1 Samoela
Toko faha-25
23 Raha vao nahita an'i Davida i Abigaila, dia nialany faingana ny borikiny, ka niondrika teo anatrehan'i Davida izy24 ary niantoraka teo an-tongony sady nanao hoe: Aoka, tompoko, ho ahy dia ho ahy ny fahadisoana! Fa mba avelao aho mpanomponao hiteny kely aminao, koa henoy izay holazaiko.
25 Aza miraharaha an'i Nabala ianao, fa olona adala tsy misy antony iny, dia araka ny anarany ihany hoe Nabala-Adala; eny, olona adala lozabe izy. Fa izaho kosa, tompoko, tsy mba nahita ireo tovolahy izay nirahinao.
26 Kanefa velona ny TOMPO ary velona koa ny ainao, ka dia Izy TOMPO mihitsy no efa niaro anao tsy handatsa-dra sy tsy haninji-tanana hamalifaty. Enga anie, tompoko, hanjo ny fahavalonao sy izay te hanisy ratsy anao ny nanjo an'i Nabala.
27 Ankehitriny aoka ireto fanomezana entiko ho anao ireto mba hozaraina amin'ireo tovolahy miaraka aminao.
28 Mifona aminao aho, tompoko, mba avelao re ny fahadisoan'ny mpanomponao, fa hampaharitra tokoa ny fanjakanao sy ny an'ny taranakao ny TOMPO satria ny adin'ny TOMPO no imasoanao, ary tsy hisy ratsy hanimba anao amin'ny andro rehetra iainanao.
29 Raha misy olona milofo hanenjika anao, tompoko, ka mitady hahafaty anao, dia ny TOMPO Andriamanitrao hiaro mandrakariva ny ainao eo anilany, fa ny ain'ny fahavalonao kosa hatorany lavitra, toy ny atoraka amin'ny antsamotady.
30 Rehefa tanteraky ny TOMPO aminao ny soa rehetra nampanantenainy ka voatsangany ho filohan'i Israely ianao,
31 dia aoka tsy harahin'alahelo na nenina ianao satria hoe nahalatsa-dra amin'ny antony ka nanao fitsaran-tenany. Mba tsarovy aho mpanomponao, tompoko, rehefa manisy soa anao ny TOMPO!
32 Dia hoy i Davida tamin'i Abigaila: Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr'i Israely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany.
33 Misaotra anao koa aho noho ny fahendrenao, dia ianao izay niaro ahy tsy handatsa-dra tsy amin'antony sy hanao fitsaran-tenany.
34 Nefa velona ny TOMPO Andriamanitr'i Israely Izay nisakana ahy tsy hanisy ratsy anao, ka Izy no ianianako aminao fa raha tsy tonga faingana nihaona tamiko ianao, dia ho tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza tamin'ny fianakavian'i Nabala rahampitso vao maraina.
35 Noraisin'i Davida ireo zavatra nentin'i Abigaila ho azy, ary hoy indray izy taminy: Miverena soa aman-tsara any an-tranonao. Jereo fa efa nihaino ny feonao aho ary nanaiky ny fifonanao.
36 Ary i Abigaila tonga tany amin'i Nabala izay nanao fety be tao an-tranony toy ireny amin'ny fanasan'ny mpanjaka ireny. Faly aoka izany ny fon'i Nabala, ka dia nanao mamo be izy. Noho izany, dia tsy nisy zavatra azon'i Abigaila nambara taminy na kely aza mandra-paharainan'ny andro.
37 Ny ampitso maraina, rehefa afaka ny hamamoan'i Nabala, vao notantarain'ny vadiny taminy izay nitranga, ka voadona mafy ny fony, hany ka tsy nahahetsika toy ny vato izy.
38 Ary tokony ho folo andro taorian'izany, dia nasian'ny TOMPO indray i Nabala ka dia maty.
39 Rehefa ren'i Davida fa maty i Nabala, dia hoy izy hoe: Hisaorana anie ny TOMPO Izay nomba ahy tamin'ny fanalam-baraka nataon'i Nabala, sy niaro ahy mpanompony tsy hanao ratsy ary nampitsingerina teo an-dohan'i Nabala ihany ny ratsy nafitsony. Rehefa izany, dia naniraka hankany amin'i Abigaila i Davida mba haka azy ho vady.
