2 Samoela
Toko faha-16
12 Angamba ho hitan'ny TOMPO ny fahantrako, ka hampodiny ho fanambinana ny fanozonany ahy androany.13 Fa raha mbola nanohy ny diany i Davida sy ny olony, dia nandroso tsy lavitra azy ireo tamin'ny tehezan-tendrombohitra kosa i Simehy, sady mbola nanozona sy nitora-bato ary namafy vovoka.
14 Reraka mafy ny mpanjaka sy ny olona rehetra tafaraka taminy raha tonga teo amoron'i Jordana, koa dia naka aina teo.
15 Tonga tao Jerosalema i Absaloma sy ny vahoaka Israelita isan-karazany; ary tafaraka taminy koa i Ahitofela.
16 Rehefa mby teo amin'i Absaloma i Hosay, ilay Arkita sakaizan'i Davida, dia niantsoantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! Ho ela velona anie ny mpanjaka!
17 Fa hoy i Absaloma tamin'i Hosay: Izao va no fitiavanao an'i Davida sakaizanao? Nahoana ianao no tsy mba nandeha niaraka taminy?
18 Ary hoy i Hosay tamin'i Absaloma: Tsy niaraka taminy aho, satria ny tiako hiarahana dia ianao ilay nofidin'ny TOMPO sy nofidin'ireto vahoaka ireto izany hoe ny Israelita isan-karazany; ka ao aminao no hitoerako.
19 Faharoa manaraka izany, iza ianao hotompoiko izao, moa tsy ny zanakalahin'ilay sakaizako ihany va? Tahaka izay efa nanompoako an-drainao no hanompoako anao koa.
20 Hoy i Absaloma tamin'i Ahitofela: Mifampidiniha ianareo ny amin'izay tokony hataontsika:
21 Dia hoy kosa i Ahitofela tamin'i Absaloma: Mandehana mandry amin'ny vadikelin-drainao izay nasainy niandry ny trano. Ho fantatry ny Israelita rehetra fa nanao izay nahafa-baraka an-drainao ianao, ka dia hahery ny tanan'izay rehetra mpomba anao.
22 Nananganan'ny olona lay teo an-tampon-trano i Absaloma, ka nandry tamin'ny vadikelin-drainy tao teo imason'ny Israelita rehetra izy. 23 Tamin'izay ny torohevitr'i Ahitofela dia natao ho tahaka ny tenin'Andriamanitra; ary toy izany avokoa ny torohevitra nataony na tamin'i Davida na tamin'i Absaloma.
Toko faha-17
1 Hoy i Ahitofela tamin'i Absaloma: Aoka aho hifidy lehilahy 12 000 hoentiko hanenjika an'i Davida anio alina.2 Hotampohiko amin'ilay mbola sasatra sy reraka iny izy ka hampihorohoroiko. Handositra ny olona rehetra tafaraka taminy, ary ny mpanjaka irery no hovonoiko ho faty.
3 Dia haveriko ho aty aminao ny vahoaka rehetra; satria miankina amin'ny fahazoana io lehilahy tadiavinao io ny hiverenan'ny besinimaro aminao ka hiadanan'ny vahoaka rehetra.
4 Nahafaly an'i Absaloma sy ny loholon'i Israely rehetra izany hevitra izany.
5 Kanefa hoy i Absaloma hoe: Antsoy koa i Hosay, ilay Arkita, mba handrenesantsika izay teniny.
6 Rehefa tonga teo amin'i Absaloma i Hosay, dia nilazany hoe: Izao no notenenin'i Ahitofela, ka harahintsika ve ny teniny? Raha tsy sitrakao izany, dia mitenena ianao.
7 Fa hoy ny navalin'i Hosay an'i Absaloma: Tamin'ity dia tsy tsara ny torohevitr'i Ahitofela.
8 Ka hoy aho hoe: Fantatrao tsara ny rainao sy ireo olony; fa kalaza ireo sady masiaka tahaka ny orsa very anaka any an-tsaha. Ary ny rainao dia lehilahy mpiady ka tsy mba miara-mitoetra amin'ny vahoaka nony alina.
