Genesỳ

Toko faha-30

23 Dia bevohoka i Rahely ary tera-dahy ka loa-bolana hoe: -Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra.

24 Dia nataony hoe Josefa ny anarany, sady niteny izy hoe: -Enga anie ka mbola hanampy zanakalahy iray hafa ho ahy ny TOMPO!

25 Rehefa avy niteraka an'i Josefa i Rahely, dia hoy i Jakoba tamin'i Labana: -Alefaso hiverina any an-tanindrazako aho.

26 Avelao hoentiko ireo vady aman-janako, izay antony nanompoako anao. Aoka aho handeha, satria efa fantatrao avokoa ireo asa efa nataoko ho anao!

27 Namaly azy i Labana hoe: -Miangavy aho raha mba mahita famindrampo aminao ihany. Fantatro fa noho ny aminao no nitahian'ny TOMPO ahy.

28 Koa lazao izay ho karamanao fa homeko!

29 Dia hoy i Jakoba taminy: -Ny tenanao mihitsy no nahalala ny nanompoako anao sy izay nanjarian'ny biby fiompinao noho ny amiko.

30 Ny fanananao izay kely talohan'ny niaviako dia nitombo be dia be teo ambany fitantanako, fa notahin'ny TOMPO ianao. Ary ankehitriny, tsy mba tokony hiasa ho an'ny ankohonako amin'izay ve aho?

31 Fa hoy indray i Labana hoe: -Inona no karama haloako aminao? Ka novalian'i Jakoba hoe: -Tsy misy haloanao amiko akory. Fa raha manaiky izao soso-kevitra izao ianao, dia hiverina hiandry sy hitandrina ny ondry aman'osinao aho.

32 Hisafo any amin'ny ondry aman'osinao rehetra aho anio, ka hanavaka ny ondry maramara sy sada na hoe vandambandana rehetra ary ny osy maramara sy sada rehetra: ireo no ho karamako.

33 Amin'ny andro ho avy, mba hizahanao ny fahamarinako, dia tongava hijery ny karamako, ka izay rehetra tsy misy sada na maramara ao amin'ny osy ary vandambandana ao amin'ny ondry dia biby nangalarina.

34 Ary hoy i Labana hoe: -Eny, ekeko ny soso-kevitra.

35 Ny androtr'iny ihany anefa dia efa navahan'i Labana ka natolony ho eo am-pelatanan'ny zanany ireo osilahy sadika sy sada sy ireo osivavy rehetra maramara sy sada ary ireo ondry vandambandana rehetra;

36 ary nasiany lalana tokony ho telo andro ny teo anelanelanan'ny zanany lahy sy i Jakoba. I Jakoba kosa dia niandry ny andiany sisa tamin'ny ondry aman'osin'i Labana.

37 Koa nalainy ny tsora-kazo maromaro tamin'ny hazo beravina sy ny hazo amandy ary ny hazo platana ka nataony vaofy vandana hisehoan'ny fotsy teo amin'ny tsora-kazo.

38 Napetrany tao amin'ny tavy fisotroan-drano ireny, teo anoloan'ireo biby izay maimay hikambana rehefa tonga hisotro rano.

39 Dia nikambana teo anoloan'ireo tsora-kazo ireo ny ondry aman'osy ka niteraka sadika sy maramara ary sada.

40 Ary ireo ondry efa navahan'i Jakoba dia natodiny hijery ny sadika sy maramara rehetra teo amin'ny biby fiompin'i Labana. Natokan'i Jakoba ny ondry aman'osy ho an'ny tenany fa tsy navelany hifangaro tamin'ny an'i Labana.

41 Koa isaky ny hikambana ireo biby matanjaka, dia napetrak'i Jakoba tao amin'ny tavy fisotroan-drano ireny tsora-kazo ireny mba hikambanany eo anoloan'ny tsora-kazo.

42 Fa raha farofy kosa ireo biby, dia tsy mba napetrany teo ireny tsora-kazo ireny; ka dia ireo biby farofy no an'i Labana fa ireo matanjaka kosa no an'i Jakoba.

43 Ary nitombo harena fatratra i Jakoba ka nanana andian'ondry aman'osy be sy mpanompo vavy sy lahy maro ary rameva sy boriky betsaka.

Toko faha-31

1 Kanefa ren'i Jakoba fa ny zanakalahin'i Labana efa nilaza hoe: Lasan'i Jakoba avokoa ny fananan-draintsika, ary avy tamin'izany fananan-draintsika izany no nananany izao harena rehetra izao.

2 Hitan'i Jakoba nisoritra teny amin'ny tarehin'i Labana fa tsy toy ny teo aloha intsony ny fiarahany aminy.

3 Koa hoy ny TOMPO tamin'i Jakoba: -Miverena any amin'ny tanin'ny razanao sy any amin'ny fianakavianao, fa homba anao Aho!