40 Dia tonga tany amin'i Abigaila tao Karmela ny mpanompon'i Davida, ka nilaza taminy hoe: Nirahin'i Davida hankaty aminao izahay mba haka anao ho vadiny.
41 Dia nitsangana i Abigaila ka niankohoka tamin'ny tany ary niteny hoe: Ho mpanompon'i Davida aho, ka vonona hanasa ny tongotr'ireo mpanompony toy ny andevo.
42 Nitsangana faingana i Abigaila, nitaingina ny borikiny, nomban'ny mpanompony dimy, dia nanaraka ireo irak'i Davida, ary lasa vadiny.
43 Efa nanambady an'i Ahinohama avy any Jizrehela koa i Davida, ka dia samy vadiny avokoa izy roa.
44 Fa i Saoly efa nanome ny zanany Mikala, vadin'i Davida, ho vadin'i Palty zanakalahin'i Laisy avy any Galima.
Toko faha-26
1 Tonga tao amin'i Saoly tany Gibeha ny mponin'i Zifa, ka nanao taminy hoe: Moa tsy fantatrao ve fa miery any amin'ny havoanan'i Hakila, tandrifin'ny faritra be lobolobo i Davida!2 Dia nidina nankany an-taniefitr'i Zifa i Saoly nitondra miaramila telo arivo voafantina tamin'i Israely mba hitady an'i Davida any.
3 Nitoby teo amoron-dalana i Saoly tao amin'ny havoanan'i Hakila izay tandrifin'ny faritra be lobolobo. I Davida izay nitoetra tany an-taniefitra kosa dia nahafantatra fa tonga hanenjika azy any i Saoly.
4 Naniraka mpitsikilo manko i Davida ka nahazo antoka ny fahatongavan'i Saoly.
5 Dia nankany amin'izay nitobian'i Saoly i Davida ka nahita ny toerana marina izay nandrian'i Saoly sy i Abinera zanakalahin'i Nera lehiben'ny tafika; natory tao afovoan'ny toby i Saoly, fa ny miaramilany kosa nitoby nanodidina azy.
6 Dia niteny i Davida ka nangataka tamin'i Ahimeleka izay Hetita sy tamin'i Abisay zanak'i Tseroia sy rahalahin'i Joaba hoe: Iza aminareo roa lahy no hiaraka amiko ho any amin'ny tobin'i Saoly? Dia namaly i Abisay hoe: Izaho no hiaraka aminao.
7 Nony alina dia tonga teo amin'ny toby i Davida sy i Abisay ary indro i Saoly fa nandry resin-tory teo afovoan'ny toby, ny lefony kosa nitsatoka tamin'ny tany teo akaikin'ny lohany. Ry Abinera sy ny miaramilany dia nandry nanodidina azy.
8 Ka hoy i Abisay tamin'i Davida: Anio no anoloran'Andriamanitra ny fahavalonao ho eo am-pelatananao; koa aoka holefoniko indray mandeha monja hifantsika amin'ny tany izy fa tsy indroa akory.
9 Fa hoy kosa i Davida tamin'i Abisay: Tsia, aza mamono azy. Moa ataonao ho afa-maina izay mitady ny ain'ilay voahosotry ny TOMPO ka tsy hofaizina?
10 Velona ny TOMPO ka milaza marina aminao aho fa ny TOMPO irery ihany no hanapitra ny androny, na amin'ny fahafatesana tsotra izany, na vokatry ny ady.
11 Fa sanatriaviko eto anatrehan'ny TOMPO kosa ny handatsaka ny ain'ilay voahosotry ny TOMPO. Ny lefona akaikin'ny lohany sy ny siny fitoeran-dranony ihany no alaina, dia aoka isika handeha!
12 Nalain'i Davida ny lefona sy ny siny teo akaikin'ny lohan'i Saoly, dia lasa izy ireo. Tsy nisy olona nahatsiaro ka nahita na nahafantatra; fa natory ny besinimaro, satria nahasondrian-tory azy ireo ny TOMPO.
13 Niampita tery an-dafin'ny lohasaha i Davida, ka nijanona teo an-tampon-tendrombohitra; lavidavitra ihany ny elanelan'izy roa tonta.
