2 Samoela

Toko faha-12

1 Naniraka an'i Natana mpaminany ho any amin'i Davida ny TOMPO. Rehefa tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe: Nisy lehilahy roa tao amin'ny tanana iray, ny anankiray mpanankarena ary ny anankiray mahantra.

2 Nanana ondry sy omby marobe ilay mpanankarena;

3 fa ilay mahantra kosa tsy nanana afa-tsy ondrivavikely iray izay novidiny. Nofahanany tsara izy io, ka niara-nitombo tamin'ireo zanany tao aminy. Ny sakafo fihinan'ilay mahantra no nihinanany; ny ronono fisotrony no nisotroany; ary teo akaikiny no nampatoriany.

4 Indray andro, nandray vahiny ilay manankarena. Tsy mba naka tamin'ireo omby aman'ondriny anefa izy hamahanany azy, fa ny ondrivavikelin'ilay mahantra no nalainy ka namboariny ho an'ilay vahiny.

5 Tezitra mafy tamin'izany lehilahy izany i Davida ka nilaza tamin'i Natana hoe: Velona ny TOMPO ka manizingizina aho fa mendrika ny ho faty izay olona nanao izany!

6 Ary ny ondrivavikely dia hosoloiny avo efatra heny, satria nanao izany tsy nisy antra izy.

7 Dia hoy i Natana tamin'i Davida: Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain'ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely: Izaho no nanosotra anao ho mpanjakan'i Israely sady namonjy anao ho afaka tamin'ny famelezan'i Saoly.

8 Natolotro hofehezinao ny fianakavian'i Saoly ary nataoko tonga andefimandrinao ny vadiny; natolotro ho eo ambany fahefanao ny vahoakan'i Israely sy i Joda. Ary raha mbola tsy ampy anao izany, dia ho nomeko toy izany ianao.

9 Koa nahoana no tsy noraharahainao ny teniko tamin'ny nanaovanao izay ratsy eo imasoko? Nasianao tamin'ny sabatra i Oria ilay Hetita ary nalainao ho vadinao ny vadiny; eny, ianao no nahafaty azy tamin'ny sabatry ny Hamonita.

10 Noho izany, dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria tsy noraharahainao Aho fa nalainao ny vadin'i Oria ilay Hetita mba ho vadinao.

11 Izao no lazaiko aminao: Indro fa hahatonga loza amin'ny ankohonanao Aho. Halako eo imasonao ireo vadinao ka homeko olon-kafa izay hiray aminy antoandrobenanahary.

12 Ary ianao nanao izany tao amin'ny miafina, fa Izaho kosa haneho izany antoandrobenanahary eo imason'i Israely manontolo.

13 Dia hoy i Davida tamin'i Natana: Nanota tamin'ny TOMPO aho. Ary hoy kosa i Natana tamin'i Davida: Ny TOMPO efa namela ny helokao, ka tsy ho faty ianao.

14 Nefa noho ianao nampiteny ratsy ny fahavalon'ny TOMPO tamin'izany nataonao izany, dia ny zanaka izay naterakao no ho faty.

15 Dia nody tany an-tranony i Natana. Namely aretina ny zaza izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i Davida ny TOMPO, ka dia narary mafy izy.

16 Nitalaho tamin'Andriamanitra ho an'ilay zaza i Davida, ka nifady hanina; ary rehefa niditra tao an'efitranony izy nony alina, dia nandry tamin'ny tany.

17 Niezaka nankao aminy mba hampiarina azy ireo loholona tao an-dapa, kanefa dia nolaviny; ary tsy nety niara-nisakafo tamin'ireo koa izy.

18 Tamin'ny andro fahafito dia maty ilay zaza. Natahotra ny hilaza aminy ny fahafatesan'ny zaza ireo mpanompon'i Davida, fa nifampiresaka hoe: Fahavelon'ny zaza aza tsy nihaino antsika izy raha mba niteny taminy isika, koa ankehitriny atao ahoana no filaza aminy fa maty ny zaza? Tsy ho loza va?

19 Nony tsikaritr'i Davida fa nitakoritsika ny mpanompony, dia fantany fa maty ny zaza; ka hoy izy nanontany azy ireo: Maty ve ny zaza? Dia hoy ireo hoe: Eny, maty izy.

20 Ary niarina avy teo amin'ny tany i Davida, ka nandro sy nihosotra diloilo ary nisolo akanjo; dia nankao an-tranon'ny TOMPO izy ka nivavaka. Rehefa nody tany aminy izy, dia nangataka horosoana sakafo ka nihinana.

21 Ary hoy ny mpanompony taminy: Inona no dikan'izao? Fahavelon'ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany ianao; fa rehefa maty kosa izy, dia niarina sy nihinan-kanina indray ianao?

22 Ka hoy ny navalin'i Davida: Fahavelon'ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany aho satria nanao anakampo hoe: Iza no mahalala? Angamba hiantra ahy ihany ny TOMPO ka tsy hamela ny zaza ho faty.

23 Maty izy anefa ankehitriny, koa nahoana aho no mbola hifady hanina? Moa mahay mamerina azy ho velona indray va aho? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina amiko intsony.

24 Nampionona an'i Baty-Seba vadiny i Davida, dia nankao aminy ka niray taminy; ary ravehivavy kosa niteraka zazalahy izay nomen'i Davida anarana hoe Salomona. Ary ny TOMPO tia ilay zaza,

25 ka naniraka an'i Natana mpaminany hanome azy anarana hoe Jedidia, izany hoe: Tiavin'ny TOMPO.

