2 Mpanjaka
Toko faha-15
32 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Peka zanakalahin'i Remalia tamin'i Israely no tonga mpanjakan'i Joda i Jotama zanakalahin'i Hazaria.33 Feno 25 taona izy fony nanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jerosa zanakavavin'i Tsadoka.
34 Nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO i Jotama, tahaka izay rehetra nataon'i Hozia rainy.
35 Kanefa ny toeram-panasinana tsy noravany ka mbola nanao sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany ny olona. I Jotama no nanamboatra ny vavahady ambony tamin'ny tranon'ny TOMPO.
36 Ny sisa amin'ny tantaran'i Jotama ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Joda.
37 Tamin'ny andro nanjakan'i Jotama no nanombohan'ny TOMPO nandefa an'i Retsina mpanjakan'i Siria sy i Peka mpanjakan'i Israely hanafika an'i Joda.
38 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany i Jotama, dia nalevina tao amin'ny fasam-pianakaviany tao an-Tananan'i Davida; ary i Ahaza zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Toko faha-16
1 Tamin'ny taona faha-17 nanjakan'i Peka zanakalahin'i Remalia tamin'i Israely no tonga mpanjakan'i Joda i Ahaza zanakalahin'i Jotama.2 Feno roapolo taona izy fony vao nanjaka; ary naharitra 12 taona no nanjakany tao Jerosalema. Nefa tsy nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO Andriamaniny tahaka ny nataon'i Davida razambeny izy;
3 fa ny toetran'ireo mpanjakan'i Israely no narahiny. Ka nanao sorona ilay zanany lahy aza izy, araka ny fomba maharikoriko fanaon'ny hafa firenena izay noroahin'ny TOMPO teo anoloan'ny Israelita.
4 Nanolotra sorona biby sy nandoro azy hanetona teny amin'ny toeram-panasinana izy ary koa teny amin'ny havoana sy teny ambany hazo maitso midoroboka rehetra teny.
5 Tamin'izany dia tonga hanafika an'i Jerosalema i Retsina mpanjakan'i Siria sy i Peka zanakalahin'i Remalia sady mpanjakan'i Israely; ary nanao fahirano an'i Ahaza izy roa tonta, nefa tsy naharesy azy.
6 Tamin'izany fotoana izany ihany dia naverin'i Retsina mpanjakan'i Siria tamin'ny Edomita ny tananan'i Elata, rehefa avy nandroaka ny Jodeanina hiala tao izy; ary niverina nonina tao Elata ny Edomita ka nipetraka tao ary mbola ao mandraka ankehitriny.
7 Tamin'izay i Ahaza no nandefa iraka ho amin'i Tiglato-Pilesera mpanjakan'i Asiria hilaza hoe: Izaho dia mpanomponao sy zanakao; koa tongava hanafaka ahy amin'ny mpanjakan'i Siria sy i Israely izay nanafika ahy.
8 Dia naka izay volafotsy sy volamena hitany tao an-tranon'ny TOMPO sy tao amin'ny tahirin-dapa i Ahaza ka nandefa izany ho fanomezana ho an'ny mpanjakan'i Asiria.
9 Koa nihaino ny teniny ny mpanjakan'i Asiria, dia nanafika ny tananan'i Damasy ka nahazo azy; ary nataony sesitany tany Kira ny mponina, fa novonoiny ho faty kosa i Retsina.
10 Dia nankany Damasy i Ahaza mpanjaka mba hihaona amin'i Tiglato-Pilesera mpanjakan'i Asiria. Nony nahita ny alitaran'ilay tempolin'i Damasy izy, dia nandefa ny sariny mbamin'ny drafitra antsipiriany rehetra tamin'i Oria mpisorona.
11 Nanao alitara vaovao i Oria, araka ny toromarika rehetra nampitondrain'i Ahaza mpanjaka azy avy tany Damasy; ary izany dia ho vonona alohan'ny hiverenan'i Ahaza avy any Damasy.
12 Rehefa tafaverina ny mpanjaka, dia nahita ny alitara ka nanatona
13 ary nanolotra sorona dorana manontolo teo miaraka amin'ny fanatitra lafarinina sy divay; ary nararany teo ambonin'ny alitara ny ran'ny sorom-pihavanany.
14 Dia nesoriny hiala teo anoloan'ny tempoly ny alitara halimo izay voatokana ho an'ny TOMPO; io alitara io dia teo anelanelan'ny alitara vaovao sy ny tranon'ny TOMPO, ka nafindrany hipetraka eo avaratry ny alitara vaovao.
15 Ary nanome izao baiko izao an'i Oria mpisorona i Ahaza nanao hoe: Ny alitara lehibe no hampiasainao: eo no hanoloranao ny sorona dorana manontolo isa-maraina sy ny fanatitra lafarinina isan-kariva, ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra lafarinina entin'ny mpanjaka ary ny sorona dorana manontolo mbamin'ny fanatitra lafarinina sy divay entin'ny vahoaka rehetra; hararakao eo koa ny ran'ireo biby natao sorona. Fa ny amin'ny alitara halimo kosa dia mbola handraisako fanapahan-kevitra manokana.
16 Notanterahin'i Oria mpisorona avokoa ny baikon'i Ahaza mpanjaka.
17 Fa novakin'i Ahaza koa ny takelaka halimo izay nipetaka tamin'ireo kalesy tao an-Tempoly; nesoriny ny kovetabe teo ambonin'ireo kalesy ireo; ary ilay fitobian-drano goavana boribory dia nampidininy hiala tamin'ireo ombilahy halimo ka nataony teo ambony lampivato.
18 Mba hahafaly ny mpanjakan'i Asiria, dia nofoanan'i Ahaza ny alo-baravaran-tsabata, izay naorina tao an-tranon'ny TOMPO, sy ny Fidiran'ny Mpanjaka izay tany ivelany.
