Genesỳ

Toko faha-36

14 Ny amin'i Oholibama, zanakavavin'i Hana sy zafikelin'i Tsibehona sady vadin'i Hesao, dia ireto kosa no zanakalahiny: i Jehisa sy i Jahelama ary Kora.

15 Ireto avy no filoham-pianakavian'ny taranak'i Hesao. Samy filoham-pianakaviany avokoa ireo zanakalahin'i Elifaza lahimatoan'i Hesao, dia i Temana sy i Omara, i Tsefao sy i Kenaza,

16 i Kora sy i Gahetama ary i Hamaleka; tao amin'ny faritr'i Edoma ireo ary zafikelin'i Hada.

17 Samy filoham-pianakaviany avokoa ny zanakalahin'i Rehoela zanak'i Hesao, dia i Nahata sy i Zera ary i Sama sy i Miza; tao amin'ny faritr'i Edoma ireo ary zafikelin'i Basemata vadin'i Hesao.

18 Samy filoham-pianakaviany avokoa ireo zanakalahin'i Oholibama vadin'i Hesao, dia i Jehisa sy i Jahilama ary i Kora; izy telo lahy kosa dia avy tamin'i Oholibama izay zanakavavin'i Hana sy vadin'i Hesao.

19 Ireo no taranak'i Hesao na hoe i Edoma, ka samy filoham-pianakaviany avy.

20 Ny mponina taloha tao amin'ny faritr'i Edoma dia ireo taranak'i Sehira ilay Horita. Ny zanakalahin'i Sehira dia i Lotana sy i Sobala, i Tsibehona sy i Hana,

21 i Disona sy i Etsera ary i Disana. Ireo no filoham-pianakaviana horita, tao amin'ny faritr'i Edoma.

22 Ny zanakalahin'i Lotana dia i Hory sy i Hemama. Nanana anabavy atao hoe Timna i Lotana.

23 Ireto no zanakalahin'i Sobala: i Halevana sy i Manahata, i Hebala sy i Sefao ary i Onama.

24 Ireto no zanakalahin'i Tsibehona: i Aia sy i Hana; ity Hana ity no nahita rano tany an-taniefitra, fony izy niandry ny borikin'i Tsibehona rainy.

25 Ireto no zanak'i Hana: i Disona no lahy ary i Oholibama no vavy.

26 Ireto no zanakalahin'i Disona: i Hemdana sy i Esbana ary Jitrana sy i Kerana.

27 Ireto no zanakalahin'i Etsera: i Bilehana sy i Zaha ary i Hakana.

28 Ary ireto no zanakalahin'i Disana: i Hotsa sy i Arana.

29 Ireto avy no filoham-pianakavian'ny Horita: i Lotana sy i Sobala, i Tsibehona sy i Hana,

30 i Disona sy i Etsera, ary i Disana. Ireo no filoham-pianakavian'ny Horita araka ny isan-tarika avy, tao amin'ny tany Sehira.

31 Ireto avy ny mpanjaka nifandimby nanjaka tao amin'ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin'ny Israelita.

32 Nanjaka tao Edoma i Bela zanakalahin'i Behora, avy ao amin'ny tananan'i Dinehaba.

33 Rehefa maty izy, dia i Jobaba, zanakalahin'i Zera avy ao Botsera, no nanjaka nandimby azy.

34 Rehefa maty i Jobaba, dia nanjaka nandimby azy i Hosama avy ao amin'ny faritanin'ny Temanita.

35 Rehefa maty i Hosama, dia nanjaka nandimby azy i Hadada, zanakalahin'i Bedada, avy ao an-tananan'i Havita. Izy io no nandresy ny Midianita teny an-tsahan'i Moaba.

36 Rehefa maty i Hadada, dia nanjaka nandimby azy i Samla avy ao Masreka.

37 Rehefa maty i Samla, dia nanjaka nandimby azy i Saoly avy any Rehobota amoron'ny ony Eofrata.

38 Rehefa maty i Saoly, dia nanjaka nandimby azy i Bahala-Hanana, zanakalahin'i Hakbora.

39 Rehefa maty i Bahala-Hanana, dia nanjaka nandimby azy i Hadara avy ao an-tananan'i Paho; ny anaran'ny vadiny dia i Mehetabeela, zanakavavin'i Matreda sady zafikelin'i Me-Zahaba.

