2 Samoela
Toko faha-3
4 ny fahefatra dia i Adonia zanakalahin'i Hagita; ny fahadimy dia i Sefatia zanakalahin'i Abitala;5 ary ny fahenina dia i Jitrehama zanany tamin'i Hegla izay vadin'i Davida koa. Ireo avy no zanakalahy naterak'i Davida tao Hebrona.
6 Raha mbola niady hatrany ireo mpomba an'i Saoly sy ireo mpomba an'i Davida, dia nanamafy ny heriny i Abinera teo amin'ny mpomba an'i Saoly.
7 Ary i Saoly nanana vaditsindrano natao hoe Ritsepa zanakavavin'i Aia. Ka hoy i Isboseta tamin'i Abinera: Nahoana ianao no nandry tamin'ny vaditsindranon-draiko?
8 Tezitra mafy i Abinera noho izany tenin'i Isboseta izany ka nilaza hoe: Alikalahy miandany amin'i Joda angaha aho? Mandraka ankehitriny dia naneho fitiavana ny fianakavian'i Saoly rainao sy ny rahalahiny ary ny sakaizany aho, ka tsy nanolotra anao ho eo an-tanan'i Davida, nefa ianao indray izao no manameloka ahy noho ny hadisoako tamin'iny vehivavy iny?
9 Hosazin'Andriamanitra mafy tokoa anie izaho Abinera, raha tsy hataoko amin'i Davida izay nianianan'ny TOMPO taminy,
10 dia ny hanaisotra ny fanjakana amin'ny fianakavian'i Saoly ka hampitoetra ny sezafiandrianan'i Davida amin'i Israely sy amin'i Joda hatrany Dana ka hatraty Beriseba.
11 Tsy hitan'i Isboseta intsony izay havaly an'i Abinera noho ny fahatahorany azy.
12 Naniraka olona amin'ny anarany nankany amin'i Davida i Abinera hanontany azy izay tompon'ny tany ka nanao hoe: Manaova fanekena amiko fa hanampy anao aho hahatonga an'i Israely manontolo hiara-dia aminao.
13 Dia hoy i Davida namaly azy: Eny ary fa hanao fanekena aminao aho, saingy izao kosa no mba hangatahiko aminao: Aza miseho amiko raha tsy entinao aty i Mikala zanakavavin'i Saoly.
14 Dia naniraka olona nankany amin'i Isboseta zanakalahin'i Saoly i Davida hanao aminy hoe: Omeo ahy i Mikala vadiko izay efa azoko ho takalon'ireo tsitsy zaton'ny Filistinina.
15 Ary i Isboseta nampaka an'i Mikala tany amin'i Paltiela vadiny sady zanakavavin'i Laisy.
16 Nanaraka azy hatrany Bahorima i Paltiela sady nitomany. Kanefa hoy i Abinera taminy: Mandehana mody amin'izay!; ary dia niverina izy.
17 Avy eo nifampidinihan'i Abinera ny loholon'i Israely ka nilazany hoe: Ela izay nanirianareo an'i Davida ho mpanjakanareo izay.
18 Koa tanteraho izany ankehitriny, satria ny TOMPO efa nilaza tamin'i Davida hoe: Amin'ny alalan'i Davida mpanompoko no hanafahako ny Israely vahoakako amin'ny herin'ny Filistinina sy ny fahavalony rehetra.
19 Niresaka izany tamin'ny Benjaminita koa i Abinera; ary avy eo nankany Hebrona izy mba hilaza amin'i Davida ny faneken'ny Benjaminita sy ny Israelita hafa.
20 Dia tonga tany amin'i Davida tao Hebrona i Abinera niaraka tamin'ny lehilahy roapolo, ka nanaovan'i Davida fanasana.
21 Ary hoy i Abinera tamin'i Davida: Handeha aho, tompoko, ka hamory ny Israelita rehetra ho eo aminao. Hanao fanekena aminao izy ireo ary dia hanjaka hatraiza hatraiza araka izay sitrakao ianao. Navelan'i Davida handeha i Abinera, ka lasa soa aman-tsara.
22 Taorian'izay dia tonga avy nandranto ady ny mpanompon'i Davida sy i Joaba, ka nitondra babo maro. Tsy tao amin'i Davida tao Hebrona intsony i Abinera fa efa navelany handeha soa aman-tsara.
