Genesỳ

Toko faha-27

26 Taorian'izany, dia hoy i Itsehaka rainy taminy: -Manatona kely hoe ny zanako ka manoroha ahy!

27 Dia nanatona i Jakoba ka nanoroka an-drainy. Ary nony ren'i Itsehaka ny fofon'ny fitafiany, dia nitsodrano azy izy nanao hoe: Endrey izany fofon'ny zanako, fa tahaka ny fofon'ny saha notahin'ny TOMPO!

28 Homen'Andriamanitra anao anie ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany ary ny vary aman-divay betsaka!

29 Hanompo anao anie ireo firenena ary hiankohoka eo anatrehanao ny vahoaka maro! Ho tompon'ny rahalahinao anie ianao ka hiankohoka eo anoloanao ireo zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay manozona anao ary hohasoavina izay manisy soa anao!

30 Nivoaka ny efitrano i Jakoba, nony vitan'i Itsehaka ny fitsofan-drano azy. Nefa raha vao nidify teo anatrehan'ny rainy izy, dia tonga kosa i Hesao rahalahiny avy nihaza.

31 Nanamboatra hanim-py koa izy dia nitondra izany tany amin'ny rainy sady niteny taminy hoe: -Miarena, ry dada, mihinana amin'ny haza namboariko, mba hitsofanao rano ahy.

32 Fa hoy i Itsehaka taminy: -Iza moa ianao? Ka novaliany hoe: -Izaho no Hesao, zanakao lahimatoa.

33 Dia nangovitra fatratra i Itsehaka, ka nanontany hoe: -Fa iza ary ilay nihaza, dia nitondra ny hazany teto amiko ka nihinanako talohan'ny nahatongavanao? Izy no efa notsofiko rano; eny, hotahina tokoa izy.

34 Rehefa nandre ny tenin-drainy i Hesao, dia nikiakiaka mafy noho ny alahelony ka nanao hoe: -Dada o, mba omeo tsodrano koa aho!

35 Fa namaly i Itsehaka hoe: -Tonga teto ny rahalahinao namitaka ahy, ka lasany ny tsodrano tokony ho anao.

36 Dia hoy i Hesao tamin-drainy: -Tsy mandia tokoa ve ny anarany hoe Jakoba, Ilay mpisoloky? Fa efa nisoloky ahy indroa izy izao; efa nalainy ny fizokiako, ary ankehitriny lasany koa ny tsodrano tokony ho ahy! Moa tsy mba misy tsodrano notahirizinao ho ahy ve?

37 Namaly azy i Itsehaka hoe: -Efa nataoko ho tomponao izy ary nomeko ho mpanompony ny rahalahiny rehetra. Nomeko azy koa ny vary aman-divay. Koa tsy misy azoko atao ho anao intsony, anaka!

38 Fa mbola niteny indray i Hesao hoe: -Moa tokana ihany ve ny tsodranonao, ry dada? Dada o, izaho koa re mba tsofy rano e!

39 Dia nitomany mafy i Hesao. Fa ny rainy kosa nanao taminy hoe: Indro ny fonenanao ho lavitry ny tany lonaka sy ho lavitry ny ando midina avy any an-danitra.

40 Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao. Nefa hiavo-tena ianao ka hanapotika ny ziogany hiala amin'ny vozonao.

41 Ary nankahalain'i Hesao i Jakoba, satria nahazo ny tsodranon-drainy; ka hoy i Hesao anakampo hoe: Efa akaiky ny andro hisaonana an'i dada, ary amin'izay no hamonoako an'i Jakoba rahalahiko.

42 Rehefa nampandrenesina ny fikasan'i Hesao lahimatoany i Rebeka, dia nampiantso an'i Jakoba faralahiny ka nanao taminy hoe: -Tandremo fa te hamaly ny nataonao i Hesao rahalahinao ka hamono anao ho faty.

43 Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho! Mandehana mandositra any amin'ny anadahiko any Harana.

44 Mitoera any aminy aloha mandritra ny fotoana vitsivitsy, mandra-pitony ny rahalahinao.

45 Rehefa afaka ny hatezeran'ny rahalahinao aminao ka hadinony izay nataonao taminy, dia haniraka haka anao any aho; fa nahoana moa aho no hamoy anareo roa lahy indray andro?

46 Ary hoy i Rebeka tamin'i Itsehaka: -Efa mankaleo ahy mihitsy ny fiainako noho ny afitsok'ireto vinantovavy hetita ireto. Raha hanambady zazavavy tompon-tany toy ireo i Jakoba, dia aleoko maty!

Toko faha-28

1 Dia niantso an'i Jakoba i Itsehaka, ary nanao veloma azy sady nanafatrafatra hoe: -Aza maka vady amin'ny zanakavavin'ny Kanahanita.

2 Miainga ka mandehana any Mezopotamia ambony, any amin'i Betoela raibenao. Any ianao no maka vady amin'ny zanakavavin'i Labana anadahin-dreninao.

