Mpitsara
Toko faha-18
30 Ary natsangan'ireo ilay sampy nataon'i Mika; ka i Jonatana zanakalahin'i Gersoma sady zafikelin'i Mosesy no nanjary mpisoron'ny foko danita. Ny taranak'i Jonatana no nitana io andraikitra io ambara-pahatonga ny andro famaboana izany tany izany.31 Nokajin'ireo ilay sampin'i Mika tamin'ny fotoana rehetra nisian'ny tranon'Andriamanitra tao Silao.
Toko faha-19
1 Tamin'izany andro mbola tsy nisian'ny mpanjaka tany Israely izany, dia nisy levita iray nivahiny tany amin'ny toerana mihataka, an-tsisin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima. Naka vadikely iray tao Betlehema any Joda izy.2 Tezitra taminy anefa ravehivavy ka nisintaka nody tany amin'ny rainy tany Betlehema ary nijanona tany nandritra ny efa-bolana.
3 Koa niainga ralehilahy mba hanaraka ny vadikeliny sy hanambitamby azy hiverina hody. Nentiny niaraka taminy ny zatovony iray sy ny boriky roa. Dia nampandrosoin-dravehivavy tao an-tranon-drainy izy; ary ilay rafozan-dahiny koa, raha vao nahita azy, dia nandray azy tamin-kafaliana.
4 Ary notanan-drafozany rain-drazazavavy ity vinantolahiny, ka nijanona tao aminy nandritra ny telo andro; dia nihinana sy nisotro ary natory tao ilay levita sy ny zatovony.
5 Tamin'ny andro fahefatra dia nifoha maraina izy roa lahy; fa nony efa tena handeha tokoa ilay levita, dia nilazan'ny rain-drazazavavy hoe: Mihinana ody am-bavafo kely aloha ianareo vao mandeha.
6 Dia nipetraka niara-nihinana sy nisotro teo izy roa lahy. Fa hoy ity rafozany tamin'ilay levita: Mba ekeo re ny handry eto anio alina, ary aoka hifaly ny fonao!
7 Efa nivonon-kandeha ilay levita; saingy niangavy azy mafy ilay rafozany, koa nijanona ihany izy ary tafandry teo indray.
8 Tamin'ny andro fahadimy dia nifoha maraina izy mba handeha. Fa hoy ny rafozany taminy: Mihinana ody am-bavafo aloha, ary ahemory ho amin'ny tolakandro ny dianareo. Dia niara-nihinana izy roa lahy.
9 Ary nony efa tena handeha ilay levita sy ny vadikeliny ary ny zatovony, dia hoy ny rafozan-dahiny tamin'ilay vinanto: Indro efa tolaka ny andro ary efa ho hariva mihitsy koa mandria aloha anio alina. Indro efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto ary aoka hifaly ny fonao! Rahampitso dia hifoha maraina be ianareo ka handeha hody any aminao.
10 Saingy tsy nanaiky hijanona intsony ralehilahy fa niainga ihany; ary nandeha niaraka taminy ny vadikeliny sy ireo boriky roa efa nisy lasely. Dia tonga teo amin'ny tandrifin'i Jebosa na hoe i Jerosalema izy.
11 Ary efa hariva be ny andro no tonga teo akaikin'ny tanana izy, ka hoy ilay zatovony tamin'ny tompony: Andeha isika hiakatra amin'ity tananan'ny Jebosita ity ka handry ao anio alina.
12 Fa novalian'ny tompony hoe: Tsia, tsy ho any amin'izay tananan'ny firenen-kafa tsy misy Israelita isika, fa hanohy ny dia hatrany Gibeha.
13 Ary hoy koa izy tamin'ny zatovony: Aoka isika hanatratra an'i Gibeha na Rama, ka ny iray amin'ireo toerana ireo no handriantsika anio alina!
14 Dia nanohy ny diany izy. Ary efa nilentika ny masoandro fony izy tonga teo akaikin'i Gibeha, tao amin'ny faritanin'i Benjamina.
15 Dia nivily tao Gibeha izy mba handry tao. Niditra ny tanana izy ka nipetraka teo an-kianja, nefa tsy nisy olona nampiantrano azy handry.
