Genesỳ
Toko faha-41
9 Tamin'izay no niteny tamin'ny Farao ilay lehiben'ny mpandroso zava-pisotro ka nanao hoe: -Tompokolahy o, tsaroako ankehitriny ny fahadisoako.10 Indray mandeha dia tezitra mafy tamin'ny lehiben'ny mpanao mofo sy tamiko mpanomponao ianao, ka nampanao anay an-tranomaizina tao amin'ny lehiben'ny mpiambina.
11 Samy nanonofy izahay roa lahy indray alina, ary samy nanana ny heviny avy koa ny nofinay.
12 Tao an-tranomaizina niaraka taminay dia nisy zatovolahy hebreo izay nanompo ny lehiben'ny fiambena-mpanjaka. Notantarainay azy ny nofinay, ka nambarany taminay avy ny heviny sy ny dikany.
13 Koa araka izay efa nambarany taminay tokoa no niseho; niverina ho amin'ny asako aho, ary ilay lehiben'ny mpanao mofo kosa nahantona.
14 Dia nampanantsoin'ny Farao i Josefa, ka navoaka haingana avy tao an-tranomaizina; dia noharatana ny volom-bavany, nosoloina ny fitafiany ary nentina tany amin'ny Farao izy.
15 Dia hoy ny Farao tamin'i Josefa: -Nanonofy aho nefa tsy nisy olona nahalaza ny heviny. Kanefa reko fa ianao, hono, afaka manazava ny hevitry ny nofy izay lazaina aminao.
16 Ka hoy ny navalin'i Josefa azy: -Tsy izaho fa Andriamanitra no afaka hanome azy valiny hampiadana anao, ry Farao.
17 Koa niteny tamin'i Josefa ny Farao nanao hoe: -Tao amin'ny nofiko dia hitako nijoro teo amoron'i Neily aho.
18 Ary indro nisy ombivavy fito matavy sady tsara tarehy niakatra avy tao amin'ny ony ka niraoka ahitra teny amorony.
19 Avy eo dia nisy ombivavy fito hafa niakatra taorian'ireo ka mahia sady ratsy tarehy sy saozanina. Tsy mbola nahita biby ratsy toy izany aho nanerana ny tany Ejipta manontolo.
20 Dia nohanin'ireto ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy ireto ny ombivavy fito matavy izay nialoha azy.
21 Kanjo rehefa nihinana ireny izy fito, dia tsy fantatra akory hoe efa ao an-kibony satria mbola ratsy tarehy toy ny teo aloha ihany no fijery azy. Tamin'izay indrindra no taitra aho.
22 Avy eo dia mbola nanonofy indray aho ka hitako fa nisy salohim-bary fito sady vokatra be no tsara tamin'ny tahony iray.
23 Manaraka izany dia nisy salohim-bary fito hafa koa nipoitra taorian'ireo ka malazo sady nanakofa ary main'ny rivotra avy any atsinanana.
24 Ireto salohim-bary fito manakofa dia nitelina ireo salohim-bary fito vokatra be. Efa notantaraiko tamin'ireo mpimasy izany, kanefa tsy nisy afaka nanazava azy tamiko.
25 Dia hoy i Josefa tamin'ny Farao: -Anankiray ihany no hevitr'ireo nofinao roa ireo. Izay efa hataon'Andriamanitra no ambarany aminao, ry Farao.
26 Ny ombivavy fito tsara tarehy sy ny salohim-bary fito vokatra be dia samy manambara fito taona mahavokatra, ary nofy iray ihany izany.
27 Ny ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy izay niakatra tafara sy ny salohim-bary fito manakofa sady main'ny rivotra avy any atsinanana dia manambara fito taona koa, saingy fito taona mosarena.
28 Izany, ry Farao, no efa voalazako taminao teo hoe: Izay efa hataon'Andriamanitra no asehony aminao.
29 Indro hisy fito taona zina tokoa manerana an'i Ejipta manontolo.
30 Avy eo dia hisy taona fito mosarena handimby azy, ka ho hadino ny fahavokarana be nanerana an'i Ejipta fa hamely ny tany kosa ny mosary.
31 Satria ho mafy loatra ny mosary dia tsy ho fantatra akory izay taon-jina teo aloha.
32 Niverina indroa taminao ny nofy, satria hentitra ny teny avy amin'Andriamanitra; ary hotanterahiny faingana izany.
33 Koa ankehitriny, ry Farao, mijere olona marani-tsaina sady hendry, ka tendreo izy hanam-pahefana amin'ny tany Ejipta.
34 Dia manendre koa solotena hanangona ny ampahadimin'ny vokatra eto amin'ny tany mandritra ny fito taona zina.
35 Aoka hangonin'ireo ny sakafo mandritra ny fito taona ho avy, ka hotahiriziny eo ambany fiahianao ny vary ho fiandry any amin'ny isan-tanana.