3 Hitahy anao anie ilay Andriamanitra Tsitoha, ka hanome taranaka maro mba hahatonga anao ho razamben'ny firenena maro

4 Homeny anao sy ny taranakao anie ny tsodrano nataony tamin'i Abrahama mba hahazoanao ny tany fivahinianao, dia ny tany izay efa nomen'Andriamanitra an'i Abrahama.

5 Koa nalefan'i Itsehaka ho any Mezopotamia ambony i Jakoba, ho any amin'i Labana, zanakalahin'i Betoela izay aramianina sady anadahin'i Rebeka renin'i Hesao sy i Jakoba.

6 Ary hitan'i Hesao fa nanao veloma an'i Jakoba i Itsehaka sady efa nandefa azy haka vady any Mezopotamia ambony; ary teo am-panaovam-beloma dia nanafatrafatra azy izy mba tsy hanambady zazavavy kanahanita.

7 Nankato an-drainy sy reniny tokoa i Jakoba ka lasa nankany Mezopotamia ambony.

8 Hitan'i Hesao kosa tamin'izay fa tsy nahafaly an'i Itsehaka rainy ireo zazavavy kanahanita.

9 Noho izany, dia lasa izy nankany amin'i Jismahela, zanakalahin'i Abrahama, ka naka vady an'i Mahalato zanany vavy sady anabavin'i Nebaiota, ho fanampin' izay efa nananany.

10 Niala tao Beera-Seba i Jakoba ka nankany Harana.

11 Ary tratry ny masoandro milentika teo amin'ny toerana iray izy ka nandry teo. Dia naka vato tamin'izany toerana izany izy nataony ondana, ka natory teo.

12 Nanonofy izy ka indro nisy tohatra natsangana avy amin'ny tany ary nahatakatra ny lanitra ny tendrony; dia indreo nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.

13 Ary niseho teo anoloan'i Jakoba ny TOMPO Andriamanitra ka nanao hoe: -Izaho no TOMPO, Andriamanitr'i Abrahama raibenao sy Andriamanitr'i Itsehaka. Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao.

14 Ho maro tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao ka hiely hianatsimo sy hianavaratra ary hiankandrefana sy hiantsinanana. Amin'ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.

15 Hiaraka aminao Aho ary hiaro anao amin'izay rehetra alehanao ka hitondra anao miverina amin'ity tany ity. Tsy handao anao aho ary hotanterahiko izay rehetra nampanantenaiko anao.

16 Taitra tamin'ny torimasony i Jakoba ka nanao hoe: -Tena eto amin'ity toerana ity tokoa ny TOMPO, fa izaho no tsy nahalala.

17 Ary natahotra izy ka nanao hoe: -Tena mahatahotra ity toerana ity, izay tsy hafa fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra.

18 Dia nifoha vao maraina i Jakoba, ary nalainy ilay vato nataony ondana ka naoriny ho tsangambato ary nohosorany menaka teo an-tampony.

19 Dia nantsoiny hoe Betela na hoe tranon'Andriamanitra io toerana io, fa Lozy no anaran'izany tanana izany taloha.

20 Nanao voady teo i Jakoba ka niteny hoe: -Raha miaraka amiko ny Tompo ka miaro ahy amin'izao lalana alehako izao, ary manome ahy izay hohaniko sy hotafiko,

21 ka mahatafaverina ahy soa aman-tsara any an-tranon-draiko, dia ny TOMPO no ho Andriamanitro.

22 Ary ity vato izay efa naoriko ho tsangambato ity dia hanjary tranon'Andriamanitra, ka ny ampahafolon'izay rehetra homeny ahy dia hatolotro Azy.

Toko faha-29

1 Ary niainga i Jakoba ka nankany amin'ny tany atsinanana, dia ny tanindrazan-dreniny.

2 Indray andro izy, dia nahatazana fantsakana teny an-tsaha, ary indreo nisy ondry aman'osy andiany telo nandry teo anilany, fa io fantsakana io no fampisotroana ny biby fiompy. Misy vato lehibe manarona ny vavan'ny fantsakana.

3 Rehefa tafangona avokoa ireo andiany rehetra, dia esorina ny vato amin'ny vava fantsakana ary ampisotroina ny andian'ondry aman'osy; aorian'izany, dia averina ho amin'ny toerany eo amin'ny vava fantsakana ilay vato.

4 Nanontany an'ireo mpiandry ondry i Jakoba hoe: -Ry rahalahy, avy aiza moa ianareo? Ka hoy ireo hoe: -Avy any Harana izahay.

5 Dia niteny indray i Jakoba hoe: -Fantatrareo ve i Labana, zafin'i Nahora? Ka novalian'ireo hoe: -Eny, fantatray izy.

6 Fa nanontany ihany i Jakoba hoe: -Salama ihany ve izy? Dia hoy ireo taminy: -Salama izy, ary inty i Rahely zanany vavy fa tonga miaraka amin'ny andian'ondriny.

7 Ary hoy Jakoba hoe: -Mbola antoandro loatra ny andro, ka tsy mbola fotoana fanangonana ny biby fiompy; fa ampisotroy aloha ireo, dia andraso ihany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8865