2 Samoela
Toko faha-18
11 Ary hoy i Joaba tamin'ilay mpilaza: Hitanao izy, koa nahoana no tsy nasianao ho faty teo ihany? Ho nomeko sekela volafotsy folo sy fehikibo ianao.12 Fa hoy ralehilahy tamin'i Joaba: Na dia homenao sekela volafotsy arivo aza aho, dia tsy haninji-tanana amin'io zanakalahin'ny mpanjaka io, satria ny sofintsika no samy nandre ny nandidian'ny mpanjaka anao sy i Abisay ary i Itahy hoe: Aoka mba tsy hisy hikasika an'i Absaloma.
13 Koa raha nivadika tamin'izany aho ka nahafaty azy, dia tsy misy miafina amin'ny mpanjaka; ary na dia ianao io aza dia hitsangana hiampanga ahy.
14 Koa hoy i Joaba hoe: Tsy handany andro aminao eto aho! Dia noraisiny ny lefona telo ka natrobany ny fon'i Absaloma, raha ilay izy mbola velona ka nihantona tamin'ny terebinta iny.
15 Nanodidina an'i Absaloma ny tovolahy folo mpitondra ny fiadian'i Joaba ka nanapitra ny ainy.
16 Notsofin'i Joaba ny anjomara, dia natsahatr'ireo miaramilan'i Davida ny fanenjehana ny Israelita satria efa nanakana azy i Joaba.
17 Nalaina ny fatin'i Absaloma, ka natsipy tao anaty lavaka lehibe iray tany an'ala dia nasiana antontam-bato lehibe teo amboniny. Ary nandositra nody any an-tranony avokoa ny Israelita rehetra.
18 Fahavelony i Absaloma dia efa nampanao tsangambato ho azy tao an-dohasahan'ny mpanjaka, fa hoy izy anakampo: Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ny anarako aho. Koa ny anaran'ny tenany ihany no niantsoany an'ilay tsangambato. Izany no mbola anaovana azy mandraka ankehitriny hoe Tsangambaton'i Absaloma.
19 Hoy i Ahimahatsa zanakalahin'i Tsadoka: Aoka hihazakazahako any amin'ny mpanjaka ny fitondrana ity vaovao mahafaly ny amin'ny nanomezan'ny TOMPO azy rariny ity ka nanafahany azy tamin'ny fahavalony.
20 Fa hoy i Joaba taminy: Tsia, tsy ho mpitondra vaovao mahafaly ianao raha anio no mankany, satria maty ny zanakalahin'ny mpanjaka; fa amin'ny andro hafa ianao no hitondra vaovao.
21 Ary hoy i Joaba tamin'ny Kosita iray mpanompony: Mandehana ka lazao amin'ny mpanjaka izay efa hitanao! Niankohoka teo anatrehan'i Joaba ilay Kosita, dia lasa nihazakazaka.
22 Fa hoy indray i Ahimahatsa zanakalahin'i Tsadoka tamin'i Joaba: Izay alehany any alehany, fa avelao aho hihazakazaka hanaraka ilay Kosita. Hoy kosa i Joaba hoe: Hihazakazaka ahoana, anaka? Tsy hitondra soa ho anao velively ny vaovao toy izany!
23 Fa novalian'i Ahimahatsa hoe: Tsy mampaninona izany, fa avelao ihany aho handeha. Ka hoy i Joaba taminy: Mandehana ary! Dia nihazakazaka nihazo ny lalan'ny lemak'i Jordana i Ahimahatsa ka nisongona ilay Kosita.
24 Tamin'izay i Davida dia nipetraka teo anelanelan'ny varavaran-droa. Dia niakatra teo amin'ny marin-tampona ambony vavahadin'ny manda ny mpitily; raha niandrandra izy, dia nahatazana lehilahy iray mihazakazaka.
25 Niantso mafy mba hampandre ny mpanjaka ilay mpitily. Dia hoy ny mpanjaka hoe: Raha irery izy, dia vaovao tsara no hambarany. Rehefa nanatona hatrany ilay lehilahy teo,
26 dia nahita olon-kafa nihazakazaka indray ny mpitily. Ka niantso mafy ny mpiandry vavahady izy nanao hoe: Iny koa mbola misy lehilahy iray tamy mihazakazaka. Fa hoy ihany ny mpanjaka: Hitondra vaovao tsara koa izany.
