2 Tantara
Toko faha-20
35 Taorian'izany, i Josafata mpanjakan'i Joda dia nifarimbona tamin'i Ahazia mpanjakan'i Israely, izay ratsy fitondrantena.36 Nifarimbona tamin'i Ahazia hanamboatra sambo vaventy izy; ka tao Hetsiony-Gebera no nanamboarany azy.
37 Kanefa i Elihezera mpaminany, zanakalahin'i Dodia avy any Maresa, dia naminany ny amin'i Josafata hoe:-Noho ny nifarimbonanao tamin'i Ahazia dia horavan'ny TOMPO ireo fitaovana vitanao. Dia nisy fahavakiana tokoa ireo sambo ka tsy afaka nanainga akory.
Toko faha-21
1 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany i Josafata, dia nalevina am-pasan-drazany tao an-Tananan'i Davida; ary i Jorama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.2 Nanan-drahalahy zanak'i Josafata koa i Jorama, dia i Hazaria sy i Jehiela, i Zakaria sy i Hazaria ary i Mikaela sy i Sefatia; izy rehetra ireo no zanakalahin'i Josafata, mpanjakan'i Joda.
3 Samy notoloran-drainy fanomezana betsaka izy ireo, dia volafotsy sy volamena ary fanaka sarobidy mbamin'ny fifehezana tanana mimanda sasany tao Joda; fa ny maha-andriamanjaka kosa dia natolony an'i Jorama, satria izy no lahimatoa.
4 Raha vao nandray an-tanana ny fanjakan-drainy i Jorama, dia nanamafy ny fahefany ka namono nahafaty tamin'ny sabatrany rahalahiny rehetra sy ny mpitondra sasany teo amin'i Israely.
5 Feno 32 taona i Jorama fony tonga mpanjaka; ary naharitra valo taona no nanjakany tao Jerosalema.
6 Nanaraka ny toetran'ireo mpanjakan'i Israely avaratra izy, dia tahaka ny nataon'ireo taranak'i Ahaba, fa zanakavavin'i Ahaba no vadiny; eny, nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO i Jorama.
7 Kanefa ny TOMPO tsy te handringana ny taranak'i Davida noho ny fanekem-pihavanana nataony tamin'i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy sy ny taranany.
8 Tamin'ny andron'i Jorama no nikomian'ny Edomita tamin'ny fahefana jodeanina ka nananganany mpanjaka ho azy.
9 Niainga manko i Jorama sy ireo manamboninahiny ary ny kalesiny rehetra; nony voahodidin'ny Edomita ny tenany mbamin'ireo komandin-kalesiny, dia voatery nitsoaka nanao latsaka alina tamin'ny Edomita.
10 Hatreo dia nizaka tena sady nanohitra ny fahefana jodeanina ny Edomita mandraka androany.Tamin'izay fotoana izay koa ny tananan'i Libna no nikomy nanohitra ny fahefan'i Jorama, satria efa nandao ny TOMPO Andriamanitry ny razany izy.
11 I Jorama mihitsy no nanao toeram-panasinana teny an-tendrombohitr'i Joda ka nitaona ny mponin'i Jerosalema sy ny Jodeanina hanompo sampy sady hivadika amin'Andriamanitra.
12 Ary nisy taratasy avy tamin'i Elia mpaminany tonga tao amin'i Jorama nanambara hoe: "Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Davida razanao: Tsy nanaraka ny toetran'i Josafata rainao na ny an'i Asa mpanjakan'i Joda ianao,
13 fa nanaraka ny toetran'ireo mpanjakan'i Israely avaratra ka nampanompo sampy ny Jodeanina sy ny mponin'i Jerosalema tahaka ny fanaon'ny taranak'i Ahaba; novonoinao ho faty aza ny rahalahinao tera-drainao, izay tsara noho ianao;
14 koa dia hataon'ny TOMPO hiharan-doza goavana ny vahoakanao sy ny zanakao ary ny vadinao sy ny fanananao rehetra.
15 Ny tenanao ho azon'aretina mafy isan-karazany, indrindra fa aretina amin'ny tsinainao izay hiharatsy miandalana isan'andro isan'andro mandra-piloatrany tsinainao."
16 Dia notaomin'ny TOMPO hamely an'i Jorama ny Filistinina ary koa ny Arabo izay mifanila amin'ny Kosita ;
17 niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao, ary namabo ny fananana rehetra izay tao an-dapan'ny mpanjaka mbamin'ny zanany sy ny vadiny koa aza. Tsy nisy zanany tavela intsony teo aminy, afa-tsy i Joahaza faralahiny ihany.
