Mpitsara

Toko faha-14

12 Ary i Samsona nilaza tamin'ireo hoe: Hanao ankamantatra aminareo aho. Koa raha milaza ny valiny amiko ato anatin'ny fito andro fanaovam-panasana ianareo, dia homeko lobaka telopolo tsara tarehy sy akanjo telopolo fitondra mianjaika.

13 Raha tsy izany kosa, dia ianareo no hanome ahy lobaka telopolo tsara tarehy sy akanjo telopolo fitondra mianjaika. Ka hoy ny navaliny azy: Ataovy ary ny ankamantatrao, fa mihaino anao izahay.

14 Dia hoy i Samsona taminy: Inona ary izany? Ilay mihinana no ipoiran'ny hanina, ilay mahery no ipoiran'ny mamy. Tapitra ny telo andro, nefa mbola tsy nahalaza ny valin'ilay ankamantatra ihany ireo tovolahy.

15 Tamin'ny andro fahefatra kosa dia hoy ireo tamin'ny vadin'i Samsona: Langolangoy ny vadinao mba hilaza aminay ny valin'ny ankamantatra; fa raha tsy izany, dia hodoranay ianao sy ny ankohonan-drainao. Fa moa ny handraofanareo ny fanananay ve no nanasanareo anay?

16 Dia nandeha nanao an-dranomaso tamin'i Samsona ny vadiny ka nanao hoe: Halanao aho fa tsy tianao akory! Nisy ankamantatra nataonao tamin'ny mpiray firenena amiko nefa tsy mba nilazanao ny valiny aho. Ka hoy i Samsona hoe: Tsy nilazako ny valiny na dia ny ray aman-dreniko aza, koa ahoana moa no hilazako azy aminao?

17 Dia nanjohy azy tamin-dranomaso ny vadiny tao anatin'ireo andro fito fanasana; ka tamin'ny andro fahafito, dia nilazan'i Samsona ny valin'ny ankamantatra izy satria fatra-panao lemozy taminy. Avy eo ravehivavy dia nampita izany tamin'ny mpiray firenena aminy.

18 Koa tamin'iny andro fahafito iny, talohan'ny hilentehan'ny masoandro, dia tonga ireo lehilahy tao an-tanana nilaza tamin'i Samsona hoe: Inona no mamy noho ny tantely? Ary inona no mahery noho ny liona? Fa hoy ny navalin'i Samsona azy: Raha tsy nampiasa ny vantotr'ombivaviko ianareo, dia tsy ho nahita ny valin'ny ankamantatro.

19 Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'ny TOMPO, ka lasa nidina tany Askelona izy. Namono nahafaty telopolo lahy tao izy ka naka ny fitafiany ary nanome ireny ho an'ireo nilaza ny valin'ny ankamantatra. Ary nirehi-pahatezerana i Samsona ka niakatra nody tany amin'ny rainy.

20 Fa ilay vadiny kosa dia nomena ho vadin'ny tovolahy naman'i Samsona sady mpandahatra ny fanasany.

Toko faha-15

1 Nony afaka andro vitsivitsy, tamin'ny fotoam-pijinjana varimbazaha, dia nandeha nitsidika ny vadiny i Samsona, ka nitondra zanak'osy ho azy. Ary nangataka izy mba hahazo hiditra ao amin'ny efitrano misy ny vadiny, fa nolavin'ny rafozan-dahiny

2 nataony hoe: Noheveriko ho tsy tianao intsony izy, ka dia nomeko an'ilay tovolahy namanao. Moa tsy tsara noho izy ve ny zandriny? Azonao alaina ho solony izy.

3 Dia hoy i Samsona taminy: Amin'izao indray mandeha izao dia afa-tsiny aho raha hanao ratsy amin'ny Filistinina.

4 Ary lasa i Samsona nisambotra amboahaolo telonjato. Naka zavatra hatao tsolo koa izy, dia nafatony tsiroaroa ny rambon'ny amboahaolo, ary nafatony teo anelanelan'ny rambony ny tsolo iray.

5 Dia narehiny ny tsolo ary nalefany ireo amboahaolo ireo hankeny amin'ny tanimbarin'ny Filistinina ka nandoro ireo amboara sy salohim-bary ary koa ireo voly voaloboka sy voly oliva.

6 Koa nifanontany ny Filistinina ny amin'izay nanao an'izao; ary nisy nilaza hoe: I Samsona, vinantolahin'ilay Timnita, satria ity rafozany no nisintona indray ny vadiny ka nanome azy ho an'ny namany. Dia niakatra ny Filistinina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy. 7 Ary hoy i Samsona tamin'ireo: Satria nanao izany ianareo, dia tsy hijanona aho raha tsy efa mahavalifaty izay nataonareo.

