Mpitsara
Toko faha-12
2 Fa namaly azy i Jifta ka nanao hoe: Nisy disadisa be tamiko sy ny vahoakako ary ny Hamonita. Dia niantso vonjy taminareo aho, nefa tsy nafahanareo teo an-tanan'ireny.3 Koa rehefa hitako fa tsy tonga hanafaka ahy ianareo, dia nanao vy very ny aiko aho, ka nandeha nanafika ny Hamonita; ary natolotry ny TOMPO teo an-tanako izy. Koa nahoana ianareo no miakatra aty amiko anio mba hila ady amiko?
4 Dia namory ny vatan-dehilahy rehetra tao Gilehada i Jifta, ka niady tamin'ny Efraimita; ary nandresy azy ny Gilehadita, satria ireo Efraimita ireo indrindra no naneso hoe: Ianareo olon'i Gilehada dia tsy inona akory fa mpitsoaka an-daharana tao aminay Efraimita ihany; avy tao anivonay Efraimita ianareo no nankao anivon'ny Manasita.
5 Ary nobahanan'ny Gilehadita ireo fitana ny ony Jordana hankany Efraima. Koa isaky ny misy mpandositra te hiampita, dia nanontaniana hoe: Efraimita va ianao? Koa raha namaly izy hoe Tsia,
6 dia nasaina notononiny ny teny hoe Shiboleta; ary satria tsy hainy notononina izany fa ataony hoe Siboleta, dia noraisim-potsiny izy ary novonoina ho faty teo akaikin'ny toerana fitana ny ony Jordana. Nahatratra andian-tafika 42 ny lehilahy Efraimita maty tamin'izany fotoana izany.
7 Koa i Jifta, ilay Gilehadita, no nitondra ny Israelita nandritra ny folo taona; avy eo dia maty izy ka nalevina tao amin'ny tanana izay nahabe azy, tany Gilehada.
8 I Ibitsana avy any Betlehema no nandimby an'i Jifta ka nitondra ny Israelita.
9 Nanana zanakalahy telopolo sy zanakavavy telopolo izy, ka nampanambady ny zanany vavy tany ivelan'ny fokony sady nampakatra vinantovavy telopolo avy any ivelany koa. Ary nitondra ny Israelita nandritra ny fito taona i Ibitsana;
10 avy eo dia maty izy ka nalevina tao Betlehema.
11 I Elona avy tamin'ny fokon'i Zebolona no nandimby an'i Ibitsana ka nitondra ny Israelita nandritra ny folo taona.
12 Avy eo dia maty izy ka nalevina tao Aialona, ao amin'ny faritanin'i Zebolona.
13 I Habdona, zanakalahin'i Hilela avy tao Pirehatona, no nandimby an'i Elona ka nitondra ny Israelita.
14 Nanan-janaka efapolo lahy sy zafikely telopolo lahy i Habdona; ka samy nitaingina boriky iray avy ireo. Nitondra ny Israelita nandritra ny valo taona i Habdona;
15 avy eo dia maty izy, ka nalevina tao Pirehatona, any amin'ny faritanin'i Efraima, eo amin'ilay hoe tendrombohitry ny Hamalekita.
Toko faha-13
1 Ary mbola nanao ratsy eo imason'ny TOMPO indray ny Israelita, ka natolotry ny TOMPO teo an-tanan'ny Filistinina nandritra ny efapolo taona.2 Tao Tsoreha dia nisy lehilahy nantsoina hoe Manoa, avy tamin'ny fokon'i Dana. Momba ny vadiny ka tsy niteraka.
3 Indray andro dia niseho tamin-dravehivavy ny anjelin'ny TOMPO ka nanao taminy hoe: Fantatro fa momba ianao ka tsy niteraka; nefa hitoe-jaza ianao ka hitera-dahy.
4 Koa manomboka izao dia tandremo mba tsy hisotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana sakafo maloto,
5 noho ianao efa hitoe-jaza ka hitera-dahy. Ary io zanakao io dia tsy azo hetezana volon-doha, satria ho voatokana ho an'Andriamanitra hatrany an-kibo izy. Izy no hanomboka hanafaka ny Israelita amin'ny fangejan'ny Filistinina.
6 Dia nody tany an-tranony ravehivavy ka niteny tamin'ny vadiny hoe: Nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tamiko. Toa anjelin'Andriamanitra no fijery azy satria nahatahotra mihitsy izy. Tsy nanontaniako izay niaviany ary tsy nambarany ahy ny anarany.
7 Nilazany aho fa hitoe-jaza ka hitera-dahy. Ary norarany aho tsy hisotro divay na toaka sady tsy hihinana sakafo maloto, satria io zaza io dia ho voatokana ho an'Andriamanitra hatrany an-kibo ka mandra-pahafatiny.
8 Dia nivavaka tamin'ny TOMPO i Manoa ka nanao hoe: Tompo o, miangavy anao aho, mba avereno aty aminay ilay lehilahin'Andriamanitra izay efa nirahinao ka hampianatra anay ny tokony hataonay amin'ny zaza izay ho teraka.
9 Dia nohenoin'Andriamanitra ny fangatahan'i Manoa; koa niseho tamin-dravehivavy indray ilay anjely raha mbola tany an-tsaha izy. Tsy tafaraka taminy anefa ny lahy;
10 koa nihazakazaka ravehivavy nampandre azy hoe: Miseho amiko ao indray ange ilay lehilahy tonga tamiko indray andro.
