2 Mpanjaka
Toko faha-6
25 Nisy mosary lehibe tao Samaria noho izany, ka dia nahatratra sekela valopolo ny vidin'ny loham-boriky iray ary sekela dimy ny taim-boromahailala roanjato grama.26 Indray andro raha nandehandeha teo ambonin'ny manda ny mpanjakan'i Israely, dia nisy vehivavy iray niantsoantso nitaraina taminy hoe: Mba vonjeo aho, ry andriamanjaka o!
27 Fa hoy ny navalin'ny mpanjaka: Raha tsy mamonjy anao ny TOMPO, ahoana kosa no hamonjeko anao? Fa tsy misy intsony tahirim-bary na tahirin-divay.
28 Kanefa avy eo ny mpanjaka dia niteny taminy hoe: Inona no manahirana anao? Ary novalian-dravehivavy hoe: Hoy io vehivavy io tamiko: Aiza ny zanakao hohanintsika amin'ity andro ity, fa rahampitso dia ny ahy indray no hohanintsika.
29 Dia nahandroinay ny zanako ka nohaninay; kanjo nony ampitso, rehefa nilazako kosa izy mba hitondra ny zanany hohaninay, dia nafeniny ny azy.
30 Raha nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nandehandeha teny ambonin'ny manda izy mba ho hitan'ny olona fa mitafy akanjo gony manolo-koditra.
31 Dia hoy izy: Hampiharin'Andriamanitra amiko anie ny famaizana mafy indrindra, raha tahiny tsy voatapaka anio ny lohan'i Elisa zanakalahin'i Safata.
32 Novorin'i Elisa tao an-tranony tamin'izay ny loholon'ny tanana, ary naniraka olona hankeo aminy kosa ny mpanjaka. Kanjo raha tsy mbola tonga akory ilay iraka, dia hoy i Elisa tamin'ny loholona: Jereonareo fa naniraka olona hanapaka ny lohako ilay mpamono olona iny. Koa mitandrema ianareo fa raha avy ilay iraka, dia hidio ny varavarana ary aza avela hiditra izy. Tsy efa renareo koa ve ny famindran'ny tompony izay manara-dia azy
33 Raha mbola niteny i Elisa dia tonga ny mpanjaka nanao hoe: Ny TOMPO no mandefa amintsika izao loza rehetra izao! Ka inona intsony no azoko antenaina aminy?
Toko faha-7
1 Dia hoy ny navalin'i Elisa: Izao no lazain'ny TOMPO, koa henoinareo: Rahampitso toy izao dia samy ho sekela iray ihany no vidin'ny lafarinina 12 kilao na ny vary orza 24 kilao eny an-tsena eo am-bavahadin'i Samaria.2 Fa ny deka, izay nianteheran'ny mpanjakan'i Israely, dia niteny tamin'ilay olon'Andriamanitra ka nanao hoe: Na dia handavaka ny lanitra aza ny TOMPO, mba ho tanteraka ve izay voalazanao teo? Ary hoy i Elisa: Ho hitanao maso izany, saingy tsy mba hihinananao.
3 Nisy marary hoditra efa-dahy teo ivelan'ny tanana, akaikin'ny vavahady, ka nifampiresaka hoe: Inona no ijanonantsika hiandry fahafatesana eto?
4 Raha tapa-kevitra hankao an-tanana isika, dia ho faty satria misy mosary ao; kanefa raha hijanona eto isika, dia ho faty ihany koa! Koa andeha isika hankany amin'ny tobin'ny Sirianina hitolo-batana aminy. Raha avelany ho velona aina isika, dia ho velona; fa raha vonoiny ho faty isika, dia tsy maintsy ho faty!
5 Dia nankany amin'ny tobin'ny Sirianina izy efa-dahy, rehefa hariva ny andro; ary namakivaky azy hatrany amin'ny sisiny farany indrindra ireo, fa tsy nisy olona akory teo.
6 Ny tobin'ny Sirianina manko efa nampandrenesan'ny Tompo firohondrohon-kalesy sy firiotran-tsoavaly ary firodorodon-tafika goavana. Dia nifampiresaka ny Sirianina nanao hoe: Efa nokaramain'ny mpanjakan'i Israely ireo mpanjaka hetita sy ejiptianina mba hiady amintsika!
7 Vao nisomambisamby ny andro, dia lasa nandositra nanavo-tena izy ka nilaozany fotsiny teo ny tobiny ary navelany avokoa ny lay sy ny soavaly amam-boriky.
8 Tonga teo an-tsisiny farany indrindra amin'ny toby ary ireto marary hoditra efa-dahy. Dia niditra ny lay anankiray izy ka nihinana sy nisotro tamin'izay sakafo tao, avy eo naka volafotsy sy volamena ary fitafiana izy ka lasa nanafina izany; dia niditra ny lay anankiray hafa indray izy, ary naka zavatra isan-karazany ka lasa nanafina izany koa.