8 Koa namely azy i Samsona ary nampitondra faisana azy tanteraka. Rehefa izany, dia lasa izy nonina teo an-tsefatsefak'ilay harambato tao Hetama.

9 Ary niakatra ny Filistinina ka nitoby tany Joda, ary nitandahatra hamely ny tanana Lehy.

10 Dia nanontany azy ny vatan-dehilahy tao Joda hoe: Nahoana no niakatra hanafika anay ianareo? Fa novalian'ireo hoe: Mba hamatotra an'i Samsona ka hanao aminy araka izay nataony taminay.

11 Dia nandeha nankany amin'ny tsefatsefak'ilay harambato tao Hetama ny vatan-dehilahy andiany telo tamin'ny fokon'i Joda ka niteny tamin'i Samsona hoe: Moa tsy fantatrao ve fa ny Filistinina no manjaka amintsika? Koa inona izao nataonao taminay izao? Dia novaliany hoe: Araka izay nataony tamiko no nataoko taminy.

12 Fa hoy kosa ireo hoe: Tonga izahay mba hamatotra anao ary hanolotra anao amin'ny Filistinina. Ka hoy i Samsona taminy: Mianiana amiko ary fa tsy hamono ahy ianareo.

13 Dia namaly azy indray ireo hoe: Tsy manam-pikasana hamono anao izahay fa ny hamatotra anao fotsiny mba hatolotray ny Filistinina. Dia nafatotr'ireo tamin'ny mahazaka roa vaovao i Samsona ary nentiny niala tao an-dava-bato.

14 Ary nony tonga tao Lehy izy, dia nitsena azy tamin'ny horakora-pandresena ny Filistinina. Tamin'izay kosa no nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'ny TOMPO, ka nivaha mora foana toy ny tady rongony main'ny afo ireo tady mahazaka namatorana ny sandriny sy ny tanany.

15 Nahita valanoranom-boriky iray vao novonoina i Samsona; ary noraisiny izany ka namonoany ho faty arivo lahy tamin'ny Filistinina.

16 Dia hoy i Samsona hoe: Valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy, valanoranom-boriky no nampivangongoako ireo faty.

17 Rehefa izany, dia natsipiny tery ilay valanoranom-boriky teny an-tanany; izany no niantsoana io toerana io hoe Ramata-Lehy na Havoanan'ny Valanorano.

18 Ary nahatsiaro nangetaheta mafy i Samsona ka niantso vonjy tamin'ny TOMPO nanao hoe: Ianao no nanome ahy izao fandresena lehibe izao; koa ankehitriny ve dia havelanao ho fatin-ketaheta aho, ka ho latsaka eo an-tanan'ireo tsy mifora ireo?

19 Dia notresahin'Andriamanitra ny vatolampy holoka tao Lehy ka nampiboiboika rano; dia nisotro i Samsona ka nody indray ny heriny. Izany loharano izany dia nantsoina hoe Haina-Kora na loharanon'ilay niantso vonjy, ary mbola ao mandraka androany.

20 I Samsona no nitondra ny Israelita nandritra ny roapolo taona tamin'ny andron'ny Filistinina.

Toko faha-16

1 Dia nankany Gaza i Samsona ka nahita mpivarotena iray tao, ary niditra tao aminy mba handry.

2 Fantatry ny mponina fa tonga tao i Samsona; dia nanao fiambenana tokoa ny Gazita sady nitily azy teo am-bavahadin'ny tanana nandritra ny alina manontolo. Saingy tsy niraika izy ireo tamin'io alina manontolo io fa nanao anakampo hoe: Aoka handrasantsika hazava ny maraina, vao hovonointsika izy!

3 Dia natory tsara i Samsona ambara-pisasaky ny alina. Fa nony nisasaka ny alina, dia nifoha izy; ka nobetainy ny lela-varavarana kopa-droan'ny vavahadin'ny tanana mbamin'ny tolana roa ary nongotany niaraka tamin'ny hidiny, dia nataony an-tsoroka ary nentiny ka napetrany teo an-tampon'ny tendrombohitra manoloana ny tanana Hebrona.

4 Taorian'izany i Samsona dia raiki-pitia tamin'ny vehivavy atao hoe Delila izay nonina tao amin'ny lohasaha Soreka.

5 Ary niakatra hankany amin'ilay vehivavy ireo mpanjaka filistinina ka nanao taminy hoe: Langolangoy i Samsona mba hampahalala anao izay iavian'ny heriny lehibe sy ny fomba hahazoanay mandresy azy, dia hafatotray izy ka hofolahinay. Ary samy hanome anao vola sekela 1100 avy izahay.

