Genesỳ
Toko faha-37
21 Rehefa nandre izany i Reobena, dia tapa-kevitra hamonjy an'i Josefa ka nanao hoe: -Aoka re tsy hovonointsika ho faty izy.22 Sady mbola nampian'i Reobena hoe: -Aza mandatsa-dra ianareo; aza vonoina ho faty izy, fa atsipazo ao anatin'io lavaka aty an-taniefitra io fotsiny. Nilaza izany taminy izy, mba hamonjeny azy ka hamerenany azy any amin'ny rainy.
23 Raha vao tonga teo amin'ny rahalahiny i Josefa, dia nendahan'ireo ny fitafiany, izany hoe ilay akanjo tsara tarehy teny aminy;
24 ary nobatainy izy ka natsipiny tao an-davaka, dia lavaka iray tsy nisy rano.
25 Avy eo dia nipetraka nihinana ireo, ary nitazana ka nahatsinjo andiana Jismahelita nandalo avy any Gilehada, nitanjozotra nidina ho any Ejipta. Ireo ramevany dia mitondra ditin-kazo manitra toy ny nekota sy balsama ary ladana.
26 Dia hoy i Joda tamin'ireo rahalahiny: -Inona moa no tombon-tsoa ho antsika raha vonointsika ho faty ny rahalahintsika ary afenintsika ny fahafatesany?
27 Andeha hamidintsika amin'ireto Jismahelita ireto izy fa tsy hikasi-tanana azy isika, satria rahalahintsika izy ary fianakaviantsika ihany. Dia nanaiky ireo rahalahiny.
28 Raha nandalo ireo lehilahy midianita mpivarotra, dia nakariny avy tao an-davaka i Josefa ary namidiny sekela volafotsy roapolo tamin'ny Ismaelita izay nitondra azy nankany Ejipta.
29 Rehefa niverina hijery ny lavaka i Reobena, dia tsy tao intsony i Josefa; diso fanantenana izy ka nandriatra ny fitafiany.
30 Niverina nankeo amin'ireo rahalahiny izy ka niantsoantso hoe: -Tsy ao intsony ny zaza, ka aiza no tany halehako?
31 Nalain'ireo rahalahiny ny akanjon'i Josefa ka natsobony tao anaty ran'osy novonoiny.
32 Avy eo dia nalefany tany amin'ny rainy iny niaraka amin'ny hafatra hoe: Inty no hitanay, ka fantaro raha akanjon-janakao ity na tsia.
33 Fantatr'i Jakoba fa an'i Josefa io, koa niantsoantso izy hoe: -Akanjon-janako tokoa ity! Noviravirain'ny biby masiaka i Josefa ary laniny.
34 Dia nandriatra ny fitafiany i Jakoba ka nisikina lamba fisaonana, ary nisaona ny zanany nandritra ny andro maro.
35 Tonga nampionona azy avokoa na ireo zanany lahy na ireo zanany vavy; kanefa tsy nety nionona izy, fa nanao hoe: Mbola hisaona aho no hidina hihaona amin-janako any amin'ny toeran'ny maty. Koa mbola nitomany an-janany ihany izy.
36 Ireo Midianita kosa nivarotra an'i Josefa tany Ejipta tamin'i Potifara, tandapan'ny Farao sady lehiben'ny mpiambina azy.
Toko faha-38
1 Tamin'izany fotoana izany dia niala teo amin'ny rahalahiny i Joda ka nidina tany Hadolama, ho any amin'ny lehilahy atao hoe Hira.2 Tany no nahitan'i Joda ny zanakavavin'i Soha lehilahy kanahanita, ka nalainy ho vady.
3 Nitoe-jaza ilay ramatoa ka niteraka zazalahy, izay nantsoin'i Joda hoe Hera.
4 Mbola nitoe-jaza indray ravehivavy ka niteraka zazalahy nantsoiny hoe Onana.
5 Avy eo dia mbola nitoe-jaza hafa indray izy ka nantsoiny hoe Sela. Tany Keziba i Joda no niteraka an'i Sela ny vadiny.
6 Naka vady ho an'i Hera lahimatoany i Joda, ka Tamara no anarany.
7 Fa ratsy fanahy teo imason'ny TOMPO i Hera ka nampamonoin'ny TOMPO ho faty.
8 Dia hoy i Joda tamin'i Onana: -Mandehana mankany amin'ny vady navelan'ny rahalahinao, ka alao ho vady loloha izy mba hamelo-maso ny rahalahinao.
9 Fantatr'i Onana fa tsy ho azy ny taranaka raha misy, koa isaky ny nandry tamin'ny zaobaviny izy, dia nandraraka ny tsirinainy tamin'ny tany mba tsy hanome taranaka ho an'ny rahalahiny.
10 Ary hita fa ratsy teo imason'ny Tompo izay nataon'i Onana, ka nampamonoin'ny TOMPO ho faty koa izy.
11 Dia hoy i Joda tamin'i Tamara vinantovaviny: -Mitoera ho mpitondratena any an-tranon'ny rainao aloha mandra-pahalehiben'i Sela zanako lahy. Fa hoy i Joda anakampony hoe: Sao dia ho faty toy ny rahalahiny eo koa i Sela. Dia lasa i Tamara nonina tany an-tranon-drainy.
