Genesỳ
Toko faha-26
11 Ary i Abimeleka mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra hoe: -Izay mikasikasika an'ity lehilahy ity sy ny vadiny dia hovonoina ho faty tokoa.12 Tamin'izany taona izany dia namafy tao amin'io tany io i Itsehaka, ka nahazo zato heny satria notahin'ny TOMPO.
13 Tsy nitsaha-nitombo ny fananany ka tonga mpanan-karena be izy.
14 Nanana andian'ondry aman'osy sy andian'omby ary mpanompo maro izy, ka nialonan'ny Filistinina.
15 Izany no antony nanotofan'izy ireo tany ny lavaka fantsakana izay nohadin'ny mpanompon'i Abrahama rainy fony fahavelony.
16 Dia niteny tamin'i Itsehaka i Abimeleka hoe: -Miala eto aminay satria efa tonga mahery lavitra noho izahay ianao izao.
17 Koa niala teo i Itsehaka, dia nanorin-day tao an-dohasahan'i Gerara ka nipetraka tao.
18 Nasainy nosokafana ireo fantsakana izay voahady fony fahavelon'i Abrahama rainy fa nototofan'ny Filistinina taorian'ny nahafatesany. Ary naveriny tamin'ireny fantsakana ireny indray ny anarana izay efa nomen-drainy azy.
19 Indray andro dia nihady lavaka fantsakana tao an-dohasaha ireo mpanompon'i Itsehaka ka nahita loharano velona.
20 Dia niady tamin'ireo mpiandry ondrin'i Itsehaka ireo mpiandry ondry tao Gerara ka nanao hoe: -Anay ny rano. Dia nantsoin'i Itsehaka hoe Heseka izany hoe Fifandirana ny fantsakana, satria nifandiran'ireo izy.
21 Dia nihady lavaka fantsakana hafa koa ireo mpanompon'i Itsehaka, nefa nilan'ireo sotasota indray. Io fantsakana io dia nantsoina hoe Sitna, izany hoe Sotasota.
22 Koa niala tao izy ary nampandavaka fantsakana hafa indray; fa tsy mba niadian'ireo kosa io ka nantsoin'i Itsehaka hoe Rehobota na Fahalalahana, satria hoy izy hoe: Ankehitriny ny TOMPO dia efa nanome toera-malalaka ho antsika mba hahazoantsika fahombiazana eto amin'ity tany ity.
23 Dia niala teo izy ka nankany Beera-Seba.
24 Nisehoan'ny TOMPO izy nony alina ka nilazany hoe: -Izaho no Andriamanitr'i Abrahama rainao. Aza matahotra fa miaraka aminao Aho, ary mitahy anao. Hampitomboiko ny taranakao noho ny fampanantenana efa nataoko tamin'i Abrahama mpanompoko.
25 Nanorina alitara teo i Itsehaka ka nivavaka tamin'Andriamanitra sady niantso Azy hoe TOMPO. Namelatra ny lainy izy ary nihady lavaka fantsakana hafa koa ireo mpanompony.
26 Niainga avy tao Gerara i Abimeleka ka nankany amin'i Itsehaka niaraka tamin'i Ahozata sakaizany sy i Pikola komandin'ny tafiny.
27 Nanontany azy ireo i Itsehaka hoe: -Inona moa no alehanareo aty amiko, kanefa ianareo nankahala sy nandroaka ahy?
28 Dia novalian'ireo hoe: -Tsapanay tokoa fa momba anao ny TOMPO; koa nihevitra izahay fa tokony hanao fifanekena ombam-pianianana isika.
29 Mianiana ary aminay fa tsy hanisy ratsy anay ianao tahaka ny tsy nampijalianay anao. Tsy nisy afa-tsy ny soa no nataonay taminao ka nalefanay ombam-piadanana ianao, izay efa notahin'ny TOMPO ankehitriny.
30 Dia nanao fanasana ho an'i Abimeleka i Itsehaka, ka nihinana sy nisotro izy.
31 Nifoha maraina avy izy ireo ny ampitso ary samy nifanao velirano. Avy eo nalefan'i Itsehaka izy telo mianaka, ka lasa nody ombam-piadanana.
32 Androtr'iny ihany dia tonga ireo mpanompon'i Itsehaka nanambara taminy ny vaovao momba ny fantsakana izay nolavahany ka nilaza hoe: -Nahita rano izahay.
33 Nantsoin'i Itsehaka hoe Sibeha (na hoe Fianianana) ilay fantsakana. Izany no nanaovana ny anaran'ny tanana hoe Beera-Seba na hoe Fantsakana fianianana mandraka androany.
