2 Samoela
Toko faha-7
7 Nandritra ny fotoana rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Israelita, dia nanendry olona Aho mba ho mpiandry ny vahoakako; kanefa tsy nisy nomeko tsiny ireo voatendriko ireo na dia iray aza ka nilazako hoe: Nahoana Aho no tsy nanaovanareo trano vita hazo sederay?8 Koa lazao amin'i Davida mpanompoko fa Izaho TOMPOn'izao rehetra izao no mampita hafatra hoe: Izaho no naka anao teo am-piandrasana ondry tany an-kijana mba ho filohan'i Israely vahoakako.
9 Niaraka taminao Aho teo amin'izay nalehanao rehetra, ka nandripaka ny fahavalonao rehetra teo anoloanao, ary hataoko lehibe ny lazanao tahaka ny an'ireo olona ambony eto an-tany.
10 Ary handraiketako toerana iray hampiorenako azy ny Israely vahoakako, ka dia honina tsy hanana ahiahy amin'izany izy. Fa tsy hisy firenen-dozabe hampahory azy intsony taloha,
11 dia tamin'ny andro nanendreko mpitsara hifehy ny Israely vahoakako; ary hampiadana anao ho afaka amin'ny fahavalonao rehetra Aho. Ambarako aminao koa fa Izaho TOMPO mihitsy no hanome taranaka ho anao.
12 Ary rehefa ho tapitra ny andronao ka hodimandry any amin'ireo razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ka haoriko mafy ny fanjakany.
13 Izy no hanao trano ho an'ny anarako; ary haoriko mafy mandrakizay ny sezafiandrianam-panjakany.
14 Izaho ho rainy ary izy ho zanako. Raha manao ratsy izy, dia hofaiziko araka ny fomban'ny olona sy amin'ny loza mahavoa ny olombelona.
15 Kanefa tsy hanesotra aminy na oviana na oviana ny fitiavako Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin'i Saoly izay nasoloako anao.
16 Ho azo antoka hitohy mandrakizay any aorianao ny taranakao sy ny fanjakanao, ary ny sezafiandriananao tsy ho voahozongozona mandrakizay.'
17 Nambaran'i Natana tamin'i Davida avokoa izay rehetra nolazain'Andriamanitra azy nandritra io fahitana io.
18 Ary nankeo anatrehan'ny TOMPO tao an-tranolay i Davida mpanjaka, ka nipetraka sady nivavaka hoe: Ry Tompo ANDRIANANAHARY o, mba iza moa aho ary mba inona ny fianakaviako, no tonganao amin'ny toerana misy ahy izao?
19 Kanefa mbola kely izany eo imasonao, ry Tompo ANDRIANANAHARY o, ka efa nanaovanao fampanantenana koa hatramin'ny taranako mbola any aoriana lavitra any. Araka ny fomban'olombelona ve izany, ry Tompo ANDRIANANAHARY oy
20 Koa inona indray no mbola holazaiko aminao? Fa Ianao, ry Tompo ANDRIAMANITRA o, mahalala ahy mpanomponao.
21 Noho ny fampanantenanao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izao asa lehibe manontolo izao hampahalalainao ahy.
22 Lehibe Ianao amin'izany, ry Tompo ANDRIANANAHARY o: fa tsy misy tahaka Anao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren'ny sofinay.
23 Moa misy eto an-tany firenena tahaka an'i Israely vahoakanao? Dia ilay firenena navotanao ho afaka tamin'ireo Ejiptianina sy ireo andriamaniny mba ho tonga vahoakanao ka nomenao laza tamin'ny nanatanterahanao izao asa lehibe izao ho azy ary zava-mahatahotra ho an'ny taninao.
24 Nampiorina mafy an'i Israely ho vahoakanao mandrakizay Ianao, TOMPO o, sady efa tonga Andriamaniny.
25 Ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra o, ny fampanantenana nolazainao momba ahy sy ny taranako dia tano mandrakizay ary ataovy araka izay efa nampanantenainao.
26 Halaza mandrakizay anie ny anaranao ka hatao hoe: Ny TOMPOn'izao rehetra izao no Andriamanitr'i Israely. Ary ho mafy orina eo anatrehanao ny taranako.
27 Satria Ianao, ry TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely, efa nanambara tamiko fa hanome taranaka ho ahy; koa izany no nahasahiako hivavaka aminao izao.
28 Ry Tompo ANDRIANANAHARY o, ianao mihitsy no Andriamanitra; azo antoka ny teninao, ary izaho mpanomponao no efa nampanantenainao izany zava-tsoa izany.
29 Koa ho sitrakao anie ankehitriny ny hitahy ireo taranako mba hitohy mandrakizay eo anatrehanao. Satria Ianao, ry Tompo ANDRIANANAHARY o, no efa nampanantena, ka ny fitahianao no hitahianao mandrakizay ny taranako, fa mpanomponao aho.
Toko faha-8
1 Taorian'izany dia nandresy ny Filistinina i Davida, ka nampilefitra azy; ary nalainy teo an-tanan'ny Filistinina ny fifehezan-drenivohitra.2 Nandresy ny Moabita koa izy ka nampandriny tamin'ny tany ireo mba horefesina amin'ny tady; koa novonoiny ho faty ny androatokony ary navelany ho velona kosa ny ampahatelony. Noho izany dia tonga olom-pehezin'i Davida sady mpandoa hetra ho azy ny Moabita.
