Genesỳ

Toko faha-31

31 Namaly an'i Labana kosa i Jakoba hoe: -Natahotra aho, dia niteny anakampo hoe: Sao alainy an-keriny amiko ireo zanany vavy!

32 Fa raha misy ahatraranao ireo sampinao kosa ny oloko, dia aza velomina. Eto anatrehan'ireo havantsika, dia savao avokoa izay eto amiko, dia ento ny anao. Fa i Jakoba dia tsy nahalala velively hoe i Rahely no nangalatra ny sampy.

33 Nidiran'i Labana ny lain'i Jakoba sy ny an'i Lea ary ny an'ireo mpanompovavy roa fa tsy nahita izy. Ary nivoaka avy tao amin'ny lain'i Lea izy, dia niditra tao amin'ny lain'i Rahely.

34 I Rahely anefa no naka ireo sampy ka nametraka azy tao ambanin'ny laselin'ny rameva dia nipetraka teo amboniny. Ka rehefa nisava ny lay manontolo i Labana, dia tsy nahita na inona na inona.

35 Dia hoy i Rahely tamin'ny rainy: -Azafady eo imasonao, tompoko, fa tsy afa-mitsangana eo anatrehanao aho fa tonga fotoana. Dia nikaroka i Labana fa tsy nahita ireo sampy.

36 Tezitra i Jakoba ka nifamaly tamin'i Labana nanao hoe: -Inona no fahadisoako, ary inona no heloko no dia nilomay nanenjika ahy ianao?

37 Nosavanao ny entako rehetra, ka inona no hitanao? Asehoy eo imason'ny havanao sy ireo havako izany hitsarany antsika.

38 Roapolo taona izao no efa niarahako taminao, nefa ny ondrivavinao aman'osivavinao tsy mba namotsotra; sady tsy mbola nihinana ondrilahy tamin'ny andian'ondrinao na oviana na oviana aho.

39 Tsy mbola nitondra ireo fatim-biby voaviraviran'ny bibidia tany aminao mihitsy aho, fa izaho no nanolo azy; teo am-pelatanako no nitadiavanao izay nangalarin'olona na tamin'ny andro na tamin'ny alina.

40 Niaritra ny hafanana amin'ny antoandro aho, ary jihitry ny hatsiaka amin'ny alina ka tsy nopizin-tory akory.

41 Efa roapolo taona izao no nanompoako anao: efatra ambin'ny folo taona no niasako mba hanambadiako ny zanakao roa vavy, ary enin-taona mba hahazoako ondry aman'osy, saingy efa impolo kely ianao no nanova ny karamako.

42 Raha tsy nomba ahy ny Andriamanitr'i Abrahama raibeko, ilay Andriamanitra nampihorohoro an'i Itsehaka, dia ho nalefanao nitondra tanam-polo aho ankehitriny. Fa nahita ny fijaliako sy ny hasasarako Andriamanitra ka nananatra anao halina.

43 Dia namaly an'i Jakoba i Labana hoe: -Ireo zazavavy ireo dia zanako, ny zanak'ireo dia taranako, ny andian'ondry aman'osy dia ondry aman'osiko, ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa. Manomboka anio dia tsy misy na inona na inona azoko atao intsony ho an'ireto zanako vavy ireto na ho an'ireo zanakalahy izay naterany?

44 Koa andeha ankehitriny hanao fifanekena izaho sy ianao, ary aoka hisy vavolombelon'izany eo amintsika.

45 Dia naka vato anankiray i Jakoba ka nanangana azy ho tsangambato.

46 Avy eo nasain'i Jakoba nanangona vato iretsy havany an-daniny, dia naka vato ireo ka nanao antontany; ary nihinana teo ambonin'io antontam-bato io ny besinimaro.

47 Nantsoin'i Labana hoe Jegara-Sahadota io toerana io, fa i Jakoba kosa nanao azy hoe Galeheda.

48 Ary izao no nambaran'i Labana: -Ity antontam-bato ity dia vavolombelona eo amiko sy aminao androany. Izany no niantsoana azy ho Galeheda, izany hoe antontam-bato vavolombelona.

49 Nantsoina koa hoe Mitsepa, na toerana fanaraha-maso, satria i Labana efa nilaza hoe: -Aoka ny TOMPO hanara-maso ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika!

50 Raha mampijaly ny zanako vavy ianao, na maka vehivavy hafa ho vadinao, dia tandremo fa tsy olona no vavolombelontsika fa Andriamanitra mihitsy.

51 Avy teo dia hoy koa i Labana tamin'i Jakoba: -Jereo ity antontam-bato izay naoriko teo, jereo io tsangambato io.

52 Ity antontam-bato ity sy io tsangambato io no vavolombelona amintsika, ka izaho mianiana tsy hihoatra hankany aminao hanisy ratsy anao ary ianao mianiana tsy hihoatra hankaty amiko hanisy ratsy ahy.

53 Aoka Andriamanitr'i Abrahama sady Andriamanitr'i Nahora no ho mpitsara antsika! Dia ilay Andriamanitra Izay nampihorohoro an'i Itsehaka rainy no nianianan'i Jakoba.

54 Ary nanolotra sorona teo an-tendrombohitra i Jakoba ka nanasa ireto havany hiara-misakafo aminy. Ary rehefa avy nisakafo ny besinimaro, dia nandry teo an-tendrombohitra tamin'ny alina.

