1 Samoela
Toko faha-27
4 Rehefa ren'i Saoly fa nandositra any Gata i Davida, dia nijanona tsy nitady azy intsony izy.5 Indray andro dia hoy i Davida tamin'i Akisy: Raha tsara fo amiko tokoa ianao, dia aoka aho mba homena toerana iray amin'ny tanana any ambanivohitra hipetrahako. Fa mpanomponao aho ka nahoana no dia hiara-mitoetra aminao ato amin'ny renivohi-panjakana?
6 Iny andro iny ihany dia nomen'i Akisy azy ny tananan'i Tsiklaga. Izany no nahatonga an'i Tsiklaga ho an'ny mpanjakan'i Joda mandraka androany.
7 Herintaona sy efa-bolana no nitoeran'i Davida tao amin'ny tanin'ny Filistinina.
8 Avy tao i Davida sy ny olony no niakatra nanafika ny Gesorita sy ny Girzita ary ny Hamalekita; fa ireo no mponina hatrizay tamin'izany faritra izany, dia hatrany Sora ka tafapaka any amin'ny sisin-tanin'i Ejipta.
9 Nosimban'i Davida ny taniny, ka tsy nisy lehilahy sy vehivavy niangana na iray aza. Nobaboiny ny ondry aman'osy, ny omby mbamin'ny boriky sy ny rameva, ary ny fitafiana; dia niverina tany amin'i Akisy izy.
10 Ka nony nanontany azy i Akisy hoe: Taiza avy no nanafihanareo androany?, dia novaliany hoe: Tany amin'ny faritra atsimon'i Joda na Tany amin'ny faritra atsimon'ny Jerahimeelita na koa Tany amin'ny faritra atsimon'ny Kenita.
11 Tsy nasian'i Davida lehilahy na vehivavy iray velona hoentina any Gata, sao dia hisy hiampanga azy hoe: Izao no nataon'i Davida. Toy izany hatrany no fanaon'i Davida nandritra ny fotoana nitoerany tany amin'ny tanin'ny Filistinina.
12 Natoky an'i Davida i Akisy, satria nihevitra hoe: Efa nanamaimbo tena tamin'ny Israelita mpiray firenena aminy izy, ka dia ho mpanompoko mandrakizay.
Toko faha-28
1 Tamin'izany andro izany dia nangonin'ny Filistinina ho tafika tokana ny miaramilany mba hiady amin'i Israely. Ary hoy i Akisy tamin'i Davida: Fantatrao tsara fa hiantafika hiaraka amiko ianao sy ny olonao.2 Ka hoy ny navalin'i Davida azy: Eny, tompokolahy, ho hitanao eo moa izay haiko hatao. Ary hoy indray Akisy tamin'i Davida: Eny ary, fa dia ianao no hataoko mpiambina ny tenako mandrakizay.
3 Rehefa maty i Samoela, dia nisaona azy ny Israelita rehetra, ary nandevina azy tao Rama tananany. Ary efa noraran'i Saoly tsy hatao amin'ny taniny ny famohazana angatra sy ny sikidy.
4 Indray andro dia vory lanona ny miaramila filistinina ka nitoby tao Sonema; dia novorin'i Saoly kosa ny miaramila israelita rehetra mba hitoby ao Gilboa.
5 Raha vao nahita ny tobin'ny Filistinina i Saoly, dia raiki-tahotra sady nivadi-po.
6 Te hanontany ny TOMPO izy nefa ny TOMPO tsy namaly azy na tamin'ny nofy, na tamin'ny orima, na tamin'ny mpaminany.
7 Koa dia nandidy ireo manamboninahiny i Saoly hoe: Itadiavo vehivavy mpamoha angatra aho hankanesako any aminy mba hanontaniako. Ary hoy ny mpanompony taminy: Misy vehivavy mpamoha angatra any Haina-Dora.
8 Dia nanova endrika i Saoly fa nisolo fitafy, ka nankany Haina-Dora niaraka tamin'ny lehilahy roa; ary alina izy ireo no tonga tao amin-dravehivavy, dia hoy i Saoly taminy: Anaovy majika amin'ny famohazana angatra aho, ka asehoy amiko izay hotononiko aminao.
