2 Tantara

Toko faha-25

18 Fa i Joasy mpanjakan'i Israely dia nandefa iraka tany amin'i Amatsia mpanjakan'i Joda hamaly azy hoe: "Ny kirihitra tsilo izay tany Libano, hono, dia nandefa iraka tany amin'ny sedera izay tany Libano mba hiangavy azy hoe: 'Omeo ho vadin'ny zanakolahy ny zanakao vavy.' Kanjo nisy bibidian'i Libano namaky teo ka nanosihosy ny kirihitra tsilo.

19 Lazainao, ry Amatsia, fa nandresy ny Edomita ianao, ka dia nasesiky ny fonao hirehareha; mitoera ihany re ao an-tranonao, fa nahoana ianao no hanomboka ady handoza anao sady hahalavo ny tenanao mbamin'ny tafik'i Joda?"

20 Kanefa tsy nanaiky i Amatsia; avy tamin'Andriamanitra rahateo izany, satria tiany hatolotra eo an-tanan'ny fahavalo i Amatsia sy ny tafiny noho ireo nivavaka tamin'ny andriamanitry ny Edomita.

21 Dia niakatra hiady i Joasy mpanjakan'i Israely avaratra; ka ny tafiny sy ny an'i Amatsia mpanjakan'i Joda dia nifanandrina tao Bety-Semesy tananan'i Joda.

22 Resy teo anoloan'ny tafik'i Israely ny tafik'i Joda; ka samy nandositra ho any an-tranony avy ny miaramila jodeanina.

23 Tao Bety-Semesy no voasambotr'i Joasy mpanjakan'i Israely i Amatsia, zanakalahin'i Joasy sy zafin'i Ahazia sady mpanjakan'i Joda, ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan'i Joasy roanjato metatra ny mandan'i Jerosalema hatreo amin'ny vavahadin'i Efraima ka hatrany amin'ny vavahady anjorony.

24 Dia nalain'i Joasy avokoa ny volamena sy ny volafotsy ary ny zava-tsarobidy izay hita tao an-tranon'Andriamanitra sady teo ambany fiambenan'i Hobeda-Edoma na izay hitatao amin'ny raki-tsoan'ny lapan'ny mpanjaka; ary nisy ihany koa olona nalainy hatao takalon'aina. Izay izy vao niverina nankany Samaria.

25 Taorian'ny nahafatesan'i Joasy zanakalahin'i Joahaza sady mpanjakan'i Israely, dia mbola naharitra 15 taona i Amatsia zanakalahin'i Joasy sady mpanjakan'i Joda.

26 Ny sisa amin'ny tantaran'i Amatsia, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin'ny Bokin'ireo mpanjakan'i Joda sy i Israely.

27 Nanomboka tamin'ny andro nihatahan'i Amatsia tsy hanaraka ny TOMPO, dia nisy olona nikomy tamin'ity mpanjaka tao Jerosalema, ka nahatonga azy nandositra tany Lakisy ; fa nampanaraka azy ireto mpikomy ka nampamono azy ho faty tany an-toerana.

28 Dia nampodina an-kalesy tarihin-tsoavaly ny fatiny, ka nalevina am-pasan-drazany tao an-drenivohitr'i Joda.

Toko faha-26

1 Vao 16 taona i Hozia no nalain'ny vahoaka jodeanina rehetra ka notendreny ho mpanjaka handimby an'i Amatsia rainy.

2 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany kosa ity rainy, dia i Hozia no nampody ny seranana Elota ho an'ny fanjakan'i Joda sy nanamboatra azy indray.

3 Feno 16 taona i Hozia fony tonga mpanjaka; ary naharitra 52 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jekolia izay avy ao Jerosalema ihany.

4 Nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO i Hozia, tahaka izay rehetra nataon'i Amatsia rainy.

5 I Hozia tamin'ny andro niainan'i Zakaria izay nampianatra azy hanaja an'Andriamanitra, dia nivavaka tokoa tamin'ny TOMPO Andriamanitra sady nomeny fanambinana.

6 Nandeha niady tamin'ny Filistinina i Hozia, ka nandrava ny mandan'i Gata sy ny an'i Jabne ary ny an'i Asdoda ; avy eo izy dia nanamafy tanana jodeanina takaikin'i Asdoda sy takaikin'ny Filistinina.