3 Mbola resin'i Davida koa i Hadadehezera, zanakalahin'i Rehoba sady mpanjakan'i Tsoba; tamin'i Hadadehezera ndeha haka indray ny faritry ny onin'i Eofrata izany.
4 Mpitaingin-tsoavaly miisa andiany 17 sy miaramila an-tongotra miisa andiany roapolo no voababon'i Davida taminy; saingy nasain'i Davida nokapain-tongotra avokoa ny soavalin-kalesy fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no sisa notazoniny.
5 Dia tonga ny Sirianina avy any Damasy mba hamonjy an'i Hadadehezera mpanjakan'i Tsoba; kanefa nahafatesan'i Davida miaramila miisa antokony 22 koa ny Sirianina.
6 Nametrahan'i Davida governora tany Siria faritr'i Damasy, ka dia tonga olom-pehezin'i Davida sady mpandoa hetra ho azy ny Sirianina. Fa nampandresy an'i Davida tamin'izay fanafihany rehetra ny TOMPO.
7 Ary nalain'i Davida ny ampinga volamena izay teny amin'ireo mpanompon'i Hadadehezera ka nentiny tany Jerosalema.
8 Nahazoan'i Davida mpanjaka halimo be dia be koa tao Beta sy Berotahy, izay samy tananan'i Hadadehezera.
9 Ren'i Tohy, mpanjakan'i Hamata, fa resin'i Davida avokoa ny tafik'i Hadadehezera;
10 dia nirahin'i Tohy ho any amin'i Davida mpanjaka i Jorama zanany lahy mba hiarahaba sy hidera azy noho ny niadiany tamin'i Hadadehezera ka nandreseny azy; fa mpiady tamin'i Tohy io Hadadehezera io. Nitondra fanaka volafotsy sy volamena ary halimo ho an'i Davida i Jorama.
11 Natokan'i Davida mpanjaka ho an'ny TOMPO ireo fanaka ireo, tahaka ny nanokanany ny volafotsy sy ny volamena azony tamin'ireo firenena hafa rehetra efa resiny,
12 dia ny Sirianina sy Moabita ary Hamonita mbamin'ny Filistinina sy Hamalekita, ary koa nanokanany ny babo azony tamin'i Hadadehezera zanakalahin'i Rehoba sady mpanjakan'i Tsoba.
13 Rehefa niverina avy tany Siria i Davida, dia nahazo laza tamin'ny nandreseny koa ny Edomita 18 000 teo amin'ny Lohasahan-tsira.
14 Nametrahany governora tany Edoma; eny, nametrahany governora i Edoma manontolo, ka tonga olom-pehezin'i Davida avokoa ny mponiny. Ary nampandresy an'i Davida tamin'izay fanafihany rehetra ny TOMPO.
15 Dia nanjaka tamin'i Israely manontolo i Davida ka nanao ny rariny sy ny fahamarinana tamin'ny vahoakany rehetra.
16 I Joaba, zanakalahin'i Tseroia, no lehiben'ny tafika; i Josafata, zanakalahin'i Ahitoda, no mpitondratenin'ny mpanjaka;
17 i Tsadoka zanakalahin'i Ahitoba mbamin'i Ahimeleka zanakalahin'i Abiatara no mpisorona; i Seraia no mpitantsoratra;
18 i Benaia, zanakalahin'i Joiada, no lehiben'ny mpiambina andriamanjaka; ary ireo zanakalahin'i Davida kosa dia mpanolotsaina.
Toko faha-9
1 Hoy i Davida indray andro: Mbola misy olona sisa velona ve amin'ny fianakavian'i Saoly? Mba tiako ny hanisy soa azy noho ny amin'i Jonatana.2 Fa nanana mpanompo iray nantsoina hoe Tsiba ny fianakavian'i Saoly; ary nampanantsoina hankeo amin'i Davida izy, ka nanontanian'ity mpanjaka hoe: Ianao va no Tsiba? Ary hoy izy namaly: Izaho, tompoko, no izy.
3 Dia nanontany indray ny mpanjaka hoe: Mbola misy olona sisa velona ve amin'ny fianakavian'i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon'Andriamanitra? Ka novalian'i Tsiba hoe: Mbola misy zanakalahin'i Jonatana iray izay, nefa malemy tongotra izy.
4 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Aiza izy? Dia hoy i Tsiba namaly ny mpanjaka: Ao an-tranon'i Makira zanakalahin'i Hamiela ao Lo-Debara izy.
5 Ary naniraka olona haka azy any an-tranon'i Makira zanakalahin'i Hamiela ao Lo-Debara i Davida mpanjaka.
6 Rehefa tonga teo amin'i Davida i Mefiboseta zanakalahin'i Jonatana sady zafikelin'i Saoly, dia niankohoka tamin'ny tany ho fanajana azy. Ary hoy i Davida taminy: Mefiboseta! Ka novaliany hoe: Inty aho, tompoko.
7 Dia hoy indray i Davida taminy: Aza matahotra fa te hanisy soa anao noho ny amin'i Jonatana rainao aho, ka hamerina aminao ny tany rehetra izay an'i Saoly raibenao; ary ianao dia hisakafo isan'andro eo amin'ny latabatro.
8 Dia niankohoka izy sady namaly hoe: Zinona moa aho izay toa fatin'amboa ity no mba itodihanao, tompoko?
9 Nantsoin'ny mpanjaka i Tsiba mpanompon'i Saoly, ka nilazany hoe: Nomeko an'i Mefiboseta, zafikelin'ny tomponao avokoa izay rehetra nananan'i Saoly sy ny fianakaviany.