2 Tantara

Toko faha-29

31 Ary niteny indray i Hezekia ka nanao tamin'ny vahoaka hoe:-Ankehitriny ianareo izay vonon-kanao fanomezana ho an'ny TOMPO dia manatona ary mitondra sorom-pihavanana sy sorom-pisaorana ho ao an-tranon'ny TOMPO!Dia nitondra biby hatao sorom-pihavanana sy sorom-pisaorana ny vahoaka tafangona; ary izay rehetra malala-tanana dia nitondra sorona dorana manontolo.

32 Ny isan'ny sorona dorana manontolo nentin'ny mpiangona dia omby fitopolo sy ondrilahy zato ary zanak'ondry roanjato; ka natolotra ho sorona dorana manontolo ho an'ny TOMPO ireo rehetra ireo.

33 Ny sorona hafa kosa dia omby eninjato sy ondry aman'osy telo arivo.

34 Vitsy loatra ny mpisorona teo ka tsy nahendaka ny hoditr'ireo biby rehetra natao sorona dorana manontolo, dia nanampy azy ny levita mpiray foko aminy mandra-pahavitan'ny raharaha; ary toy izany hatrany no natao mandra-pahavitan'ireo mpisorona sasany ny fidiovan-tenany, satria ny levita dia nazoto kokoa noho ny mpisorona tamin'ny fidiovan-tena.

35 Ary be koa tetsy an-daniny, ankoatra ny sorona dorana manontolo maro, ny fanolorana ireo jaboran'ny sorom-pihavanana sy ny fanolorana ireo fanatitra divay ampombaina ny sorona dorana manontolo.Toy izany no nanavaozana ny fanompoam-pivavahana tao an-tranon'ny TOMPO.

36 Ary faly i Hezekia sy ny vahoaka rehetra noho ny amin'izay navelan'Andriamanitra ho tanterahiny, satria tampotampoka izany raharaha izany.

Toko faha-30

1 Ny mpanjaka Hezekia sy ny manampahefana ary ny mpiangona rehetra tao Jerosalema

2 dia niara-nandinika momba ny tokony hankalazana ny Paska amin'ny volana faharoa.

3 Tsy nisy nahafahana nankalaza izany tamin'ny vaninandro manandrify , satria tsy mbola ampy isa ireo mpisorona nahavita ny fidiovan-tenany; ary ny vahoaka koa tsy mbola vory tao Jerosalema.

4 Sitraky ny mpanjaka sy ny mpiangona rehetra izany eritreritra izany;

5 ka tapaka ny hevitra fa handefasan-teny eran'i Israely manontolo hatrany Beera-Seba ka hatrany Dana mba hahatongavan'ny olona hankalaza ny Paska ao Jerosalema ho fanajana ny TOMPO Andriamanitr'i Israely. Vitsy manko ny olona nankalaza izany araka ny voasoratra. Dia nandefasan'i Hezekia iraka ny faritra rehetra amin'i Israely avaratra sy i Joda mba hanainga ny olona ho tonga ao an-tranon'ny TOMPO any Jerosalema ka hankalaza ny Paska ho fanajana ny TOMPO Andriamanitr'i Israely; nanoratra taratasy fanasana mihitsy aza i Hezekia ho an'ny foko efraimita sy manasita.

6 Dia lasa ireto iraka haingam-pandeha nitety ny faritra rehetra amin'i Israely sy i Joda, omban'ny taratasy avy tamin'ny mpanjaka sy ny manampahefana; araka ny didin'ny mpanja ka, dia izao no teny nolazainy:-Ianareo Israelita izay sisa tavela tamin'ny famelezan'ireo mpanjakan'i Asiria, miverena amin'ny TOMPO Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba.

7 Aza manahaka ny ray aman-dreninareo sy mpiray tampo aminareo, fa nivadika tamin'ny TOMPO Andriamanitry ny razany izy ireo ka dia natolony ho amin'ny faharavana araka izao hitanareo izao.

8 Koa aza manamafy hatoka toy ny nataon'ny razanareo ianareo,fa manomeza toky hanompo ny TOMPO ka tongava ao amin'ny tempoliny izay efa natokany hanan-kasina mandrakizay; eny, manompoa ny TOMPO Andriamanitrareo mba hialan'ny fahatezerany mirehitra aminareo.

9 Fa raha miverina amin'ny TOMPO ianareo, dia hahazo famindrampo ireo mpiray firenena sy mpiray fianakaviana aminareo eo anatrehan'izay nitondra azy ho babo, ka dia ho tafaverina indray amin'ity tany ity. Miantra sy mamindrafo tokoa manko ny TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hiambohoany ianareo raha miverina aminy.

