2 Mpanjaka
Toko faha-10
8 Dia nisy iraka tonga nanambara taminy ny nitondrana ireo lohan'ny taranaky ny mpanjaka ireo. Ary hoy i Jeho: Ataovy toko roa mifanongoa eo anoloan'ny vavahadin'ny tanana mandra-paharain'ny andro ireo.9 Nony maraina, dia nivoaka ny tanana i Jeho ka niato nijaridina izy no niteny tamin'ny vahoaka rehetra teo hoe: Tsy manan-tsiny ianareo! Fa izaho no tompon'andraikitra nioko tamin'i Jorama mpanjaka sady nahafaty azy. Fa mba iza kosa no nahafaty an'ireto rehetra ireto?
10 Aoka ho fantatrareo ary fa tsy hisy raraka an-tany ny teny izay nolazain'ny TOMPO ny amin'ny taranak'i Ahaba! Fa ny TOMPO efa nanatanteraka izay nampilazainy an'i Elia mpanompony.
11 Dia nataon'i Jeho maty tao Jizrehela avokoa izay sisa rehetra tamin'ny taranak'i Ahaba mbamin'ireo olom-baventy rehetra mpomba azy ary ny havany sy ny mpisorony; ka tsy nasiany niangana na dia iray aza.
12 Avy teo dia lasa nankany Samaria i Jeho; ary nony tonga tany Bety-Hekeda toeram-pihaonan'ny mpiandry ondry izy,
13 dia nifanena tamin'ireo rahalahin'i Ahazia mpanjakan'i Joda, ka nanontany azy hoe: Fa iza ange ianareo? Ary hoy ny navaliny: Rahalahin'i Ahazia izahay, ka tonga mba hamangy ireo zanakalahin'i Jezebela mpanjakavavy sy ny hafa rehetra taranaky ny mpanjaka.
14 Ary hoy i Jeho: Ataovy sambo-belona ireo. Dia nataon'ny naman'i Jeho sambo-belona izy 42 lahy ka novonoiny ho faty teo akaikin'ny lava-pantsakan'i Bety-Hekeda ary tsy nasiany niangana na dia iray aza.
15 Rehefa niala teo i Jeho, dia nahita an'i Jonadaba zanakalahin'i Rekaba izay tamy nanatona azy. Ary noarahabain'i Jeho izy ka nitenenany hoe: Mba mahitsy fo amiko tahaka ny tenako aminao koa ve ianao? Ary hoy ny navalin'i Jonadaba: Eny. Dia hoy i Jeho: Raha izany ary, dia aoka isika hifandray tanana. Dia nifandray tanana izy roa lahy. Ary nampiakarin'i Jeho teo amin'ny kalesiny i Jonadaba
16 sady nilazany hoe: Andeha hiaraka amiko fa hahita ny hafanampoko amin'ny fanompoana ny TOMPO ianao. Dia nentiny tamin'ny kalesiny izy.
17 Rehefa tonga tany Samaria i Jeho, dia nataony maty avokoa izay tamingan'i Ahaba sisa rehetra tao an-tanana mandra-paharingany, araka ny teny nambaran'ny TOMPO tamin'i Elia.
18 Ary novorin'i Jeho ny mponina rehetra tao Samaria ka nilazany hoe: Mba nanompo an'i Bahala kelikely ihany i Ahaba, fa izaho Jeho no hanompo azy fatratra.
19 Koa ankehitriny, vorio eto amiko avokoa ny mpaminanin'i Bahala sy ny mpivavaka aminy ary ny mpisorony; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray aza, fa hanao fety lehibe hanaovan-tsorona amin'i Bahala aho. Koa izay rehetra tsy tonga dia hatao maty. Kanjo hafetsena no nanaovan'i Jeho izany mba handringanana ireo mpivavaka amin'i Bahala.
20 Ary hoy i Jeho: Aoka hisy fivoriana manokana hankalazana an'i Bahala! Dia natao ny fiantsoana.
21 Ary nandefa iraka tamin'i Israely manontolo i Jeho, ka tonga avokoa ny mpivavaka amin'i Bahala fa tsy nisy tsy tonga na dia iray aza. Ary niditra tao an-tempolin'i Bahala ireo, ka feno hika ny trano.
22 Dia hoy i Jeho tamin'ny mpitahiry ny fanamiana: Amoahy fanamiana avokoa ireo mpivavaka amin'i Bahala. Dia namoaka fanamiana ho azy izy.
