Genesỳ
Toko faha-43
15 Dia nentin'izy mirahalahy avy ny fanomezana sy ny vola ary koa i Benjamina; dia niainga izy niara-nidina nankany Ejipta, ka niseho teo anatrehan'i Josefa.16 Ary rehefa hitan'i Josefa fa niaraka tamin'ireo i Benjamina, dia hoy izy tamin'ny mpikarakara ny ao an-tranony: -Ento any an-trano ireo lehilahy ireo, dia mamonoa zavatra ka manamboara sakafo, fa hiara-mihinana amiko izy ireo anio antoandro.
17 Notanterahin-dralehilahy ny baikon'i Josefa; ary nentiny tany an-tranon'i Josefa ireo,
18 dia raiki-tahotra satria naiditra tao ka nifampilaza hoe: Noho ilay vola naverina tao anaty kitapom-barintsika teo aloha izay no nampidirana antsika eto mba hahavoa antsika sy hakany ny borikintsika ary hanandevozany ny tenantsika.
19 Koa rehefa teo am-baravarana izy ireo, dia nanatona an'ilay mpikarakara ny tao an-tranon'i Josefa ka niresaka taminy hoe:
20 -Aza fady aminao, tompoko! Efa tonga taty indray mandeha izahay teo aloha mba hividy sakafo.
21 Nony tonga teo amin'ny toerana handriana hariva anefa izahay ka nanokatra ny kitaponay, dia samy nahita ny vola teo am-bavan-kitaponay avy fa naverina taminay ny vola naloanay. Nentinay niverina aty ireo vola ireo,
22 ary nitondra vola hafa koa izahay mba hividianana sakafo. Tsy fantatray izay namerina ny volanay tao anaty kitaponay.
23 Ka hoy ny navalin-dralehilahy azy: -Milamina ianareo, ary aza matahotra. Ny Andriamanitrareo, dia Ilay Andriamanitry ny rainareo, no nametraka harena tao an-kitaponareo; fa raha ny amin'ny volanareo dia efa voaraiko tokoa. Dia navoakan-dralehilahy i Simehona,
24 ka nasainy niditra tao an-tranon'i Josefa izy rehetra, ary nomeny rano hanasany tongotra; sady nomeny vilona koa ny borikiny.
25 Nanomana ny fanomezana ireo mandra-piavin'i Josefa tamin'ny antoandro, satria efa reny fa hiara-misakafo aminy eo izy.
26 Vao niditra i Josefa, dia natolotr'ireo azy ny fanomezana sady niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy.
27 Dia nanontany ny fahasalaman'izy ireo i Josefa, sady nanampy hoe: -Ary mba manao ahoana ilay rainareo efa antitra izay nolazainareo tamiko? Moa mbola velona ihany ve izy?
28 Ka hoy ny navaliny azy: -Salama tsara ilay mpanomponao sady rainay, ary mbola velona izy. Dia niondrika sy niankohoka ireo.
29 Ary nanopy maso i Josefa ka nahita an'i Benjamina rahalahiny izay iray reny aminy, dia nanao hoe: -Io moa izany ilay zandrinareo faralahy nolazainareo tamiko? Ary dia nampian'i Josefa hoe: -Andriamanitra anie hitahy anao, anaka!
30 Feno loatra ny fon'i Josefa nahita ity zandriny ka nitady hitomany izy; dia niala faingana teo izy ka niditra tao amin'ny efitranony ary nitomany tao.
31 Rehefa avy nanasa tarehy izy, dia niditra indray. Notsindriany ny fihetseham-pony ary nasainy naroso ny sakafo.
32 Norosoana sakafo mitokana i Josefa, natao mitokana ny an'ireo rahalahiny, ary nihinana mitokana koa ireo Ejiptianina nasaina fa tsy mahazo mihinana miaraka amin'ny Hebreo satria fady izany.
33 Nipetraka nanoloana an'i Josefa arakara-jokiny ireo rahalahin'i Josefa, manomboka amin'ny lahimatoa ka miafara amin'ny faralahy. Dia nifampijerijery ireo sady gaga.
34 Nasain'i Josefa samy norosoana ny sakafo matsiro avy teo anatrehany izy mirahalahy avy, fa ny an'i Benjamina dia nataony indimy tahaka ny anjaran-drery tamin'ireo zokiny rehetra. Dia nanaram-po nisotro divay niaraka tamin'i Josefa izy ireo.
Toko faha-44
1 Avy eo i Josefa dia nandidy ny mpikarakara ny ao an-tranony hoe: -Fenoy hanina araka izay zakany ny kitapon'ireo lehilahy ireo, dia apetraho ao am-bavan-kitapon'ny tsirairay avy koa ny volany.2 Apetraho eo am-bava-kitapon'ilay faralahy koa ny tsangambavako volafotsy mbamin'ny vola hividianany vary. Dia notanterahiny tokoa izay nandidian'i Josefa azy.
