2 Samoela
Toko faha-5
5 Teo Hebrona, dia fito taona sy tapany no nanjakany tamin'ny fokon'i Joda; ary tany Jerosalema dia 33 taona no nanjakany tamin'i Israely sy i Joda mitambatra.6 Nankany Jerosalema hiady amin'ny Jebosita tompon-tany ny mpanjaka sy ny olony; nefa hoy ny Jebosita tamin'i Davida: - Tsy ho tafiditra aty ianao, fa ny jamba sy ny mandringa aza dia hahasakana anao. Izany no fomba nilazan'ny Jebosita fa tsy ho tafiditra ao mihitsy i Davida.
7 Kanjo azon'i Davida ihany ilay tananamimanda, dia i Tsiona izay hatao hoe Tananan'i Davida.
8 Tamin'izay andro izay dia hoy i Davida hoe: 'Raha misy te hamely ny Jebosita, dia aoka izy hihazo ny lakan-drano!' Ny amin'ny mandringa sy jamba dia nankahalain'i Davida ireo, ka nahatonga ny fitenenana hoe: 'Tsy mahazo miditra ny Tranon'ny Tompo ny jamba sy ny mandringa'.
9 Nipetraka tao an-tanana mimanda i Davida, ary niantso azy hoe 'Tananan'i Davida'. Dia narafitr'i Davida ny manodidina, nanomboka hatreo Milao ka mifarana amin'ny trano fonenany.
10 Dia nihanatanjaka hatrany i Davida, satria ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao no niaraka taminy.
11 Naniraka olona hankany amin'i Davida i Hirama mpanjakan'i Tiro mba hitondra hazo sedera sy mpandrafitra ary mpipai-bato. Dia nanangana trano ho an'i Davida ireo.
12 Fantatr'i Davida fa ny TOMPO no efa nampanjaka azy tamin'i Israely ary nanandratra ny fanjakany noho ny amin'i Israely vahoakany.
13 Rehefa niala tao Hebrona ka tonga tany Jerosalema i Davida, dia mbola naka vaditsindrano sy vady hafa koa izay niterahany zanakalahy sy zanakavavy.
14 Ireto avy no anaran'izay naterany tany Jerosalema: I Samoa sy i Sobaba, i Natana sy i Salomona,
15 I Jibehara sy i Elisoa, i Nefega sy i Jafia,
16 I Elisama sy i Eliada ary i Elifelety.
17 Nony ren'ny Filistinina fa nohosorana ho mpanajakan'i Israely i Davida dia niakatra avokoa izy rehetra mba hambabo an'i Davida. Raha nahare izany koa i Davida, dia nidina nankao amin'ny fialofana mimanda.
18 Nony tonga ny Filistinina dia niparitaka teny amin'ny lohasahan'ny Refaita.
19 Nanontany ny TOMPO i Davida nanao hoe: - Hiakatra hanafika ny Filistinina ve aho? Hatolotrao eo an-tanako ve izy ireo? Dia hoy ny TOMPO namaly an'i Davida: - Eny, miakara fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistinina.
20 Tonga tao Bahala-Peratsima i Davida ka nandresy ny Filistinina, ary nilaza hoe: - Ny Tompo efa nahavaky ny fahavaloko teo anatrehako hipariahany toy ny rano vaky. Izany no nanaovana io toerana io hoe: 'Bahala-Peratsima' na 'Tompon'ny fahavakiana'.
21 Ary nilaozan'ny Filistinina teo ny sampiny, ka nalain'i Davida sy ny olony.
22 Mbola niverina niakatra teo amin'ny lohasahan'ny Refaita indray ny Filistinina ka niparitaka teo.
23 Dia nanontany ny TOMPO indray i Davida ka novaliany hoe: Aza miakatra fa hodidino avy any aoriana izy, dia hanatona azy avy eo amin'ny tandrifin'ny foto-boaroihazo ianao.
24 Rehefa mahare hoatra ny fingadongadon'olona eny an-tendron-kazo ianao, dia mihetseha faingana; satria amin'izay ny TOMPO no hiainga eo alohanao mba handresy ny tafiky ny Filistinina.
25 Dia nanao araka ny nandidian'ny TOMPO azy i Davida ka nandresy ny Filistinina hatreo Geba ka hatrany Gezera.
Toko faha-6
1 Novorin'i Davida indray ireo miaramila voafantina rehetra tamin'i Israely izay misy antokony telopolo.2 Dia niainga i Davida sy izany tafika manontolo nomba azy izany ka niala tao Bahala-Joda mba hampakatra ny Vatamasin'Andriamanitra fa eo amin'io Vatamasina io no iantsoana ny anaran'ilay TOMPOn'izao rehetra izao, dia Ilay mipetraka eo ambonin'ny Kerobima.
3 Tao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana ilay Vatamasina, dia nataingina teo ambany sarety vaovao ary nentina. I Hoza sy i Ahiao samy zanakalahin'i Abinadaba no nitondra ny sarety,
4 izay nitoeran'ny Vatamasina, ka i Ahiao no nialoha lalana.
5 Niravoravo teo anatrehan'ny TOMPO i Davida sy ny Israelita rehetra tamin'ny fampiasana zava-maneno vita tamin'ny hazo kipresy, dia ny lokanga sy ny valiha, mbamin'ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.
