2 Tantara

Toko faha-9

8 Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao, fa sitrany napetraka eo amin'ny seza fiandrianany ianao mba ho mpanjaka hanompo Azy TOMPO Andriamanitrao; fa ny fitiavan'Andriamanitrao an'i Israely ka hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.

9 Dia nomen'ilay mpanjakavavy volamena telo taonina sy sasany ary koa zava-manitra sesehena ary vatosoa ny mpanjaka;tsy nisy na oviana na oviana zava-manitra tahaka izay nomen'ny mpanjakavavin'i Saba ho an'i Salomona.

10 Ankoatra izany, ny tantsambon'i Hirama sy ny tantsambon'i Salomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra koa hazo sarobidy sy vatosoa.

11 Ny hazo sarobidy dia nanaovan'i Salomona gorodona ho an'ny tranon'ny TOMPO sy ny lapan'andriamanjaka ary koa nanamboarany lokanga sy valiha ho an'ny mpihira; ka tsy mbola nisy hita toy izany taloha teo amin'ny tamin'i Joda.

12 Tetsy andanin'izany kosa dia nomen'i Salomona mpanjaka ho an'ny mpanjakavavin'i Saba avokoa izay rehetra niriny ka nangatahiny; ary nihoatra lavitra noho izay nentiny ho an'ny mpanjaka izany. Avy eo ilay mpanjakavavy sy ireo mpanompony dia niverina nody tany amin'ny taniny.

13 Ny lanjam-bolamena tonga tao amin'i Salomona, tanatin'ny taona iray monja, dia nahatratra roapolo taonina,

14 ankoatra ny haba nalainy tamin'ny mpandranto sy ny mpivarotra, ary koa ny volamena sy volafotsy nentin'ny mpanjakan'i Arabia rehetra mbamin'ireo governoran'ny tany ho an'i Salomona.

15 Nampamboatra ampingabe roanjato tamina metaly miharo volamena i Salomona mpanjaka; ka lanjam-bolamena enina kilao avy no nilaina isan'ampinga.

16 Dia nampamboatra ampinga kely telonjato tamina metaly miharo volamena koa izy; ka lanjam-bolamena telo kilao avy no nilaina isan'ampinga. Ary napetraky ny mpanjaka tao amin'ilay trano antsoina hoe"Alan'i Libano " ireo.

17 Dia nampamboatra sezafiandrianana lehibe koa izy, dia sezafiandrianana izay voaravaka ivoara sady nopetahana takela-bolamena madio.

18 Nisy tohatohatra enina ho amin'io sezafiandrianana io ary koa fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra taminy; ary nasiana fitehenan-tanana teo andaniny roa amin'ny fipetrahana. Nisy sarin-diona iray avy teo ankilan'ny fitehenan-tanana;

19 ary sarin-diona enina avy no teo an-daniny roa amin'ny tohatohatra enina. Tsy nisy natao tahaka izany mihitsy tany amin'ny fanjakana hafa rehetra.

20 Volamena avokoa ny tsatokaty fisotroan'i Salomona mpanjaka; ary volamena tsara avokoa ny kojakoja rehetra tao amin'ilay trano antsoina hoe "Alan'i Libano."Tsy nisy vita volafotsy ireo, satria noheverina ho tsy dia sarobidy loatra izany tamin'ny andron'i Salomona.

21 Fa ny mpanjaka manko dia nanana sambo vaventy izay notarihin'ireo tantsambon'i Hirama;ary indray mandeha isan-telo volana ireo sambo vaventy ireo no tonga mitondra volamena sy volafotsy amana ivoara ary koa rajako sy vorombola.

22 I Salomona mpanjaka dia nihoatra noho ny mpanjaka hafa rehetra tambonin'ny tany tamin'ny harena sy ny fahendrena.

23 Nitady hahita azy avokoa ireo mba hihaino ny fahendrena izay nataon'Andriamanitra tao am-pony.

24 Ka isan-taona dia samy tonga nitondra fanomezana avy izy rehetra: dia kojakoja volafotsy sy volamena ary koa fitafiana sy fiadiana mbamin'ny zava-manitra sy soavaly na ramole.

25 Nanana efitrano efatra arivo i Salomona mba ho fitoeran-tsoavaly aman-kalesy; nisy 12000 ireo soavaly fitaingina , ka nisy natobiny tany amin'ireo tanana fitoeran-kalesy ary nisy notanany teo akaikiny tao Jerosalema.

26 Teo ambany fifehezan'i Salomona avokoa ny mpanjaka rehetra, hatrany amin'ny ony Eofrata ka hatraty amin'ny tanin'ny Filistinina sy ny sisin-tanin'i Ejipta.

27 Nataon'ny mpanjaka toy ny vato ny habetsaky ny volafotsy tao Jerosalema , ary nataony toy ny aviavy any amin'ny lemak'i Sefela ny hamaroan'ny hazo sedera.

28 Ny soavalin'i Salomona kosa dia avy any Ejipta na avy any amin'ny tany hafa.

29 Ny sisa amin'ny tantaran'i Salomona, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin'ireo boky miloha teny hoe Asan'i Natana mpaminany sy Faminanian'i Ahia avy any Silao ary Fahitan'i Hidao. -Ity boky farany ity dia mitantara ny amin'i Jerobohama, zanakalahin'i Nebata-.

