2 Samoela
Toko voalohany
12 Mandra-paharivan'ny andro izy ireo dia nitomany sy nifady hanina ary nisaona an'i Saoly sy i Jonatana zanany mbamin'ny Israelita izay maty an'ady ka anisan'ny vahoakan'ny TOMPO.13 Ary hoy i Davida tamin'ilay zatovo mpilaza vaovao: Fa mba iza moa ianao? Ka novaliany hoe: Zanaky ny Hamalekita mpifindra monina aho, tompoko.
14 Dia hoy i Davida taminy: Ahoana no nahasahianao naninji-tanana ka nahafaty ny mpanjaka voafidin'ny TOMPO?
15 Ary niantso ny mpanompony anankiray i Davida ka nibaiko azy hoe: Mandehana vonoy any ilehio! Dia nasiany izy ka maty.
16 Ary hoy i Davida taminy: Nandrora mitsilany ianao izao ka nahavoa tena. Ny vavanao ihany no nanameloka anao ho faty raha nanao hoe: Izaho no namono ho faty ny mpanjaka voafidin'ny TOMPO.
17 Namorona izao hira fisaonana an'i Saoly sy i Jonatana zanany izao i Davida,
18 ka nasainy nampianarina ny mponin'i Joda. Indro ny Hira fisaonana atao hoe Tsipika araka ny voasoratra ao amin'ny Bokin'ilay Marina.
19 Ry Israely o, ireo mpiady reharehanao dia mitsitra eny an-tampon-kavoanao. Indrisy fa maty ireo mahery fo!
20 Aza aely any Gata izany vaovao izany na torina eny an-dalamben'i Askelona, fandrao hifalian'ny vehivavin'ny Filistinina na hibitahan'ny tovovavin'ny mpanompo sampy.
21 Ianareo tendrombohitr'i Gilboa, aza misy ando na orana intsony eo aminareo na koa saha be vokatra hangalam-panatitra, satria teo no nahafa-baraka ny ampingan'ny mahery fo, dia ny ampingan'i Saoly tsy hihoso-diloilo intsony.
22 Teo anoloan'ny ran'ireo Filistinina nitsitra, ny tsipikan'i Jonatana tsy mba nihemotra; teo anoloan'ny hatomadin'ireo fahavalo mahery fo, ny sabatr'i Saoly tsy niveri-maina.
23 I Saoly sy i Jonatana dia nifankatia tokoa fahavelony, ary tsy nosarahina na dia tamin'ny nahafatesany aza; mailaka noho ny voromahery izy mianaka ary mahery fo mihoatra noho ny liona.
24 Ianareo vehivavy israelita, mitomania an'i Saoly izay nampitafy jaky kanto anareo sady nandravaka volamena ny fitafianareo.
25 Indrisy fa maty an'ady ireo maherifo ary i Jonatana mitsitra eny an-tampon-kavoanao!
26 Malahelo anao aho, ry Jonatana rahalahiko; eny, nankamamiko fatratra ianao. Mahatalanjona ahy ny fitiavanao, fa sarobidy noho ny fitiavan'ny vehivavy.
27 Indrisy fa maty ireo maherifo, ary very ny fitaovam-piadianay
Toko faha-2
1 Taorian'izany dia nanontany ny TOMPO i Davida hoe: Handeha ho any amin'ny tanana iray any Joda ve aho? Ka novalian'ny TOMPO hoe: Eny, mandehana! Dia hoy indray i Davida: Aiza no handehanako? Ka hoy ny TOMPO hoe: Any Hebrona.2 Dia nankany i Davida niaraka tamin'ny vadiny roa, dia i Ahinohama avy any Jizrehela sy i Abigaila vady navelan'i Nabala avy any Karmela.
3 Nentin'i Davida koa ireo namany nombam-pianakaviany avy, ka nonina tao amin'ireo tanana kely akaikin'i Hebrona izy rehetra.
4 Ary tonga tao ny vahoakan'i Joda, ka nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'i Joda. Nisy nanambara tamin'i Davida fa ny mponin'i Jabesa any Gilehada no nandevina an'i Saoly;
5 dia nandefa iraka hankany amin'ny mponin'i Jabesa izy hilaza hoe: Hitahy anareo anie ny TOMPO noho izao mari-pitiavana nasehonareo tamin'ny nandevenanareo an'i Saoly tomponareo izao.
6 Ka ny TOMPO anie haneho fitiavana sy toetra mahatoky aminareo; ary izaho koa dia hamaly soa anareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.
7 Ary ankehitriny, mahereza sy matanjaha; fa efa maty i Saoly tomponareo, ka izaho no natokan'ny vahoakan'i Joda ho mpanjaka eo aminy.
8 Fa nentin'i Abinera zanakalahin'i Nera sady lehiben'ny tafik'i Saoly nankany Mahanaima i Isboseta zanakalahin'i Saoly,
9 ka nataony mpanjaka tamin'ny faritr'i Gilehada sy ny Asorita mbamin'i Jizrehela sy i Efraima sy i Benjamina ary i Israely manontolo.
10 Efapolo taona i Isboseta zanakalahin'i Saoly raha nanjaka tamin'i Israely, ary roa taona no nanjakany. Ny fokon'i Joda ihany no nanaiky an'i Davida.
