1 Samoela

Toko faha-30

6 Mafy ny fahoriam-panahy nahazo an'i Davida, fa niara-nioko hitora-bato azy ny olona satria samy nalahelo mafy izy ireo nieritreritra ny zanany lahy sy ny zanany vavy avy. Na izany aza dia nankahery tena i Davida, noho ny amin'ny TOMPO Andriamaniny.

7 Ka hoy i Davida tamin'i Abiatara mpisorona sady zanakalahin'i Ahimeleka: Ento aty amiko ny efoda fanontaniana ny Tompo, azafady. Dia nentin'i Abiatara teo amin'i Davida ny efoda.

8 Ary nanontany tamin'ny TOMPO i Davida hoe: Raha henjehiko ve ireny tontakely ireny, dia mety ho azoko? Ka hoy ny navalin'ny TOMPO azy: Enjeho izy ireo fa ho azonao, ary dia hoafahanao ireo babo.

9 Dia niainga i Davida sy ny namany eninjato lahy. Rehefa tonga teo amin'ny riakan'i Besora izy ireo, dia nijanona ny roanjato lahy

10 satria reraka loatra ka tsy afa-niampita; fa i Davida sy ny efajato lahy no nanohy ny fanenjehana ireo Hamalekita.

11 Teny an-tsaha teny ireo miaramila dia nahita tovolahy Ejiptianina ka nentiny tany amin'i Davida. Nomena mofo izy hohaniny, ary rano hosotroiny.

12 Dia nomena didina mofomamin'aviavimbazaha sy sampahom-boaloboka maina roa. Rehefa avy nihinana ireo izy, dia nihanahazo hery, satria efa tsy nihinan-kanina nandritra ny telo andro sy telo alina.

13 Dia nanontany azy i Davida hoe: An'iza moa ianao, ary mba avy taiza? Ka novaliany hoe: Tovolahy ejiptianina aho ary mpanompon'ny Hamalekita iray. Nilaozan'ny tompoko aho afak'omaly satria narary.

14 Talohan'izao dia nanafika ny faritra atsimo amin'ny Keretita sy ny an'i Joda ary ny an'i Kalebita izahay. Ary nodoranay ny tananan'i Tsiklaga.

15 Ary hoy i Davida taminy: Azonao entina any amin'izany andian-tontakely izany ve aho? Dia hoy ny navaliny azy: Raha mianiana amiko eto anatrehan'Andriamanitra ianao fa tsy hahafaty ahy, na hanolotra ahy amin'ny tompoko, dia hitondra anao eo amin'izany andian-tontakely izany aho.

16 Dia nentin'ilay tovolahy ejiptianina tany amin'ny Hamalekita i Davida. Ary ny Hamalekita efa niparitaka nanerana ny faritany, ka nihinana sy nisotro ary nanao lanonana fa nahazo harem-be tany amin'ny tanin'ny Filistinina sy ny tanin'i Joda.

17 Namely azy ireo vao mangiran-dratsy i Davida mandra-paharivan'ny andro manaraka. Tsy nisy niangana na iray aza afa-tsy tovolahy efajato izay afa-nandositra nitaingin-drameva.

18 Avotr'i Davida avokoa izay rehetra lasan'ny Hamalekita. Navotany manokana ireo vadiny roa.

19 Tsy nisy tsy azony na kely na lehibe hatramin'ny zazalahy sy ny zazavavy ary ny harem-be, dia izay rehetra nobaboin'ny fahavalo. Tafaverin'i Davida avokoa izany.

20 Nalain'i Davida koa ny biby fiompy rehetra na kely na lehibe. Ary nandeha teo alohan'ireo biby ireo ny mpitarika azy ka niantsoantso hoe: Itony no azon'i Davida!

21 Ary i Davida niverina tany amin'ny roanjato lahy izay efa reraka tsy afa-nanaraka azy ka nijanona teo amin'ny ranon-driakan'i Besora. Niainga izy ireo hitsena an'i Davida sy ny mpanaraka azy. Dia nanatona azy ry Davida ka niarahaba azy.

22 Fa ireo ratsy fanahy sy faikan'olona tamin'izay nanaraka an'i Davida dia samy niteny hoe: Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo, dia tsy omentsika amin'ny babo izay azontsika afa-tsy ny vady aman-janak'izy ireo ihany; aoka hoentiny any ireo dia, avelao izy handeha.

23 Fa hoy i Davida hoe: Ry rahalahy, aza mba manao izany amin'izay nomen'ny TOMPO antsika; Izy no niaro antsika sady nanolotra ho eo am-pelatanantsika ny andian-tontakely izay tonga namely antsika.

24 Koa iza no hihaino anareo amin'izany hevitrareo izany? Tsia, fa mitovy ihany ny anjaran'izay nidina hiady sy izay nijanona niandry entana: hiarahan'ny roa tonta mizara ireo.

25 Nanomboka tamin'io andro io, dia nataon'i Davida lalana sy fomba ho an'i Israely izany ary mbola arahina mandraka androany.

26 Rehefa tafaverina tany Tsiklaga i Davida, dia nandefasany anjara tamin'ny babo ireo loholon'i Joda sakaizany, ka nataony hoe: Iny fanomezana ho anareo avy amin'ny babo azo tamin'ny fahavalon'ny TOMPO.