4 Ary i Jakoba nampiantso an'i Rahely sy i Lea ho any aminy tany an-tsaha izay nisy ny andian'ondry aman'osiny,

5 ka nilaza tamin'izy mirahavavy hoe: -Hitako nisoritra teny amin'ny endriky ny rainareo fa tsy tahaka ny teo aloha intsony ny fifandraisany amiko, kanefa ilay Andriamanitry ny raiko efa nanambina ahy.

6 Fantatrareo fa tamin'ny heriko rehetra no nanompoako an-drainareo,

7 kanefa namitaka ahy izy fa efa nanova ny karamako impolo. Saingy tsy navelan'Andriamanitra hanisy ratsy ahy izy.

8 Raha nilaza izy hoe: Ny biby maramara rehetra no ho karamanao, dia niteraka maramara avokoa ny ondry aman'osy vavy rehetra. Ary raha hoy indray izy hoe: Ny sadika no karamanao, dia niteraka sadika avokoa ny ondry aman'osy vavy rehetra.

9 Andriamanitra mihitsy no nanaisotra ny fananan-drainareo mba homeny ahy.

10 Tamin'ny fotoana nikambanan'ny biby dia hitako tamin'ny nofy fa ny lahy sadika sy maramara ary sada no nikambana tamin'ny vavy.

11 Ka nantsoin'ny anjelin'Andriamanitra tamin'ny nofy aho nataony hoe: Ry Jakoba o!, dia namaly aho hoe: Inty aho.

12 Ka hoy izy tamiko: Jereo fa ny lahy rehetra izay mikambana amin'ny ondrivavy na osivavy, dia sadika sy maramara ary sada avokoa, satria efa hitako izay rehetra nataon'i Labana taminao.

13 Izaho no Andriamanitra Izay niseho taminao tao Betela, ka nanosoranao tsangambato sy nivoadianao. Miainga ankehitriny, ilaozy ity tany ity ka miverena any amin'ny tany misy ny fianakavianao.

14 Dia namaly an'i Jakoba i Lea sy i Rahely ka nanao hoe: -Inona intsony moa no anjaranay sy lovanay ato an-tranon'i dada?

15 Moa tsy efa noheveriny ho toy ny vahiny ve izahay ka namidiny? Ary tsy efa nohaniny koa ve ny volanay?

16 Noho izany, ny harena efa nesorin'Andriamanitra tamin'ny rainay dia ho anay sy ny zanakay. Koa ankehitriny, tanteraho izay rehetra nolazain'Andriamanitra taminao.

17 Ary niainga i Jakoba ka natainginy teny ambony rameva ireo vady aman-janany;

18 nentiny ny biby fiompiny rehetra sy ny fananany rehetra izay nohariny tany Mezopotamia ambony, dia nizotra hankany amin'i Itsehaka rainy, any amin'ny tany Kanahana izy.

19 I Labana tamin'izay dia lasa nanety ny ondry aman'osiny; ka nangalarin'i Rahely ny sampin-drainy.

20 Namitaka an'i Labana aramianina i Jakoba fa nandositra tsy niteniteny.

21 Nandositra niaraka tamin'ny fananany rehetra izy, ka niampita faingana ny ony Eofrata ary nizotra hankany an-tendrombohitr'i Gilehada. 22 Nony afaka telo andro, dia nisy nitantara tamin'i Labana fa nandositra i Jakoba.

23 Nentin'i Labana niaraka taminy ny havany, dia nanenjika an'i Jakoba tokony ho lalana fito andro izy, ka nahatratra azy teo an-tendrombohitr'i Gilehada.

24 Tonga tany amin'i Labana aramianina tamin'ny nofy anefa Andriamanitra nony alina ka nilaza taminy hoe: -Mampitandrina anao Aho mba tsy hanao na inona na inona amin'i Jakoba!

25 Dia nahatratra an'i Jakoba i Labana, fony i Jakoba efa nanorina ny lainy teo an-tendrombohitr'i Gilehada; ary i Labana sy ny havany koa nanorina ny lainy teo

26 ka nilaza tamin'i Jakoba hoe: -Inona izao nataonao izao? Nahoana no namitaka ahy ianao, ka nentinao mandositra toy ny babo an'ady ireo zanako vavy?

27 Nahoana no nandositra an-tsokosoko ianao ka namitaka ahy? Raha nampandre ahy anefa ianao, dia ho nateriko nomban'ny hiram-pifaliana sy ny ampongatapaka ary ny lokanga.

28 Kanefa tsy navelanao hanoroka ny zanako aman-jafiko akory aho, koa dia efa nanao hadalana ianao.

29 Afaka manisy ratsy anao aho, kanefa Ilay Andriamanitry ny rainao dia nilaza tamiko halina hoe: Mampitandrina anao Aho mba tsy hanao na inona na inona amin'i Jakoba.

30 Ary ankehitriny mandeha mody tokoa ianao satria manina ny akanin-drainao, kanefa nahoana no nangalarinao ireo sampiko?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9254