9 Fa nifampiresaka ireo marary hoditra efa-dahy nanao hoe: Tsy tsara izao zavatra ataontsika izao. Androm-baovao mahafaly anio. Koa raha tanantsika ho antsika samirery izany ka iandrasantsika ny fahazavan'ny andro, dia hofaizin'Andriamanitra tokoa isika. Fa andeha isika hankao an-tanana ary hampilaza izany vaovao izany ao an-dapan'ny mpanjaka.
10 Dia niverina tany an-tanana izy ka niantso ny mpiambina vavahady sady nilaza taminy hoe: Tonga tany an-tobin'ny Sirianina izahay; fa tsy misy olona intsony ao sady tsy nandrenesana feon'olona akory. Tsy nisy afa-tsy soavaly sy boriky mifatotra ary lay nilaozana fotsiny.
11 Dia niantso olona ny mpiambina hampita izany hafatra izany any an-dapan'ny mpanjaka.
12 Nifoha mbola alina ny mpanjaka ka niteny tamin'ny minisitra hoe: Hampahafantariko anareo izay kotrehin'ny Sirianina amintsika. Fantany fa mosarena isika, ka izany no nandaozany ny tobiny sy niafenany any an-tsaha ary iandrasany izay hivoahantsika ny tanana mba hanaovany sambo-belona antsika, dia hidirany amin'izay ny tanana.
13 Fa namaly ny minisitra iray ka nanao hoe: Aoka hakana dimy amin'ireo soavaly sisa tavela ato an-tanana; fa efa tandindomim-paharinganana tahaka ny Israelita rehetra monina ato ireo; koa aoka hisy olona halefantsika hitaingina ireo ka hijery izay miseho any.
14 Dia nalain'ny mpanjaka ireo soavaly sahaza kalesy roa; ary nisy miaramila mpisafo nirahiny hanara-dia ny tafika sirianina mba hijery izay miseho any.
15 Koa nanaraka ny diany hatrany Jordana ny mpisafo, ary indreny hitany manerana ny arabe ny fitafiana sy fitaovana maro izay narian'ny Sirianina noho izy dodona handositra. Dia niverina nampandre ny mpanjaka ireto iraka.
16 Ary nivoaka ny tanana ireo mponin'i Samaria ka nandroba ny tobin'ny Sirianina. Koa araka ny efa nambaran'ny TOMPO, ny vidin'ny lafarinina 12 kilao na ny vary orza 24 kilao dia samy sekela iray ihany.
17 Nasain'ny mpanjaka hanara-maso ny tsena eo am-bavahady ny deka izay nianteherany; nefa dia voahitsakin'ny olona teo izy ka maty araka ny efa nambaran'i Elisa mpaminany, raha nidina tany aminy ny mpanjaka.
18 Tanteraka araka izany izay nolazain'ilay olon'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka hoe: Rahampitso toy izao eny an-tsena eo am-bavahadin'i Samaria, dia samy ho sekela iray ihany no vidin'ny vary orza 24 kilao na ny lafarinina 12 kilao.
19 Fa hoy ny navalin'ilay dekan'ny mpanjaka tamin'izay: Na dia handavaka ny lanitra aza ny TOMPO, mba ho tanteraka ve izay voalazanao teo? Ary hoy i Elisa: Ho hitanao maso izany, saingy tsy mba hihinananao.
20 Dia tanteraka tamin'ilay deka tokoa izany, fa voahosin'ny olona niantsena teo am-bavahadin'ny tanana izy ka maty.
Toko faha-8
1 Indray andro dia niteny tamin'ilay vehivavy nanan-janakalahy maty nefa novelominy indray i Elisa, ka nanao hoe: Miala eto ianao sy ny fianakavianao ka mifindra monina any amin'izay azonareo onenana; fa ny TOMPO handefa mosary eto amin'ny tanin'i Israely, ary efa ho tonga izany ka haharitra fito taona.2 Dia niala teo ilay vehivavy ka nanao araka ny tenin'ilay olon'Andriamanitra taminy; ary lasa izy sy ny fianakaviany nifindra monina nandritra ny fito taona tany amin'ny tanin'ny Filistinina.
3 Nony afaka fito taona dia nody avy tany amin'ny tanin'ny Filistinina ravehivavy ka nangataka hihaona amin'ny mpanjaka mba hitaky ny tranony sy ny taniny.
4 Tamin'izay kosa ny mpanjaka dia niresaka tamin'i Gehazy mpanompon'i Elisa. Nangatahiny izy mba hilaza aminy izay zava-dehibe rehetra nataon'ny mpaminany.