27 Nandefasany koa ireo loholon'i Betela sy i Ramota-Negeba ary i Jatira,

28 ireo loholon'i Harohera, sy i Sifmota ary i Estemoa,

29 ireo loholon'i Rakala sy ny tananan'ny Jerahimelita ary ny Kenita,

30 ireo loholon'i Horma sy i Bora-Hasana ary i Hataka,

31 ireo loholon'i Hebrona ary ireo izay any amin'ny toerana rehetra nodiavin'i Davida sy ny olony.

Toko faha-31

1 Ary niady tamin'i Israely ny Filistinina; dia nandositra azy ny Israelita ka faty maro no nitsitsitra teny an-tendrombohitr'i Gilboa.

2 Nilofo nanenjika an'i Saoly sy ireo zanany lahy ny Filistinina ka nahafaty an'i Jonatana sy i Abinadaba ary i Melkisa, izay samy zanakalahin'i Saoly.

3 Nanindry an'i Saoly ny fanafihana ka sendra ny mpandefa tsipika izy, ary natahotra mafy azy.

4 Dia hoy i Saoly tamin'ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany: Raiso ny sabatrao ka trobaro aho, fandrao ireo mpanompo sampy ireo indray no ho avy hitrobaka ahy, ka hanao ahy ho fihomehezana. Fa tsy nanaiky ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany satria natahotra mafy. Koa nalain'i Saoly ny sabatra, dia nianjerany.

5 Ary rehefa hitan'ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany fa maty i Saoly, dia mba nianjerany koa ny sabany, ka niara-maty taminy izy.

6 Andro iray ihany izany no nahafatesan'i Saoly mbamin'ireo zanany telo lahy sy ny mpitondra ny fitaovam-piadiany ary ny miaramilany rehetra.

7 Rehefa hitan'ny Israelita izay teny an-dafy andrefan'ny lohasaha sy teny an-dafy andrefan'i Jordana fa nandositra ny tafik'i Israely sady maty i Saoly sy ny zanany, dia nandao ny tanana izy ka nandositra. Tonga kosa ny Filistinina ka nipetraka tao.

8 Ny ampitso, nony tonga ny Filistinina haka ny zavatra teny amin'ny faty, dia nahita an'i Saoly sy ny zanany telo lahy nitsitra teo an-tendrombohitr'i Gilboa.

9 Notapahiny ny lohan'i Saoly sady nalainy ny fiadiany ka nalefany hitety ny tanin'ny Filistinina hanambarana izany vaovao izany ao amin'ny Tempolin-tsampiny sy amin'ny vahoaka.

10 Avy eo dia napetrany tao an-tempolin'ny Hastoreta ny fitaovam-piadian'i Saoly; ary ny fatiny nahantony teo amin'ny mandan'i Bety-Seana.

11 Rehefa ren'ny mponin'i Jabesy-Gilehada ny nataon'ny Filistinina tamin'i Saoly,

12 dia niainga ny lehilahy maherifo rehetra ka nanao lava alina naka ny fatin'i Saoly sy ny fatin-janany teo amin'ny mandan'i Bety-Seana. Nony tafaverina tany Jabesy izy ireo, dia nodorany ny faty.

13 Nangoniny ny taolambalony ka naleviny tao ambanin'ilay hazo tamariska tao Jabesy; ary nifady hanina nandritra ny fito andro ny olona mba ho fisaonana.

2 Samoela

Toko voalohany

1 Taorian'ny nahafatesan'i Saoly, dia niverina tao Tsiklaga i Davida ka nijanona roa andro tao rehefa avy nandresy ny Hamalekita.

2 Tamin'ny andro fahatelo, nisy lehilahy iray tonga avy any amin'ny tobin'i Saoly. Triatriatra ny akanjony ary feno tany ny lohany. Koa rehefa mby teo amin'i Davida izy, dia niankohoka tamin'ny tany.

3 Ary nanontany azy i Davida hoe: Avy taiza moa ianao? Dia hoy ny navaliny: Avy nandositra ny tobin'i Israely aho, tompoko.

4 Ka hoy indray i Davida taminy: Fa nanao ahoana avy ny zava-niseho tany? Mba tantarao amiko. Dia hoy izy hoe: Nitsoaka nandositra ny tafik'i Israely ary betsaka ny miaramila maty. Ary i Saoly sy i Jonatana zanany koa samy maty.

5 Hoy ihany i Davida tamin'ilay zatovo mpilaza vaovao: Ahoana no nahafantaranao fa maty i Saoly sy i Jonatana zanany?

6 Ka novalian'ilay tovolahy hoe: Sendra teo an-tendrombohitra Gilboa aho, raha nahita an'i Saoly nitehina tamin'ny lefony; ary efa nanakaiky azy tamin'izay ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavalin'ny fahavalo.

7 Dia niherika izy ka nahita ahy; nantsoiny aho, ary hoy aho taminy: Inty aho, tompoko!

8 Dia nanontany ny amiko izy, ka nolazaiko azy fa Hamalekita aho.

9 Koa nasainy nanatona aho mba hamono azy ho faty satria naratra mafy izy na dia mbola mahatsiaro tena tsara aza.

10 Nohatoniko izy ary novonoiko ho faty, satria fantatro fa tsy ho velona amin'ny ratra nahazo azy izy. Koa nalaiko ny satroboninahitra teny an-dohany sy ny haba teny an-tsandriny ka ireto nentiko aty aminao ireto, tompoko.

11 Notriarin'i Davida ny fitafiany ary mba nanao tahaka izany koa ny olony rehetra izay teo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9497