2 Mpanjaka

Toko faha-5

1 Nahamana no anaran'ny filohan-tafiky ny mpanjakan'i Siria. Lehilahy mendri-kaja sy to teny teo anatrehan'ny tompony izy satria ny Sirianina efa nampandresen'ny TOMPO tamin'ny alalany. Marary hoditra anefa izany lehilahy maherifo izany.

2 Ary nisy mpandroba sirianina nitsofoka an-keriny tany amin'ny tanin'i Israely ka nitondra zazavavikely iray ho babo, izay lasa mpanompon'ny vadin'i Nahamana.

3 Ary hoy io tamin'ny tompovaviny: Raha mba afaka mankany amin'ny mpaminany any Samaria manko ny tompoko, dia hositraniny amin'izao aretin-koditra izao.

4 Dia lasa i Namahana nilaza tamin'ny mpanjaka ny zavatra nambaran'ilay zazavavikely israelita taminy.

5 Ka hoy ny mpanjakan'i Siria: Mandehana ary mankany amin'ny mpanjakan'i Israely, fa hampitondra taratasy ho azy aho. Dia lasa i Nahamana nitondra volafotsy telonjato kilao sy volamena enimpolo kilao ary akanjo fitondra mianjaika folo.

6 Natolony ny mpanjakan'i Israely ny taratasy milaza hoe: Alefako aty aminao miaraka amin'ity taratasy ity i Nahamana filohan-tafiko mba hositraninao amin'ny aretin-kodiny.

7 Raha vao voavakin'ny mpanjakan'i Israely ilay taratasy, dia nandriatra ny fitafiany izy sady niteny hoe: Andriamanitra angaha aho ka hahafaty na hahavelona, no andefasan'ilehiny olona hositranina amin'ny aretin-kodiny? Jereonareo tsara fa mila ady amiko mihitsy izy.

8 Raha ren'i Elisa olon'Andriamanitra fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan'i Israely, dia naniraka hankany amin'ny mpanjaka izy nanao hoe: Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka hankaty amiko i Nahamana mba hahafantarany fa misy mpaminany tokoa amin'i Israely.

9 Dia tonga ary i Nahamana niaraka tamin'ny kalesy aman-tsoavaliny ka niandry teo anoloan'ny varavaran'ny tranon'i Elisa.

10 Ary i Elisa naniraka olona hankany aminy hilaza hoe: Mandehana mandro impito ao Jordana, fa hiverina amin'ny toetrany taloha indray ny hoditrao, ka hadio ianao.

11 Fa tezitra i Nahamana, dia lasa sady nanao hoe: Noheveriko fa mba hankaty amiko tokoa ilay mpaminany ka hivavaka amin'ny TOMPO Andriamaniny sy hanevaheva ny tanany eo amin'ny faritra marary ary hanasitrana ny aretin-koditro.

12 Tsy tsara noho ny renirano rehetra amin'i Israely ve i Abana sy i Farpara reniranon'i Damasy? Moa tsy azoko atao ve ny mandro ao amin'ireo mba hampahadio ahy? Dia nihodina i Nahamana ka lasa tamim-pahatezerana.

13 Fa nanatona azy ny mpanompony ka nanao taminy hoe: Ry ikaky o, raha toa ka zavatra sarotra no nampanaovin'ny mpaminany anao, moa va tsy ho nataonao izany? Koa nahoana no tsy hataonao izay lazainy aminao hoe: Mandroa, dia hadio ianao?

14 Dia nidina i Nahamana ka nisitrika impito tao Jordana araka ny tenin'ilay olon'Andriamanitra; ary ny hodiny dia tonga tahaka ny hodi-jazakely indray, ka nadio izy.

15 Dia niverina nankao amin'ilay olon'Andriamanitra izy mbamin'ireo rehetra mpanaraka azy; ary niseho teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe: Fantatro ankehitriny fa tsy misy Andriamanitra eto ambonin'ny tany tontolo afa-tsy ato amin'i Israely ihany. Koa mba raiso ny fanomezana atolotro anao.