14 Dia niantso ny tafika sy i Abinera zanakalahin'i Nera i Davida hoe: Ry Abinera! Mandre ahy ve ianao? Fa novalian'i Abinera hoe: Zovy moa izao miantsoantso mankarenina ny sofin'ny mpanjaka izao?
15 Dia hoy indray i Davida tamin'i Abinera: Moa ve tsy lehilahy mahery ianao, fa tsy misy tahaka anao amin'i Israely? Koa nahoana ianao no tsy miambina tsara ny mpanjaka tomponao? Fa nisy tamin'ny vahoaka tonga hamono azy.
16 Velona ny TOMPO, ka hizingiziniko fa ratsy izany nataonao izany. Mendrika ny ho faty ianareo rehetra satria tsy niambina ny tomponareo, dia ilay voahosotry ny TOMPO. Jereo ange: aiza ireo lefona sy siny fitoeran-drano teo akaikin'ny lohan'ny mpanjaka?
17 Fantatr'i Saoly ny feon'i Davida, ka hoy izy hoe: Ny feonao ve izany reko izany, ry Davida zanako? Dia hoy ny navalin'i Davida azy: Eny, ry mpanjaka, ny feoko tokoa izany.
18 Ary hoy koa izy hoe: Nahoana ianao, ry mpanjaka, no dia manenjika ahy mpanomponao? Fa inona loatra no nataoko ary inona no ratsy vitako?
19 Ary ankehitriny, aoka ianao, ry mpanjaka tompoko, hihaino izay holazaiko aminao: raha ny TOMPO no manosika anao hanao izany amiko, aoka hampitony Azy ny sorona aterina aminy; fa raha olombelona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan'ny TOMPO izy satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin'ny tany nomen'ny TOMPO ka toy ny manao amiko hoe: Mandehana manompo andriamani-kafa.
20 Ary ankehitriny, aoka aho tsy ho faty lavitra ny fanatrehan'ny TOMPO! Fa nahoana ianao, ry mpanjakan'i Israely, no niainga hiantafika mba mitady izay parasy iray tahaka ahy, nahoana ianao no manenjika ahy toy ny fanenjika tsipoy iray eny an-tendrombohitra?
21 Hoy kosa i Saoly hoe: Nanota tokoa aho, koa miverena, ry Davida zanako; fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, satria sarobidy taminao ny aiko androany. Nitondra tena toy ny adala aho, ka mahatsiaro ho diso tokoa.
22 Dia namaly i Davida hoe: Inty ny lefonao, ry mpanjaka, koa aoka ny anankiray amin'ny mpanomponao mba haka azy ety!
23 Ny TOMPO anie hanao amintsika tsirairay araka ny fahitsiany sy ny fahamarinany! Ny TOMPO no efa nanolotra anao ho eo an-tanako androany, nefa tsy nety nikasi-tanana anao aho, satria voahosotry ny TOMPO ianao.
24 Koa tahaka ny nahasarobidy tamiko ny ainao, no enga anie hahasarobidy ny aiko amin'ny TOMPO ka hanafahany ahy amin'ny fahoriana isan-karazany.
25 Ary hoy i Saoly tamin'i Davida: Hitahy anao anie ny Tompo, ry Davida zanako! Eny, hahomby avokoa ny zava-dehibe izay hataonao. Dia lasa nanohy ny diany i Davida, fa i Saoly kosa niverina nody.
Toko faha-27
1 Hoy i Davida anakampo: Ho fatin'ny tanan'i Saoly ihany aho indray andro any. Koa ny tsara indrindra amiko dia tsy misy afa-tsy ny mandositra any amin'ny tanin'ny Filistinina. Hatsahatr'i Saoly ny fitadiavany ahy manerana ny faritanin'i Israely, ka dia ho afa-doza aminy aho.2 Koa lasa i Davida mbamin'ny eninjato lahy mpiara-dia aminy, nankany amin'i Akisy, zanakalahin'i Mahoka sady mpanjakan'i Gata.
3 Nitoetra tao amin'i Akisy tany Gata i Davida sy ny olony nombam-pianakaviana avy, mbamin'ireo vadin'i Davida roa, dia Ahinohama avy any Jizrehela sy i Abigaila vady navelan'i Nabala avy any Karmela.