30 I Salomona dia nanjaka efapolo taona tao Jerosalema tamin'i Israely manontolo.

31 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany izy, dia nalevina teo anilan-drainy, tao an-Tananan'i Davida; ary i Rehabohama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

Toko faha-10

1 Nankany Sekema i Rehabohama, satria tao no efa nahatongavan'ny Israelita tavaratra rehetra hampanjaka azy.

2 Tamin'izay i Jerobohama, zanakalahin'i Nebata, dia tany Ejipta, noho izy nandositra lavitra an'i Salomona mpanjaka. Koa rehefa ren'i Jerobohama fa hisy izany fivoriana izany, dia niverina avy tany Ejipta izy.

3 Nisy olona nirahina haka azy ary tonga izy mbamin'ny Israelita tavaratra rehetra, ka niteny tamin-dRehabohama hoe:

4 -Irainao dia nampitondra zioga mavesatra anay. Fa ankehitriny kosa, raha mba hamaivaninao ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra nampiantsorohany anay, dia hanompo anao izahay.

5 Dia hoy ny navalin'i Rehabohama:-Rehefa afaka telo andro, dia miverena aty amiko indray ianareo. Dia lasa nody ny olona.

6 I Rehabohamampanjaka kosa naka hevitra tamin'ny loholona izay mpandraharahan'i Salomona rainy fony fahavelony, ka nanontany azy hoe:-Ahoana no hevitra omenareo havaliko an'ireo vahoaka ireo?

7 Dia hoy ny loholona tamin'i Rehabohama:-Raha ho tsara fo amin'ireo vahoaka ireo ianao, ka halemy paika aminy sy hanao teny mamy aminy, dia ho mpanomponao hatrany izy.

8 Kanjo tsy noraharahain'i Rehabohama ny torohevitra nomen'ny loholona azy; fa ny tovolahy izay nitovitovy taona aminy sady efa mpandraharahany no nakany hevitra,

9 ka nanontaniany hoe:-Inona kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niangavy ahy hanamaivana ny zioga nampiantsorohan-draiko azy?

10 Dia hoy ireto tovolahy ireto tamin'i Rehabohama:-Niangavian'ireo vahoaka ireo ianao hanamaivana ny zioga mavesatra nampiantsorohan-drainao azy. Koa izao no lazao aminy: "Ny ankikeliko dia lehibe noho ny sandrin-draiko.

11 Raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa vao mainka hanampy trotraka izany; ka rava sy tsotra no namaizan-draiko anareo, fa karavasy misy faraingo kosa no hamaizako anareo."

12 Tamin'ny andro fahatelo dia nankany amin-dRehabohama i Jerobohama sy ny vahoaka israelita tavaratra, araka ny tenin'ny mpanjaka hoe: "Miverena aty amiko ianareo amin'ny andro fahatelo".

13 Teny mahery no navalin'ny mpanjaka ireo vahoaka fa tsy noraharahainy akory ny torohevitry ny loholona;

14 ary araka ny torohevitr'ireo tovolahy no nitenenany taminy hoe:-Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko , fa izaho kosa vao mainka hanampy trotraka an'izany; karavasy tsotra no namaizan-draiko anareo, fa karavasy misy faraingo kosa no hamaizako anareo.

15 Koa tsy nankato ny fitakian'ny vahoaka ny mpanjaka; fa ny TOMPO no nahatonga izany zavatra izany hahatanteraka ny fampanantenana izay nampilazainy an'i Ahia avy any Silao tamin'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata.

16 Rehefa tsapan'ny Israelita tavaratra rehetra fa tsy nankatoavin'ny mpanjaka ny fitakiany, dia hoy ny navalin'ireo hoe:-Tsy manana anjara inona amin'i Davida isika na manana anjara lova amin'ny taranak'i Jisay. Samia mody any an-tranony avy isika, ry Israelita tavaratra! Ianao kosa, ry zafikelin'i Davida, karakarao ny fanjakanao.Dia samy nody ho any an-tranony avy ny Israelita tavaratra rehetra.

17 Ny Israelita nonina tany an-tananan'i Joda ihany no nanjakan'i Rehabohama.

18 Ary naniraka an'i Adorama mpiandraikitra ny asa an-terivozona i Rehabohama mpanjaka; nefa nitora-bato an'i Adorama ny Israelita tavaratra ka nahafaty azy. Zara raha afa-nitaingina ny kalesiny haingana i Rehabohama mba handositra any Jerosalema.

19 Toy izany no nikomian'i Israely avaratra tamin'ny taranak'i Davida mandraka androany.

Toko faha-11

1 Vao tonga tany Jerosalema i Rehabohama, dia namory miaramila voafantina miisa vondrona 180 tamin'ny fokon'iJoda sy i Benjamina mba hiady amin'i Israely avaratra ka hamerina indray io fanjakana io ho an'ny tenany.

2 Kanjo nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Semahia olon'Andriamanitra, dia teny nanao hoe:

3 -Ambarao amin'i Rehabohama, zanakalahin'i Salomona sady mpanjakan'i Joda, ary koa amin'ny Israelita rehetra ao anatin'ny faritr'i Joda sy i Benjamina,

4 fa izao no lazain'ny TOMPO: "Aza mandeha hiady amin'ny mpiray firenena aminareo; samia mody any an-tranony avy ianareo, satria Izaho no nahatonga izao zavatra izao."Dia nankatoavin'ny olona izany tenin'ny TOMPO izany, ka samy lasa nody izy fa tsy nandeha hamely an'i Jerobohama.

5 Nitoetra tao Jerosalema i Rehabohama ary nanamboatra tanana mimanda tany Joda,

6 dia ireto avy: i Betlehema sy i Hetama ary iTekoa,

7 i Bety-Tsoro sy i Sokao ary i Hadolama,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9463