16 Fa hoy ny navalin'i Elisa: Velona ny TOMPO izay tompoiko, ka manizingizina aminao aho fa tsy handray izany. Nitambezo azy handray ihany i Nahamana, saingy nanda hatrany kosa i Elisa,

17 ka nilazany hoe: Satria nolavinao ny fanomezako, dia avelao aho mba hitondra tany kely zakan'ny boriky roa avy amin'ny taninao; fa izaho tsy mba hanolotra intsony sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana amin'ny andriamani-kafa afa-tsy amin'ny TOMPO ihany. 18 Saingy mangata-pamelana mialoha amin'ny TOMPO aho momba izao zavatra izao: Raha miditra mba hivavaka ao amin'ny tempolin'i Rimona andriamaniny ny tompoko mpanjakan'i Siria, dia tsy maintsy hiankohoka hitehi-tany miaraka aminy koa aho satria mitehina amin'ny tanako izy. Ny TOMPO anie hamela heloka ahy amin'izany fihetsiko izany!

19 Ary hoy i Elisa taminy: Mandehana ombam-piadanana. Ary lasa nandeha i Nahamana. Raha mbola tsy lasa lavitra akory i Nahamana,

20 dia niteny anakampo i Gehazy mpanompon'i Elisa hoe: Nalefan'ny tompoko tamin'izao fotsiny lahy i Nahamana ilay Sirianina fa tsy nakany na inona na inona tamin'ny zavatra nentiny. Velona ny TOMPO, ka milokaloka aho fa tsy maintsy hotratrariko iny hahazoako zavatra.

21 Dia lasa i Gehazy nanenjika an'i Nahamana; ary nony nahita azy mihazakazaka manatona kosa i Nahamana, dia niala faingana tamin'ny kalesiny hitsena azy ka nanao hoe: Tsara ihany va ianao?

22 Ary hoy ny navaliny: Tsara ihany aho; saingy nirahin'ny tompoko fotsiny aho hilaza aminao, fa misy zatovo roa lahy anisan'ny andia-mpaminany tonga ao aminy avy any amin'ny faritra havoan'i Efraima. Koa miangavy anao izy mba hanome azy roa lahy volafotsy telopolo kilao ary akanjo fitondra mianjaika roa.

23 Dia hoy i Nahamana: Volafotsy enimpolo kilao re entina e! Notereny handray izany i Gehazy, ary dia nataony tao anaty kitapo roa tsara fehy ny volafotsy enimpolo kilao sy ny akanjo roa; ka nasainy nentin'ny mpanompony roa lahy izay nanaraka an'i Gehazy ireo rehetra ireo.

24 Rehefa tonga teo amin'ny toerana atao hoe Hofela izy, dia nalain'i Gehazy ny kitapo sy ny akanjo ka napetrany tao an-tranony; ary nasainy niverina ireo mpanompon'i Nahamana, ka lasa.

25 Nony tafaverina teo anatrehan'ny tompony kosa i Gehazy, dia nanontanian'i Elisa hoe: Avy taiza ianao, ry Gehazy? Ka hoy ny navaliny: Tsy avy taiza tsy avy taiza aho, tompoko.

26 Fa hoy indray i Elisa: Moa ataonao tsy ho hitako am-panahy ve iny lehilahy izay niala tamin'ny kalesiny hitsena anao iny? Tsy fotoana fandraisam-bola na fitafiana, na tanin'oliva na tanimboaloboka, na ondry aman'osy, na omby, na mpanompolahy na mpanompovavy izao;

27 satria ny aretin-koditr'i Nahamana dia hiraikitra aminao sy ny taranakao hatrany hatrany. Rehefa niala teo anatrehan'i Elisa i Gehazy, dia indro fa niempaka fotsy toa oram-panala ny hodiny.

Toko faha-6

1 Indray andro, dia hoy ny andia-mpaminany tamin'i Elisa tompony: Indro efa tena ety ho antsika ny toeram-pivoriana iarahanay aminao.

2 Koa mba avelao izahay ho any amoron'i Jordana, samy haka hazo iray avy hanaovanay toeram-pivoriana vaovao any. Dia hoy i Elisa: Mandehana ary.

3 Fa hoy ny mpaminany iray: Maninona raha mba miaraka aminay any koa ianao, tompoko? Dia novalian'i Elisa hoe: Eny, fa handeha aho.

4 Ka dia nandeha niaraka tamin'ny andia-mpaminany izy. Ary rehefa mby teo amoron'i Jordana ireo, dia nikapa hazo.

5 Fa raha mbola nikapa ny hazony kosa ny iray tamin'ireo, dia nipitsika tany anaty rano ny lelam-pamakiny, ka nampiantsoantso azy hoe: Loza, tompoko, fa famakin'olona nindramina iny!

6 Dia hoy i Elisa taminy: Taiza no nahalatsahan'ny lelam-pamaky? Dia natorony azy ny toerana; ka nanapaka rantsan-kazo iray i Elisa ary natsipiny teo; dia nitsinkafona ilay lelam-pamaky.