11 Fito taona sy tapany no nanjakan'i Davida tamin'ny fokon'i Joda tao Hebrona.
12 Niala tao Mahanaima i Abinera zanakalahin'i Nera sy ny mpanompon'i Isboseta zanakalahin'i Saoly ka nankany Gibehona.
13 Dia niainga koa i Joaba zanakalahin'i Tseroia sy ny mpanompon'i Davida; ka tafahoana teo akaikin'ny dobo tao Gibehona ny roa tonta ary samy naka toerana nifanatrika teo amoron'ny dobo.
14 Ary hoy i Abinera tamin'i Joaba: Aoka hitsangana ireo zatovontsika mba hifampitsapa hery eto anatrehantsika. Dia novalian'i Joaba hoe: Aoka ary izy hitsangana.
15 Dia nisy nitsangana ireo ary niroso hoisaina, ka 12 lahy tamin'i Benjamina mpomba an'i Isboseta zanakalahin'i Saoly ary 12 lahy koa tamin'ny mpanompon'i Davida.
16 Samy nifampihazon-doha avy ny mpifaninana sady nifanindron-tehezana tamin'ny sabatra ka dia samy niara-davo. Izany no nanaovana io toerana ao Gibehona io hoe Sahan-tsaba-maranitra.
17 Nafotaka tokoa ny ady tamin'io andro io. Nilavo lefona teo anoloan'ny mpanompon'i Davida i Abinera sy ny olon'i Israely.
18 Nanatrika teo koa ny zanak'i Tseroia telo lahy dia i Joaba sy i Abisay ary i Asahela; ity Asahela ity dia fangaim-pandeha toy ny gazela any an-taniefitra,
19 ka nanenjika an'i Abinera sady tsy nivilivily mihitsy na tamin'ny ankavia na tamin'ny ankavanana.
20 Niherika kosa i Abinera ka nanontany azy hoe: Ianao ve io, ry Asahela? Dia hoy ny navaliny: Eny, izaho ihany ity.
21 Ary hoy i Abinera taminy: Aza manenjika ahy ianao, fa mivilia amin'ny ankavanana na amin'ny ankavia ka sambory ny iray amin'ireo tovolahy ary alaivo ho anao izay fitaovana eny aminy. Tsy nety nivily anefa i Asahela fa nanenjika azy ihany.
22 Ka hoy indray i Abinera tamin'i Asahela: Mivilia ianao fa aza manenjika ahy intsony, fandrao dia hatrosiko amin'ny tany ho faty! Kanefa hataoko ahoana ny hahajery an'i Joaba rahalahinao?
23 Mbola tsy nety nivily ihany anefa i Asahela, koa dia nasian'i Abinera tamin'ny vody lefona ny kibony ka tafagorobaka tany an-damosiny. Nitrosina tamin'ny tany izy ary maty tsy tra-drano teo. Izay rehetra tonga teo amin'ny toerana nahafatesan'i Asahela dia nijanona avokoa.
24 Fa i Joaba sy i Abisay nanenjika an'i Abinera. Maty masoandro izy ireo raha tonga tao Gibeha-Ama izay eo atsinanan'i Giha amin'ny lalan'ny taniefitr'i Gibehona.
25 Niangona ho antoko iray teo amin'i Abinera ny miaramilan'i Benjamina ka nijanona teo an-tampon-kavoana iray.
26 Ary niantso mafy an'i Joaba i Abinera hoe: Handripaka tsy hisy farany ve ny sabatra? Tsy mba fantatrao ve fa hampalahelo ny ho vokatr'izany? Koa mandra-pahoviana no hilazanao ny olonao hampitsahatra izao fanenjehana ifamonoan'ny mpirahalahy izao?
27 Dia hoy i Joaba: Velona Andriamanitra ka manizingizina aho fa raha tsy noho ny teninao dia tsy ho nampitsahatra izao fifamonoan'ny mpirahalahy izao akory ny oloko alohan'ny rahampitso maraina.
28 Dia notsofin'i Joaba ny anjomara, ka nijanona tsy nanenjika ny Israelita intsony ny miaramilany rehetra; ary nitsahatra ny ady.
29 Nandritra ny alina dia nitety ny lemak'i Araba i Abinera sy ny olony ka nita an'i Jordana, namaky an'i Bitrona iray manontolo ary tonga tao Mahanaima.
30 Rehefa nijanona tsy nanenjika an'i Abinera i Joaba, dia namory ny tafiny manontolo; koa tamin'ireo mpanompon'i Davida, dia miaramila 19 sy Asahela ihany no tsy teo.
31 Fa ny mpanompon'i Davida kosa nahafaty 360 lahy tamin'ny Benjaminita sy miaramila hafan'i Abinera.
32 Nentina ny fatin'i Asahela ka nalevina tao amin'ny fasan-drainy tao Betlehema. Ary i Joaba sy ny olony nanao lava alina, dia tonga tany Hebrona tamin'ny mazava ratsy.
Toko faha-3
1 Naharitra ela ny adin'ny mpomba an'i Saoly sy ny mpomba an'i Davida. Nihanahery hatrany anefa i Davida fa tsy nitsaha-nikorosy kosa ny taranak'i Saoly.2 Zanakalahy maro no naterak'i Davida tao Hebrona. Ny voalohany tamin'izany dia i Amnona zanany tamin'i Ahinohama avy any Jizrehela; 3 ny faharoa dia i Kilaba tamin'i Abigaila vadin'i Nabala avy any Karmela; ny fahatelo dia i Absaloma zanakalahin'i Maheka zanakavavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora;