1 Samoela
Toko faha-23
24 Dia lasa nankany Zifa nialoha an'i Saoly izy ireo, fa i Davida sy ny olony kosa dia tao amin'ny taniefitr'i Mahona, amin'ny lemaka eo atsimon'ny faritra be lobolobo.25 Niainga i Saoly sy ny miaramilany hitady an'i Davida. Raha nandre izany i Davida, dia nitsontsorika nidina ny harambato ka nijanona tao amin'ny taniefitr'i Mahona. Rehefa fantatr'i Saoly izany dia nanenjika an'i Davida hatrany koa izy.
26 Tamin'ny lafiny ilan'ny tendrombohitra no nandehanan'i Saoly, fa i Davida sy ny olony kosa nandroso tamin'ny lafiny iray hafa. Nohafainganin'i Davida ny diany mba tsy hahazoan'i Saoly azy, satria ny mpanjaka sy ny olony efa manodidina vonon-kisambotra an'i Davida sy ny namany.
27 Fa nisy iraka iray tonga nilaza tamin'i Saoly hoe: Faingana ianao fa manafika ny tanin'i Israely ny Filistinina.
28 Dia natsahatr'i Saoly ny fanenjehana an'i Davida, fa lasa izy niady tamin'ny Filistinina. Izany no niantsoana io toerana io hoe: Vatolampin'ny Fisarahana.
Toko faha-24
1 Avy teo i Davida dia niakatra tany amin'ny toerana be harambato, tany Haina-Gedy, ary nipetraka tao.2 Rehefa tafaverina avy niady tamin'ny Filistinina i Saoly, dia reny fa efa any an-taniefitr'i Haina-Gedy i Davida.
3 Ary i Saoly naka telo arivo lahy izay notsongaina tamin'i Israely manontolo, ka lasa nitady an'i Davida sy ny olony izay teo anoloan'ny Vatolampin'ny Osidia.
4 Raha tonga teo amin'ny valan'ondry nanamorona ny lalana i Saoly, dia sendra zohy, ka dia niditra tao mba hivoaka kely. Nefa i Davida sy ny olony dia efa tao anaty zohy tao.
5 Dia hoy ny olon'i Davida taminy: Izao no andro voalazan'ny TOMPO taminao hoe: Indro hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao, ka ataovy aminy izay fantatrao fa mety. Dia nitsangana i Davida ka nitsaitsaika nanapaka moramora ny moron-tongotr'akanjon'i Saoly.
6 Nefa taorian'izany dia nidobodoboka mafy ny fon'i Davida noho ny nanapahany ny morotongotr'akanjon'i Saoly.
7 Koa hoy izy tamin'ny olony: Ho sanatriaviko ary hisakanan'ny TOMPO ahy anie ny haninji-tanana amin'ny mpanjakako, satria Izy TOMPO ihany no efa nifidy azy ho mpanjaka.
8 Izany teny izany no nanakanan'i Davida ny olony ka tsy namelany azy ireo hamely an'i Saoly. Dia nandao ny zohy i Saoly ary nanohy ny diany.
9 Taorian'izany dia nitsangana ihany koa i Davida, nivoaka ny zohy sady niantso mafy an'i Saoly hoe: Ry mpanjaka tompoko o! Nitodika nijery i Saoly, dia niankohoka ho mari-panajana azy i Davida.
10 Ary hoy i Davida tamin'i Saoly: Nahoana ianao, ry mpanjaka, no dia mihaino izay vavan'olona milaza fa mitady hanisy ratsy anao aho?
11 Kanefa ny masonao mihitsy no mahita androany, fa ny TOMPO efa nanolotra anao ho eo am-pelatanako tao an-johy. Nasain'ny olona hovonoin-ko faty ianao, nefa niantra anao aho, fa hoy aho hoe: Tsy haninji-tanana amin'ny mpanjakako aho, satria ny TOMPO no efa nifidy anao ho mpanjaka.
12 Jereo koa, ry mpanjakako o! Eny, jereo fa ity an-tanako ity ny morontongotr'akanjonao. Koa raha nanapaka ny akanjonao fotsiny aho fa tsy namono nahafaty anao, dia aoka ho fantatrao fa tsy olon-dratsy na mpikomy aho, ary tsy mba nanota taminao! Ianao no manao haza lambo ahy sady mifofo ny aiko.
13 Ny TOMPO anie no hitsara ahy sy ianao, ka hamaly anao noho ny ratsy nataonao tamiko! Fa izaho kosa tsy haninji-tanana aminao.
14 Araka ny lazain'ny ohabolan'ntaolo, dia ny olon-dratsy no ipoiran'ny faharatsiam-panahy, fa izaho kosa tsy haninji-tanana aminao.
15 Amin'iza moa no iadianao, ry mpanjakan'i Israely? Izaho izay amboa maty sy parasy kely ity ve no enjehinao?
16 Aoka ny TOMPO no ho mpitsara ka dia hitsara ahy sy ianao! Aoka handinika ny amiko Izy ka hiaro ahy ary hanafaka ahy amin'ny fanenjehanao!
17 Rehefa vita izany tenin'i Davida tamin'i Saoly izany, dia nanontany azy i Saoly hoe: Feonao tokoa ve izany, ry Davida zanako o! Ary dia nigogogogo nitomany i Saoly.
18 Dia hoy indray izy tamin'i Davida: Marina ny anao, anaka, fa izaho no tena diso, satria ianao nanao soa tamiko fa izaho kosa nanao izay ratsy taminao.
19 Nasehonao tamiko androany ny hatsaram-ponao, fa tsy novonoinao ho faty aho na dia efa natolotry ny TOMPO teo an-tananao aza aho.
20 Raha misy olona mahatratra ny fahavalony, moa avelany handeha soa aman-tsara ve izy? Sanatria! Koa hamaly fitia anao anie ny Tompo noho izay nataonao tamiko androany.
21 Ankehitriny, fantatro fa ianao no ho mpanjaka ary hitoetra eo an-tananao ny fanjakan'i Israely.
22 Koa mianiana amiko amin'ny TOMPO ianao ankehitriny, fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy ianao ary tsy hamono ny anarako tsy ho isan'ny taranaky ny raiko.
23 Dia nianiana izany tamin'i Saoly i Davida. Ary i Saoly nody tany aminy, fa i Davida sy ny olony kosa niverina niakatra tany amin'ny fiereny.
Toko faha-25
1 Tamin'izay no maty i Samoela; ary dia nivory ny Israelita rehetra mba hiara-misaona azy. Nalevina tao amin'ny fonenany tao Rama izy. Rehefa izany, dia lasa nankany an-taniefitr'i Parana i Davida.2 Tao amin'ny tanana Mahona dia nisy lehilahy iray nikarakara ny fananany tao Karmela. Mpanefoefo izany olona izany, fa nanana ondry telo arivo sy osy arivo. Tonga tao Karmela izy hanatrika ny fanetezana ny ondry aman'osiny.
3 I Nabala no anaran'izany lehilahy izany, ary i Abigaila kosa ny vadiny. Ramatoa dia hendry no tsara tarehy, fa rangahy kosa lozabe sady ratsy fanahy. Avy amin'ny taranak'i Kaleba io Nabala io.
4 Tany an-taniefitra, rehefa ren'i Davida fa nampanety ireo ondriny i Nabala,
5 dia naniraka tanora folo lahy izy nohafarany hoe: Miakara any Karmela, dia mankanesa ao amin'i Nabala mitondra fiarahabana ho azy amin'ny anarako.
6 Izao no holazainareo aminy: Ho taom-pahombiazana anie ity taona ity ho anao! Fiadanana anie ho aminao sy ho amin'ny fianakavianao ary ho amin'izay anananao rehetra!
7 Ren'i Davida fa fanetezam-bolon'ondry ankehitriny eto aminao. Nandritra ny fotoana rehetra naha tany Karmela ny mpiandry ondrinao izay niaraka taminay, dia tsy nisy ratsy nataonay taminy ary tsy very na inona na inona koa izy ireo.
8 Anontanio ny mpiandry ondrinao fa afaka hanamarina izany aminao. Koa miangavy i Davida ny hanehoanao fitiavana aminay, satria tonga amin'ny andro fety izahay. Ary mba omeo izay azonao omena ireto mpanomponao sy i Davida zanakao.
9 Rehefa tonga tany Karmela ireo tovolahy nalefan'i Davida, dia naveriny tamin'i Nabala izany teny rehetra izany tamin'ny anaran'i Davida, ary dia niandry izy ireo.
10 Nefa namaly ireo mpanompon'i Davida i Nabala hoe: I Davida zanakalahin'i Jisay hoe? Iza moa izany? Maro ankehitriny ireo mpanompo izay mitsoaka mandositra ny tompony.
11 Ary haka amin'ny mofo sy ny rano ary ny hena izay efa nomaniko ho an'ny mpanety ondriko ve aho, ka hanome izany ho an'olona izay tsy fantatra fiaviana akory!
12 Nitodi-doha niverina ireo mpanompon'i Davida; ka nony tonga izy ireo, dia nitatitra izany rehetra izany tamin'i Davida.
13 Ary hoy i Davida taminy: Fehezo avokoa ny sabatrareo! Dia samy namehy ny sabany avy ny tsirairay; ary mba namehy ny azy koa i Davida. Vatan-dehilahy tokony ho efajato no niara-niakatra tamin'i Davida, fa ny roanjato kosa nijanona teo amin'ny entana.
14 Fa ny iray tamin'ny mpanompon'i Nabala nampandre an'i Abigaila vadiny hoe: Indro nandefa iraka avy any an-taniefitra i Davida mba hiarahaba ny tompontsika, kanjo dia levilevy no nandraisany azy ireo.
15 Ireo olona ireo anefa dia tena tsara tokoa taminay. tsy nisy ratsy nataony taminay ary tsy very na inona na inona izahay nandritra ny fifaneraseranay taminy, fony mbola tany an-tsaha izahay.
16 Izy ireo no toy ny manda fiarovana ho anay andro aman'alina tamin'ny andro rehetra niandrasanay ondry teo aminy.
17 Koa diniho sy eritrereto tsara izay tokony hataonao, fa hianjera amin'ny tompontsika sy ny fianakaviany ny loza. Fa ratsy fanahy tokoa i Nabala iny ka tsy azo ifampiresahana akory.
18 Nilomay i Abigaila naka mofo roanjato, divay roa siny hoditra, ondry dimy efa voamboatra, lango voatono 17 kilao, sampahom-boaloboka maina zato ary mofomamin'aviavy roanjato. Nakariny teo an-damosin'ireo borikiny izany,
19 ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Mandehana eo alohako, fa harahiko ianareo. Tsy niteny na inona na inona tamin'i Nabala vadiny anefa i Abigaila.
20 Raha nitaingina ny borikiny nidina ny toerana takon'ny havoana izy, dia indro nidina nanatona azy i Davida sy ny olony ka nifanehatra taminy.
21 Fa i Davida efa niteny anakampo hoe: Tsy misy vokany ny niarovako ny fananan'ilehiny tany an-taniefitra mba tsy hisy ho very, fa dia novaliany ratsy ny soa nataoko taminy.
22 Hosazin'Andriamanitra mafy tokoa anie aho raha toa mbola hasiako miangana na dia lehilahy iray aza amin'ny fianakavian'i Nabala, hatramin'ny rahampitso maraina!