6 Nony tonga teo akaikin'ny famoloan'i Nakona izy ireo, dia naninji-tanana hihazona ny Vatamasina i Hoza satria saika hazeran'ny omby io.
7 Nirehi-pahatezerana tamin'i Hoza ny TOMPO Andriamanitra ka namono nahafaty azy noho ny fihetsika tsy voahevitra nataony; dia teo akaikin'ny vatamasin'Andriamanitra teo izy no maty.
8 Taitra noho ny namelezan'ny TOMPO mafy an'i Hoza i Davida, ka dia nataony hoe Peretsa-Hoza ny anaran'io toerana io; ary mbola izany no fiantso azy mandraka androany.
9 Natahotra ny TOMPO i Davida tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana no hiditra aty amiko ny Vatamasin'ny TOMPO?
10 Nolavin'i Davida ny hamindra ny Vatamasin'ny TOMPO ho any aminy, any an-tananan'i Davida; fa naviliny kosa izany ho ao an-tranon'i Hobeda-Edoma, lehilahy avy any Gata.
11 Telo volana no nipetrahan'ny Vatamasin'ny TOMPO tao an-tranon'io Hobeda-Edoma avy any Gata io; ary dia notahin'ny TOMPO i Hobeda-Edoma sy ny ankohonany manontolo.
12 Nisy nilaza tamin'i Davida mpanjaka fa ny TOMPO efa nitahy ny ankohonan'i Hobeda-Edoma sy izay nananany rehetra noho ny amin'ny Vatamasin'Andriamanitra. Dia niainga i Davida nampakatra ny Vatamasin'Andriamanitra avy tao an-tranon'i Hobeda-Edoma ho any an-tananan'i Davida.
13 Rehefa namindra inenina ireo mpitondra ny Vatamasin'ny TOMPO, dia nanao sorona omby sy zanak'omby matavy i Davida.
14 Nandihy araka ny heriny manontolo teo anatrehan'ny TOMPO i Davida, izay efoda rongony fotsy ihany no nisalorany.
15 Ary i Davida sy ny Israelita rehetra teo dia nitondra ny Vatamasin'ny TOMPO tamin'ny hoby sy ny feon'anjomara nankany Jerosalema.
16 Fa rehefa tonga tao an-tananan'i Davida ny Vatamasin'ny TOMPO, dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikala zanakavavin'i Saoly ka nony nahita an'i Davida mpanjaka nandihy sy nibitaka teo anatrehan'ny TOMPO izy, dia naneso azy anakampony.
17 Dia nampidirina ny Vatamasin'ny TOMPO ka napetraka teo amin'ny toerana voatokana tao anatin'ny tranolay izay efa natsangan'i Davida ho azy. Ary i Davida avy eo nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo anatrehan'ny TOMPO.
18 Rehefa nahavita ireo sorona ireo i Davida, dia nitsodrano ny vahoaka tamin'ny anaran'ilay TOMPOn'izao rehetra izao.
19 Nasainy nizarana sakafo ny Israelita rehetra teo, ka na lehilahy na vehivavy dia samy nahazo mofomamy iray sy didin-kena voatono iray ary ampempam-boaloboka iray avy. Dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.
20 Ary i Davida koa lasa nody mba hiarahaba ny ankohonany. Fa avy hatrany dia notsenain'i Mikala zanakavavin'i Saoly izy, ka nataony hoe: Endrey izany voninahitry ny mpanjakan'i Israely androany, dia ilay nanary lamba anikeheo teo anatrehan'ny mpanompovavin'ny andevony, tahaka ny adala manary lamba!
21 Hoy kosa i Davida tamin'i Mikala: Ho fanajana ny TOMPO no nanaovako izany, dia Izy Ilay nifidy ahy mihoatra noho ny rainao sy ny ankohonany manontolo, ka nanao ahy ho filohan'i Israely vahoakany. Eny, ho fanajana ny TOMPO no mbola hitsinjahako;
22 ary mbola hietry kokoa noho izany aza aho sady hanao tsinontsinona ny tenako, fa izany no hahabe voninahitra ahy, na dia eo anatrehan'ireo mpanompovavy lazainao ireo aza.
23 Dia tsy nanan-janaka mandra-pahafatiny intsony i Mikala zanakavavin'i Saoly.
Toko faha-7
1 Rehefa tafapetraka tao an-dapany ny mpanjaka ary nampiadanin'ny TOMPO tamin'ireo fahavalony manodidina azy rehetra,2 dia hoy izy tamin'i Natana mpaminany: Jereo ange aho fa mipetraka amin'ny lapa vita hazo sedera, kanefa ny Vatamasin'Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty tranolay.
3 Dia hoy i Natana namaly ny mpanjaka: Andeha tanteraho avokoa izay noeritreretinao hatao; fa momba anao ny TOMPO.
4 Tamin'ny alina iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'ny TOMPO nanao hoe:
5 Ndeha lazao amin'i Davida mpanompoko izao hafatro izao: ?Tsy ianao no hanao trano hitoerako.
6 Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny andro nampiarako ny Israelita avy tany Ejipta ka mandraka androany, fa tao anaty lay sy tao anaty fonena-masina Aho no mifindrafindra toerana.