7 Ary hoy i Elisa: Alaovy amin'izao. Dia natsotrany ny tanany mba hangalany azy.

8 Fony niady tamin'i Israely ny mpanjakan'i Siria ka nila hevitra tamin'ny manamboninahiny, dia nilaza izay toerana tiany hitobian'ny tafiny.

9 Fa i Elisa olon'Andriamanitra kosa naniraka olona nankany amin'ny mpanjakan'i Israely nanao hoe: Tandremo fandrao mandalo amin'izany toerana izany fa any no misy ny tafika sirianina.

10 Ary nandefa miaramila hiambina ny toerana voatondron'ilay olon'Andriamanitra ny mpanjakan'i Israely. Imbetsaka i Elisa no mampitandrina ny mpanjakan'i Israely, koa dia mailo aoka izany izy.

11 Nampanahy mafy ny mpanjakan'i Siria izany zavatra izany, ka niantso ny manamboninahiny izy ary nanao taminy hoe: Tsy ambaranareo amiko ve izay mpamadika amintsika ireto ka miasa ho an'ny mpanjakan'i Israely?

12 Dia hoy navalin'ny manamboninahitra iray azy: Tsy misy izany mpamadika izany aminay, ry andriamanjaka! Fa i Elisa mpaminany ao amin'i Israely ihany no manambara amin'ny mpanjakany na dia izay teny lazainao ao an'efitrano fandrianao aza.

13 Ary hoy ny mpanjakan'i Siria: Andeha tadiavo izay toerana misy azy mba hahazoako misambotra azy. Rehefa nilazana ny mpanjaka fa ao Dotana i Elisa,

14 dia nandefa antoko-miaramila matanjaka miaraka amin'ny soavaly sy kalesy izy; ka tonga alina ireo miaramila ary nanao fahirano ny tanana.

15 Ny ampitso, raha nifoha maraina ny mpanompon'i Elisa ka nivoaka ny tanana, dia nahita ireo miaramila mbamin'ny soavaly sy kalesy nanodidina ny tanana, ary niteny tamin'i Elisa hoe: Loza ity, tompoko! Ahoana no hataontsika?

16 Fa novaliany hoe: Aza matahotra fa be lavitra noho ny mpomba azy ny mpomba antsika.

17 Avy eo i Elisa dia nivavaka hoe: TOMPO o, sokafy re ny mason'ity mpanompoko ity mba hahitany. Dia nosokafan'ny TOMPO ny mason'ilay mpanompo ka hitany ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa.

18 Fa raha nidinan'ny miaramila sirianina i Elisa, dia nivavaka indray ka nanao hoe: Tompo o, mba tampeno ny mason'ireo miaramila rehetra ireo. Dia nohajambain'ny TOMPO araka ny tenin'i Elisa ny masony;

19 ary hoy i Elisa tamin'ny miaramila: Tsy ity no lalana; ary tsy ity koa ny tanana; fa manaraha ahy ianareo, dia hoentiko any amin'ny olona tadiavinareo ianareo. Kanjo nentin'i Elisa nankany Samaria ireo.

20 Ary nony tonga tao Samaria avokoa izy, dia mbola nivavaka i Elisa hoe: TOMPO o, sokafy re ny mason'ireto mba hahitany ankehitriny. Koa rehefa nosokafan'ny TOMPO ny masony, dia hitany fa indreo izy teo afovoan'i Samaria.

21 Nony nahita ireo miaramila rehetra ireo ny mpanjakan'i Israely, dia niteny tamin'i Elisa hoe: Ry ikaky, hasiako ho faty ve ireo?

22 Hoy kosa ny navalin'i Elisa: Tsia! Aza mamely azy. Fanaonao angaha ny mamono ho faty izay nobaboinao tamin'ny sabatra na tamin'ny tsipika? Koa rosoy mofo sy rano ireo hohaniny sy hosotroiny; ary avelao izy hiverina any amin'ny tompony.

23 Dia nanaovan'ny mpanjaka fanasam-be izy rehetra, ka rehefa avy nihinana sy nisotro, dia nasainy niverina any amin'ny tompony. Natsahatr'ireo Sirianina mpandroba kosa ny fitsofohana amin'ny tanin'i Israely.

24 Taorian'izany dia novorin'i Bena-Hadada mpanjakan'i Siria ny tafiny manontolo mba handeha hanao fahirano an'i Samaria.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.004