2 Tantara

Toko faha-18

30 Fa ny mpanjakan'i Siria kosa efa nanome baiko ireo komandin'ny kalesiny mba tsy hamely miaramila tsotra na mpitari-tafika fa ny mpanjakan'i Israely ihany.

31 Nony nahita an'i Josafata ireo komandin-kalesy, dia nihevitra azy ho ny mpanjakan'i Israely mihitsy. Dia nohodidininy hasiana izy; kanjo niantso vonjy kosa i Josafata, ka namonjy azy ny TOMPO Andriamanitra, ary nampiala ny fahavalo teo aminy.

32 Rehefa hitan'ireo komandin-kalesy fa tsy ny mpanjakan'i Israely io, dia nialany.

33 Ary nisy miaramila sirianina anankiray nandefa zana-tsipika tsy nahy, ka nahavoa ny mpanjakan'i Israely teo anelanelan'ny famavan'ny akanjo vy fiarovan-tratrany; ka dia hoy ity mpanjaka tamin'ny mpamily ny kalesiny:-Ahodino ny kalesy, ka ento miala ny toeram-piadiana aho fa maratra mafy.

34 Kanefa nihamafy ny ady tamin'izay andro izay, hany ka voatery nihafy ny mpanjakan'i Israely nitsangana teo amin'ny kalesiny, nanoloana ny tafika sirianina,mandra-paharivan'ny andro; fa nony efa hilentika ny masoandro, dia maty izy.

Toko faha-19

1 Dia niverina soa aman-tsara tao an-dapany, tao Jerosalema, i Josafata mpanjakan'i Joda.

2 Niainga hitsena azy i Jeho mpaminany zanakalahin'i Hanany, ka nanao taminy hoe:-Moa ny olon-dratsy ve no tokony hampiana ary izay mpankahala ny TOMPO va no tokony ho tiavinao? Noho izany, dia tezitra aminao ny TOMPO.

3 Kanefa misy hatsaram-panahy hita ihany aminao, satria nofoananao tsy ho eo amin'ny taninao ny tsatokazo fanajana an'i Asera sady naronanao ny fonao hitady an'Andriamanitra.

4 Nitoetra tao Jerosalema i Josafata; ary nandeha hitety vahoaka indray izy hatrany Beera-Seba ka hatrany amin'ny tendrombohitr'i Efraima, ary nampiverina azy ho amin'ny TOMPO Andriamanitry ny razany.

5 Nanendreny mpitsara tamin'ny isan-tanana mimanda eran'ny tanin'i Joda

6 sady nohafatrafarany hoe:-Tandremo izay hataonareo, satria tsy araka ny olona fa araka ny TOMPO no hitsaranareo; sady ny TOMPO mihitsy no hiaraka aminareo rehefa mitsara ianareo.

7 Koa ho ao aminareo anie ny fanajana ny TOMPO!Tandremo sy ataovy izany, fa tsy tia helokana fizahan-tavan'olona na fandraisan-kolikoly ny TOMPO Andriamanitsika.

8 Tao Jerosalema koa dia nanendren'i Josafata ny sasany tamin'ny levita sy ny mpisorona ary ny filoham-pianakaviana israelita mba hitsara araka ny TOMPO sy handamina ny adin'ny mponina tao an-tanana.

9 Dia nomeny baiko ireo ka nilazany hoe:-Izao no hataonareo noho ny fanajana ny TOMPO araka ny toetra mahatoky sy ny hitsimpo.

10 Na inona na inona ady avy amin'ny mpiray firenena, any amin'ny tanana fonenany any momba ny vonoan'olona na momba ny lalana sy didy amam-pitsipika samy hafa, dia anaro izy;dia tsy ho meloka amin'ny TOMPO ireo, ary tsy hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra ianareo sy ny mpiray firenena aminareo. Izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.

11 Ary indro i Amaria mpisorombe no ho lehibenareo amin'ny raharaham-pivavahana rehetra; ary i Zebadia, zanakalahin'i Jismahela sady mpifehy ny taranak'i Joda, no ho lehibenareo amin'ny raharaham-panjakana rehetra. Ny levita no hompitantsoratra hanampy anareo. Mahereza, ka mahefa, ary ny TOMPO anie hiaraka amin'izay manao ny tsara!