9 Indro izy ankehitriny fa miery any an-davabato na any an-toeran-kafa any. Raha manomboka misy voa amintsika, izay mandre ny vaovao dia hanao hoe: Nahafatesana ny olona mpanaraka an'i Absaloma.
10 Koa na dia izay be herimpo indrindra toy ny liona aza dia hivalaketraka, satria fantatry ny Israelita rehetra fa kalaza ny rainao ary mahery fo ireo tafaraka aminy.
11 Izao ary no mba torohevitro: Vorio eto aminao ny miaramila israelita rehetra, hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba ka ho toy ny fasika amoron-dranomasina ny hamaroany; ary ny tenanao mihitsy no hiantafika miaraka aminy.
12 Ho tonga any amin'izay itoeran'i Davida isika, ka hilatsaka aminy toy ny filatsaky ny ando amin'ny tany; ary tsy hasiantsika miangana na dia iray akory aza izy mbamin'ny olona rehetra tafaraka aminy.
13 Fa raha mitsoaka mankamin'ny tanana iray izy, dia hitondran'i Israely manontolo tady mahazaka izany tanana izany, ka hotarihintsika hivarina any amin'ny ranon-driaka mandra-pahafoana azy tsy hisy vato kely iray hita ao intsony.
14 Ary hoy i Absaloma sy ny lehilahy israelita rehetra hoe: Tsara noho ny torohevitr'i Ahitofela ny an'i Hosay, ilay Arkita! Efa nataon'ny TOMPO manko izay tsy hampahomby ny torohevitr'i Ahitofela, na dia tsara aza, mba hampidirany loza amin'i Absaloma.
15 Hoy i Hosay tamin'i Tsadoka sy i Abiatara mpisorona: Izany sy izany no torohevitra nomen'i Ahitofela an'i Absaloma sy ireo loholon'i Israely, ary dia izay sy izay kosa ny torohevitra nomeko.
16 Ankehitriny, maniraha haingana hampandre an'i Davida; lazao izy tsy hijanona amin'ny lemak'i Jordana rahalina fa mita faingana raha tsy te ho ringana na ny tenany na ireo olona rehetra tafaraka aminy.
17 Dia niandry tao Haina-Rogela i Jonatana sy i Ahimahatsa; ary nisy ankizivavy nilaza tamin'izy roa lahy mba hahafahany kosa mampandre an'i Davida mpanjaka, satria natahotra ny hisy mpahita izy raha miditra ny tanana.
18 Nefa nisy tovolahy iray nahita azy roa lahy ireo ka nanambara tamin'i Absaloma; fa nandositra faingana izy roa lahy ary tonga tany Bahorima tao an-tranon'ny lehilahy iray, izay nisy lava-pantsakana teo an-tokotaniny. Dia nidina tao ireo.
19 Naka labasy ny vadin'ilay rangahy tompon-trano ka narakony teo am-bavan'ny lava-pantsakana sy nanahazany voan-javatra mba tsy hanampoizana na inona na inona.
20 Ary niditra tao an-tranon'ilay ramatoa ny mpanompon'i Absaloma ka nanao hoe: Aiza i Ahimahatsa sy i Jonatana? Dia hoy ny navalin'ilay vehivavy taminy: Nita ny rano izy ireo. Rehefa nitady ihany ireto mpanompon'i Absaloma ka tsy nahita, dia niverina nankany Jerosalema.
21 Nony lasa ireo, dia niakatra avy tao an-dava-pantsakana izy roa lahy ka lasa nanambara tamin'i Davida mpanjaka ny torohevitra nataon'i Ahitofela hamelezana ny tenany sy ny mpomba azy, ary nilaza hoe: Miainga, ka mita faingana ny rano.
22 Ary lasa i Davida sy ireo mpanaraka azy niampita ny ranon'i Jordana; ka nony maraina ny andro, dia tsy nisy tsy tafita an'i Jordana na dia olona iray aza.
23 Nony hitan'i Ahitofela fa tsy narahina ny heviny, dia nasiany lasely ny borikiny, ary lasa izy nody tany an-tanana fonenany. Rehefa avy nanafatra ny ankohonany izy, dia nananton-tena ary maty ka nalevina tao amin'ny fasan-drainy.
