2 Tantara
Toko faha-16
13 Rehefa maty i Asa tamin'ny taona faha-41 nanjakany ka lasa nodimandry any amin'ny razany,14 dia nalevina tao amin'ny fasana izay nolavahany tao an-Tananan'i Davida. Nampandrina teo amin'ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa araka ny fanaon'ny mpiangaly an'izany izy, ary mbola nandorana zava-manitra betsaka ho fisaonana azy.
Toko faha-17
1 I Josafata, zanakalahin'i Asa, no nanjaka nandimby azy; ary nitombo hery teo anoloan'ny fanjakan'i Israely izy.2 Nametrahany miaramila tamin'ny tanana mimanda rehetra eran'i Joda ary koa toby miaramila tao amin'ny tanin'i Joda sy tamin'ireo tanana efraimita efa azon'i Asarainy.
3 Niaraka tamin'i Josafata ny TOMPO, satria nanaraka ny toetran'i Davida razany fa hiny izy fa tsy mba nitady ireo andriamanitra Bahala.
4 Nitady ny Andriamanitry ny razany kosa izy, ka nizotra araka ny didiny fa tsy araka ny fanaon'ny Israelita tavaratra.
5 Koa nohamafisin'ny TOMPO ny fahefam-panjakana teo an-tanany; ary dia nitondra fanomezana ho an'i Josafata ny Jodeanina rehetra, hany ka nanan-karena sy voninahitra be izy.
6 Nandroso tamin'ny sori-dalan'ny TOMPO tokoa ny fony, hany ka nofoanany tsy ho eo amin'ny fanjakan'i Joda ny toeram-panasinana sy ny tsatokazo fanajana an'i Asera.
7 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Josafata dia nisy manampahefana nirahiny mba hampianatra tany amin'ny tananan'i Joda, dia i Bena-Haila sy i Hobadia, i Zakaria sy i Natanaela ary i Mikaia.
8 Nisy koa levita niaraka tamin'ireo, dia i Semahia sy i Netania, i Zebadia sy i Hasahela, i Semiramota sy i Jonatana ary i Adonia sy iTobia; ary tafaraka taminy koa i Elisama sy i Jorama mpisorona.
9 Nampianatra eran'i Joda ireo; fa sady nitondra ny bokin'ny lalanan'ny TOMPO izy no nitety ny tanana rehetra tany Joda, ka nampianatra ny olona.
10 Nahazo ny fanjakana rehetra tamin'ny tany manodidina an'i Joda ny tahotra ny TOMPO, hany ka tsy nisy sahy niady tamin'i Josafata ireo.
11 Nisy aza Filistinina sasany nitondra fanomezana sy volafotsy hetra ho an'i Josafata; ary nisy koa Arabo nitondra ondry aman'osy, dia ondrilahy 7700 sy osilahy 7700.
12 Nandroso hery hatrany i Josafata ka nanao manda fiarovana sy tanana fitahirizam-bokatra manerana an'i Joda.
13 Nanana tahirim-bokatra betsaka tao amin'ny tananan'i Joda izy, ary koa miaramila maherifo tao Jerosalema.
14 Nalamina araka ny fianakaviany avy ireo, ka ny mpifehy vondro-miaramila avy tamin'ny fokon'i Joda dia ireto: i Hadna no mpifehy lehilahy maherifo nisy andiany telonjato;
15 nanarakaraka azy dia i Johanana mpifehy lehilahy maherifo nisy andiany 280;
16 ary nanarakaraka azy indray dia i Hamasia, zanakalahin'i Zikry sady nanolo-tena an-tsitrapo ho an'ny TOMPO, mpifehy lehilahy maherifo nisy an diany roanjato.
17 Ny mpifehy vondro-miaramila avy tamin'ny fokon'i Benjamina kosa dia ireto: i Eliada, lehilahy maherifo, no mpifehy miaramila nisy andiany roanjato samy mpirongo tsipika sy ampinga;
18 ary nanarakaraka azy dia i Jozabada, izay mpifehy miaramila nisy andiany 180 samy ary fiadiana.
19 Ireo no vondro-miaramila nivonon-kanompo ny mpanjaka, ankoatra izay napetrany tany amin'ny tanana mimanda rehetra eran'i Joda manontolo.
Toko faha-18
1 Nanan-karena sy voninahitra be i Josafata; ary ny zanany lahy dia nampanambadiany ny zanakavavin'i Ahabampanjakan'i Israely.2 Taona vitsivitsy taorian'izany, dia nidina nankany amin'i Ahaba tany Samaria i Josafata; ary namonoan'i Ahaba ondry aman'osy sy omby betsaka izy sy ireo olona nanaraka azy. Avy eo dia notaomin'i Ahaba hanafika an'i Ramota-Gilehada i Josafata
3 ka nanontaniany hoe:-Mba hiaraka amiko hanafika an'i Ramota-Gilehada ve ianao?Dia novaliany hoe:-Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao; koa hiaraka hiantafika aminao izahay.
4 Mbola niteny tamin'ny mpanjakan'i Israely indray i Josafata ka nanao hoe:-Mba anontanio aloha ny tenin'ny TOMPO.
5 ary novorin'ny mpanjakan'i Israely ny mpaminaniny efajato lahy ka nanontaniany hoe:-Handeha hanafika an'i Ramota-Gilehada ve isika, sa hijanona ihany aho?Dia novalian'ireo hoe:-Mandehana, ry andriamanjaka, fa hatolotr'Andriamanitra eo an-tananao ny tanana.
