2 Tantara

Toko faha-23

16 Nampanaovin'i Joiada fanekem-pihavanana ny olona rehetra sy ny mpanjaka mbamin'ny tenany mba ho vahoakan'ny TOMPO.

17 Avy eo dia niditra tao an-tempolin'i Bahala ny besinimaro ka nandrava azy: nomontsaniny tanteraka ireo alitara sy ireo sarivongan-tsampy; ary novonoiny ho faty teo anoloan'ny alitara i Matana mpisoron'i Bahala.

18 Tamin'izay koa no voatendrin'i Joiada ny olona hitandrina ny tranon'ny TOMPO ka hofehezin'ireo levita mpisorona , izay efa notsinjarain'i Davida ho antokony mba hanolotra ny sorona dorana manontolo ao an-tranon'ny TOMPO araka ny voasoratra ao amin'ny lalanan'i Mosesy; ka amin-kafaliana sady omban-kirano hanatontosany izany, araka ny fepetranataon'i Davida.

19 Dia nametrahan'i Joiada mpiandry varavarana teo am-bavahadin'ny tranon'ny TOMPO mba tsy hisy zavatra na olona maloto ara-pivavahana ho tafiditra ao na inona na inona antony.

20 Dia novorin'i Joiada ny mpifehy andia-miaramila sy ny loholona ary ny manampahefana mbamin'ny vahoaka rehetra; ary nentina avy tao an-tranon'ny TOMPO ity mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nandalovana hanatitra azy ao an-dapany. Rehefa tafapetraka teo amin'ny sezafiandrianana maha-mpanjaka azy i Joasy,

21 dia nifaly ny vahoaka rehetra. Ary nandry feizay ny tanana, satria efa matin-tsabatra i Hatalia.

Toko faha-24

1 Feno fito taona i Joasy fony tonga mpanjaka; ary naharitra efapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Tsibia, avy any Beera-Seba.

2 Nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO i Joasy tamin'ny andro rehetra niainan'i Joiada mpisorona.

3 Ary nangalan'i Joiada vady roa i Joasy, ka niteraka zazalahy sy zazavavy taminy.

4 Taorian'izany kosa no mby tao am-pon'i Joasy ny hanamboatra ny tranon'ny TOMPO.

5 Dia namory ny mpisorona mbamin'ny levita izy, ka nanao taminy hoe: "Mankanesa amin'ny tananan'i Joda, ka mamoria vola amin'ny Israelita rehetra isan-taona mba hanamboarana ny tranon'ny Andriamanitrareo; ary aoka ho hafainganinareo ny raharaha!"Kanjo navelan'ny levita hitarazoka izany.

6 Koa nampanantsoin'ny mpanjaka i Joiada mpisorombe ary nataony hoe: "Nahoana no tsy nohizingizininao ny hitondran'ny levita ny hetra avy tamin'ny mponin'i Joda sy Jerosalema, araka ny didin'i Mosesy mpanompon'ny TOMPO fony izy namory ny vahoaka Israely ? Hanasoavana ny Fonena-masina misy ny raki-tsoratry ny Fanekem-pihavanana io hetra io,

7 satria i Hatalia, ilay vehivavy ratsy fanahy, sy ireo mpomba azy efa nandrava ny tranon'Andriamanitra; ary ny fanaka masina rehetra tao an-tranon'ny Tompokoa dia efa nampiasainy hanompoana an'ireo Bahala."

8 Dia nasain'ny mpanjaka nanao vata anankiray fandatsahan-drakitra ny olona mba hapetraka eo ivelan'ny vavahadin'ny tranon'ny TOMPO.

9 Ary nandefasan-teny eran'i Joda sy i Jerosalema mba haterina ho an'ny TOMPO ny hetra izay nasain'i Mosesy mpanompon'Andriamanitra hoefain'ny Israelita fony izy tany an-taniefitra.

10 Dia faly avokoa ny manampahefana sy ny vahoaka nitondra ny anjarany ary nandatsaka izany tao amin'ny vata mandra-pahafenony.

11 Nisy ny fotoana fitondran'ny levita ny vata ho any amin'ny mpanaramaso voatendrin'ny mpanjaka; ka rehefa hitan'io mpiandraikitra io fa be ny vola tao anaty vata, dia avy ny mpitantsoratry ny mpanjaka sy ny tonia voatendrin'ny mpisorombe manaisotra izay vola rehetra ao, ary namerina indray ny vata eo amin'ny toerany.Toy izany no natao isan'andro isan'andro, ka vola betsaka no voavory.