16 Kinanjo inty nisy lahiantitra iray tonga avy any an-tsaha niditra ny tanana, iny hariva iny. Olona avy amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima izy, saingy nipetraka tao Gibeha tanana fonenan'ny Benjaminita.
17 Nahatsikaritra ity vahiny miandry eo an-kianja ilay lahiantitra ka nanontany azy hoe: Avy aiza ary ho aiza izato ianao?
18 Dia novalian'ilay levita hoe: Avy tany Betlehema any Joda izahay ary hamonjy toerana iray mihataka an-tsisin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima, fa any no fiaviako; ka hody any amiko aho, rehefa avy nivahiny tany Betlehema. Ary tsy misy olona mampiantrano ahy;
19 kanefa izahay manana mololo sy vilona ihany ho an'ny borikinay, sady misy mofo sy divay koa ho ahy sy ny vadiko ary ny zatovoko, ka tsy misy zavatra ilainay intsony.
20 Dia hoy ilay lahiantitra taminy: Ho aminao anie ny fiadanana! Izaho no hikarakara ny zavatra rehetra mety ilainao, fa tsy mahazo mandry eto an-kianja eto ianao.
21 Dia nampidiriny tao an-tranony izy telo mianaka, ary nomeny vilona ireo borikiny. Dia nisasa tongotra ny vahiny ary nihinana sy nisotro.
22 Fa raha mbola nampifaly fo teo am-pihinana izy, dia nisy lehilahy faikan'olona tao an-tanana nanodidina ny trano sy nandondona mafy tao am-baravarana ary niteny tamin'ilay lahiantitra tompon-trano hoe: Avoahy iny lehilahy nampiantranoinao ato aminao iny mba hanaovanay firaisana.
23 Dia nivoaka nankeo amin'ireo faikan'olona ilay rangahy tompon-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, aza manao izany zava-dratsy izany ianareo, ry mpiray tanana; fa iny lehilahy iny tonga mba hiantrano ato amiko, ka aza anaovanareo izany zavatra mamoafady izany.
24 Indro ny zanako vavy virijiny hoentiko eto aminareo, ka azonareo alaina sy anaovanareo izay sitrakareo; fa aza iny lehilahy iny no hanaovanareo izany zavatra mamoafady izany.
25 Tsy nety nihaino anefa ireo faikan'olona ireo, koa navoakan'ilay levita hankao ivelany ny vadikeliny. Ary ireo dia nanolana an-dravehivavy ka nanaram-po taminy nandritra ny alina manontolo, ary tsy namela azy raha tsy efa nangiran-dratsy ny andro.
26 Ary nony efa nadiva ho maraina, dia tonga nitrosina teo am-baravaran'ny tranon'ilay lahiantitra izay nitoeran'ny lahy izy, ary niampatra teo ambara-pahamarain'ny andro.
27 Ary nony maraina, dia nitsangana ny lahy ka namoha ny varavarana ary nivoaka ny trano mba hanohy ny diany; kanjo indro ny vavy efa miampatra eo am-baravarana ary mamikitra eo amin'ny tokonana.
28 Dia hoy izy taminy: Mitsangana, ramatoa, fa handeha isika. Nefa tsy nisy valinteny. Koa nasampin'ilay levita teo ambony borikiny ny fatin'ny vadiny, dia lasa izy nody tany aminy.
29 Rehefa tonga tany an-tranony izy, dia nodidiany tamin'ny antsy sady norasarasainy ho toko 12 ny fatin'ny vadiny, ka nandefasany toko iray avy isam-poko manerana ny tanin'i Israely.
30 Ary izay rehetra nahita izany dia samy loa-bolana hoe: Tsy mbola nisy zavatra nitranga na hita toy ity mihitsy hatramin'izay nialan'ny Israelita tany Ejipta ka mandraka androany. Sady nofeperan'ilay levita rahateo moa ireo olona nirahiny mba hiteny amin'ny Israelita hoe: Efa nisy zavatra nitranga toy ity ve hatramin'izay nialan'ny Israelita tany Ejipta ka mandraka androany? Koa heveronareo izao raharaha izao, ary aoka ianareo hifampidinika sy hanapa-kevitra.