6 Ary hoy kosa i Josafata:-Moa tsy misy mpaminanin'ny TOMPO koa ve eto mba hanontaniantsika?
7 Dia novalian'ny mpanjakan'i Israely hoe:-Mbola misy lehilahy iray ahazoantsika manontany ny TOMPO ao; saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy fa loza mandrakariva. Mikaia, zanakalahin'i Jimla, no anarany. Ka hoy i Josafata:-Aza dia miteny toy izany re ianao, ry mpanjaka!
8 Tamin'izay dia niantso tandapa anankiray ny mpanjakan'i Israely, ka nandidy azy haka faingana an'i Mikaia zanakalahin'i Jimla.
9 Ary ny mpanjakan'i Israely sy ny mpanjakan'i Joda dia samy nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany sy efa niakanjo ny fanamiany avy, teo amin'ilay kianja manoloana ny vavahadin'i Samaria, nandritra ny naminanian'ireo mpaminany rehetra ireo.
10 Fa i Tsedekia, zanakalahin'i Kenahana, dia namboatra tandro-by ka niteny hoe:-Izao no lazain'ny TOMPO: "Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny tafika sirianina mandra-paharingany."
11 Dia nilaza hafatra toy izany avokoa ny mpaminany rehetra teo ka nanao hoe:-Tafiho i Ramota-Gilehada fa ho resinao, ry mpanjaka! Eny, hatolotry ny TOMPO eo an-tananao io tanana io.
12 Ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia kosa dia niteny taminy hoe:-Indro efa iray teny avokoa izao ireo mpaminany, ka milaza soa ho an'ny mpanjaka;enga anie ny teninao mba ho tahaka ny azy, ka hilaza soa ihany koa!
13 Fa hoy i Mikaia hoe:-Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa izay lazain'Andriamanitra ihany no hambarako.
14 Rehefa tonga teo anatrehan'ny mpanjaka izy, dia nanontaniany hoe:-Ry Mikaia, handeha hanafika an'i Ramota-Gilehada ve izahay, sa hijanona ihany aho?Ka hoy ny navaliny azy:-Mandehana fa handresy ianareo, ary hatolotry ny TOMPO eo an-tananareo io tanana io.
15 Fa hoy indray ny mpanjaka taminy:-Impiry moa no hampianianako anao mba tsy hilaza amiko afa-tsy ny marina ihany amin'ny anaran'ny TOMPO?
16 Dia hoy ny navalin'i Mikaia:-Hitako fa ny tafik'i Israely manontolo dia niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry. Ary ny TOMPO niteny hoe: "Tsy mana-mpifehy intsony ireo miaramila ireo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy!"
17 Dia hoy ny mpanjakan'i Israely tamin'i Josafata:-Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?
18 Ary hoy indray i Mikaia:-Henoy ary ny tenin'ny TOMPO. Hitako nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany manko ny TOMPO; ary ireo anjeliny rehetra any an-danitra nijoro teo ankavanany sy teo ankaviany.
19 Ka hoy ny TOMPO nanontany hoe: "Iza no hitaona an'i Ahaba, mpanjakan'i Israely, handeha hanafika an'i Ramota-Gilehada mba hahafaty azy any?"Ary samy nanana ny fomba famaliny avy ny tsirairay.
20 Fa nandroso ka nitsangana teo anatrehan'ny TOMPO ny fanahy anankiray ary nanao hoe: "Izaho no hitaona azy." Hoy kosa ny TOMPO hoe: "Amin'ny fomba ahoana?"
21 Dia hoy izy: "Handeha aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan'ireo mpaminanin'i Ahaba rehetra." Ary hoy indray ny TOMPO: "Ho voataonanao tokoa izy, sady zavatra manavanana anao izany; ndeha ary ka ataovy."
22 Ankehitriny, indro ny TOMPO efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan'ireto mpaminaninao ireto, dia satria izy mihitsy no efa nilaza ny loza hanjo anao.
23 Tamin'izay dia nanatona an'i Mikaia i Tsedekia zanakalahin'i Kenahana, ka namely tehamaina azy sady nanao hoe:-Niala tamiko ve ny Fanahin'ny TOMPO hiteny aminao?
24 Dia novalian'i Mikaia hoe:-Indro fa ho hitanao izany amin'ny andro izay hitsofotsofohanao efitrano mba hiery.
25 Tamin'izay ny mpanjakan'i Israely dia nibaiko hoe:-Sambory i Mikaia, dia ento miverina any amin'i Amona governoran'ny tanana sy any amin'i Joasy zanako lahy
26 ka lazao ireo fa baiko avy amiko ny hanaovana ity olona ity an-tranomaizina ary ny hamahanana azy mofo kely sy rano kely fotsiny mandra-piveriko soa aman-tsara.
27 Fa hoy kosa i Mikaia:-Raha tahiny ka tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy nampitenenin'ny TOMPO aho tsy akory.
28 Dia lasa nanafika an'i Ramota-Gilehada ny mpanjakan'i Israely sy i Josafata mpanjakan'i Joda.
29 Ary hoy ny mpanjakan'i Israely tamin'i Josafata:-Hody olon-kafa aho , dia hirotsaka an'ady; fa ianao kosa miakanjoa ny fanamianao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan'i Israely sady nirotsaka an'ady.