36 Amin'izay dia hanana tahirin-tsakafo ho amin'ny fito taona mosarena i Ejipta, ka tsy ho fongan'ny mosary ny tany.
37 Sitraky ny Farao sy ny mpanompony ny soso-kevitr'i Josefa,
38 ka hoy ny Farao tamin'ireo mpanompony: -Aiza indray isika no hahita lehilahy manana ny Fanahin'Andriamanitra tahaka ity?
39 Dia hoy izy tamin'i Josefa: -Satria nampahafantarin'Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy olon-kendry sy manan-tsaina toa anao.
40 Koa ianao no hitantana ny fanjakako, ary ny vahoakako rehetra dia hankato ny baikonao, ka ny maha mpanjaka ahy ihany no maha ambony ahy noho ianao.
41 Jereo fa efa nomeko anao ny fahefana amin'i Ejipta manontolo.
42 Dia nesorin'ny Farao teny an-tanany ny peratra maha mpanjaka, ka napetrany teny an-tanan'i Josefa, sady nampitafiny akanjo rongony fotsy madinika izy; ary napetrany teny am-bozony ny rojo volamena.
43 Nampitaingeniny teo amin'ny kalesiny faharoa izy; ary ireo mpihazakazaka nialoha azy dia niantsoantso hoe: Mandohaleha! Toy izany no nanomezan'ny Farao an'i Josefa ny fahefana tamin'i Ejipta manontolo.
44 Ary hoy koa ny Farao tamin'i Josefa: -Izaho ihany no Farao, kanefa tsy misy olona mahazo mihetsika eran'ny tany Ejipta manontolo, raha tsy mahazo lalana avy aminao.
45 Avy eo dia nomen'ny Farao anarana hoe Tsafenata-Pahenea i Josefa, sady nomeny azy ho vady i Asenata zanakavavin'i Potifera, mpisorona tao Ona. Dia niainga hisafo ny tany Ejipta manontolo i Josefa.
46 Telopolo taona i Josefa raha nentina teo anatrehan'ny Farao, mpanjakan'i Ejipta. Ary niala teo anatrehan'ny Farao izy ka nandeha namakivaky ny tany Ejipta manontolo.
47 Nandritra ny fito taona zina dia namokatra be dia be ny tany.
48 Nangonin'i Josefa ny tahirim-bokatra rehetra tany Ejipta nandritra izany fito taona izany ka natobiny tao amin'ny renivohitry ny boriborin-tany ireo tahirim-bokatra rehetra tamin'ny saha manodidina.
49 Ary nahangona vary be dia be tokoa i Josefa, be dia be tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina ka tsy hita isa intsony.
50 Talohan'ny nahatongavan'ny mosary, dia niteraka zaza roa lahy i Asenata vadin'i Josefa.
51 Nantsoin'i Josefa hoe Manase ny lahimatoa, fa hoy izy hoe Nampanadinoin'Andriamanitra ahy ny fahoriako rehetra mbamin'izay rehetra any an-tranon'ny raiko.
52 Nantsoiny hoe Efraima kosa ny faharoa, fa hoy izy hoe: Andriamanitra efa nampahamaro anaka ahy teto amin'ity tany nijalijaliako ity.
53 Nifarana ny fito taona zina tany Ejipta;
54 ary nanomboka kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa voalazan'i Josefa. Nihatra tamin'ny tany rehetra ny mosary; fa nanerana an'i Ejipta kosa nisy tahirim-bokatra.
55 Nony nanomboka mosarena ny tany Ejipta manontolo, dia nitaraina sakafo tany amin'ny Farao ny vahoaka; ka hoy ny Farao tamin'ny Ejiptianina rehetra: Mankanesa any amin'i Josefa, ka ataovy izay holazainy aminareo.
56 Ary rehefa nanenika an'i Ejipta manontolo ny mosary, dia nasain'i Josefa novohana ny fitahirizam-bokatra mba hivarotana vary amin'ny Ejiptianina, satria namely mafy ny mosary manerana an'i Ejipta.
57 Tonga tany Ejipta koa ireo avy any amin'ny tany hafa rehetra mba hividy vary amin'i Josefa, satria efa namely mafy ny mosary manerana ny tany.
Toko faha-42
1 Fantatr'i Jakoba fa misy vary any Ejipta, ka hoy izy tamin'ireo zanany lahy: -Nahoana no mifampijery fotsiny eto ianareo?