Genesỳ
Toko faha-32
27 Dia hoy izy hoe: -Avelao aho handeha fa efa mazava ratsy ny andro. Hoy kosa i Jakoba taminy: -Tsy havelako ianao, raha tsy tsofinao rano aho.28 Dia nanontany izy hoe: -Iza moa no anaranao? Ka hoy ny navaliny azy: -Jakoba.
29 Dia nanohy ny teniny izy hoe: -Tsy hantsoina hoe Jakoba intsony ianao fa hatao hoe Israely, satria efa nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona ianao ka nandresy.
30 Dia nanontany kosa i Jakoba hoe: -Mba lazao ahy, azafady, ny anaranao! Ary hoy izy hoe: -Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia notsofiny rano teo i Jakoba.
31 Ka hoy i Jakoba hoe: -Efa nahita an'Andriamanitra nifanatri-tava tamiko aho, nefa tsy maty fo aman'aina. Izany no niantsoany io toerana io hoe Peniela, na hoe Tavan'Andriamanitra.
32 Efa niposaka ny masoandro raha niala teo Peniela i Jakoba, ary nandringa izy noho ny feny.
33 Izany no tsy ihinanan'ny Israelita ny hozatra eo amin'ny foto-pe mandraka androany, satria voadona teo amin'io hozatra io i Jakoba.
Toko faha-33
1 Ary nitazana i Jakoba ka nahita an'i Hesao tamy miaraka amin'ny olona efajato lahy. Koa nozarainy tamin'i Lea sy i Rahely ary ny mpanompovavy roa ireo zaza.2 Nataony lohalalana ireo mpanompovavy sy ny zanany, dia nanaraka azy i Lea sy ireo zanany, ary taty afara i Rahely sy i Josefa.
3 I Jakoba kosa no nandeha teo alohan'izy rehetra. Niankohoka impito tamin'ny tany i Jakoba mandra-pahatongany teo amin'i Hesao rahalahiny.
4 Dia nihazakazaka nitsena azy i Hesao, ka namihina ny vozony sady nanoroka azy; ary niara-nitomany izy mirahalahy.
5 Ary nony nahita ireo zaza amam-behivavy i Hesao, dia nanontany hoe: -Ary iza ireto miaraka aminao ireto? Hoy kosa i Jakoba hoe: -Ireo no zaza nomen'Andriamanitra ahy mpanomponao noho ny fahasoavany.
6 Dia nanatona ireo mpanompovavy sy ny zanany ka niankohoka.
7 Nanatona ihany koa i Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany dia nanatona koa i Josefa sy i Rahely ka niankohoka.
8 Ary nanontany i Hesao hoe: -Inona moa no anton'ny nandefasanao ireny fanomezana rehetra izay nifanena tamiko ireny? Ka hoy i Jakoba hoe: -Mba handraisanao ahy tsara, tompokolahy.
9 Fa hoy i Hesao hoe: -Manambe aho, ry rahalahy; aoka ho anao ihany ny anao!
10 Dia novalian'i Jakoba hoe: -Aza manao izany re ianao, fa raha mba sitrakao ihany aho, dia raiso ny fanomezana natolotro anao. Fa raha nahita tava anao aho teo, dia hoatry ny nahita ny tavan'Andriamanitra, noho ianao tsara fandray ahy.
11 Koa miangavy aho, raiso ny fanomezana izay nampitondraiko ho anao satria efa nanisy soa ahy Andriamanitra ka manana ny ilaiko rehetra aho. Niangavy azy mafy i Jakoba, ka dia noraisiny ihany ny fanomezana.
12 Ary hoy i Hesao hoe: -Ahorony ny entana, dia andeha isika hanainga fa hiaraka aminao aho.
13 Namaly kosa i Jakoba hoe: -Fantatrao, tompokolahy, fa marefo ny zaza, ary ondry aman'omby ampianahany no miaraka amiko; koa raha hododosana indray andro monja ireo biby ireo, dia ho faty avokoa izy.
14 Koa mandehana mialoha, tompokolahy, fa izaho mpanomponao hanaraka miadana ny dian'ny biby fiompy sy ny zaza mandra-pahatonganay any aminao any Sehira.
15 Dia hoy i Hesao: -Havelako aminao ireo oloko sasany miaraka amiko. Fa hoy i Jakoba hoe: -Hatao inona moa izany? Fa ampy ahy rehefa nataonao tsara fandray aho, tompokolahy.
16 Koa dia niverina androtr'iny ihany i Hesao ho any Sehira.
17 Fa i Jakoba kosa nivily ho any Sokota, dia nanao trano ho azy sy tranotomboka ho an'ny andiam-biby fiompiny. Izany no niantsoana io toerana io hoe Sokota, izany hoe Tranotomboka.