24 Tonga tao Mahanaima i Davida, raha nita an'i Jordana i Absaloma mbamin'ny miaramila rehetra amin'i Israely.
25 Notendren'i Absaloma ho lehiben'ny tafika hisolo an'i Joaba i Hamasa. Io Hamasa io dia zanakalahin'ilay Israelita atao hoe Jitra, ilay niray tamin'i Abigaila zanakavavin'i Nahasy ary rahavavin'i Tseroia, renin'i Joaba.
26 Nitoby tao amin'ny faritany Gilehada i Absaloma sy ny Israelita.
27 Rehefa tonga tao Mahanaima i Davida, dia indreo tamy i Soby zanakalahin'i Nahasy avy any Raba renivohitry ny Hamonita, sy i Makira zanakalahin'i Hamiela avy any Lo-Debara, ary i Barzilay izay Gilehadita avy any Rogelima.
28 Izy telo lahy ireo dia nitondra ho an'i Davida sy ny olona tafaraka taminy fitaovam-pandriana, lamba volonondry, lovia bakoly sy vilany tany, ary sakafo isan-karazany: varimbazaha, orza, lafarinina, lango, tsaramaso, voanemba,
29 tantely, rononomandry, ary hena ondry sy hena omby; fa hoy izy telo lahy hoe: Matin-kanoanana sy main'ny hetaheta ary sasatry ny dia tany an-taniefitra ireo olona ireo.
Toko faha-18
1 Nampilaharin'i Davida ny miaramila izay niaraka taminy ka nanendreny mpifehy arivo sy mpifehy zato hibaiko azy.2 Nasain'i Davida hiainga ny tafiny; ka ny ampahatelony nofehezin'i Joaba, ny ampahatelony hafa nofehezin'i Abisay zanakalahin'i Tseroia sady rahalahin'i Joaba, ary ny ampahatelo farany nofehezin'i Itahy izay avy any Gata. Dia hoy ny mpanjaka tamin'ireto miaramila: Izaho koa dia handeha hiaraka aminareo.
3 Fa hoy kosa ny miaramila hoe: Tsy mahazo mandeha ianao. Satria raha mandositra izahay, dia tsy hisy fahavalo hiraharaha akory; ary na dia maty avokoa aza ny antsasakay, dia tsy hahoany. Fa ianao kosa dia toy ny iray alina eo aminay; koa tsaratsara kokoa raha avy aty an-tanana ianao no mandefa famonjena ho anay.
4 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ihany no hataoko. Dia nitsangana teo am-bavahady ny mpanjaka, raha nivoaka tsizatozato sy tsiarivoarivo ny tafiny manontolo.
5 Nandidy an'i Joaba sy Abisay ary Itahy ny mpanjaka hoe: Noho ny amiko, dia aoka ianareo tsy hikasi-tanana ny zatovolahy Absaloma. Ary ny miaramila rehetra dia samy nandre ny nanomezan'ny mpanjaka didy momba an'i Absaloma.
6 Nivoaka nankeny an-tsaha ny miaramilan'i Davida hifanehatra amin'ny Israelita hafa ka rafitra tao amin'ny alan'i Efraima ny ady.
7 Nilavo lefona teo anatrehan'ny mpanompon'i Davida ny tafik'i Israely. Navesatra loatra ny faharesena tamin'io andro io fa nahatratra 20 000 ny olona maty.
8 Nitatra eran'ny firenena ny ady, ka be ny maty tany an'ala tamin'izay noho ny maty an'ady.
9 Nifanehatra tampoka tamin'ny miaramilan'i Davida i Absaloma raha iny nitaingina boriky iny izy. Nitsofoka tany an-tsefatsefaky ny rantsan'ny hazo terebinta lehibe ilay ampondra, ka voasaringotry ny terebinta ny lohan'i Absaloma; ary lasa nanohy dia ilay boriky, fa izy kosa nihantona teo anelanelan'ny lanitra sy ny tany.
10 Nahita azy ny lehilahy iray ka nilaza tamin'i Joaba hoe: Hitako mihantona amin'ny terebinta i Absaloma.