andriamanitra hoe Israely ny anarany;

11 sady hoy koa Izy taminy: -Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Mihamaroa sy mitomboa, ka hisy firenena sy vondrom-pirenena hipoitra avy aminao ary mpanjaka maro avy amin'ny taranakao.

12 Homeko anao sy ny taranakao mandimby anao ny tany izay nomeko an'i Abrahama sy i Itsehaka.

13 Dia niala teo amin'ny toerana izay nitenenany tamin'i Jakoba Andriamanitra.

14 I Jakoba kosa nanorina tsangambato teo ka nanoso-menaka ilay tsangambato sy nandraraka divay teo amboniny.

15 Dia nantsoin'i Jakoba hoe Betela na Tranon'Andriamanitra io toerana izay nitenenan'Andriamanitra taminy io.

16 Niala tao Betela i Jakoba sy ny ankohonany. Raha mbola lavidavitra an'i Efrata no nisy azy mianakavy, dia teraka i Rahely; nefa saro-piterahana izy.

17 Fa raha sahirana teo am-piterahana iny i Rahely, dia hoy ny mpampivelona taminy: -Aza matahotra fa mbola zazalahy no ho anao!

18 Teo am-pialana aina rehefa ho faty izy, dia nataony hoe Bena-Ony na zanaky ny fahoriako ny anaran'ny zaza; fa ny rainy kosa niantso azy hoe Benjamina na zanaky ny tanan-kavanana.

19 Maty i Rahely ka nalevina teo amoron-dalana mankany Efrata, izay atao hoe Betlehema ankehitriny.

20 Dia nanorenan'i Jakoba tsangambato teo ambonin'ny fasany izay mbola antsoina mandraka androany hoe Tsangambatom-pasan'i Rahely.

21 Dia niala teo i Jakoba ka nanorin-day tao ambadik'i Migdala-Hedera.

22 Fa raha mbola nipetraka tamin'izany faritany izany i Jakoba, dia lasa i Reobena nandry tamin'i Bileha vadikelin-drainy. Nahare izany i Jakoba ka nisafoaka. Fa nisy roa ambin'ny folo ny zanakalahin'i Jakoba;

23 i Reobena no lahimatoan'i Jakoba tamin'i Lea, avy eo dia i Simehona, i Levy, i Joda, i Jisakara ary i Zebolona.

24 I Josefa sy i Benjamina kosa no zanany tamin'i Rahely.

25 I Dana sy Naftaly no zanany tamin'i Bileha mpanompovavin'i Rahely.

26 I Gada sy i Asera no zanany tamin'i Zilpa, mpanompovavin'i Lea. Ireo no zanakalahin'i Jakoba teraka tany Mezopotamia ambony.

27 Ary nandeha i Jakoba nankany amin'i Itsehaka rainy tany Mamre, tao akaikin'i Kiriata-Arba izay antsoina hoe Hebrona ankehitriny, fa tao Mamre no nivahinian'i Abrahama sy i Itsehaka.

28 Efa nisy valopolo amby zato taona ny andron'i Itsehaka,

29 no niala aina izy ka maty; ary efa tratra antitra izy vao nakambana tamin'ny razany. I Hesao sy i Jakoba zanany no nandevina azy.

Toko faha-36

1 Toy izao no lisitry ny taranak'i Hesao na koa i Edoma.

2 Naka vady kanahanita i Hesao, dia i Hada zanakavavin'i Elona izay hetita, sy i Oholibama zanakavavin'i Hana sady zafikelin'i Tsibehona izay hivita,

3 ary i Basemata zanakavavin'i Jismahela sady anabavin'i Nebaiota.

4 Ary i Hada niteraka an'i Elifaza tamin'i Hesao, fa i Basemata kosa niteraka an'i Rehoela;

5 ary i Oholibama kosa niteraka an'i Jehisa sy i Jahilama ary i Kora. Ireo no zanakalahy naterak'i Hesao tao amin'ny tany Kanahana.

6 Nentin'i Hesao ireo vadiny sy ireo zanany lahy sy vavy ary ireo olona rehetra tao an-tranony, mbamin'ny biby fiompiny sy ny biby rehetra mpitondra ny entany; ary nentiny koa ireo fananana rehetra izay azony tao amin'ny tany Kanahana, dia lasa nankany an-tany hafa izy mba ho lavitra an'i Jakoba rahalahiny.

7 Satria efa samy be harena loatra izy mirahalahy ka tsy afaka ny hiara-monina intsony; ary ny faritany nisy azy dia tsy ampy hihinanan'ny biby fiompin'ny roa tonta.

8 Izany no nipetrahan'i Hesao na i Edoma tany an-tendrombohitra Sehira.

9 Toy izao no lisitry ny taranak'i Hesao, razamben'ny Edomita izay nonina teny an-tendrombohitra Sehira.

10 Ireto no anaran'ny zanakalahin'i Hesao: i Elifaza zanakalahin'i Hada vadiny, ary i Rehoela zanakalahin'i Basemata vadiny.

11 Ny zanakalahin'i Elifaza dia i Temana sy i Omara, i Tsefao sy i Gahetama ary i Kenaza.

12 I Timna vadikelin'i Elifaza dia niteraka an'i Hamaleka taminy koa. Ireo no zafikelin'i Hesao sy i Hada vadiny.

13 Ny zanakalahin'i Rehoela dia i Nahata sy i Zera ary i Sama sy i Miza. Ireo no zafikelin'i Hesao sy i Basemata vadiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0842