7 Ary nanampy azy hatrany Andriamanitra hanohitra ny Filistinina sy ny Arabo nonina tao Gora ary ny Mehonita.

8 Ireto Mehonita ireto aza dia nandoa hetra ho azy.Tonga nahery fatratra i Hozia ka niely laza hatrany amin'ny sisin-tanin'i Ejipta.

9 Nanao tilikambo tao Jerosalema izy, teo amin'ny Vavahadin'ny Zoro sy teo amin'ny Vavahady mankany an-dohasaha sady nohamafisiny tsara.

10 Nanao tilikambo fiambenana ihany koa izy tao an-taniefitra sady nihady lavaka maro ho famorian-drano, satria nanana omby aman'ondry betsaka izy teny amin'ny faritr'i Sefela sy teny amin'ny lemaka; ary nanana mpiasa tany teny an-kavoana sy mpamboly voaloboka teny an-tanimboaloboka koa ny mpanjaka, satria tia asa tany tokoa izy.

11 Nanana tafika i Hozia, dia tafika afa-mifanandrina amin'ny fahavalo sy vonona hiatrika ady; notsinjaraina ho vondro-miaramila izany, araka ny vokatry ny fanisana notontosain'i Jehiela mpitan-tsoratra sy i Mahaseia mpitantan-draharaha, sady napetraka ho eo ambany fifehezan'i Hanania izay anankiray tamin'ireo komandy voatendrin'ny mpanjaka.

12 Andiany roa nisy olona eninjato no filohan-tarika nibaiko ireo miaramila maherifo ireo;

13 ary ny tafika matanjaka nofeheziny kosa dia antokony telonjato nisy vatan-dehilahy 7500, izay nahery niady tokoa mba homba ny mpanjaka hamely ny fahavalony.

14 Isaky ny hiantafika ireo, dia efa nanomanan'i Hozia ampinga sy lefona, satro-by fiarovan-doha sy akanjo vy fiarovan-tratra, ary tsipika sy vaton'antsamotady.

15 Nanamboatra milina tao Jerosalema izy izay noforonina manokana mba hapetraka teny amin'ny tilikambo sy teny amin'ny zoron'ny manda ary mba handefasana zana-tsipika na vato lehibe. Nahagaga ny nanampian'Andriamanitra an'i Hozia, ka tonga nahery tokoa izy sady niely lavitra ny lazany.

16 Kanjo nampiavonavona am-po azy izany hery nananany izany, ka nitarika loza ho an'ny tenany. Nivadika tamin'ny TOMPO Andriamaniny izy ka niditra tao amin'ny Toeramasin'ny TOMPO mba handoro vovo-javamanitra teo amin'ny alitara fanaovana izany.

17 Fa mba niditra nanaraka azy kosa i Hazaria mpisorombe, niaraka tamin'ny mpisoron'ny TOMPO valopolo lahy izay samy mahery fo avokoa.

18 Dia nijoro teo anoloan'ny Hozia mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe:-Tsy anjara raharahanao, ry Hozia, ny handoro vovo-javamanitra ho an'ny TOMPO; fa anjaran'ny mpisorona taranak'i Aharona izay natokana hanao izany. Miala amin'ny Toeramasina ianao, satria manimbazimba an'Andriamanitra; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitra izany.

19 Mbola teny an-tanan'i Hozia ny fitaovana fandoroana vovo-javamanitra no nisafoaka tamin'ireo mpisorona izy.Tamin'izay indrindra dia nisy aretin-koditra nipoitra teo amin'ny handriny raha izy mbola tao an-tranon'ny tompoiny, teo anatrehan'ny mpisorona sady teo anilan'ny alitara fandoroana vovo-javamanitra.

20 Ary i Hazaria mpisorombe sy ireo mpisorona hafa rehetra dia nanatrika nijery azy ka nahita ny aretin-koditra teo amin'ny handriny. Dia noroahiny hiala ny Toeramasina izy; sady ny tenany koa mba nivoaka ny tempoly faingana ihany, satria tsapany efa namely azy ny TOMPO.