27 Ary hoy ny mpitily hoe: Raha ny fomba fihazakazahany, dia fantatro ilay voalohany fa i Ahimahatsa zanakalahin'i Tsadoka. Dia hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka vaovao tsara no ahatongavany.
28 Ary niantso mafy i Ahimahatsa ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Fiadanana! Niankohoka hatreo amin'ny tany izy teo anatrehan'ny mpanjaka sady nilaza hoe: Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao fa efa natolony anao, ry andriamanjaka, ireo olona nanainga tanana hanohitra anao.
29 Dia hoy ny mpanjaka: Tsara ihany ve ny amin'i Absaloma zatovolahy izay? Fa hoy kosa i Ahimahatsa: Raha naniraka ity mpanomponao ity sy ny tenako i Joaba, dia saritadritaka be no hitako nefa tsy fantatro izay antony.
30 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mihataha kely ianao ka mijanona etsy. Dia nihataka kely izy ka nijanona teo.
31 Ary tonga tamin'izay ilay Kosita ka nanao hoe: Manam-baovao tsara ho anao aho, ry andriamanjaka; fa ankehitriny ny TOMPO efa nanome rariny anao ka nanafaka anao tamin'ireo rehetra nitsangana hikomy aminao.
32 Dia hoy ny mpanjaka tamin'ilay Kosita: Mba tsara ihany ve ny amin'i Absaloma zatovolahy izay? Fa hoy kosa ilay Kosita: Ho tahaka an'iny zatovolahy iny anie, ry andriamanjaka, ny fahavalonao sy izay rehetra mitsangana hanisy ratsy anao!
Toko faha-19
1 Niontam-po ny mpanjaka, ka lasa niakatra nankao amin'ny efitrano teo ambony vavahady mba hitomany. Hoy izy teny am-pandehanana: Ry Absaloma zanako o, ry zanako! Ry Absaloma zanako o! Inay anie aho no maty nisolo anao! Ry Absaloma zanako o, ry zanako!2 Ary nampandrenesina i Joaba hoe: Indro fa mitomany sy malahelo an'i Absaloma ny mpanjaka.
3 Niova ho fisaonana ho an'ny tafika manontolo tamin'io andro io ny fandresena, satria tamin'io no nandrenesany fa nalahelo mafy ny zanany ny mpanjaka.
4 Ny miaramila, tamin'io andro io, dia niditra mangingina tao an-tanana, tahaka ireny olona menatra satria mandositra an'ady ireny.
5 Fa nanaron-tava ny mpanjaka sady mbola nikiakiaka mafy hoe: Ry Absaloma zanako o! Ry Absaloma zanako o! Ry zanako o!
6 Dia nankao amin'ny mpanjaka i Joaba ka nanao taminy hoe: Norakofanao henatra androany ny miaramilanao rehetra izay namonjy aina anao sy ny zanakao lahy aman-janakao vavy ary ny vadinao sy ny vaditsindranonao.
7 Ny mankahala anao manko no tianao, fa ny mitia anao kosa halanao. Nasehonao androany ny mahatsinontsinona eo anatrehanao ny manamboninahitra sy ny miaramila. Eny, fantatro izao fa raha i Absaloma no velona teo ary izahay rehetra kosa no maty, dia ho faly tokoa ianao.
8 Ry andriamanjaka o, mitsangana re ianao ankehitriny, dia mandehana ampaherezo ny fon'ny miaramilanao; raha tsy mankany kosa ianao, dia ianianako amin'ny anaran'ny TOMPO ianao fa tsy hisy olona hitoetra eto aminao intsony anio alina; ary dia ho ratsy lavitra izany noho izay loza rehetra efa nanjo anao hatramin'ny fahatanoranao ka mandraka ankehitriny.
9 Dia nitsangana ny mpanjaka ka nipetraka teo am-bavahady. Ary nambara tamin'ny miaramila fa mipetraka eo am-bavahady ny mpanjaka; koa dia nitangorona teo amin'ny mpanjaka izy rehetra. Efa nandositra nody tany an-tranony avy ny Israelitan'i Absaloma.
10 Nisy ady hevitra nafana tany amin'ny foko israelita rehetra ka nifampilazana hoe: Namonjy antsika tamin'ny tanan'ny fahavalontsika ny mpanjaka, izy no nanafaka antsika teo an-tanan'ny Filistinina; ary ankehitriny, noho ny amin'i Absaloma, dia voatery nandositra ny taniny izy.