23 Rehefa izany dia nankao an-tempolin'i Bahala i Jeho sy i Jonadaba zanakalahin'i Rekaba; ka i Jeho no niteny tamin'ireo mpivavaka amin'i Bahala hoe: Hamarino tsara mba tsy hisy mpivavaka amin'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely aminareo ireo, fa mpivavaka amin'i Bahala ihany.
24 Teo ivelan'ny tempolin'i Bahala dia nametrahan'i Jeho miaramila valopolo lahy izay nilazany hoe: Hatao eo an-tananareo ireo olona ireo; koa raha misy aminareo mamela handositra ny anankiray amin'ireo, dia izy no hatao maty hisolo ilay nandositra. Dia nandroso hanolotra ny sorom-pihavanana sy sorona dorana manontolo i Jeho sy i Jonadaba.
25 Rehefa vita izany, dia hoy i Jeho tamin'ny miaramila sy mpifehy azy: Midira ka vonoy ho faty tsy hisy miangana ireo na dia iray aza! Dia nasian'ny miaramila tamin'ny lelan-tsabatra ireo, ka nariany tany ivelan'ny tanana ny fatiny. Avy eo ireto miaramila dia niverina tao amin'ny faritra nisy ny tempolin'i Bahala.
26 Dia navoakany avokoa ny andry hazo tao amin'io tempoly io ka nodorany,
27 ary nomontsaniny ny tsangambaton'i Bahala; noravany koa ilay tempoly ary lasa toerana nanaovana trano fivoahana izay mbola fampiasa mandraka ankehitriny.
28 Toy izany no namongoran'i Jeho tsy ho eo amin'i Israely intsony ny fivavahana amin'i Bahala.
29 Saingy tsy nialan'i Jeho ny fahotana izay nitarihan'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata ireo Israelita, dia ny fivavahana amin'ny ombilahikely volamena tao Betela sy tao Dana.
30 Koa hoy ny TOMPO tamin'i Jeho: Satria tsara ny nanaovanao izay mahitsy teo imasoko sy ny nampiharanao tamin'ny taranak'i Ahaba ny famaizana noeritreretiko, dia hitoetra eo amin'ny sezafiandrianan'i Israely hatramin'ny taranaka fahefatra ny taranakao.
31 Tsy notandreman'i Jeho akory anefa ny handeha araka ny lalanan'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely amin'ny fony manontolo, fa tsy nialany akory ny fahotana izay nitarihan'i Jerobohama an'i Israely.
32 Tamin'izany fotoana izany no nanombohan'ny TOMPO nanakely ny tanin'i Israely, satria navelany handresy azy amin'ny sisin-taniny rehetra i Hazaela.
33 Lasan'io mpanjakan'i Siria io avokoa ny faritra atsinanan'i Jordana sy avaratr'i Harohera izay tanana eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, izany hoe i Gilehada sy i Basana, dia ny tanin'ny Gadita sy ny Reobenita ary ny Manasita.
34 Ny sisa amin'ny tantaran'i Jeho ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony sy ny herimpo nasehony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.
35 Nanjaka 28 taona tamin'i Israely tao Samaria i Jeho. Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany izy, dia nalevina tao Samaria; ary i Joahaza zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Toko faha-11
1 Rehefa hitan'i Hatalia renin'i Ahazia fa maty ity zanany lahy, dia niroso nandringana ny taranak'andriana rehetra izy.2 Kanefa i Joseba zanakavavin'i Jorama mpanjaka sady anabavin'i Ahazia dia naka an'i Joasy zanakalahin'i Ahazia, ka namonjy azy mbamin'ny mpitaiza azy teo anivon'ireo rahalahiny efa novonoina, ary nitondra azy hankao an'efitrano fandriana ao amin'ny tempoly; nafenin'i Joseba an'i Hatalia i Joasy, ka dia tsy mba voavono ho faty.
3 Niery enin-taona tao an-tranon'ny TOMPO i Joasy mbamin'ny mpitaiza azy; ary i Hatalia no nanjaka teo amin'ny tany.
4 Tamin'ny taona fahafito dia nampiantso ireo kapiteny mpifehy ny Karianina sy ny miaramila mpiambina hafa i Joiada ka nitarika azy nankao an-tranon'ny TOMPO; dia nanaovany fifanekena ireo sady nampianianiny tao an-tranon'ny TOMPO, ka nasehony azy ilay zanakalahin'ny mpanjaka.