40 Ireto no anaran'ireo filoham-pianakavian'ny taranak'i Hesao, araka ny isan-tarika sy ny toerany avy:

41 i Timna sy i Halva, i Jeteta sy i Oholibama, i Ela sy i Pinona,

42 i Kenaza sy i Temana, i Mibitsara

43 sy i Magdiela ary i Hirama. Ireo no filoham-pianakavian'ny Edomita araka ny fonenany teo amin'ny faritaniny avy. I Hesao no razamben'ny Edomita.

Toko faha-37

1 Nipetraka tao amin'ny tany Kanahana i Jakoba, dia tao amin'ny faritany nivahinian-drainy.

2 Toy izao no tantaran'ny ankohonan'i Jakoba: Rehefa fito ambin'ny folo taona i Josefa, dia niandry ondry niaraka tamin'ireo rahalahiny; fa izy dia zaza niaraka tamin'ny zanakalahin'i Bileha sy i Zilpa, vadikelin-drainy. Ary taterin'i Josefa amin-drainy avokoa ny ratsy lazaina momba ireo rahalahiny.

3 Tian'i Jakoba mihoatra noho ireo rahalahiny rehetra i Josefa satria zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo tsara tarehy.

4 Hitan'ireo rahalahiny fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Josefa, ka nankahalainy sady tsy hainy nitenenana tamim-pihavanana intsony.

5 Indray mandeha dia nanonofy i Josefa ary notantarainy tamin'ireo rahalahiny ny nofiny, ka vao mainka niampy ny fankahalan'ireo azy.

6 Hoy izy tamin'ireo: -Aza fady, henoy ange ity nofiko ity e!

7 Teny ampovoan-tanimbary, hono, isika ary teo am-pamehezam-bary indrindra no indro ny fehezam-bariko nitsangana sady nijoro mahitsy, fa ny fehezam-barinareo kosa nanodidina sady niankohoka teo anatrehan'ny fehezam-bariko.

8 Ka hoy ireo rahalahiny taminy: -Dia hanjaka aminay sy hifehy anay tokoa ve ianao? Vao mainka niampy izaitsizy ny fankahalany azy noho ireo nofiny sy ny fitantarany azy.

9 Ary mbola nanonofy hafa i Josefa, dia notantarainy tamin'ny rahalahiny hoe: -Nanonofy indray aho, ka indro hono ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo tonga niankohoka teo anatrehako.

10 Notantarainy tamin'ny rainy toy ny efa nataony tamin'ireo rahalahiny koa io nofy io, ka nibedy azy ny rainy nanao hoe: -Inona moa ity nofinofinao ity? Moa tsy maintsy ho avy tokoa ve izaho sy ny reninao ary ireo rahalahinao hiankohoka eo anatrehanao?

11 Dia nialona an'i Josefa ireo rahalahiny, fa ny rainy kosa nandinika izany nofy izany.

12 Nandeha niandry ny ondry aman'osin-drainy tany akaikin'i Sekema ireo rahalahin'i Josefa.

13 Ka hoy i Jakoba tamin'i Josefa: -Moa tsy miandry ondry any akaikin'i Sekema ve ireo rahalahinao? Koa andeha ary ianao hirahiko ho any aminy. Dia hoy ny navaliny azy: -Inty aho.

14 Fa hoy indray i Jakoba hoe: -Mandehana ianao ka jereo na tsara ihany izy ireo sy ny andian'ondry aman'osy na tsia. Avy eo dia miverena hilaza amiko ny vaovao. Avy teo amin'ny lohasahan'i Hebrona i Josefa no nirahin-drainy. Nony tonga tao akaikin'i Sekema izy,

15 dia nisy lehilahy iray nahita azy nirenireny eran'ny tanety ka nanontany azy hoe: -Fa inona no tadiavinao?

16 Hoy kosa i Josefa hoe: -Ny rahalahiko no tadiaviko, ka asa raha mba afaka manoro ahy ny toerana iandrasany ny biby fiompy ianao?

17 Ary hoy ralehilahy hoe: -Efa niala teto izy, fa reko niresaka hoe hankany Dotana. Dia nanara-dia ireo rahalahiny i Josefa, ka nahita azy tao Dotana.

18 Mbola lavitra i Josefa, dia tazan'ireo rahalahiny; ka raha tsy mbola tonga teny aminy akory izy, dia niray tetika hamono hahafaty azy ny rahalahiny

19 ka nifampiresaka hoe: -He, inty tamy ilay mpanonofy!

20 Andeha hovonointsika ho faty izy, dia hatsipintsika ao anatin'ny anankiray amin'ireto lavaka fantsakana ireto, ka holazaintsika hoe lanin'ny biby masiaka. Amin'izay dia ho hitantsika raha ho tanteraka ny nofiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0248