Toko faha-20

1 Taorian'izay, dia avy hiady tamin'i Josafata ny Moabita sy ny Hamonita mbamin'ny Mehonita sasany.

2 Ary nisy olona tonga nanambara tamin'i Josafata hoe:-Indreo misy tafika goavana avy any atsinanan'ny Ranomasina Maty sy avy any amin'ny faritr'i Edoma ho tonga hiady aminao;ary indreo izy ao Hatsetsona-Tamara,izany hoe Haina-Gedy.

3 Dia natahotra i Josafata ka nanapa-kevitra hanontany ny TOMPO sady niantsoandro fifadian-kanina manerana an'i Joda manontolo.

4 Dia niangona ny Jodeanina rehetra hangata-bonjy amin'ny TOMPO; eny,avy tamin'ny tananan'i Joda rehetra no niaingany hanao izany.

5 Voahodidin'ny mponin'i Joda sy i Jerosalema tafangona i Josafata no nijoro tao an-tranon'ny TOMPO,teo anoloan'ilay kianja vaovao,

6 ka nivavaka nanao hoe:-Ry TOMPO Andriamanitry ny razanay o,Ianao tokoa no Andriamanitra any an-danitra. Ianao no mifehy ny fanjakana rehetra eo amin'ny firenena isan-tokony, ary eo an-tananao ny hery amam-pahefana ka tsy misy mahatohitra Anao.

7 Ry Andriamanitray o, Ianao no nandroaka ny mponina tamin'ity tany ity hiala teo anoloan'i Israely vahoakanao ka nanome mandrakizay an'izany ho an'ny taranak'i Abrahama sakaizanao.

8 Ary nonina teto izy ka nanorinaToeramasina ho an'ny anaranao sady niteny hoe:

9 Raha manjo anay ny loza, na ady na famaizana na areti-mandringana na mosary, ka hijoro manatrika ity tempoly ity izahay, fa ny anaranao no amin'ity trano ity,ary hiantso vonjy aminao noho ny fahorianay ,dia hihaino Ianao ka hamonjy.

10 Ankehitriny, indreo ny Hamonita sy ny Moabita ary koa ny Edomita avy any an-tendrombohitra Sehira. Fony niala tany Ejipta ny Israelita razanay, dia tsy navelanao hanafika azy, ka nivily lalana fa tsy nandringana azy;

11 kanefa indreo izy namaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin'ny tany nomenao ho fanananay.

12 Ry Andriamanitray o,tsy hanafay azy ireo va Ianao? Izahay manko tsy manan-kery hanoherana izany tafika goavana avy hamely anay izany, ka tsy hitanay izay hatao; fa Ianao kosa no andrandrain'ny masonay.

13 Ny Jodeanina rehetra, mbamin'ny vadiny aman-janany koa, dia samy nitsangana nivavaka teo anatrehan'ny TOMPO.

14 Teo anivon'izany vahoaka tafangona izany i Jahaziela, levita zanakalahin'i Zakaria sy zafin'i Benaia sy zafiafin'i Jehiela ary zafindohalik'i Matania sady anisan'ny taranak'i Asafa, dia voatsindrin'ny Fanahin'ny TOMPO,

15 ka niteny hoe:-Mihainoa tsara ianareo, ry Joda iray manontolo sy ry mponin'i Jerosalema, ary indrindra ianao, ry Josafata mpanjaka. Izao no lazain'ny TOMPO aminareo: "Aza matahotra na mivadi-po ny amin'io tafika goavana io, fa tsy anareo ny ady, fa Ahy Andriamanitrareo.

16 Rahampitso dia midina hiady amin'ny fahavalonareo izay miakatra amin'ny fiakarana Hatsitsa izao. Ianareo kosa hahita azy eo amin'ny faran'ny lohasahan-driaka tandrifin'ny taniefitr'i Jeroela.

17 Ry mponin'i Joda sy i Jerosalema, tsy ianareo anefa no hiady amin'ity; mijanona tsara fotsiny, fa ho hitanareo ny hamonjen'ny TOMPO anareo. Aza matahotra na mivadi-po; rahampitso dia miainga hifanehatra amin'io tafika io, fa ny TOMPO no hiaraka aminareo."

18 Dia niankohoka tamin'ny tany i Josafata; ary ny Jodeanina rehetra sy ny mponin'i Jerosalema koa dia niankohoka teo anatrehan'ny TOMPO mba hitsaoka AZy.

19 Nitsangana kosa ny levita, anisan'ny tarika kehatita sy korahita, mba hidera ny TOMPO Andriamanitr'i Israely, tamin'ny feo mafy tokoa.

20 Nifoha maraina koa ireto Jodeanina sy mponin'i Jerosalema ny ampitso, dia niainga nankany amin'ny taniefitr'i Tekoa. Teo am-piaingany, dia nitsangana i Josafata ka nanao hoe:-Mihainoa ahy ianareo, ry Jodeanina sy ry mponin'i Jerosalema. Matokia ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo; matokia ny mpaminaniny,dia handresy ianareo!

21 Rehefa niara-nidinika tamin'ny vahoaka i Josafata, dia nanendry mpihira hialoha ny tafika, ka hanao fanamiana masina sady hidera ny TOMPO hanao hoe: "Midera ny TOMPO ianareo; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!"

22 Raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo mpihira, dia nataon'ny TOMPO nisy fifanjevoana teo amin'ny Hamonita sy Moabita ary Edomita izay tonga hanafika ny Jodeanina, ka dia nifamely ireo.

23 Nitsangana ny Hamonita sy Moabita hamely ny Edomita, ka namono nahafaty sy nandringana azy; ary nony voaringan'izy roa tonta ny Edomita, dia izy samy izy kosa avy eo no nifandringana.

24 Rehefa tonga teo amin'ilay toerana fitazanana ny taniefitra ireto Jodeanina, dia nijery ity tafika goavana; ka indreo faty niampatrampatra tamin'ny tany no hitany, fa tsy nisy afa-nandositra.

25 Dia nandeha nandroba azy i Josafata sy ny vahoakany, ka betsaka tokoa ny biby fiompy sy harena ary fitafiana sy fanaka sarobidy hitany. Be loatra ny remby ka na dia nandany telo andro hanangonana aza izy ireo, dia tsy nahazaka azy rehetra.

26 Tamin'ny andro fahefatra dia nivory tao amin'ny Lohasaha Beraka izy. Tao no nisaorany ny TOMPO, ka izany no niantsoana io toerana io hoe Lohasaha Bera ka mandraka androany.

27 Ny mponin'i Jerosalema sy ny Jodeanina hafa rehetra izay teo ambany fitarihan'i Josafata dia niainga hiverina any Jerosalema indray tamim-pifaliana, satria ny TOMPO efa nampifaly azy fony nafahany tamin'ny fahavalony.

28 Dia tonga tany Jerosalema izy nomban'ny feom-baliha sy lokanga ary trompetra, ka nankao an-tranon'ny TOMPO.

29 Ary azon'ny tahotra an'Andriamanitrany fanjakana rehetra manodidina, rehefa nandre fa ny TOMPO no niady tamin'ny fahavalon'i Israely.

30 Dia nandry feizay ny fanjakan'i Josafata, satria nomen'Andriamanitra fiadanana tamin'ny sisin-tany manodidina izy.

31 Nanjaka tamin'i Joda i Josafata; feno 35 taona izy fony tonga mpanjaka, ary naharitra 25 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Hazoba zanakavavin'i Silehy.

32 Nanaraka ny toetran'i Asa rainy izy, ka tsy niala tamin'izany fa nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO.

33 Kanefa ny toeram-panasinana tsy voafongotra, hany ka tsy mbola niraiki-po mafy tamin'ilay Andriamanitry ny razany ny vahoaka.

34 Ny sisa amin'ny tantaran'i Josafata, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin'ny boky miloha teny hoe Asan'i Jeho zanakalahin'i Hanany , izay nakambana tamin'ny Bokin'ireo mpanjakan'i Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9328