5 Ary ireo kapiteny ireo dia nomen'i Joiada baiko hoe: Izao no hataonareo: ny antokony iray aminareo dia mandray asa amin'ny sabata; ka ny andiany voalohany amin'io dia miambina ny lapan'ny mpanjaka;
6 ny andiany faharoa dia miambina eo am-bavahadin'i Sora; ary ny andiany fahatelo dia miambina eo am-bavahady ivohon'ny mpiambina. Ianareo andiany telo ireo no hifandimby miambina ny lapa.
7 Ny antoko anankiroa izay tsy mandray asa amin'ny sabata kosa dia hiambina ny tranon'ny TOMPO izay misy ny mpanjaka.
8 Ny miaramila rehetra dia hitam-piadiana avokoa ka hanemitra ny mpanjaka ary hanaraka azy na aiza na aiza alehany. Izay mikasa hanatona ny laharanareo dia hatao maty.
9 Araka izay baiko rehetra nomen'i Joiada mpisorona no nataon'ireo kapiteny; ka ny tompon'andraikitra tsirairay dia samy namory ny miaramilany avy, na izay niala tamin'ny andro sabata, ary dia nankany amin'i Joiada mpisorona izy rehetra.
10 Nomen'i Joiada an'ireo kapiteny y lefona aman'ampingan'i Davida mpanjaka izay natoby tao an-tranon'ny TOMPO.
11 Dia nanao jery atrika sy nitam-piadiana ny miaramila hatreo amin'ny zoro atsimo atsinanan'ny tempoly ka hatrany amin'ny zoro avaratra atsinanana, dia teo anoloan'ny vatan-trano sy ny alitara, ary efa vonona hanodidina ny mpanjaka.
12 Tamin'izay dia navoakan'i Joiada i Joasy zanakalahin'i Ahazia, ka nampisatrohina ny satroboninahitra maha-mpanjaka sady notolorana ny raki-tsoratra momba ny zo aman'andraikitry ny mpanjaka; ary nohosorany menaka izy hanokanana azy ho mpanjaka, koa dia nitehaka ny olona sy niantsoantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
13 Nony ren'i Hatalia ny kotaban'ny mpiambina sy ny vahoaka, dia mba nankao amin'ny vahoaka tao an-tranon'ny TOMPO izy.
14 Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana araka ny fanao tambonin'ny lampihazo; ary ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany. Nifaly ny vahoaka rehetra ary nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika; fa i Hatalia kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: Fikomiana! Fikomiana!
15 I Joiada mpisorona moa efa nandrara ny hamonoana ho faty an'i Hatalia ao an-tranon'ny TOMPO, ka dia nomeny baiko ny kapiteny mpifehy miaramila ary nilazany hoe: Avoahy any ivelany any i Hatalia ka ampandalovy eny anelanelan'ny laharanareo; ary izay manaraka azy dia vonoy ho faty amin'ny sabatra.
16 Dia nosamborin'ireo i Hatalia ka notaritaritiny ho any an-dapan'ny mpanjaka; ary rehefa tafapaka ny fidirana teo amin'ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy, dia novonoina ho faty teo.
17 Nampanaovin'i Joiada fanekempihavanana tamin'ny TOMPO ny mpanjaka sy ny olona teo mba ho vahoakan'ny TOMPO izy rehetra; ary dia nasainy nanao fifanekena koa ny mpanjaka sy ny olona.
18 Avy eo dia niditra tao an-tempolin'i Bahala ny besinimaro ka nandrava azy: nomontsaniny tanteraka ireo alitara sy ireo sarivongan-tsampy, ary novonoiny ho faty teo anoloan'ny alitara i Matana mpisoron'i Bahala. Tamin'izay koa no voatendrin'i Joiada mpisorona ireo olona hitandrina ny tranon'ny TOMPO.
19 Dia novorin'i Joiada ny kapiteny sy ny Karianina ary ny miaramila mpiambina hafa mbamin'ny vahoaka rehetra; ary nentina avy tao an-tranon'ny TOMPO ity mpanjaka, ka ny vavahadin'ny mpiambina no nandalovana hanatitra azy ao an-dapany. Rehefa tafapetraka teo amin'ny sezafiandrianana maha mpanjaka azy i Joasy,
20 dia nifaly ny vahoaka rehetra. Ary nandry feizay ny tanana, satria efa matin-tsabatra tao an-dapan'ny mpanjaka i Hatalia.
Toko faha-12
1 Tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Jeho tamin'i Israely no tonga ho mpanjakan'i Joda i Joasy; vao fito taona izy tamin'izay, ary naharitra efapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Tsibia avy any Beera-Seba.3 Nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO tamin'ny androny rehetra i Joasy, satria nampianatra azy tsara i Joiada mpisorona.