12 Ary nony afaka elaela, dia maty ihany koa ny vadin'i Joda izany hoe ilay zanakavavin'i Soha. Ary rehefa afa-tsaona i Joda, dia niakatra ho any Timna niaraka tamin'i Hira izay Hadolamita sakaizany mba hijery ireo mpanety ny ondriny.
13 Rehefa ren'i Tamara fa nankany Timna ny rafozany mba hanety ny ondriny,
14 dia nanaisotra ireo fitafiany maha mpitondratena azy ravehivavy ka nisarona fisalobonana tsy hamantarana azy, ary nandeha nipetraka teo am-bavahadin'i Henaima, amin'ny lalana mankany Timna. Hitan'i Tamara manko fa efa lehibe i Sela, kanefa tsy nomena ho vadiny.
15 Hitan'i Joda i Tamara ka noheveriny ho mpivarotena, satria nanaron-tava ravehivavy.
16 Tsy nahafantatra azy ho vinantovaviny i Joda, ka dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana sy nanao taminy hoe: -Avelao mba handry aminao aho. Fa hoy ny navaliny azy: -Inona anefa no homenao ahy amin'izany?
17 Dia hoy i Joda hoe: -Handefasako zanak'osy avy amin'ny andian'ondry aman'osiko ianao. Fa namaly ravehivavy hoe: -Eny, raha omenao antoka aho mandra-pandefanao ny zanak'osy.
18 Ary hoy i Joda hoe: -Inona ary no antoka homeko anao? Dia novaliany hoe: -Ny tombokasenao sy ny tadiny ary iny tehinao eny an-tananao iny. Dia nomen'i Joda azy tokoa ireny, ka nandeha nandry tamin'i Tamara izy; ary nitoe-jaza ravehivavy.
19 Avy teo dia niainga i Tamara, ka nandeha nody; nesoriny ny fisalobonana, dia nanaovany indray ny fitafiana maha mpitondratena azy.
20 Nirahin'i Joda ilay Hadolamita sakaizany mba hitondra ny zanak'osy ho any amin'ilay ramatoa sady haka ny tombokase; kanefa tsy nahita azy ralehilahy,
21 dia nanontany ny olona tao Henaima hoe: -Aiza ilay vehivavy mpivarotena tamoron-dalana teto iny? Ka hoy ny navalin'ireo azy: -Tsy mbola nisy vehivavy mpivarotena izany mihitsy teo.
22 Ary niverina tany amin'i Joda ilay sakaizany ka nanao taminy hoe: -Tsy hitako ilay ramatoa; ary ny olona tao an-toerana aza dia nanamafy tamiko fa tsy mbola nisy vehivavy mpivarotena izany mihitsy teo.
23 Dia hoy i Joda: -Aoka ho lasany any ireny zavatra ireny, sao afa-baraka eo isika! Indro aho efa nampanatitra ny zanak'osy, nefa tsy hitanao ilay ramatoa.
24 Nony afaka telo volana, dia nisy nitantara tamin'i Joda hoe: -Nivaro-tena i Tamara vinantovavinao, ka indro bevohoka izy! Dia hoy ny baikon'i Joda hoe: -Avoahy izy hodorana velona.
25 Ary raha iny mbola navoaka ny trano iny ilay ramatoa, dia nampaniraka ho any amin'ny rafozan-dahiny izy hilaza hoe: -Izay lehilahy tompon'ireto zavatra ireto no nahabevohoka ahy. Koa fantaro izay tompon'ireto fitombokase sy tady ary tehina ireto?
26 Fantatr'i Joda ireo zavatra ireo ka hoy izy hoe: -Marina kokoa noho izaho i Tamara, satria tokony ho nomeko ho vadiny i Sela zanako lahy kanefa tsy nataoko izany. Dia tsy nandry tamin'i Tamara intsony i Joda.
27 Rehefa tonga ny andro hiterahan'i Tamara, dia indreo zaza kambana no tao an-kibony.
28 Teo am-piterahana, dia niseho ny sandrin'ny zaza iray ka nosamborin'ny mpampivelona sady nofatorany kofehy mena fa hoy izy hoe: -Ity zaza ity no teraka voalohany.
29 Kanjo nahemotr'ilay zaza ny sandriny, dia indro ny rahalahiny indray no tafavoaka, ka hoy ny mpampivelona hoe: -Ahoana izao fibosesika nafitsokao izao? Dia nataon'i Joda hoe Peretsa na Fibosesika ny anarany.
30 Avy eo dia teraka indray ilay zaza misy kofehy mena tamin'ny sandriny ka nataon'i Joda hoe Zera na Fiposahana ny anarany.
Toko faha-39
1 Tafidina tany Ejipta i Josefa, satria ireo Jismahelita no nitondra azy tany. Lehilahy ejiptianina atao hoe Potifara, tandapan'ny Farao sady lehiben'ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Jismahelita.2 Ary ny TOMPO nomba an'i Josefa izay nanjary lehilahy nambinina. Nitoetra tao an-tranon'ilay Ejiptianina tompony izy;
3 ary hitan'ity tompony fa nomban'ny TOMPO i Josefa ka nampahombiaziny avokoa izay rehetra nataony.
4 Ary nahafaly fatratra ny tompony i Josefa ka nataony mpiasa manokana; dia nomeny hiandraiketany ny tao an-tranony sy izay nananany rehetra.