10 Dia notetezin'ireto iraka faingam-pandeha ny tanana amin'ny faritra efraimita sy manasita ka hatrany amin'ny faritra zebolonita; fa nihomehezan'ny olona sy novazivaziny foana ireo.

11 Kanefa tamin'ny foko aserita sy manasita ary zebolonita dia nisy ihany olona vitsivitsy mba resy lahatra ka tonga tany Jerosalema.

12 Ny fahefan'Andriamanitra kosa dia niasa tamin'ny Jodeanina ka nampiray fo azy hankato ny didin'ny mpanjaka sy ny manampahefana, araka ny tenin'ny TOMPO.

13 Tamin'ny volana faharoa dia nisy vahoaka marobe tafavory tao Jerosalema mba hankalaza ny fety fihinanana ny mofo tsy misy leviora. Fiangonana goavana tokoa izany.

14 Dia nirotsaka nandrava ireo alitara fanompoan-tsampy tao Jerosalema ny olona; noravany koa ireo alitara fandoroana vovo-javamanitra ka nariany tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.

15 Nony andro faha-14 tamin'ny volana faharoa dia novonoina ny biby fanao sorona amin'ny Paska. Azon-kenatra ny mpisorona sy ny levita, ka nidio tena mba ho afa-kampiditra ny sorona dorana manontolo ho ao an-tranon'ny TOMPO.

16 Samy naka toerana toy ny mahazatra izy, araka ny lalanan'i Mosesy olon'Andriamanitra; ary nararaky ny mpisorona teo ambony alitara ny ra izay natolotry ny levita azy.

17 Nisy maro manko tamin'ny vahoaka tafangona no tsy mbola nidio tena; dia ny levita no nampamonoina ny biby fanolotra amin'ny Paska ka nisolo izay rehetra tsy madio mba hampisy hasina ny sorony amin'ny TOMPO.

18 Ny ankamaroan'ny olona, indrindra fa ireo anisan'ny foko efraimita sy manasita ary jisakarita sy zebolonita, no tsy nidio tena, kanefa nihinana ny sakafo Paska ihany, na dia tsy araka izay voasoratra aza. Saingy nivavaka ho an'ireny i Hezekia ka nanao hoe: "TOMPO tsara fo o, mba mamela

19 izay olona efa nanomana ny fony manontolo hitady AnaoTOMPO Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka izay takin'izao zava-masina izao aza izy."

20 Ary nohenoin'ny TOMPO i Hezekia ka navelany heloka ny vahoaka.

21 Ny Israelita izay tao Jerosalema dia nankalaza tamin-kafaliana lehibe nandritra ny herinandro izany fetin'ny mofo tsy misy leviora izany; isan'andro ny levita sy ny mpisorona no nidera ny TOMPO nomban'ny zava-maneno mafy feo mba ho fanajana AZy.

22 Ary ny teny nataon'i Hezekia dia nanohina ny fon'ireo levita rehetra izay feno fahazotoana tokoa ho an'ny TOMPO. Nihinana ny sakafo Paska nandritra ny herinandro ny olona ka sady nanolotra sorom-pihavanana no nisaotra ny TOMPO Andriamanitry ny razany.

23 Ny vahoaka rehetra tafangona teo dia niombon-kevitra ny amin'ny mbola hanohizana herinandro indray ny fankalazana; ka dia nataony tamin-kafaliana koa izany,

24 satria i Hezekia mpanjakan'i Joda dia nanome ombilahy arivo sy ondry aman'osy fito arivo, ary ny manampahefana koa nanome ombilahy arivo sy ondry aman'osy 10 000 ho an'ny olona. Ankoatra izany, maro ny mpisorona no nanao fidiovan-tena.

25 Faly ny besinimaro niangona teo; dia ny Jodeanina sy ny mpisorona mbamin'ny levita ary koa izay rehetra anisan'ny Israelita tavaratra na ireo nivahiny ho an'ny fety na ireo nonina tao Joda.

26 Fifaliana goavana no tao Jerosalema; fa hatramin'ny andron'i Salomona, zanakalahin'i Davida sady mpanjakan'i Israely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tao an-tanana.

27 Nony farany, nitsangana ny levita mpisorona ka nitsodrano ny vahoaka; ary nohenoin'Andriamanitra ny tonombavak'ireo satria tafapaka tany an-danitra izay fonena-masiny.

Toko faha-31

1 Nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany amin'ireo tanana jodeanina ny Israelita tsy an-kanavaka izay teo ka nanamontsamontsana ny tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsatokazo fanajana an'i Asera ary nandrava ny toeram-panasinana sy alitara fanompoan-tsampy eran'i Joda sy i Benjamina ary koa tamin'ny foko efraimita sy manasita ambara-paharavany azy rehetra. Taorian'izay dia samy nody ho any amin'ny taniny sy ny tananany avy izy rehetra.