19 Ny sisa amin'ny tantaran'i Ahaza ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Joda.
20 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany i Ahaza, dia nalevina tao amin'ny fasam-pianakaviany tao an-tananan'i Davida; ary i Hezekia zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Toko faha-17
1 Tamin'ny taona faha-12 nanjakan'i Ahaza tamin'i Joda no tonga mpanjakan'i Israely tao Samaria i Hosea zanakalahin'i Ela; ary naharitra sivy taona no nanjakany tao.2 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy nefa tsy dia tahaka ny nataon'ireo mpanjakan'i Israely talohany.
3 Tonga nanafika azy i Salmanesera mpanjakan'i Asiria, koa dia nanaiky handoa hetra ho azy i Hosea.
4 Tato aoriana anefa dia nikomy taminy i Hosea, satria sady nandefa iraka tany amin'ny mpanjakan'i Ejipta tany Saisa izy no tsy nety nandoa ny hetrany isan-taona ho an'ny mpanjakan'i Asiria intsony. Koa rehefa hitan'i Salmanesera izany fikomiana izany, dia nasainy nosamborina sy nogadraina i Hosea.
5 Dia nidirany an-kery ny tany ary nataony fahirano i Samaria nandritra ny telo taona.
6 Tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Hosea no nahazoan'ny mpanjakan'i Asiria an'i Samaria; ka dia nataony sesitany tany Asiria ny Israelita tavaratra ary namponeniny tao Hala sy tao Gozana teo amoron'ny ony Habora ary teny amin'ny tananan'i Media.
7 Tonga izany rehetra izany noho ny nanotan'ny Israelita tavaratra tamin'ny TOMPO Andriamaniny Izay nanafaka azy teo ambany fifehezan'ny Farao mpanjakan'i Ejipta sy nitondra azy niala tao amin'io tany io. Fa nanompo andriamani-kafa ireo
8 ka nanaraka ny fanaon'ny hafa firenena izay efa noroahin'ny TOMPO tsy ho eo anoloan'ny Israelita ary koa nanaraka ny fomba noforonin'ireo mpanjakan'i Israely.
9 Niteny ratsy ny TOMPO Andriamaniny izy ka nanorina toeram-panasinana teny an-tananany rehetra teny, manomboka amin'ny tilikambom-piambenana ka hatrany amin'ny tananamimanda.
10 Nananganany tsangambaton-tsampy sy tsatokazo fanajana an'i Asera teny an-tampon-kavoana nisy hazo midoroboka maitso rehetra teny;
11 dia nandoro sorona hanetona teny amin'ny toeram-panasinana rehetra koa izy tahaka ny nataon'ireo hafa firenena izay noroahin'ny TOMPO tsy ho eo anoloany. Nahavita zava-dratsy tokoa ny Israelita, hany ka nampahatezitra ny TOMPO:
12 nanompo sampy izy na dia efa noraran'ny TOMPO tsy hanao izany aza.
13 Nampitandrina ny vahoakan'i Israely sy i Joda tamin'ny alalan'ny mpaminany sy mpahita rehetra ny TOMPO nanao hoe: Ialao ny toe-dratsinareo ka tandremo ny didy sy baiko nataoko araka ny lalana manontolo izay nandidiako ny razanareo sy nampitondraiko ireo mpaminany mpanompoko ho anareo.
14 Nefa tsy nihaino izany izy roa tonta fa nanamafy hatoka tahaka ireo razany izay tsy nino ny TOMPO Andriamaniny.
15 Nolaviny ny lalanan'Andriamanitra sy ny fanekempihavanana izay nataony tamin'ny razany ary ny fampitandremana nananarany azy. Nanenjika zava-poana izy ka dia tonga zava-poana koa; ary nanaraka ny hafa firenena manodidina azy sady efa nandraran'ny TOMPO azy tsy hotahafina.
16 Nafoiny avokoa ny didin'ny TOMPO Andriamaniny, ka nanao sarivongan'ombilahikely anankiroa izy sy nanangana tsatokazo fanajana an'i Asera ary niankohoka teo anatrehan'ny planeta aman-kintana sady nanompo an'i Bahala.
17 Nanolotra ny zanany lahy sy vavy ho sorona dorana izy, sady nanao majika sy sikidy, ary nivarilavo nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO, ka nampahatezitra Azy.
18 Dia vinitra tamin'ny Israelita ny TOMPO ka nanaisotra azy tsy ho hitan'ny masony. Ny fokon'i Joda ihany no sisa tafajanona.
19 Na dia i Joda koa aza tsy nitandrina ny didin'ny TOMPO Andriamaniny, fa nanaraka ny fomba najoron'ny Israelita tavaratra.
20 Izany no nandavan'ny TOMPO ny taranak'i Israely rehetra ka nampahoriny azy sy nanolorany azy ho eo an-tanan'ny mpandroba ary farany hanesorany azy ho lavitra ny fanatrehany.
21 Rehefa nendahan'ny TOMPO tamin'ny fianakavian'i Davida i Israely, dia natsangany ho mpanjaka i Jerobohama zanakalahin'i Nebata izay nampiala an'i Israely avaratra tamin'ny TOMPO sy nitarika azy tamin'ny fahotana lehibe.
22 Ary nizoran'ny Israelita hatrany fa tsy nialany akory ny fahotana rehetra izay nataon'i Jerobohama.
23 Farany dia nesorin'ny TOMPO ho lavitra ny fanatrehany mihitsy ireo, araka ny nambarany tamin'ny alalan'ny mpaminany rehetra mpanompony; ka voababo lavitry ny taniny tokoa izy ho any Asiria izay mbola misy azy mandraka ankehitriny.