23 Raha vantany vao tonga teo i Joaba sy ny tariny rehetra, dia nisy nampandre an'i Joaba hoe: Tonga tao amin'ny mpanjaka i Abinera zanakalahin'i Nera ka navelany handeha soa aman-tsara.
24 Ary nankao amin'ny mpanjaka i Joaba ka nanao taminy hoe: Fa inona izany nataonao izany? Tonga teo aminao i Abinera, ka nahoana no navelanao handeha fotsiny?
25 Fantatrao tsara anefa i Abinera zanakalahin'i Nera, fa ny hamitaka anao sy hitsikilo izay alehanao ary hahalala izay ataonao rehetra no nahatongavany!
26 Dia nivoaka avy tao amin'i Davida i Joaba ary naniraka olona hanaraka an'i Abinera. Avy teo amin'ny lavaka famorian-drano atao hoe Sira no nitondran'ireo azy niverina; nefa tsy fantatr'i Davida velively izany.
27 Rehefa tafaverina tao Hebrona i Abinera, dia notaomin'i Joaba hankeny am-bavahady toy ny hiresaka mangina aminy izy, kanjo notrobarany teo amin'ny kibony izy ka maty ho valin'ny nahafatesan'i Asahela rahalahiny.
28 Rehefa ren'i Davida izany taty aoriana, dia hoy izy hoe: Afa-tsiny mandrakizay eo anatrehan'ny TOMPO izaho sy ny fanjakako ny amin'ny nahafatesan'i Abinera zanakalahin'i Nera.
29 Hivaly eo an-dohan'i Joaba sy ny fianakaviany manontolo anie izany, ary tsy ho foana ao amin'ny taranak'i Joaba koa anie ny olona marary mitsika na marary hoditra sy ny lehilahy kilemaina manao asam-behivavy, ary ny lehilahy matin-tsabatra na tsy ampy sakafo!
30 Toy izany no namonoan'i Joaba sy i Abisay rahalahiny an'i Abinera ho faty noho ny namonoany an'i Asahela rahalahiny tamin'ny ady tao Gibehona.
31 Ary hoy i Davida tamin'i Joaba sy ny olona rehetra niaraka taminy: Triatriaro ny akanjonareo, ka mitafia gony ary aoka hanao fisaonana an'i Abinera ianareo. Nanaraka taorian'ny tranovorona i Davida mpanjaka.
32 Dia nalevina tao Hebrona i Abinera. Nigogogogo nitomany teo amin'ny fasan'i Abinera ny mpanjaka; ary nitomany toy izany koa ny vahoaka.
33 Nanao izao hira fisaonana an'i Abinera izao ny mpanjaka: Nahoana no tahaka ny fahafatesan'ny adala no nahafatesanao, ry Abinera?
34 Tsy nifatotra tongotra aman-tanana ianao, nefa maty toy ny olona matin'ny jiolahy. Dia mbola nitomany azy indray ny vahoaka rehetra teo.
35 Raha mbola antoandro ny andro dia nanatona avokoa ireo mba hampihinan-kanina an'i Davida, nefa izy kosa nianiana hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie ny famaizana mafy indrindra raha manendry hanina na zavatra hafa aho mandra-pilentiky ny masoandro.
36 Ary azon'ny vahoaka rehetra ny hevitr'izany ka nankasitrahiny; sady izay rehetra nataon'ny mpanjaka moa dia nankasitrahin'ny vahoaka. 37 Koa fantatry ny vahoakan'i Joda manontolo sy ny Israelita rehetra tamin'io andro io fa tsy baiko avy amin'ny mpanjaka mihitsy no nahafaty an'i Abinera zanakalahin'i Nera.
38 Ary hoy koa ny mpanjaka tamin'ireo mpanompony: Tsy fantatrareo va fa komandy sady lehilahy malaza teo amin'i Israely no maty androany?
39 Fa izaho, na dia mpanjaka efa voahosotra aza, dia mahatsiaro ny tenako ho mbola malemy ankehitriny; ary ireo zanakalahin'i Tseroia ireo dia mahery setra loatra miohatra amiko. Ny TOMPO anie hanafay azy araka ny ratsy nataony.