5 Raha mbola notantarain'i Gehazy tamin'ny mpanjaka ny amin'ilay zaza maty izay novelomin'i Elisa, dia indro tonga nitaky ny tranony sy ny taniny tamin'ny mpanjaka ilay vehivavy. Ary hoy i Gehazy: Io ilay vehivavy sy ny zanany izay novelomin'i Elisa indray, ry andriamanjaka!
6 Dia nanontanian'ny mpanjaka ilay vehivavy, ka nitantara ny zava-drehetra. Ary nasain'ny mpanjaka nokarakarain'ny manamboninahitra iray ny raharahan-dravehivavy, ka hoy izy: Avereno aminy avokoa ny fananany rehetra ary onero ny vokatry ny taniny manomboka amin'ny andro nandaozany azy ka mandraka ankehitriny.
7 Indray andro dia tonga tany Damasy i Elisa. Narary i Bena-Hadada mpanjakan'i Siria tamin'izay; ary rehefa nisy nilaza taminy fa ao an-tanana ilay olon'Andriamanitra,
8 dia hoy izy tamin'i Hazaela: Mitondra fanomezana ka mandehana mihaona amin'i Elisa; dia asaivo manontany ny TOMPO izy raha toa ka ho sitrana amin'izao aretiko izao ihany aho.
9 Dia lasa nihaona tamin'i Elisa i Hazaela nombam-panomezana nentin'ny rameva efapolo, dia izay zava-tsoa isan-karazany tao Damasy. Rehefa tonga izy, dia nitsangana teo anatrehan'ny mpaminany sady nanao hoe: I Bena-Hadada, mpanoa anao sady mpanjakan'i Siria, no naniraka ahy hankaty aminao mba hanontany anao raha ho sitrana amin'izao aretina izao ihany izy.
10 Ka hoy ny navalin'i Elisa: Mandehana lazao izy fa ho sitrana marina tokoa! Kanefa ny TOMPO efa nanambara tamiko fa ho faty izy.
11 Dia nifantoka fijery sy ankona endrika ilay olon'Andriamanitra; avy eo izy vao nitomany.
12 Fa nanontany azy i Hazaela hoe: Nahoana ianao no mitomany, tompoko? Ka hoy ny navalin'i Elisa: Satria fantatro ny ratsy izay hataonao amin'ny Israelita: hodoranao ny tananamimandany; hovonoinao ho faty amin'ny sabatra ny tanorany, homontsaninao ny ankizikeliny, ary hotatahinao kibo ny vehivavy bevohoka eo aminy.
13 Dia hoy i Hazaela: Fa zinona moa ity tenako tsy manam-pahefana sady bitika ity no dia hahavita zavatra toy izany? Ary i Elisa namaly hoe: Efa nambaran'ny TOMPO tamiko fa ho mpanjakan'i Siria ianao.
14 Dia nandao an'i Elisa i Hazaela ka niverina tany amin'ny tompony izay nanontany azy hoe: Ahoana hoy i Elisa taminao? Hoy kosa ny navalin'i Hazaela: Nilaza tamiko izy fa ho sitrana tokoa ianao.
15 Nony ampitso anefa, dia naka bodofotsy anankiray i Hazaela; natsobony tao anaty rano izany ka nasarony ny tavan'i Bena-Hadada hanempotra azy. Dia maty ny mpanjaka, ary i Hazaela no nanjaka nandimby azy.
16 Tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Jorama zanakalahin'i Ahaba sady mpanjakan'i Israely no tonga mpanjakan'i Joda i Jorama zanakalahin'i Josafata, na dia mbola mpanjakan'i Joda aza i Josafata. Feno 32 taona izy fony vao nanjaka,
17 ary naharitra valo taona no nanjakany tao Jerosalema.
18 Ny toetran'ireo mpanjakan'i Israely no narahiny, dia tahaka ny fanaon'ny taranak'i Ahaba, satria nanambady ny zanakavavin'i Ahaba izy ka nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO.
19 Tsy nandringana an'i Joda anefa ny TOMPO noho ny amin'i Davida mpanompony, izay efa nampanantenainy fa ny taranany dia hanjaka mandrakizay ao Jerosalema.
20 Tamin'ny andron'i Jorama no nikomian'ny Edomita tamin'ny fahefana jodeanina ka nananganany mpanjaka ho azy.
21 Nankany Tsahira niaraka tamin'ny kalesiny rehetra manko i Jorama. Nony voahodidin'ny Edomita ny tenany mbamin'ireo komandin-kalesiny, dia voatery nitsoaka nanao latsaka alina tamin'ny Edomita; ary nandositra nankany an-dainy ny tafika jodeanina.