6 Dia nanontany an'i Samsona tokoa i Delila ka nanao hoe: Etsy ange ianao e, mba lazao ahy re izay iavian'izao herinao lehibe izao. Ary fomba ahoana no tokony hamatorana anao mba hahafolaka anao?

7 Dia namaly azy i Samsona hoe: Raha tady vaovao fito tsy mbola maina no amatorana ahy, dia hanjary osa aho ka ho tahaka ny olon-tsotra.

8 Dia nitondran'ireo mpanjaka filistinina tady vaovao fito tsy mbola maina i Delila ka nentiny namatorana an'i Samsona ireny.

9 Ary nisy lehilahy efa nafenin-dravehivavy tao an'efitranony. Dia nikiaka tampoka i Delila ka nanao hoe: Ry Samsona a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia notapatapahin'i Samsona ireo tady ka maito tahaka ny tady rongony main'ny afo; ary tsy fantatra izay tsiambaratelon'ny heriny.

10 Ary hoy i Delila tamin'i Samsona: Indro namitaka ahy ianao sady nilaza lainga tamiko; koa mba atoroy ahy re ankehitriny izay fomba tokony hamatorana anao.

11 Ka hoy ny navaliny azy: Raha tady mahazaka vaovao tsy mbola nampiasaina no amatorana ahy, dia hanjary osa aho ka ho tahaka ny olon-tsotra.

12 Dia nalain'i Delila ny tady mahazaka vaovao ka namatorany azy, dia nihiaka mafy izy hoe: Ry Samsona a, tonga hamely anao ny Filistinina! Efa nisy olona nafenin-dravehivavy indray manko tao an'efitrano. Kinanjo notapatapahin'i Samsona hiala amin'ny sandriny ireo tady mahazaka ireo ka maito tahaka ny tady taretra.

13 Ary hoy i Delila tamin'i Samsona: Mbola namitaka ahy ihany ianao sady nilaza lainga tamiko; mba atoroy ahy re izay fomba tokony hamatorana anao. Dia namaly azy izy hoe: Raha tenominao hikambana amin'ny tenan-tenona ny randrana fito amin'ny volon-dohako ka aompanao amin'ny fandraotra, dia hanjary osa aho ka ho tahaka ny olon-tsotra.

14 Dia nampatorin'i Delila i Samsona ka notenominy hikambana amin'ny tenan-tenona ny randrana fito tamin'ny volon-dohany ary naompany tamin'ny fandraotra, dia nihiaka mafy ravehivavy hoe: Ry Samsona a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia nifoha i Samsona ka nongotany ny fandraotra sy ny rafi-panenomana ary ny tenan-tenona.

15 Ary hoy i Delila taminy: Ahoana no ilazanao fa tia ahy ianao, kanefa ianao tsy matoky ahy akory? Indro efa intelo izao ianao no namitaka ahy ka tsy mbola nampahalala ahy ihany izay iavian'ny herinao lehibe.

16 Ary rehefa nanao lemozy toy izany isan'andro ilay ramatoa ka nahasosotra azy, dia tofoka loatra i Samsona;

17 ary nanambara tamin'i Delila ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony izy ka nanao hoe: Tsy mbola nokasihin-kareza mihitsy ny volon-dohako, fa natokana ho an'Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Koa raha tapahina ny volon-dohako, dia hanjary osa tahaka ny olon-tsotra rehetra aho.

18 Takatr'i Delila tamin'izay fa nambaran'i Samsona azy ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony, koa nandefa iraka izy hiantso ireo mpanjaka filistinina sy hilaza aminy hoe: Tongava amin'izay ianareo amin'ity indray mandeha ity, fa efa nambaran'i Samsona ahy ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony. Dia nankany amin'ilay vehivavy ireo mpanjaka filistinina ary nanome azy ny vola.

19 Nampatorin'i Delila teo am-pofoany i Samsona ary niantso lehilahy iray izy hanety ireo randrana fito teo amin'ny volon-dohany. Dia nanomboka nihanalemy i Samsona satria niala taminy tokoa ny heriny.

20 Ary nihiaka mafy i Delila hoe: Ry Samsona a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia nifoha i Samsona ary nihevitra ny ho tafavoaka toy ny teo aloha, satria tsy fantany fa efa nanaisotra ny fanampiany azy ny TOMPO.

21 Kinanjo nosamborin'ny Filistinina izy ary nopotsiriny ny masony. Dia nentiny nankany Gaza izy ary nafatony tamin'ny rojo halimo roa sosona sy notereny hitoto koba tao an-tranomaizina.

22 Kanefa dia nanomboka naniry indray ireo volon-dohany taorian'ny nanetezana azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9389