Toko faha-4
1 Rehefa ren'i Isboseta zanakalahin'i Saoly fa maty tany Hebrona i Abinera, dia niraviravy tanana izy, ary ketraka ny Israelita rehetra.2 Ity zanakalahin'i Saoly ity dia nanana lehiben'andia-miaramila; ka ny roalahy tamin'ireo lehibe ireo, dia i Bahana sy i Rekaba samy zanakalahin'i Rimona avy any Beerota sady Benjaminita; satria natao ho isan'i Benjamina koa i Beerota,
3 hatramin'ny nandosiran'ny mponiny nankany Gitaima izay mbola onenan'ny taranany mandraka androany.
4 I Jonatana zanakalahin'i Saoly koa dia nanan-janakalahy izay nalemy ny tongony roa. Dimy taona izy raha tonga tany Jizrehela ny vaovao momba ny nahafatesan'i Saoly sy i Jonatana. Nentin'ny mpitaiza azy nitsoaka izy; kanjo noho ny fahamaikana dia nianjera teny am-pandosirana ilay zaza, ka tonga nalemy ny tongony. Mefiboseta no anarany.
5 Nankany an-tranon'i Isboseta i Rekaba sy i Bahana zanakalahin'i Rimona avy any Beerota, ary tonga tany tokony ho tamin'ny mitataovovonana, dia ilay mafana be iny indrindra. Teo am-pialan-tsasatra i Isboseta tamin'izay.
6 Dia niditra tao an-trano toy ny mpaka vary i Rekaba sy i Bahana rahalahiny; koa rehefa hitany i Isboseta fa nandry teo am-parafara tao an'efitra fatoriany, dia notrobarany ny kibony. Rehefa matin'izy roalahy izy, dia notapahiny ny lohany ary nentiny nandositra; ka nandritra ny alina no nandehanany namaky ny lemak'i Araba.
8 Nahatonga ny lohan'i Isboseta teo amin'i Davida tao Hebrona izy mirahalahy ka niteny tamin'ny mpanjaka hoe: Indro tompoko ny lohan'i Isboseta zanakalahin'i Saoly fahavalonao izay nitady hahafaty anao. Fa ny TOMPO androany no namaly faty anao ny amin'ny nataon'i Saoly sy ny taranany.
9 Fa hoy i Davida namaly an'i Rekaba sy i Bahana mirahalahy, samy zanak'i Rimona avy any Beerota: Velona ny TOMPO Izay nanafaka ahy tamin'ny loza rehetra,
10 ka izao no hizingiziniko: Ilay nanambara tamiko ny nahafatesan'i Saoly, ka nihevitra ny tenany ho mpitondra vaovao mahafaly, dia efa nosamboriko ary novonoiko ho faty tao Tsiklaga. Izany no nasetriko azy tamin'ny vaovao mahafaly nentiny.
11 Koa mainka fa misy olon-dratsy namono nahafaty lehilahy tsy nanan-tsiny tao an-tranony sady teo am-parafarany. Tsy maintsy saziko ianareo izao noho ny namonoanareo an'i Isboseta ho faty; ka hofongorako tsy ho amin'ity tany ity intsony ianareo.
12 Ary nomen'i Davida baiko ireo zatovony ka namono nahafaty an'i Rekaba sy i Bahana. Avy eo dia notapahiny ny tanany sy ny tongony, ary nahantony teo akaikin'ny dobo tao Hebrona. Fa ny lohan'i Isboseta kosa dia nentina ka nalevina tao amin'ny fasan'i Abinera tao Hebrona.
Toko faha-5
1 Dia tonga tao amin'i Davida tao Hebrona ny fokon'i Israely rehetra ka nanao taminy hoe: - Indreto izahay havanao sy tapakao.2 Fahiny, fony mbola nanjaka taminay aza i Saoly, dia ianao no mpitarika ny miaramilan'i Israely tamin'ny ady; ary ny TOMPO efa nilaza taminao hoe: 'Ianao no hitondra ilay Israely vahoakako, ary ianao no ho filohany.'
3 Tonga tao amin'ny mpanjaka tao Hebrona avokoa ireo lohon'i Israely. Ary tao Hebrona dia nanaovan'I Davida mpanjaka fanekempihavanana teo anatrehan'ny TOMPO ry zareo, ka nanosotra azy ho mpanjakan'i Israely.
4 Telopolo taona i Davida fony tonga mpanjaka ary nanjaka efapolo taona izy.