18 Rehefa niverina avy tany Mezopotamia ambony i Jakoba, dia tonga soa aman-tsara tao an-tanana Sekema izay eo amin'ny tany Kanahana; dia nitoby teo akaikin'ny tanana izy.
19 Novidiny vola zato kesita tamin'ny taranak'i Hamora, mpanorina ny tanana Sekema, ny sombin-tany teo amin'ny saha izay nanorenany ny lainy.
20 Dia nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe Ela-Elohe-Israely ny anaran'ilay alitara.
Toko faha-34
1 Indray andro dia nivoaka ny tanana i Dina, zanakavavin'i Lea tamin'i Jakoba, mba hitsidika zazavavy tao amin'ny faritany.2 Nahita an'i Dina i Sekema zanakalahin'i Hamora izay hivita lehiben'ny faritany, ka naka azy an-keriny sy nandry taminy.
3 Nifikitra tamin'i Dina zanakavavin'i Jakoba izy fa tia azy, ka nanao teny nambabo ny fony.
4 Dia hoy izy tamin'i Hamora rainy: -Alaovy ho ahy iny zazavavy iny mba ho vadiko.
5 Ren'i Jakoba fa nolotoin'i Sekema i Dina zanany vavy, kanefa tany an-tsaha niandry ny biby fiompy ireo zanany lahy, koa tsy nanao na inona na inona izy ambara-pahatongan'ireo.
6 Niainga ho any amin'i Jakoba i Hamora rain'i Sekema mba hiresaka aminy.
7 Nony tonga avy tany an-tsaha ireo zanakalahin'i Jakoba ka nandre ny vaovao, dia nahatsiaro ny tenany ho afa-baraka sady nirehi-pahatezerana mafy, satria zava-pady ny nandrian'i Sekema an-keriny tamin'ny zanakavavin'i Jakoba; fa zavatra tsy fanao izany tao Israely.
8 I Hamora anefa dia nilaza tamin'izy ireo hoe: -Raiki-pitia amin-drazazavavy i Sekema zanako lahy. Koa mba omeo ho vadiny re izy!
9 Hifanaraka isika ka ny zanakareo vavy homenareo ho anay ary ny zanakay vavy kosa halainareo ho anareo.
10 Hiara-monina aminay ianareo, ka hanjary ho anareo ny faritany eo anoloanareo; koa mitoera sy mivarota, ary manana zaratany eto.
11 I Sekema mihitsy no tonga niteny tamin'ny rain'i Dina sy ny anadahiny hoe: -Mba amindrao fo aho fa homeko anareo izay takinareo amiko.
12 Na dia harena be sy zavatra betsaka aza no takinareo amiko, dia homeko ihany, raha omenareo ho vadiko razazavavy.
13 Dia namaly an'i Sekema sy i Hamora rainy tamin'ny hafetsena ireo zanakalahin'i Jakoba, satria nandoto an'i Dina anabaviny izy.
14 Ka hoy ireto taminy: -Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho vadin'ny lehilahy tsy voafora, fa manala baraka anay izany.
15 Izao anefa: ekenay ny hevitrareo, raha hoforana mitovy aminay ny lehilahy rehetra eo aminareo.
16 Amin'izay dia homenay ho vadinareo ny tovovavinay, ary ny anareo kosa halainay ho vadinay; dia hiara-monina isika, ary hanjary firenena iray ihany.
17 Fa raha tsy manaiky hoforana kosa ianareo, dia halainay ny anabavinay ary handeha izahay.
18 Sitrak'i Hamora sy i Sekema zanany lahy ny soso-kevitra.
19 Koa tsy nitaredretra akory ilay tovolahy nanatanteraka izany zavatra izany, satria raiki-pitia tamin'ny zanakavavin'i Jakoba izy; ary izy no to teny indrindra tao amin'ny fianakaviany.
20 Koa nankeo amin'ny toerana teo am-bavahadin'ny tanana i Hamora sy i Sekema, ary nikabary tamin'ireo olona tao an-tananany nanao hoe:
21 -Mampiseho fihavanana amintsika ireo olona ireo, koa avelao izy honina eto amin'ny faritany sady hivarotra; fa mivoha malalaka ho azy ireo ny tany eo anoloany. Amin'izay dia hahazo manambady ireo tovovaviny isika, ary ny antsika kosa ho vadiny.
22 Manaiky hiara-monina amintsika ireo olona ireo, raha tahiny ny lehilahy rehetra ato amintsika hoforana tahaka ny azy.
23 Raha manaiky ny teniny isika, dia hiara-mipetraka amintsika izy ireo, ka ho lasantsika miandalana koa ny biby fiompiny sy ny fananany ary ny biby rehetra mpitondra ny entany.