34 Feno 40 taona i Hesao raha nampakatra vehivavy hetita anankiroa ho vadiny, dia i Jehodita zanakavavin'i Bery sy i Basemata zanakavavin'i Elona.
35 Nangidy hoditra tamin'i Itsehaka sy i Rebeka izy roa vavy ireo.
Toko faha-27
1 Efa antitra i Itsehaka ary efa pahina ny masony ka tsy nahita tsara intsony. Dia niantso an'i Hesao zanany lahimatoa izy ka nanao taminy hoe: -Ry Hesao a! Ary hoy ny navaliny azy: -Inty aho! Dia hoy i Itsehaka hoe:2 Hitanao izao fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako.
3 Izao ankehitriny izao, raiso ny fiadianao, dia ny tsipikanao sy ny zana-tsipikanao ka mandehana mihaza; ary ento ho ahy izay haza azonao,
4 ka anamboaro hanim-py ho ahy araka ilay tiako, ary ento aty hohaniko. Avy eo dia hotsofiko rano ianao alohan'ny hahafatesako.
5 Nohenoin'i Rebeka anefa ny resak'i Itsehaka sy i Hesao; koa rehefa lasa nandeha nihaza i Hesao,
6 dia niantso an'i Jakoba zanany i Rebeka ka nanao hoe: -Reko ny rainao nilaza tamin'i Hesao hoe:
7 Itondray haza aho ary anamboary hanim-py hohaniko izany; fa rehefa avy mihinana aho, dia hotsofiko rano eo anatrehan'ny TOMPO ianao alohan'ny hahafatesako.
8 Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho ary ataovy izay andidiako anao.
9 Mankanesa any amin'ny andian'ondry aman'osy, ka maka zanak'osy roa izay tsara, fa hanamboarako hanim-py araka ilay tian-drainao.
10 Hoentinao any amin-drainao izany hohaniny ka hanomezany tsodrano anao alohan'ny hahafatesany.
11 Fa hoy i Jakoba tamin'ny reniny: -I Hesao rahalahiko dia voloina, fa izaho kosa malama hoditra.
12 Koa raha mitsapa ahy ny raiko, dia ho fantany fa mamitaka azy aho; ka hahatonga ozona amiko fa tsy tsodrano izany.
13 Namaly azy kosa ny reniny hoe: -Aoka ho ahy ny ozona, anaka; fa araho ny teniko ka mandehana akao ireo zanak'osy ireo aho.
14 Dia nandeha i Jakoba naka ireo zanak'osy ka nitondra azy tany amin-dreniny, dia nanamboaran-dreniny hanim-py araka ilay tian'i Itsehaka.
15 Avy eo dia nalain'i Rebeka ny fitafian'ny lahimatoany izay tsara indrindra tao an-trano, ka natafiny an'i Jakoba.
16 Nalainy koa ny hoditr'osy ka namonosany ny sandriny sy ny faritra malama teo amin'ny vozony;
17 dia natolony azy ny hanim-py sy ny mofo efa namboariny.
18 Dia lasa i Jakoba nankany amin'ny rainy ka niteny hoe: -Dada o! Namaly kosa izy hoe: -Inty aho, anaka, fa iza moa ianao?
19 Dia hoy i Jakoba taminy: -Izaho no Hesao, zanakao lahimatoa, efa nanao araka izay nolazainao aho; koa miarena ary mipetraha hihinana avy amin'ny hazako, mba hitsofanao rano ahy.
20 Nanontany azy kosa i Itsehaka hoe: -Ahoana no nahitanao haza faingana toy izao, anaka? Fa namaly izy hoe: -Ny TOMPO Andriamanitrao no nampahatonga azy teo anatrehako.
21 Dia hoy i Itsehaka tamin'i Jakoba: -Manatona kely hoe, anaka, hitsapako anao mba hahafantarako raha i Hesao zanako tokoa ianao na tsia.
22 Nanatona an'Itsehaka rainy i Jakoba ka notsapainy, ary nilazany hoe: -Ny feony dia feon'i Jakoba, nefa ny tanany kosa dia tanan'i Hesao.
23 Tsy fantatr'i Itsehaka i Jakoba, satria rakotra volo toy ny tanan'i Hesao rahalahiny ny sandriny. Kanefa talohan'ny hitsofany rano azy,
24 dia nanontany azy indray izy hoe: -Ianao tokoa ve no Hesao zanako? Ka novalian'i Jakoba hoe: -Eny, izaho no izy.
25 Dia hoy indray i Itsehaka taminy: -Arosoy ary hihinanako izato hazan-janako mba hitsofako rano anao. Dia norosoany izy ka nihinana, ary nitondrany divay koa ka nisotro.