11 Fa i Absaloma izay natsangantsika ho filohantsika kosa dia efa maty tamin'ny ady. Koa inona indray no andrasantsika tsy hamerenana ny mpanjaka?
12 Fa i Davida kosa naniraka olona hilaza amin'i Tsadoka sy i Abiatara mpisorona hoe: Mitenena amin'ny loholon'i Joda ianareo ka manontania azy hoe: 'Nahoana no ianareo indray no ho farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka any an-tranony, nefa izay nolazain'ireo Israelita hafa rehetra dia efa tonga any amin'ny mpanjaka!
13 Mpiray foko amin'ny mpanjaka ianareo, ary havany sy tapany, koa nahoana no ianareo indray no ho farany amin'ny fampodiana azy?'
14 Izao kosa no hafatro holazainareo amin'i Hamasa: 'Moa tsy havako sy tapako va ianao? Hataon'Andriamanitra amiko anie ny sazy faran'izay henjana, raha tsy ianao no tonga filohan'ny tafiko ho solon'i Joaba!'
15 Nandresy lahatra ny lehilahin'i Joda rehetra ny tenin'i Davida, ka dia toy ny olona iray ihany izy rehetra no naniraka hilaza amin'ny mpanjaka hoe: Modia re ianao sy ny mpanomponao rehetra!
16 Dia nody ny mpanjaka ka tonga tao Jordana. Tonga tao Gilgala tamin'izay ny olon'i Joda mba hitsena ny mpanjaka sady hampita azy an'i Jordana.
17 Ary i Simehy zanakalahin'i Gera sady Benjaminita avy any Bahorima, dia mba dodona nidina niaraka tamin'ny lehilahin'i Joda hitsena an'i Davida mpanjaka.
18 Nisy Benjaminita arivo lahy nanaraka azy; toraka izany koa i Tsiba, mpanompon'ny fianakavian'i Saoly sy ireo zanany dimy ambin'ny folo mbamin'ny mpanompony roapolo lahy. Nidodododo nankany Jordana hitsena ny mpanjaka ry i Tsiba,
19 fony namaky ny renirano ny zahatra, satria ireo no nanao izay hampitana ny fianakavian'ny mpanjaka sy hanatanterahana izay sitrany. Rehefa tafita an'i Jordana ny mpanjaka, dia niantoraka hatreo amin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka i Simehy zanakalahin'i Gera
20 sady niteny taminy hoe: Aza isainao heloka aho, ry andriamanjaka. Aza tsaroanao ny fahadisoako tamin'ny andro nandaozanao an'i Jerosalema. Aoka tsy hataonao am-po izany!
21 Fa izaho mpanomponao dia mahafantatra fa nanota tokoa; kanefa ankehitriny dia tonga aho, nialoha ny taranak'i Josefa rehetra mba hidina hitsena anao, ry andriamanjaka.
22 Fa namaly i Abisay, zanakalahin'i Tseroia ka nanao hoe: Maivana raha izany no antony tsy hahafaty an'i Simehy, satria efa nanozona ny mpanjaka voahosotry ny TOMPO izy.
23 Hoy kosa i Davida hoe: Tsy raharahanareo izany, ry zanakalahin'i Tseroia. Fa ahoana moa no anoheranareo ahy ankehitriny? Tsy tokony hisy olona hatao maty eto amin'i Israely anio, satria fantatro fa amin'izao andro izao no tena mpanjakan'i Israely aho.
24 Ka hoy ny mpanjaka tamin'i Simehy: Tsy ho faty tsy akory ianao. Ny tenako no mianiana izany aminao.
25 Tonga nitsena ny mpanjaka ihany koa i Mefiboseta zafikelin'i Saoly! Tsy nanasa tongotra na nanala volombava na nanasa ny fitafiany izy hatramin'ny andro nahalasanan'ny mpanjaka ka hatramin'izao niverenany tsy maty fo aman'aina izao.
26 Rehefa tonga tao Jerosalema hitsena ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana ianao, ry Mefiboseta, no tsy mba nandeha niaraka tamiko?
27 Fa hoy ny navaliny: Voafitaky ny mpanompoko aho, ry andriamanjaka. Fa hoy aho anakampoko: Noho izaho mandringa, dia hanisy lasely ny boriky vavy aho hitaingenako mba hanarahako ny mpanjaka.
28 Nefa nendrikendrehiny taminao aho. Fa toy ny anjelin'Andriamanitra kosa ianao, ry andriamanjaka; koa ataovy izay sitrakao.