9 Fa namaly azy ilay vehivavy hoe: Fantatro tsara izay nataon'i Saoly, dia ny namongorany hiala amin'ny tany ny mpamoha angatra sy ny mpisikidy. Koa nahoana no mamela-pandrika ahy haningotra ny aiko ianao?
10 Ary nianiana taminy sady nanonona ny anaran'ny TOMPO i Saoly ka nanao hoe: Velona ny TOMPO ka milaza marina aho fa tsy hampaninona anao akory izao raharaha izao.
11 Dia nanontany azy ilay vehivavy hoe: Iza ary no tianao hantsoiko hanketo aminao? Ka novaliany hoe: I Samoela antsoina hanketo amiko.
12 Nony nahita an'i Samoela ilay vehivavy, dia niantsoantso mafy ary nanao tamin'i Saoly hoe: Nahoana no dia nofitahinao aho? Hay i Saoly ianao!
13 Ka hoy ny mpanjaka taminy: Aza matahotra; fa inona no hitanao? Namaly kosa ravehivavy hoe: Matoatoa miakatra avy ao amin'ny tany no hitako.
14 Ary hoy ihany ny mpanjaka taminy: Manao ahoana izy izany? Dia hoy ravehivavy hoe: Lehilahy antitra misalotra akanjobe no miakatra. Fantatr'i Saoly fa i Samoela marina izay; koa dia niankohoka tamin'ny tany ho mari-panajana izy.
15 Nanontany azy kosa i Samoela hoe: Fa ahoana no kotabainao aho ka nampiantsoinao? Dia hoy ny navalin'i Saoly: Mafy ny manjo ahy, fa miady amiko ny Filistinina ary efa nandao ahy Andriamanitra ka tsy mamaly ahy intsony na amin'ny mpaminany na amin'ny nofy. Izany no nampiantsoako anao mba hampahafantatra ahy izay tokony hataoko.
16 Fa hoy i Samoela hoe: Nahoana no izaho no anontanianao? Kanefa ny TOMPO aza efa nandao anao ka tonga fahavalonao?
17 Fa ny TOMPO efa nanatanteraka izay nambarako avy taminy, dia ny nanalany teo an-tananao ny fanjakana ka nanomezany izany ho an'olon-kafa, dia i Davida.
18 Satria tsy nohenoinao ny feon'ny TOMPO tamin'ny tsy nandringananao tanteraka ny Hamalekita, dia izany no nanaovan'ny TOMPO izao taminao androany.
19 Ary hatolotry ny TOMPO eo an-tanan'ny Filistinina ianao mbamin'i Israely. Rahampitso ianao sy ny zanakao dia tafaraka amiko any amin'ny toeran'ny maty, ary ny tafik'i Israely hatolotry ny TOMPO eo an-tanan'ny Filistinina.
20 Raha vao nandre izany tenin'i Samoela izany i Saoly, dia nitsirara tamin'ny tany fa raiki-tahotra mafy. Manampy trotraka izany dia efa ambivitra ny heriny satria tsy nihinan-kanina tontolo andro sy tontolo alina izy.
21 Dia nanatona an'i Saoly ilay vehivavy ka nahita ny fahorian-tsainy. Koa dia hoy izy taminy: Efa nihaino anao aho mpanompovavinao, fa na dia maningotra ny aiko aza izany, dia notanterahiko ihany izay nangatahinao tamiko.
22 Ankehitriny dia mba henoy kosa ny teniko. Aoka aho handroso mofo kely hohaninao mba hampatanjaka anao alohan'ny hanohizanao ny dia.
23 Nanda tsy nety nihinana anefa i Saoly, saingy nikiry nanery azy kosa ireo mpanompony sy ilay vehivavy, koa dia nanaiky ihany izy tamin'ny farany. Dia niarina teo amin'ny tany izy ka nipetraka teo am-parafara.
24 Najedak'ilay vehivavy faingana ny zanak'omby mifahy iray tao aminy, dia naka lafarinina izy ka nopotseriny ary nendasiny ho mofo tsy misy leviora.