12 Dia natolotry ny mpanjaka sy i Joiada ho an'izay nisahana ny raharaha momba ny tranon'ny TOMPO izany vola izany, ka nanakaramany mpipai-bato sy mpandrafitra ary koa mpanefy vy sy halimo mba hanamboarana sy hanamafisana ny tranon'ny TOMPO.

13 Dia nikatroka ny mpiasa, ka nandroso tsara ny asa nataony; ary namboariny ho toy ny teo aloha sady nohamafisiny ny tranon'Andriamanitra.

14 Nony vitan'ireto mpisahana azy izany asa izany, dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka sy i Joiada ny vola sisa ka nanaovana fanaka ho an'ny tranon'ny TOMPO, dia fanaka hanatontosana fanompoam-pivavahana sy hanoloran-tsorona, tsatokaty ary fanaka hafa volamena sy volafotsy. Ary nandritra ny andro rehetra niainan'i Joiada dia nisy mandrakariva sorona dorana manontolo natolotra tao an-tranon'ny TOMPO.

15 Efa tratrantitra sy ela niainana i Joaida vao maty; feno 130 taona izy tamin'ny nahafatesany.

16 Dia tao an-Tananan'i Davida niaraka tamin'ireo mpanjaka nodimandry izy no nalevina satria nanao soa teo amin'i Israely ary koa tamin'Andriamanitra sy ny tempoliny.

17 Rehefa maty i Joiada, dia avy ireo manampahefana tao Joda ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka ho fiangaviana azy. Dia nihaino azy ny mpanjaka,

18 hany ka nilaozan'ireo Israelita ny tranon'ny TOMPO Andriamanitry ny razany mba hanompoany ny tsatokazo fanajana an'i Asera sy handalany sampy hafa. Noho izany fahadisoana izany, dia niharan'ny fahatezeran'ny TOMPO i Joda sy i Jerosalema.

19 Ary nanirahany mpaminany izy mba hampiverina azy aminy; kanefa, na dia nananatra mafy aza ireo, dia tsy nety nihaino izy.

20 Ary notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra kosa tamin'izay i Zakaria mpisorona zanakalahin'i Joiada, ka nitsangana teo amin'ny toerana avoavo manoloana ny vahoaka izy ary nanao taminy hoe: "Izao nolazain'Andriamanitra aminareo: 'Nahoana no mandika ny didiko ianareo? Tsy ahitanareo fanambinana izany. Noho IzahoTOMPO efa nilaozanareo, dia mba handao anareo koa Aho!'o"

21 Dia nanao teti-dratsy nanohitra an'i Zakaria ny vahoaka, ary nitora-bato azy tao an-kianjan'ny tranon'ny TOMPO, araka ny baikon'ny mpanjaka.

22 Nohadinoin'i Joasy mpanjaka tokoa ny soa nataon'i Joiadarain'i Zakaria, hany ka nampamono ho faty ity zanany lahy izy. Ary nony efa ho faty i Zakaria, dia niteny hoe: "Ny TOMPO anie hijery sy hamaly izao!"

23 Tamin'ny lohataona manaraka izany,dia avy ny tafika sirianina hiady tamin'i Joasy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema ireto fahavalo, ka matiny avokoa ny manampahefana teo amin'ny vahoaka ary nampitondrainy ho any amin'ny mpanjakan'i Damasy ny babo rehetra azo.

24 Vitsy olona ihany ny tafika sirianina izay tonga teo, kanefa miaramila maro no natolotry ny TOMPO ho eo an-tanany noho ny Jodeanina efa nandao ny TOMPO Andriamanitry ny razany. Toy izany no nahatanterahan'ny tafika sirianina ny famaliana an'i Joasy.

25 Fony lasa nody ny Sirianina, dia namela an'i Joasy hianjadian'aretina mafy; fa noho izy nampamono ho faty ny zanakalahin'i Joiada mpisorona, dia niokoan'ireo mpanompony koa ity mpanjaka, hany ka novonoiny ho faty teo am-pandriany. Mba nalevina tao an-Tananan'i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.

26 Ireto avy ireo nioko nanohitra an'i Joasy: i Jozakara zanakalahin'ilay vehivavy hamonita atao hoe Simehata, ary koa i Jehozabada zanakalahin'ilay vehivavy moabita atao hoe Simrita.

27 Ny amin'ireo zanakalahin'i Joasy, ny teny faminaniana hentitra nilaza ny loza hanjo ity mpanjaka, ary ny fomba nanamboarany ny tranon'Andriamanitra dia samy voasoratra ao amin'ilay boky milohateny hoe Fivoasana ny Bokin'ny Mpanjaka. Ary i Amatsia zanakalahin'i Joasy no nanjaka nandimby azy.

Toko faha-25

1 Feno 25 taona i Amatsia fony tonga mpanjaka; ary naharitra roapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Johadana, izay avy ao Jerosalema ihany.

2 Nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO i Amatsia, kanefa tsy dia tamin-kafanampo tanteraka.

3 Rehefa nohamafisin'i Amatsia ny fahefam-panjakany, dia nasainy novonoina ho faty ireo manamboninahitra izay nahafaty an'i Joasy mpanjaka rainy.

4 Kanefa ny zanakalahin'ireo mpamono an'i Joasy dia tsy mba novonoin'i Amatsia ho faty, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny Lalana, dia ny bokin'i Mosesy; ao manko no nandidian'ny TOMPO hoe: "Ny ray aman-dreny tsy hatao maty amin'ny ataon-janany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon-dray aman-dreniny; fa samy ho faty amin'ny fahotany avy ny olona."

5 Dia novorin'i Amatsia ny vatan-dehilahy tao amin'ny fanjakany, na Jodeanina na Benjaminita, ka nanendreny mpifehy andia-miaramila sy vondro-miaramila, araka ny tarika nisy azy. Natao fanisana ny vatan-dehilahy feno roapolo taona noho miakatra ka lehilahy voafantina nisy antokony telonjato no hita fa azo nalefa hiantafika sady kinga fampiasa lefona sy ampinga.

6 Teo koa ny lehilahy maherifo israelita nisy antokony zato nokaramain'ity mpanjaka volafotsy telo taonina.

7 Kanefa nisy lehilahy olon'Andriamanitra tonga tao amin'i Amatsia ka nanao hoe:-Ry andriamanjaka, aza avela hanaraka anao hiantafika ny miaramila israelita, satria tsy miaraka amin'ireo rehetra taranak'i Efraima ireo ny TOMPO.

8 Fa raha miara-manainga aminy ihany ianao, na dia hahery mikatroka an'ady toy inona aza , dia hataon'Andriamanitra lavo eo anoloan'ny fahavalonao; Andriamanitra manko no hany mahay mampandresy na mampahalavo.

9 Hoy kosa i Amatsia tamin'ilay olon'Andriamanitra:-Ka hatao ahoana ny amin'ny volafotsy telo taonina izay nomeko ny miaramila israelita? Dia novaliany hoe:-Ny TOMPO dia mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.

10 Ary navahan'i Amatsia ny miaramila efraimita tonga teo aminy mba halefa hody indray; ka sady lasa nody ireo no nirehi-pahatezerana mafy dia mafy tokoa tamin'ny fanjakan'i Joda.

11 Nanana herimpo i Amatsia, ka nitarika ny tafiny hankao amin'ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty antokony folo tamin'ny Edomita taranak'i Sehira.

12 Ary ny antokony folo sisa kosa dia nataon'ny Jodeanina sambo-belona, dia nentiny teo antampon'ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.

13 Fa ny miaramila efraimita, izay nalefan'i Amatsia hody mba tsy hiara-miantafika aminy, dia niriotra namely ireo tanana jodeanina nanomboka teo Migrona ka nipaka hatrany Bety-Horona ary nahafaty olona telo arivo sady nitondra babo betsaka.

14 Nony niverina avy nanafika ny Edomita i Amatsia, dia nitondra ny sarivongan'ny andriamanitr'ireo taranak'i Sehira ireo ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy hitsaoka azy sady nanolotra sorona taminy.

15 Dia nirehi-pahatezerana tamin'i Amatsia ny TOMPO,ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy hanontany azy hoe:-Nahoana ianao no mivavaka amin'ny andriamanitr'ireo hafa firenena, dia andriamanitra izay tsy naharo ny olony tamin'ny tananao akory aza?

16 Fa rehefa nitenenan'ity mpaminany izany izy, dia namaly hoe:-Moa ve nisy nanendry anao ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka? Aoka itsy, fandrao asian'ny olona eo ianao!Dia niato kely ilay mpaminany, vaonanohy hoe:-Fantatro fa nanapa-kevitra hahafaty anao Andriamanitra, satria nanao izany ianao katsy nihaino ny anatro.

17 Hevitra hafa no niandanian'i Amatsia mpanjakan'i Joda; ka tamin'izay izy dia nandefa iraka tamin'i Joasy, zanakalahin'i Joahaza sy zafin'i Jeho sady mpanjakan'i Israely mba hilaza aminy hoe: "Avia hifanandrina an'ady isika!"

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9569