2 Samoela
Toko faha-14
32 Dia hoy i Absaloma tamin'i Joaba: Indro efa nampiantso anao hankaty amiko aho mba halefako any amin'ny mpanjaka hilaza aminy hoe: Nahoana aho no niverina avy any Gesora? Naleoko mbola nijanona tany ihany. Koa mba te hahita tava ny mpanjaka aho ankehitriny; fa raha toa ka meloka aho, dia aoka izy hamono ahy ho faty.33 Ary nankany amin'ny mpanjaka i Joaba ka nilaza izany taminy. Nampiantsoin'ny mpanjaka i Absaloma, dia nankao aminy; ka niankohoka hatreo amin'ny tany izy teo anatrehany. Ary nanoroka an'i Absaloma ny mpanjaka.
Toko faha-15
1 Taorian'izany i Absaloma dia nanomana kalesy iray sy soavaly, ary koa vatan-dehilahy dimampolo hihazakazaka eo alohany.2 Vao maraina i Absaloma, dia mijoro eo amoron-dalana akaikin'ny vavahady. Ary isaky ny misy olona mandalo ka mankao amin'ny mpanjaka hitondra raharaha hotsaraina, dia nantsoin'i Absaloma ka nanontaniany hoe: Avy aiza moa ianao? Rehefa mamaly izy fa avy amin'ny fokon'i Israely anankiray,
3 dia hoy i Absaloma taminy: Tsara sady marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona voatendrin'ny mpanjaka mba hihaino anao.
4 Ary hoy koa i Absaloma: Raha izaho manko no mba voatendry ho mpitsara amin'ity tany ity, dia hankaty amiko avokoa ny olona rehetra manana ady sy raharaha hotsaraina, ka hotsaraiko ara-drariny.
5 Ary rehefa misy manatona azy mba hiankohoka ho fanajana azy, dia atolony azy ny tanany; ary tazoniny sy orohany avy eo ilay olona.
6 Toy izany no nataon'i Absaloma tamin'ny Israelita rehetra izay nankao amin'ny mpanjaka mba hangata-pitsarana, ka dia babony ny fon'ireo Israelita.
7 Nony afaka efa-taona, dia hoy i Absaloma tamin'ny mpanjaka: Avelao aho mba hankany Hebrona hanefa ny voady efa nataoko tamin'ny TOMPO.
8 Fa raha mbola nipetraka tany Gesora any Siria aho, dia nanao izao voady izao: Raha hampodin'ny TOMPO any Jerosalema indray aho, dia hanompo AZY.
9 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana ombam-piadanana. Ary niainga nankany Hebrona izy.
10 Naniraka olona tany amin'ny foko israelita rehetra izy hilaza hoe: Raha vao renareo ny feon'ny anjomara, dia miantsoantsoa hoe: 'Manjaka ao Hebrona i Absaloma.'
11 Lehilahy roanjato, nasain'i Absaloma no tonga niaraka taminy avy tany Jerosalema. Nefa nandeha tamim-pahatsorana ireo, fa tsy nahalala na inona na inona.
12 Raha teo am-panaterana sorona i Absaloma dia nampaka an'i Ahitofela mpanolotsain'i Davida, tao amin'ny tananany any Gilao. Nihamafy hatrany ny fiokoana, ka nitombo ny isan'ireo mpomba an'i Absaloma.
13 Nisy iraka nitatitra tamin'i Davida nanao hoe: Efa babon'i Absaloma hanaraka azy ny fon'ny lehilahy amin'ny Israely
14 Hoy i Davida tamin'ireo minisitra rehetra izay nomba azy tao Jerosalema: Mitsangana, aoka isika handositra fa tsy misy fomba hafa hialantsika amin'i Absaloma. Andao hiala faingana fandrao ho tratrany eto isika, ka hidiran-doza; ary hasiany amin'ny lelan-tsabatra ny mponina iray tanana.
15 Ary hoy ireo minisitra taminy: Na inona na inona safidinao, ry andriamanjaka, dia vonona mandrakariva izahay.
16 Dia nivoaka nandeha an-tongotra ny mpanjaka, narahin'ny fianakaviany manontolo. Vehivavy folo tamin'ny vaditsindranony no sisa navelany hiandry trano.