3 Nony ampitso vao mangiran-dratsy, dia navela handeha ireo lehilahy ireo mbamin'ny borikiny.
4 Ary rehefa nivoaka ny tanana izy, ka tsy mbola lasa lavitra akory, dia hoy i Josefa tamin'ilay mpikarakara ny ao an-tranony: -Ndeha, enjeho ireny lehilahy ireny, ary tratraro ka anontanio hoe: Nahoana ianareo no mamaly ratsy ny soa?
5 Nahoana no nangalarinareo ny tsangambava izay fisotroan'ny tompoko sy fanaovany sikidy? Ratsy izao nataonareo izao!
6 Dia nahatratra ireo rahalahin'i Josefa ralehilahy ka namerina taminy ireo teny ireo.
7 Ary namaly izy mirahalahy avy ka nanao hoe: -Ahoana no ahazoanao miampanga anay toy izany, tompoko? Tsy ho sahy nanao izany zavatra izany na oviana na oviana izahay mpanomponao!
8 Fa ny vola izay hitanay tao am-bavan'ny kitapom-bary aza nentinay niverina avy any Kanahana ho aty aminao. Koa ahoana no hangalaranay izay volafotsy na volamena avy ao an-tranon'ny tomponao?
9 Koa izay ahitana izany aminay mpanomponao dia hatao maty; ary izahay kosa handevozinao, tompoko.
10 Ka hoy ralehilahy: -Eny ary, fa hotanako amin'ny teninareo ianareo; kanefa izay ahitana ny tsangambava ihany no ho tonga andevoko, fa ny sisa kosa dia ho afaka.
11 Samy nampidina faingana ny kitapony tamin'ny tany avy izy ireo ary samy nanokatra ny azy.
12 Nosavain-dralehilahy avokoa ny kitapo rehetra nanomboka tamin'ny lehibe indrindra ka hatramin'ny kely indrindra, ka tao amin'ny kitapon'i Benjamina no nahitana ilay tsangambava.
13 Samy nandriatra ny fitafiany izy ary samy namatratra ny entany teny amin'ny borikiny avy, dia niverina ho ao an-tanana.
14 Tonga tao an-tranon'i Josefa i Joda sy ireo rahalahiny, fa mbola tratra tao izy. Dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy ireo.
15 Ary hoy i Josefa taminy: -Ahoana no nanaovanareo izao zavatra izao? Tsy fantatrareo angaha fa ny lehilahy toa ahy izao dia mahay mamanta-javatra?
16 Dia namaly i Joda hoe: -Inona moa, tompoko, no holazainay anao? Inona no ho azonay lazaina mba hampiseho ny fahamarinanay? Andriamanitra no nahita ny fahadisoan'ny mpanomponao: indreto ary izahay, tompoko, manaiky ho andevonao miaraka amin'ilay nahitana ny tsangambava.
17 Hoy kosa i Josefa hoe: -Tsia, sanatria ahy ny hanao izany! Ny olona izay nahitana ny tsangambava ihany no ho andevoko; ianareo kosa modia soa aman-tsara any amin'ny rainareo.
18 Fa nanatona azy i Joda ka nanao hoe: -Tompokolahy o, ianao no mitovy amin'ny Farao. Koa azafady, tompoko, raha mba hiteny kely aminao aho ary aoka tsy ho tezitra ianao.
19 Ianao, tompoko, dia nanontany anay mpanomponao raha mbola manan-dray na rahalahy izahay.
20 Dia namaly izahay hoe: Mbola manan-dray efa antitra izahay ary koa ny zandrinay faralahy izay zanaky ny fahanterany. Tian-drainay fatratra izy, satria izy sisa no hany navelan'ny reniny fa ny rahalahiny dia efa maty.
21 Dia nilaza taminay ianao hoe: Ento aty amiko izy, fa tiako ho hita.
22 Nanazava taminao izahay, tompoko, fa tsy afaka mandao an-drainy ny zaza; fa raha ilaozany ny rainy, dia ho faty.
23 Kanefa nilaza taminay ianao fa tsy handray anay intsony, raha tsy tonga miaraka aminay ny zandrinay faralahy.
24 Dia niverina tany amin'i dada mpanomponao ary izahay, tompoko, ka nitatitra taminy ny teninao.
25 Koa rehefa nilaza taminay ny rainay mba hiverina hividy sakafo,
26 dia nitenenanay hoe: Tsy afaka mankany izahay, raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy; fa raha tsy midina miaraka aminay izy, dia tsy afaka handray anay ilay tompon'ny tany.
27 Dia hoy i dada mpanomponao hoe: Fantatrareo tsara fa roa lahy ihany no zanakay sy i Rahely vadiko.
28 Ny anankiray dia niala teto amiko; ary heveriko fa lanin'ny bibidia tokoa izy, satria tsy hitako intsony mandraka androany.
29 Kanefa dia tadiavinareo halaina amiko indray ity ny anankiray. Raha hiharan-doza izy, dia ianareo no hahatonga ity tenako efa antitra ity ho difotr'alahelo hankany amin'ny toeran'ny maty.
30 Ary ankehitriny ahoana no hodiako any amin'i dada, kanefa tsy miaraka aminay io zatovo io? Fa ny ain'i dada dia miankina amin'ny ain'io zatovo io;