2 Najoron'i Hezekia indray ny antokon'ny mpisorona sy ny levita; ary ankoatrany fitsinjarana azy araka ny antokony, dia teo koa ny fitsinjarana azy araka ny fanompoany avy. Tao anatin'ireo kianjan'ny tranon'ny TOMPO manko dia nisy mpisorona sy levita nisahana ny sorona dorana manontolo, nisy nisahana ny sorom-pihavanana, ary nisy nisahana ny fanompoam-pivavahana isaorana sy iderana ny TOMPO.

3 Ny zavatra hatao sorona dorana manontolo dia nomen'ny mpanjaka avy tamin'ny fananany, na ny fanolotra marain-tsy hariva izany na ny fanolotra isan-tsabata sy amin'ny voaloham-bolana ary amin'ny fankalazana hafa, araka ny voasoratra ao amin'ny lalanan'ny TOMPO.

4 Ny olona izay nonina tao Jerosalema dia nasain'i Hezekia nanome ny anjaran'ireo mpisorona sy levita mba hifikirany mafy amin'ny fombam-pivavahana naraikitry ny TOMPO.

5 Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Israelita: dia vary sy divay, menaka sy tantely mbamin'ny vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin'ny zavatra rehetra dia betsaka koa no nentiny.

6 Ny mponin'ireo tananan'i Joda, na Israelita tavaratra na Jodeanina, dia nitondra koa ny fahafolon-karena tamin'ny omby sy ondry aman'osy ary ny fahafolon-karena tamin'ny vokatry ny tany isan-karazany; nentiny avokoa ny zavatra voatokana ho an'ny TOMPO ary navosany nitsitokotoko maro ireny.

7 Tamin'ny volana fahatelo no nanombohana nanao izany ary tamin'ny volana fahafito no nahavitana azy.

8 Nony tonga hijery ireo zavatra niavosa ireo i Hezekia sy ny manampahefana, dia nisaotra ny TOMPO sy ilay Israely vahoakany.

9 Dia nanontanian'i Hezekia ny mpisorona sy ny levita momba ireo zavatra niavosa ireo.

10 Ka i Hazaria mpisorombe, anisan'ny taranak'i Tsadoka, no namaly azy hoe:-Hatramin'ny niandohan'ny fitondran'ny olona ampaham-bokatra an-tranon'ny TOMPO, dia nanana hanin-kahavoky izahay, sady be koa ny ambiny tavela satria ny TOMPO efa nitahy ny vahoakany. Ireo navelanay mivangongo ireo ny ambiny.

11 Dia efitrano fitahirizan-javatra no nasain'i Hezekia namboarina tao an-tranon'ny TOMPO; ka rehefa voavoatra izany,

12 dia hatrany hatrany no nampidirana ny ampaham-bokatra sy ny fahafolon-karena ary ny zavatra hafa natokana ho an'ny TOMPO. Ilay levita atao hoe Konania no mpiandraikitra ireny, ary i Simehy rahalahiny no mpanampy azy.

13 Ny tonian'ireny kosa dia i Jehiela sy i Hazazia, i Nahata sy i Hasahela, i Jeremotasy i Jozabada, i Eliela sy i Jismahia ary i Mahata sy i Benaia; teo ambany fifehezan'i Konania sy i Simehy mirahalahy izy ireo, araka ny didin'i Hezekia mpanjaka sy i Hazaria mpiandraikitra ny tranon'Andriamanitra.

14 Ilay levita atao hoe Kora, zanakalahin'i Jimna sady mpiandry ny varavarana atsinanana, no nisahana ny fanati-tsitrapo ho an'Andriamanitra ary nizara ny zavatra navahana ho an'ny TOMPO sy ny zava-masina indrindra.

15 Teo ambany fifehezan'i Kora hatrany hatrany kosa ry i Hedena sy i Miniamina, i Jesoa sy i Semahia ary i Amaria sy i Sekania izay tany amin'ireo tananan'ny mpisorona. Ary adidin'izy enin-dahy ny hizara sakafo ho an'ireo mpiombona asa aminy, na ny lehibe na ny kely,

16 isaky ny lehilahy voasoratra hatramin'ny zazalahy feno telo taona noho miakatra; ankoatra ireo, dia mahazo zavatra manokana isan'andro koa izay mpisorona sy levita rehetra miditra ao an-tranon'ny TOMPO mba hanao fanompoana amin'ny anjara raharahany araka ny antokony avy.

17 Ny fanoratana ny mpisorona moa dia natao araka ny fianakaviany avy; fa ny levita kosa, hatramin'ny roapolo taona noho miakatra, dia nosoratana araka ny anjara raharahany sy araka ny antokony avy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.94