17 Vao niala ny tanana ny mpanjaka sy ny olona rehetra mpanaraka azy, dia nijanona teo akaikin'ny trano farany.
18 Nilahatra teo anoloan'i Davida avokoa ny mpiambina azy, dia ny Keretita rehetra sy ny Peletita rehetra ary koa ny miaramila eninjato lahy izay nanaraka azy avy any Gata. Izy rehetra ireo no nilahatra teo anoloan'ny mpanjaka.
19 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Itahy filohan'ireo miaramila avy any Gata: Nahoana ianao no hiaraka aminay koa? Miverena ka mitoera any amin'ny mpanjaka vaovao, satria vahiny ianao sady mpitsoa-ponenana.
20 Vao omaly ve no nahatongavanao, ka anio ianao dia hoentiko hirenireny hiaraka aminay sahady, nefa izaho aza tsy mbola mahalala izay tany halehako! Koa miverena ihany any an-tanana ary ento manaraka anao ireo mpiray firenena aminao. Homba anao anie ny fitiavana amam-pahamarinan'ny Tompo.
21 Fa hoy i Itahy namaly ny mpanjaka: Velona ny TOMPO ka mianiana aminao aho fa na aiza na aiza hisy anao, ry andriamanjaka, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoerako.
22 Ary hoy i Davida tamin'i Itahy: Ndeha ary mandroso. Dia nandroso i Itahy niaraka tamin'ny miaramilany sy ny vady aman-janak'ireo.
23 Nigogogogo nitomany mafy ny besinimaro raha nandalo ny miaramila. Niampita ny riakan'i Kidrona ny mpanjaka sy ny olona rehetra mpanaraka azy, ka nandroso tamin'ny lalana mankany an-taniefitra.
24 Tafaraka tamin'i Davida koa i Tsadoka sy ireo Levita rehetra nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'Andriamanitra. Napetrak'ireo ilay Vatamasina, ary nanolotra sorona kosa i Abiatara mandra-pahatafavoaka ny olon-drehetra tao an-tanana.
25 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Tsadoka: Ento miverina any an-tanana ny Vatamasin'Andriamanitra. Raha mahita fitia eo imason'ny TOMPO aho, dia mbola hoentiny miverina ihany, ka hampahitany indray ny Vatamasina sy ny fonena-masiny.
26 Raha lazainy kosa fa tsy sitrany intsony aho, dia aoka Izy hanao izay tiany hatao amiko!
27 Ary hoy indray ny mpanjaka tamin'i Tsadoka mpisorona: Tandrinao ve izao? Miverena ombam-piadanana any an-tanana miaraka amin'izy roalahy, dia i Ahimahatsa zanakalahinao sy i Jonatana zanakalahin'i Abiatara.
28 Jereo fa hiandriandry eny amin'ny taniefitra akaikin'ny fitana an'i Jordana aho mandra-pahazoako izay vaovao avy aty aminareo.
29 Dia nitondra ny Vatamasin'Andriamanitra niverina tany Jerosalema i Tsadoka sy i Abiatara, ka nitoetra tany.
30 Nananika ny tendrombohitra Analanoliva tamin-dranomaso be i Davida, ka sady nisaron-doha izy no nandeha tsy nikiraro. Ny olona rehetra izay tafaraka taminy dia nisaron-doha avokoa, ka sady nananika ny tendrombohitra no nitomany.
31 Nisy nanambara tamin'i Davida fa anisan'ireo mpiara-mioko tamin'i Absaloma koa i Ahitofela; ka dia hoy i Davida hoe: Mitalaho aminao aho, TOMPO o, ataovy adala ny torohevitr'i Ahitofela!
32 Rahefa tonga teny an-tampon-tendrombohitra teo amin'ilay ivavahan'ny olona amin'Andriamanitra iny i Davida, dia inty tamy nanatona azy i Hosay izay Arkita; voatriatra ny fitafiany sady nihosim-bovoka ny lohany.