11 Dia nanaraka ny vadiny avy hatrany i Manoa, ka nankany amin-dralehilahy ary nanontany azy hoe: Ianao ve ilay lehilahy izay niteny tamin'ny vadiko? Ka novaliany hoe: Eny, izaho no izy.
12 Fa hoy indray i Manoa hoe: Izao ary, rehefa ho tanteraka tokoa ny teninao, dia inona no fitsipika tokony harahinay momba ny zaza? Ary inona no tokony hataonay aminy?
13 Dia hoy ilay anjelin'ny TOMPO tamin'i Manoa: Tokony hotandreman'ny vadinao avokoa izay rehetra nolazaiko taminy:
14 tsy mahazo mihinana izay rehetra avy amin'ny voaloboka izy, tsy hisotro divay na toaka, tsy hihinana sakafo maloto; izay rehetra nandidiako azy dia tokony hotandremany avokoa.
15 Ary hoy i Manoa tamin'ilay anjelin'ny TOMPO: Mba mijanona kely aloha ianao ambara-pamboatray zanak'osy ho anao.
16 Fa novalian'ilay anjely hoe: Na hijanona aza aho, dia tsy hihinana ny sakafo amboarinao; fa raha te hanao sorona dorana manontolo ianao, dia atolory ho an'ny TOMPO izany. Fa mbola tsy fantatr'i Manoa ho anjelin'ny TOMPO izy,
17 ka nanontaniany hoe: Iza moa no anaranao mba hanomezanay voninahitra anao, rehefa tanteraka ny teninao?
18 Ary hoy ilay anjelin'ny TOMPO taminy: Ahoana moa no anontanianao ny anarako? Anarana mahagaga izany!
19 Dia naka zanak'osy sy fanatitra hohanina i Manoa ka napetrany teo ambony vatolampy mba hatolotra ny TOMPO Izay mpanao zavatra mahagaga. Raha mbola nijery teo i Manoa sy ny vadiny,
20 dia niakatra ho any an-danitra ny lelafo avy tamin'ny sorona teo amin'ny alitara. Ary hitan'izy roa fa niakatra tao anatin'ny lelafo ilay anjelin'ny TOMPO; koa niankohoka tamin'ny tany izy mivady.
21 Dia fantatr'i Manoa tamin'izay fa anjelin'ny TOMPO izy; ary tsy niseho tamin'izy mivady intsony ilay anjely.
22 Ary hoy i Manoa tamin'ny vadiny: Tena ho faty tokoa isika, satria nahita an'Andriamanitra.
23 Fa namaly azy ny vavy hoe: Raha te hamono antsika ny TOMPO, dia tsy ho nanaiky ny sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina natolotsika, ary tsy ho nampahita antsika ireny zavatra rehetra ireny na ho nampandre antsika akory torolalana toy ireny aninkeo ireny.
24 Ary nitera-dahy ny vadin'i Manoa ka ny anarany nataony hoe Samsona. Dia nihalehibe ny zaza, ary ny TOMPO nitahy azy.
25 Fony i Samsona tao an-tobin'i Dana, teo anelanelan'i Tsoreha sy i Estaola, no nanomboka nanetsika azy ny Fanahin'ny TOMPO.
Toko faha-14
1 Ary nidina nankany Timna i Samsona ka nahatsikaritra tovovavy filistinina iray tao.2 Rehefa niverina izy, dia nitantara tamin'ny ray sy reniny hoe: Nisy tovovavy filistinina iray tsikaritro tany Timna, ka tiako hangatahinareo ho vadiko.
3 Fa namaly azy ny ray sy reniny hoe: Angaha tsy misy tovovavy ato amin'ny fokonao na ato amin'ny firenenao manontolo no handeha haka vady any amin'izay Filistinina tsy mifora ianao? Fa hoy i Samsona tamin'ny rainy: Iny no mahafinaritra ahy, ka angataho ho vadiko.
4 Tsy fantatry ny ray aman-dreniny fa ny TOMPO mihitsy no namelona izany faniriana izany tao amin'i Samsona mba hahazoany miady amin'ny Filistinina, satria tamin'izany fotoana izany dia ny Filistinina no nanjaka tamin'ny Israelita.
5 Dia niainga hankany Timna i Samsona. Nony tonga tao amin'ny tanim-boaloboka akaikin'i Timna izy, dia nisy liona tanora nierona nanatona azy.
6 Fa nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'ny TOMPO, ka tanam-polo no nentiny nanasamatsamaka ilay liona tanora toy ny fanasamatsamahana zanak'osy; saingy tsy nambarany tamin'ny ray aman-dreniny izany zavatra nataony izany.
7 Ary nanohy ny diany i Samsona ka nandeha nifampidinika tamin'ilay tovovavy filistinina, fa nahafinaritra azy razazavavy.
8 Andro vitsivitsy tato aoriana dia niverina tao Timna izy mba hampakatra azy. Ary nivily izy mba hijery ny fatin'ilay liona ka nahita renitantely sy tantely tao anatin'ny vondron-taolan'ilay fatin-diona.
9 Dia nalainy tamin'ny tanany ny tantely ka nihinanany teny am-pandehanana. Ary nankany amin'ireo ray aman-dreniny izy, dia nanome tantely azy ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambaran-janany taminy fa tao anatin'ny vondron-taolana fatin-diona no nangalany azy.
10 Ary nidina nankany amin'ilay tovovavy i Samsona, ka nanao fanasana fampakaram-bady tao toy ny fanaon'ny tovolahy rehetra.
11 Rehefa nahita azy ny Filistinina, dia nifantina tovolahy telopolo mba hiara-mikorana aminy.