26 Notafihin'i Joaba i Raba, renivohitry ny Hamonita ka azony ny tananan'ny mpanjaka.

27 Ary naniraka olona nankany amin'i Davida i Joaba hilaza aminy hoe: Notafihiko i Raba, ka azoko mbamin'ny faritra fitahirizan-dranony.

28 Koa ankehitriny vorio ny miaramila sisa, dia tongava hanao fahirano ny tanana mba hahazoanao azy, fandrao izaho no hahazo azy ka ny anarako no homem-boninahitra.

29 Novorin'i Davida ny miaramila sisa rehetra; ary nankany Raba izy hanafika azy, ka azony ny tanana.

30 Nesoriny teny an-dohan'i Milkoma ny satroboninahitra volamena izay milanja mihoatra ny 30 kilao; ary nisy vatosoa tamin'io satroboninahitra io, ka nafindra ho eo an-tampon'ny satroboninahitr'i Davida. Zavatra marobe koa no voababony avy tao an-tanana.

31 Nataon'i Davida sesitany ny mponina izay tao ka nampiasainy mafy tamin'ny tsofa sy ny lapika ary ny famaky na notereny ho mpandasitra biriky. Nataony toy izany avokoa ireo tanana hafa rehetra fonenan'ny Hamonita. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny tafiny manontolo.

Toko faha-13

1 Izao no nitranga taorian'izany: I Absaloma zanakalahin'i Davida dia nanana anabavy tsara tarehy natao hoe Tamara. Raiki-pitia taminy i Amnona zanakalahin'i Davida anankiray.

2 Niferinaina i Amnona ary nandraiki-narary noho ny amin'i Tamara anabaviny, satria virijiny izy io ka sarotra tamin'i Amnona ny haka azy.

3 Fa i Amnona kosa nanan-tsakaiza natao hoe Jonadaba sady zanakalahin'i Simeha izay rahalahin'i Davida; ary io Jonadaba io dia tena lalin-tsaina.

4 Ka hoy izy tamin'i Amnona: Fa nahoana no maloka endrika isan'andro toy izao ianao, ry zanaky ny mpanjaka? Tsy tianao lazaina amiko ve izany? Dia hoy i Amnona taminy: Tiako i Tamara anabavin'i Absaloma rahalahiko.

5 Ary hoy i Jonadaba taminy: Mandria eo am-parafaranao, ka manaova sari-marary. Rehefa tonga hamangy anao ny rainao, dia lazao hoe: Mba avelao i Tamara anabaviko no hitondra sakafo ho ahy, aoka ho eto imasoko no hikarakarany izany mba ho hitako ka hihinanako izay arosony.

6 Dia nandry i Amnona ka nanao sari-marary. Ary tonga ny mpanjaka hamangy azy ka nilazany hoe: Mba avelao hankaty i Tamara anabaviko hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako izay arosony.

7 Naniraka olona nankany amin'i Tamara i Davida hilaza aminy hoe: Mankanesa kely any amin'i Amnona anadahinao ka manamboara sakafo ho azy.

8 Dia nankany amin'i Amnona anadahiny i Tamara ka nahita azy teo am-pandriana. Naka koba razazavavy, dia nofetainy ary novolavolainy sy nendasiny ho mofo teo imasony.

9 Rehefa izany, dia noraisiny ny lapoaly ka narosony azy ny tao anatiny, nefa tsy nety nihinana izy. Ary hoy i Amnona: Avoahy avokoa ny olona rehetra. Dia nivoaka ny trano avokoa ny olona rehetra.

10 Ary hoy izy tamin'i Tamara: Ento aty am-parafarako ny sakafo mba hihinanako izay arosonao ahy. Dia nalain'i Tamara ny mofo izay namboariny ka nentiny teo am-parafaran'i Amnona anadahiny.

11 Nefa raha iny nandroso mofo hohaniny iny razazavavy, dia nohazonin'i Amnona ka nataony hoe: Avia handry amiko, ranabavy.

12 Fa hoy izy taminy: Tsia, ranadahy, aza manao an-keriny ahy, fa tsy fanao eto Israely izany. Aza manao izany zava-pady izany.

13 Ny amiko, hoentiko mankaiza moa ny henatro? Fa ianao koa dia ho tahaka ny iray amin'ny adala eto Israely. Mitenena re amin'ny mpanjaka fa tsy handa ny hanambadianao ahy izy.

14 Tsy nety nihaino an-drazazavavy anefa i Amnona fa natanjaka noho izy, ka nanao an-keriny azy ary niray taminy.

15 Nony avy teo dia nankahala azy mafy i Amnona, ka be lavitra ny fankahalany azy noho ny fitiavany azy taloha. Hoy i Amnona taminy: Mitsangana ka mandehana any.

16 Fa novaliany hoe: Tsia, fa ho heloka ratsy kokoa noho izay efa nataonao tamiko ny fandroahanao ahy. Nefa mbola tsy nety nihaino azy ihany i Amnona.

17 Dia niantso ny zatovolahiny izy ka nanao taminy hoe: Roahy hiala eto amiko io vehivavy io; dia hidio ny varavarana, rehefa tafavoaka izy.

18 Dia navoakan'ilay mpanompo izy; ary nohidiany ny varavarana, rehefa tafavoaka izy. Nanao akanjo lava misoratsoratra i Tamara; fa izany no fentin'ny zanakavavin'ny mpanjaka, raha mbola virijiny izy.

19 Norarahany lavenona ny lohany ary notriariny ny akanjo lava teny aminy; dia niloloha tanana izy sady nikiakiaka nitomany teny am-pandehanana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9311