33 Ary hoy i Davida taminy: Raha miara-dia amiko ianao, dia ho vesatra ho ahy.
34 Fa raha miverina any an-tanana kosa ianao ka hanao amin'i Absaloma hoe: Hanompo anao aho, ry mpanjaka. Efa mpanompon-drainao ihany aho taloha, fa ankehitriny kosa dia ianao no hotompoiko. Izany no hahafahanao mamadika ho tombontsoako ny torohevitr'i Ahitofela.
35 Ho eo anilanao any koa i Tsadoka sy i Abiatara mpisorona. Koa izay zavatra rehetra renao avy ao an-tranon'ny mpanjaka, dia ambarao amin'i Tsadoka sy Abiatara.
36 Eo anilan'izy ireo any koa ireo zanany roa lahy, dia i Ahimahatsa zanakalahin'i Tsadoka sy i Jonatana zanakalahin'i Abiatara; izy roa lahy ireto no hampitanareo amiko izay rehetra renareo.
37 Ary tonga tao an-tanana i Hosay sakaizan'i Davida tamin'ny fotoana nidiran'i Absaloma tao Jerosalema.
Toko faha-16
1 Raha vao nihoatra ny tampon-tendrombohitra i Davida, dia tonga nitsena azy i Tsiba mpanompon'i Mefiboseta, mitarika boriky roa voaisy lasely sady novesarana mofo roanjato sy voaloboka maina zato sampaho ary koa voankazo masaka iray harona sy divay eran'ny siny hoditra.2 Ka hoy ny mpanjaka tamin'i Tsiba: Hataonao inona ireo? Dia hoy ny navalin'i Tsiba: Ny boriky, ry andriamanjaka, dia hitaingenan'ny ankohonanao; ny mofo sy ny voankazo hohanin'ireo miaramilanao; ny divay kosa hosotroin'izay reraka any an-taniefitra.
3 Ary nanontany azy indray ny mpanjaka hoe: Fa mba aiza i Mefiboseta, zafin'i Saoly tomponao? Dia hoy ny navalin'i Tsiba ny mpanjaka: Nijanona any Jerosalema izy, satria noheveriny fa ankehitriny no hampodian'ny Israelita ny fanjakan-draibeny aminy.
4 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Tsiba: Indro fa omeko anao avokoa izay fananan'i Mefiboseta. Dia niankohoka ho fanajana ny mpanjaka i Tsiba sady nanao hoe: Aoka aho, ry andriamanjaka, mba hahita fitia hatrany eo imasonao!
5 Rehefa tonga teo akaikin'i Bahorima i Davida mpanjaka, dia nisy lehilahy iray natao hoe Simehy zanakalahin'i Gera sy anisan'ny havan'i Saoly; nivoaka ny tanana izy sady nanozona an'i Davida.
6 Nitora-bato an'i Davida mpanjaka sy ny minisitra rehetra koa izy, na dia teo avokoa aza ny vahoaka sy ny miaramila izay tankavanan'ny mpanjaka sy tankaviany.
7 Ary toy izao no nolazain'i Simehy rehefa nanozona: Mandehana any, mandehana any, ry ilay lehilahy mpandatsa-dra sady ratsy fanahy!
8 Havalin'ny TOMPO aminao anie ny namonoanao ho faty ny taranak'i Saoly! Nangalarinao ny fanjakan'i Saoly ka natolotry ny TOMPO ho eo an-tanan'i Absaloma zanakalahinao; ary indro fa idiran-doza izao ianao satria lehilahy mpandatsa-dra.
9 Hoy kosa i Abisay zanakalahin'i Tseroia tamin'i Davida mpanjaka: Ahoana io alika maty io no manozona anao, ry andriamanjaka? Avelao hotapahiko ny lohan'io.
10 Fa novalian'ny mpanjaka hoe: Inona no iraharahanao izany, ry zanakalahin'i Tseroia? Matoa manozona ahy izy, dia satria ny TOMPO no nibaiko azy hanozona ahy; koa iza no sahy hanome tsiny azy amin'izany?
11 Ary hoy koa i Davida tamin'i Abisay sy ny minisitra rehetra: Raha ny zanakalahy naterako aza no mitady ny aiko, ka mainka fa io Benjaminita io! Aoka izy hanozona ahy, raha ny TOMPO no nibaiko azy hanao izany.