25 Narosony hohanin'i Saoly sy ireo mpanompony izany sakafo izany. Avy nihinana izy ireo, dia niainga ka lasa iny alina iny ihany.
Toko faha-29
1 Namory ny miaramilany rehetra tao Afeka ny Filistinina, raha nitoby akaikin'ny loharano iray tao Jizrehela kosa ny Israelita.2 Nilahatra teo alohan'ny andian-tafiny ireo filohan'ny Filistinina; fa i Davida sy ireo olony kosa dia taty aoriana no nilahatra niaraka tamin'i Akisy.
3 Dia hoy ireo filohan'ny Filistinina: Inona no ataon'ireo Hebreo ireo eto? Ka hoy i Akisy namaly ireo filohan'ny Filistinina: I Davida mpanompon'i Saoly mpanjakan'i Israely io, saingy efa niaraka tamiko aman-taonany izy izao. Ary tsy mbola hitako izay tsininy hatramin'izay nialany tany ka nifindrany taty izay.
4 Tezitra tamin'i Akisy ireo filohan'ny Filistinina ka nanao taminy hoe: Roahy any io lehilahy io hiverina any amin'ny tanana izay efa nomenao hitoerany. Aza avela hidina hiara-kiady amintsika izy, fandrao dia isika indray no hifoterany rehefa miady. Fa inona moa no hahazoany sitraka amin'i Saoly tompony, raha tsy ny fanolorany azy ny lohan'ireo olontsika?
5 Moa tsy io Davida io ve ilay nihirana sy nandihizana hoe: I Saoly nahafaty an'arivoarivo, fa i Davida kosa nahafaty an'alinalina.
6 Dia niantso an'i Davida i Akisy ary nanao taminy hoe: Velona ny TOMPO ka milaza marina aho fa olona mahatoky ianao; tiako ny hiarahanao amiko amin'izao ady izao, satria tsy mbola hitako izay tsininao hatramin'izay nahatongavanao teto amiko izay. Kanefa tsy mahazoazo anao ireo filohan'ny Filistinina ireo.
7 Koa mandehana miverina mody am-piadanana mba tsy hanaovanao izay tsy mahafaly ireo filohan'ny Filistinina.
8 Hoy kosa i Davida tamin'i Akisy: Fa inona no nataoko, ry mpanjaka tompoko, ary inona no tsiny hitanao tamiko mpanomponao hatramin'izay nipetrahako taty aminao ka mandraka androany izay, no tsy mahazo mandeha miady amin'ny fahavalonao aho?
9 Dia hoy i Akisy namaly an'i Davida: Tsy misy. Fa mahafinaritra ahy tahaka ny anjelin'Andriamanitra ianao. Saingy ireo filohan'ny Filistinina no nanao hoe: Aoka izy tsy hiaraka hiady amintsika!
10 Koa mifohaza maraina be ianao sy ireo mpanompo izay niara-dia taminao; samia mifoha maraina ianareo, ary mandehana rehefa mazava ny andro.
11 Dia nifoha maraina be i Davida sy ny olony ny ampitso mba hiverina any amin'ny tanin'ny Filistinina. Ary ny Filistinina kosa niakatra any Jizrehela.
Toko faha-30
1 Ny afakampitso, rehefa tonga tany Tsiklaga i Davida sy ny olony, dia notafihin'ny Hamalekita ny atsimon'i Joda sy i Tsiklaga, noravan'izy ireo sy nodorany ny tanana.2 Nobaboin'izy ireo ny vehivavy mbamin'izay rehetra tao an-tanana na kely na lehibe, nefa tsy nisy novonoiny na iray aza, fa nentiny avokoa ary dia notohiziny ny diany.
3 Rehefa tonga i Davida sy ny olony, dia nahita fa nisy nandoro ny tanana, ary nisy nitondra ireo vadiny mbamin'ny zanany lahy sy ny zanany vavy.
4 Dia nanala ny fony nitomany i Davida sy ireo mpanaraka azy mandra-pahatankin'ny ranomasony.
5 Voasambotra koa ireo vadin'i Davida roa, dia Ahinohama avy any Jizrehela sy i Abigaila vadin'i Nabala avy any Karmela.