Toko faha-32

1 Nifoha maraina koa i Labana ny ampitso, dia nanoroka ireo zanany vavy sy ireo zafikeliny, ka nanao veloma azy ary niverina nody.

2 Nanohy ny diany i Jakoba, ary nisy anjelin'Andriamanitra nifanena taminy.

3 Rehefa nahita ireo i Jakoba, dia niteny hoe: -Tobin'Andriamanitra ity! Dia nantsoiny hoe Mahanaima izany toerana izany.

4 Ary i Jakoba nandefa iraka hialoha azy ho any amin'i Hesao rahalahiny, any ambanivohitr'i Edoma, any amin'ny tany Sehira.

5 Nanafatra an'ireo iraka izy hoe: -Izao no holazainareo amin'i Hesao: I Jakoba mpanomponao, tompokolahy, dia nanafatra anay hilaza hoe: Nivahiny tany amin'i Labana aho ary nijanona tany hatramin'izao.

6 Manana omby sy boriky sy ondry aman'osy aho ary koa mpanompo lahy sy vavy maro. Nandefa ireto irako ireto aho hampilaza aminao tompokolahy mba handraisanao ahy tsara.

7 Niverina tany amin'i Jakoba ireo iraka ka nilaza hoe: -Tonga tany amin'i Hesao rahalahinao izahay; ary ny tenany mihitsy no tamy hitsena anao miaraka amin'ny olona efajato lahy.

8 Dia raiki-tahotra mafy i Jakoba ka nangitakitaka; ary nozarainy ho antoko roa ny olona niaraka taminy sy ireo ondry aman'osy ary omby sy rameva,

9 fa hoy izy anakampony: Raha tonga hamely ny antoko iray i Hesao, dia afa-mandositra kosa ny antoko hafa.

10 Ary nivavaka i Jakoba nanao hoe: -Ry Andriamanitr'i Abrahama raibeko sy Andriamanitr'i Itsehaka raiko o, Ianao Ilay TOMPO efa nilaza tamiko hoe: Miverena any amin'ny taninao sy ny fianakavianao, dia hanisy soa anao Aho.

11 Tsy mendrika an'ireo mari-pitiavana sy zavatra azo antoka rehetra izay nataonao tamiko mpanomponao akory aho, satria tsy nanana afa-tsy tehina ny tenako raha niampita an'ity Jordana ity, ary ankehitriny kosa efa tonga antokony roa.

12 Mba afaho amin'ny tanan'i Hesao rahalahiko aho, satria matahotra azy, fandrao tonga izy ka hamono ahy sy ny zaza amam-behivavy ho faty.

13 Ianao manko efa nampanantena ahy hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hahatonga ny taranakao ho marobe tsy hita isa tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina.

14 Dia nandry teo i Jakoba tamin'iny alina iny. Ary naka avy tamin'izay teo an-tanany izy mba hatao fanomezana ho an'i Hesao rahalahiny,

15 dia osivavy roanjato sy osilahy roapolo, ondrivavy roanjato sy ondrilahy roapolo,

16 rameva telopolo ampianahany ombivavy efapolo sy ombilahy folo, borikivavy roapolo ary borikilahy folo.

17 Dia natolony hiandraiketan'ireo mpanompony ireny, ka nozarainy ho andiany vitsivitsy; dia hoy izy tamin'ireo mpanompony: Mandehana any alohako ka asio elanelany hatrany isaky ny andiany.

18 Nanome baiko ny mpanompo voalohany i Jakoba nanao hoe: -Rehefa mifanena aminao i Hesao rahalahiko, ka manontany anao hoe: An'iza moa ianao? Ho aiza ianao ary an'iza ireo biby fiompy mandeha eo alohanao?

19 dia hovalianao hoe: An'i Jakoba mpanomponao ireo, ary fanomezana izay nalefany ho anao, tompokolahy; fa izy kosa manaraka ao aorianay ao.

20 Nomeny baiko toy ny teo ihany koa ny faharoa sy ny fahatelo ary izay rehetra nanaraka ny andiam-biby hoe: -Izany teny izany no holazainareo amin'i Hesao, rehefa mifanena aminareo izy;

21 sady hampianareo hoe: Indro i Jakoba mpanomponao manaraka ao aorianay ao. I Jakoba manko dia niteny anakampo hoe: Hampitoneko amin'ireo fanomezana alefako mialoha ahy ireo izy, ka aorian'izay vao hiseho eo anatrehany aho; antenaiko fa ho tsara fandray ahy izy.

22 Dia nalefan'i Jakoba nialoha azy ny andiam-biby fa ny tenany kosa mbola nijanona tao an-toby tamin'iny alina iny.

23 Tamin'iny alina iny ihany no niainga i Jakoba, ka naka ny vadiny roa sy ny mpanompovaviny roa ary ny zanany iraika ambin'ny folo, dia lasa nita teo amin'ny fitana an'i Jaboka.

24 Nalainy ary nampitainy teo avokoa izay rehetra azy.

25 I Jakoba irery no sisa nijanona ary nisy lehilahy nifampitolona taminy mandra-pahazava ratsy ny andro.

26 Ary rehefa hitany fa tsy naharesy an'i Jakoba izy, dia nodoniny ny foto-pen'i Jakoba ka nipitsoka, raha izy mbola nifampitolona iny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9735