Toko faha-20
1 Dia niainga ny Israelita rehetra ary tafangona toy ny olona iray izy hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba sy hatrany amin'ny faritr'i Gilehada no nivory teo anatrehan'ny TOMPO tao Mitsepa.2 Ny lehibe rehetra sy ny lehilahy rehetra tao amin'ny fokon'i Israely dia tonga tao amin'io fivorian'ny vahoakan'Andriamanitra io avokoa, izany hoe vatan-dehilahy andiany efajato, samy miaramila an-tongotra sy kinga famely sabatra.
3 Ary ren'ny Benjaminita fa tafakatra ao Mitsepa ny Israelita hafa. Dia hoy ireo Israelita ireo hoe: Tantarao aminay izay antony nahatonga izao heloka bevava izao.
4 Dia namaly ilay levita, vadin-dravehivavy novonoina ho faty, ka nanao hoe: Niditra tao Gibeha tanana benjaminita ny tenako sy ny vadikeliko mba handry tao.
5 Dia nisy nirongatra hamely ahy ny mponina tao Gibeha ka nanodidina ny trano nitoerako nony alina. Nikasa hamono ahy izy, ary nanolana ny vadikeliko ambara-pahafaty azy.
6 Dia nalaiko ny fatiny ary norasarasaiko; ka nandefasako toko iray avy isam-poko manerana ny tanin'i Israely, satria zavatra mahatsiravina sy fady tokoa eto Israely no nafitsok'ireo olona tao Gibeha ireo.
7 Indreto ianareo Israelita rehetra, koa samia miteny ary maka fanapahan-kevitra.
8 Dia nitsangana toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy hisy olona hiverina any an-dainy na hody any an-tranony isika.
9 Izao no zavatra hataontsika momba an'i Gibeha.
10 Antsapaka no hifidianantsika ny ampahafolon'ny vatan-dehilahy isaky ny fokon'i Israely, izany hoe zato amin'ny arivo, na arivo amin'ny iray alina; ka ireo no hamatsy ny andian-tafika izay handeha hanafay an'i Gibeha tanana benjaminita, araka ny zava-pady nafitsony teto Israely.
11 Dia nifanaraka ny Israelita rehetra fa hiray hina toy ny olona iray hamely an'i Gibeha.
12 Koa nandefa iraka ho any amin'ny faritanin'i Benjamina manontolo ny foko tsirairay avy hanao hoe: Ahoana izao heloka mahatsiravina nitranga teto aminareo izao?
13 Atolory anay ny olo-meloka, dia ireo faikan'olona ao Gibeha, mba hovonoinay ho faty ka hataonay tsy hisy eto amin'ny tanin'Israely intsony ny ratsy. Kinanjo ny Benjaminita tsy nety nihaino ny feon'ireo Israelita mpiray firenena aminy.
14 Fa tonga avy any amin'ny tanana samihafa izy ireo ka vory tao Gibeha mba hiady amin'ny Israelita.
15 Tamin'izany andro izany dia natao fanisana ny Benjaminita avy amin'ny tanana manodidina, ka andiany 26 ny vatan-dehilahy kinga famely sabatra, afa-tsy ireo mponin'i Gibeha izay nanao fanisa-miaramila koa.
16 Io tafika benjaminita manontolo io dia nisy miaramila voafantina fitonjato lahy samy kavia avokoa ary afa-nitoraka singam-bolo tamin'ny antsamotady nefa tsy mivaona.
17 Tetsy an-kilany, rehefa natao fanisana kosa ireo vatan-dehilahy tamin'ny Israelita hafa, dia nahitana vata-miaramila nisy andiany efajato samy kinga famely sabatra sady zatra ady avokoa.
18 Dia nandeha tany Betela aloha ny Israelita ka nanontany an'Andriamanitra hahalalana izay foko hiroso voalohany hanafika ny Benjaminita; ka ny fokon'i Joda no voatondron'ny TOMPO.