18 Taorian'izany rehetra izany, ny namelezan'ny TOMPO an'i Jorama ho azon'aretina tsy azo sitranina teo amin'ny tsinainy.
19 Rehefa ela ny ela, nony afaka roa taona, dia niloatra nihahaka ny tsinainy noho ny fiantraikan'ilay aretina; ka maty tamin'ny fangirifiriana mafy i Jorama. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro vovo-javamanitra ho fisaonana azy toy ny natao tamin'ireo razany.
20 Feno 32 taona i Jorama fony tonga mpanjaka; ary naharitra valo taona no nanjakany tao Jerosalema. Koa lasa nodimandry tsy nisy nalahelo azy izy. Nalevina tao an-Tananan'i Davida ihany i Jorama, nefa tsy mba tao amin'ny fasan'ireo mpanjaka.
Toko faha-22
1 Ary ny mponin'i Jerosalema nampanjaka an'i Ahazia, faralahin'i Jorama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin'ny andian'olona mpanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Izany no nahatonga an'i Ahazia ho mpanjakan'i Joda.2 Feno 22 taona izy fony vao nanjaka; ary herintaona ihany no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Hatalia, zafikelin'i Homry.
3 Nanaraka ny toetran'ireo taranak'i Ahaba koa i Ahazia, satria ny reniny no nanoro hevitra azy hanao ratsy.
4 Ka dia nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO toy ny taranak'i Ahaba izy, satria ireo no mpanolotsaina azy taorian'ny nahafatesan'i Jorama rainy ka nampidi-doza azy.
5 Ny torohevitra nomen'ireo azy tokoa no narahin'i Ahazia, ka dia niainga niaraka tamin'i Jorama zanakalahin'i Ahaba sady mpanjakan'i Israely avaratra izy mba hiady amin'i Hazaela mpanjakan'i Siria, tao Ramota-Gilehada. Tamin'izay ny Sirianina dia nandratra an'i Jorama;
6 ary niverina tao Jizrehela izy mba ho tsaboina tamin'ny ratra nahavoa azy tany Ramota, fony izy niady tamin'i Hazaela mpanjakan'i Siria. Dia nankany Jizrehela i Ahazia , zanakalahin'i Jorama sady mpanjakan'i Joda, mba hamangy an'i Jorama zanakalahin'i Ahaba noho izy narary.
7 Avy tamin'Andriamanitra ny loza nanjo an'i Ahazia tamin'ny nankanesany hamangy an'i Jorama; nony tonga manko izy, dia niara-niainga tamin'i Jorama mba hitsena an'i Jeho, zanakalahin'i Nimsy sady nohosoran'ny TOMPO ho mpanjaka mba handringana ny taranak'i Ahaba.
8 Dia nampiharin'i Jeho tamin'ny taranak'i Ahaba ny famalian'Andriamanitra; hitany koa ireo manampahefana jodeanina sy ireo zana-drahalahin'i Ahazia izay samy nanompo an'i Ahazia, ka novonoiny ho faty.
9 Nampitady an'i Ahazia izy ka tany Samaria niereny no nisy nahita azy; dia nentina ho any amin'i Jeho izy ary novonoina ho faty. Nalevina ihany anefa izy, satria hoy ny olona hoe:"Taranak'i Josafata, ilay nitady ny TOMPO tamin'ny fony manontolo, ity."Tamin'izay dia tsy mbola nisy afaka nitana fanjakana ny terak'i Ahazia.
10 Rehefa hitan'i Hatalia renin'i Ahazia fa maty ity zanany lahy, dia niroso nandringana ny zazalahy rehetra tamin'ny teraky ny andriamanjakan'i Joda izy.
11 Kanefa i Joseba, zanakavavin'i Jorama mpanjaka, dia naka an'i Joasy zanakalahin'i Ahazia ka namonjy azy teo anivon'ireo rahalahiny efa novonoina; ary napetrany tao an'efitrano fandriana niaraka tamin'ny mpitaiza azy. Io Joseba vadin'i Joiada mpisorona sady zanakavavin'i Jorama mpanjakan'i Joda io moa dia anabavin'i Ahazia; nafenin'i Joseba i Joasy mba tsy ho hitan'i Hatalia, ka dia tsy mba voavono ho faty.
12 Niery enin-taona tao an-tranon'Andriamanitra niaraka tamin'i Joseba sy ilay mpitaiza i Joasy; ary dia i Hatalia no nanjaka teo amin'ny tany.