21 Dia nianjadian'izany aretin-koditra izany i Hozia mpanjaka ambara-pahafatiny; ary nitoetra mitokana tao amin'ny trano anankiray izy , sady tsy nahazo niditra tao an-tranon'ny TOMPO intsony. Ka dia i Jotama zanany lahy, efa mpifehy ny tao an-dapan'ny mpanjaka, no nitondra ny tany sy ny fanjakana.

22 Ny sisa amin'ny tantaran'i Hozia, na tamboalohany na tafara, dia nosoratan'i Isaia mpaminany zanakalahin'i Amotsa.

23 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany kosa i Hozia , dia nalevina tao an-tsaha filevena-mpanjaka; kanefa tsy tao amin'ny fasan-drazana no nandevenana azy, satria hoy ny olona hoe: "Voan'ny aretin-koditra izy!" Ary i Jotama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

Toko faha-27

1 Feno 25 taona i Jotama fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany toa Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jerosa zanakavavin'i Tsadoka.

2 Nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO i Jotama, tahaka izay nataon'i Hozia rainy, kanefa tsy mba niditra tao amin'ny Toeramasin'ny TOMPO. Saingy mbola niharatsy toetra ihany ny vahoaka.

3 I Jotama no nanamboatra ny vavahady ambony tamin'ny tranon'ny TOMPO sady nanatontosa rafitra be tamin'ny mandan'i Hofela.

4 Nanorenany tanana teny amin'ny havoan'i Joda ary nanaovany trano fiarovana sy tilikambo tany an'ala.

5 Niadian'i Jotama ny mpanjakan'ny Hamonita ka resiny. Tamin'io taona io no nanomezan'ny Hamonita azy volafotsy telo taonina sy varimbazaha telo taonina ary vary orza telo taonina; dia mbola izany ihany koa no naloan'izy ireo tamin'ny taona roa manaraka.

6 Nitombo hery hatrany i Jotama noho izy tsara fitondrantena teo anatrehan'ny TOMPO Andriamaniny.

7 Ny sisa amin'ny tantaran'i Jotama mbamin'ny adiny rehetra sy ny zava-bitany dia indreo efa voasoratra ao amin'ny Bokin'ny mpanjakan'i Israely sy i Joda izany.

8 Feno 25 taona izy fony tonga mpanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany tao Jerosalema.

9 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany kosa i Jotama, dia nalevina taoan-Tananan'i Davida; ary i Ahaza zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

Toko faha-28

1 Feno roapolo taona i Ahaza fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Tsy mba nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO tahaka an'i Davida razambeny izy,

2 fa nitondra tena tahaka ny mpanjakan'i Israely avaratra. Nanao sarivongan-tsampy ho fanajana an'ireo Bahala mihitsy aza i Ahaza.

3 Nandoro vovo-javamanitra tao amin'ny lohasahan'i Bena-Hinoma koa izy, ary nanolotra ny zanany ho sorona dorana tamin'ny afo , araka ny fomba maharikoriko fanaon'ny hafa firenena izay noroahin'ny TOMPO teo anoloan'ny Israelita.

4 Nanao sorona biby izy sy nandoro azy hanetona teny amin'ny toeram-panasinana ary koa teny an-tampon-kavoana sy teny ambany hazo maitso midoroboka rehetra teny.

5 Koa dia natolotry ny TOMPO Andriamaniny ho eo an-tanan'ny mpanjaka sirianina i Ahaza; nandresy azy ny mpanjaka sirianina ary nitondra olona sambo-belona betsaka nankany Damasy. Ny tenan'i Ahaza koa dia natolotry ny TOMPO ho eo an-tanan'i Peka zanakalahin'i Remalia sady mpanjakan'i Israely , izay namely mafy ka naharesy azy.

6 Indray andro monja i Peka dia nampamono ho faty vondro-miaramila jodeanina 120, noho ny nandaozan'ireo ny TOMPO Andriamanitry ny razany.

7 Ary i Zikry, lehilahy maherifo tamin'ny Efraimita, no namono nahafaty an'i Mahaseia zanakalahin'i Ahaza mpanjaka sy namono nahafaty an'i Hazrika mampifehy ny tao an-dapa ary namono nahafaty an'i Elkana izay mpiara-miasa akaiky indrindra tamin'ny mpanjaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9409