Toko faha-23
1 Tamin'ny taona faha fito dia nanapa-kevitra hentitra i Joiada ka nanao fifanekena tamin'ireo mpifehy andia-miaramila: dia i Hazaria zanakalahin'i Jerohama, i Jismahela zanakalahin'i Johanana, i Hazaria zanakalahin'i Hobeda, i Mahaseia zanakalahin'i Hadaia, ary i Elisafata zanakalahin'i Zikry.2 Ary nitety an'i Joda ireo ka namory ny levita sy ny loham-pianakaviana israelita avy tany amin'ny tanana jodeanina rehetra, dia niara-tonga tany Jerosalema ireo.
3 Ary ny olona rehetra vory teo dia nanao fanekem-pihavanana tao an-tranon'Andriamanitra ny amin'ny mpanjaka, sady nilazan'i Joiada hoe:-Indro i Joasy zanakalahin'ny mpanjaka. Izy no tokony hanjaka araka ny nampanantenain'ny TOMPO ny amin'ny taranak'i Davida.
4 Koa izao no hataonareo: ianareo mpisorona sy levita izay milatsaka amin'ny andro sabata, dia aoka ny ampahatelonareo ho mpiandry ny varavaran'ny tempoly,
5 ny ampahatelo hafa hiambina ao an-dapan'ny mpanjaka, ary ny ampahatelo sisa hiambina ilay vavahadin'ny Fanorenana ; ary ny vahoaka rehetra kosa dia ho eo an-kianjan'ny tranon'ny TOMPO.
6 Fa aza avela hisy hiditra ao an-tranon'ny TOMPO, afa-tsy ny mpisorona sy ny levita mpanao raharaha; ireo no hahazo miditra satria voatokana ho an'Andriamanitra; fa ny vahoaka rehetra dia hitandrina izay fepetra nasain'ny TOMPO ho tandremana.
7 Ianareo levita hafa kosa dia hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitam-piadiana avy, ary koa hanaraka azy amin'izay toerana halehany; fa na iza na iza miditra ao an-tempoly, dia vonoy ho faty.
8 Araka izay baiko rehetra nomen'i Joiada mpisorona no nataon'ny levita sy ny Jodeanina rehetra; ka ny tompon'andraikitra tsirairay dia samy nitondra ny olom-peheziny, dia izay nilatsaka na izay niala tamin'ny andro sabata, satria tsy nisy andiany navelan'i Joiada mpisorona hahazo lalana hody.
9 Nomen'i Joiada an'ireo mpifehy andia-miaramila ny lefona aman'ampinga isan-karazany, izay an'i Davida mpanjaka saingy na toby tao an-tranon'Andriamanitra.
10 Ireo miaramila rehetra samy nitam-piadiana ireo dia nalahatr'i Joiada hanodidina ny mpanjaka manomboka eo amin'ny lafiny havanan'ny tempoly ka hatramin'ny lafiny havia, dia teo anoloan'ny alitara fisoronana sy ny vatan-trano, ary efavonona hanodidina ny mpanjaka.
11 Tamin'izay dia navoaka i Joasy zanakalahin'i Ahazia, ka nampisatrohina ny satroboninahitra maha-mpanjaka sady notolorana ny rakitsoratra momba ny zo aman'andraikitry ny mpanjaka. Ary nanosotra menaka hanokanana azy i Joiada sy ireo zanany lahy ka niantso hoe: "Ho ela velona anie ny mpanjaka!"
12 Nony ren'i Hatalia ny kotaban'ny vahoaka nifamoivoy sy niarahaba ny mpanjaka, dia mba nankao amin'ny vahoaka tao an-tranon'ny Tompo koa izy.
13 Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana tambonin'ny lampihazo teo amin'ny fidirana, ka ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany; nifaly ny vahoaka rehetra, nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika, ary nandredona hira fiderana ireo mpihira omban'ny zava-maneno isan-karazany. Fa i Hatalia kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: "Fikomiana! Fikomiana!"
14 I Joiada moa efa nandrara ny hamonoana ho faty an'i Hatalia ao an-tranon'ny TOMPO, ka dia nasainy nanatona ireo mpifehy andia-miaramila sady mpiandraikitra ny mpiambina ary nilazany hoe:-Avoahy any ivelany any i Hatalia ka ampandalovy eo anelanelan'ny laharanareo; ary izay manaraka azy, dia vonoy ho faty amin'ny sabatra.
15 Dia nosamborin'ireo i Hatalia ka notaritaritiny ho any an-dapan'ny mpanjaka; ary rehefa tafapaka ny fidirana teo amin'ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy, dia novonoina ho faty teo.