Mpitsara
Toko faha-21
23 Dia nanaraka io torohevitra io ny lehilahy benjaminita ka samy nisambotra vehivavy ho vadiny araka ny isany tamin'ireo tovovavy nandihy tao Silao; ary lasa niverina tany amin'ny zarataniny avy izy ka namboatra ny tananany sy nonina tao.24 Ny Israelita hafa kosa dia nirava tamin'ny fivoriana ka samy namonjy ny fokony sy ny fianakaviany ary ny zarataniny avy.
25 Tamin'izany fotoana izany dia tsy mbola nisy mpanjaka tany Israely, ka samy nanao izay heveriny ho mety avy ny olona tsirairay.
Rota
Toko voalohany
1 Tamin'ny andro nitondran'ny Mpitsara tao Israely, dia nisy mosary tao amin'ny tany. Koa nisy lehilahy iray avy ao amin'ny Betleheman'i Joda nandeha nifindra monina tany amin'ny faritr'i Moaba niaraka tamin'ny vadiny sy ny zanany roa lahy.2 I Elimeleka no anaran-dralehilahy, i Nahomy no anaran'ny vadiny, ary ny anaran'ny zanany roa lahy kosa dia i Mahalona sy i Kiliona; Efratita avy ao Betleheman'i Joda izy efa-mianaka. Tonga tany amin'ny faritr'i Moaba izy ireo; fony izy mianakavy nonina tany
3 no maty i Elimeleka vadin'i Nahomy, koa ravehivavy sy ny zanany roa lahy no sisa tavela.
4 Samy naka vady tamin'ny vehivavy moabita izy mirahalahy ka i Horpa no anaran'ny anankiray ary i Rota kosa no anaran'ny anankiray. Ary tokony ho folo taona nipetrahana tany Moaba ry zareo,
5 dia maty koa izy roa lahy, i Mahalona sy i Kiliona; koa ravehivavy irery no sisa nilaozan'ny vadiny sy ny zanany roa lahy.
6 Tany Moaba i Nahomy no nandre fa notahin'ny TOMPO ny vahoakany ka nomeny hanina. Noho izany, ry i Nahomy sy ny vinantovaviny dia nioman-kandao ny faritr'i Moaba.
7 Ary niainga izy telo mianaka, dia nizotra ny lalana hiverina any amin'ny tanin'i Joda; ka teny an-dalana,
8 dia hoy i Nahomy tamin'ireto vinantovaviny: Mandehana mody any an-tranon-dray aman-dreninareo avy ianareo; hanasoa anareo anie ny TOMPO, araka izay efa nataonareo tamin'ireo maty sy tamiko koa.
9 Homen'ny TOMPO vady anie ianareo, ka hahita fiadanana ao an-tranon'ny vadinareo avy! Dia norohan'i Nahomy ireto vinantovaviny; fa nanandram-peo nitomany izy roa vavy
10 sady nanao taminy hoe: Mba hiaraka aminao hiverina ho any amin'ny firenenao izahay!
11 Fa novalian'i Nahomy hoe: Modia, rey anaka; nahoana no handeha hiaraka amiko ianareo? Moa ve aho mbola hiteraka zazalahy hanjary vady ho anareo?
12 Mandehana mody, rey anaka, satria efa antitra aho izao ka tsy hahazo vady intsony. Ary na dia hilaza aza aho hoe: ,
13 moa ve hahandry azy mandra-pahalehibeny ianareo ka hahonon-tena tsy hanambady? Tsia, rey anaka, satria hampahory loatra anareo ny anjarako, fa hamely ahy no naninjiran'ny TOMPO ny tanany.
14 Dia nanandram-peo nitomany indray izy roa vavy. Ary nanoroka an-drafozambaviny i Horpa ho fanaovam-beloma azy, fa i Rota kosa nifikitra teo aminy.
15 Dia hoy i Nahomy tamin'i Rota: Indro ny rahavavinao nody any amin'ny fireneny sy ny andriamaniny, modia koa ianao miaraka aminy.
16 Fa novalian'i Rota hoe: Aza terena handao anao sy hiala amin'ny fanarahana anao aho; fa any amin'izay halehanao no halehako, ao amin'izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro,
17 ao amin'izay hahafatesanao no hahafatesako sady ao no hilevenako. Hataon'ny TOMPO amiko anie ny famaizana mafy indrindra raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka ahy aminao!
18 Ary rehefa hitan'i Nahomy fa tapa-kevitra ny handeha hiaraka aminy marina i Rota, dia nitsahatra tsy niteny azy intsony izy.
19 Dia nandeha niaraka izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Rehefa tonga tao Betlehema izy ireo, dia taitra taminy avokoa ny tao an-tanana rehetra, ka hoy ireo vehivavy hoe:
20 fa novalian'i Nahomy hoe: Aoka aho tsy antsoinareo intsony hoe Nahomy, ilay sambatra; fa aoka antsoinareo hoe Mara, ilay ory, satria Andriamanitra Tsitoha efa nampahory ahy loatra.
21 Fa nanam-be aho fony niala teto, fa izao kosa nampodin'ny TOMPO tsy manana na inona na inona; koa aza antsoinareo intsony re aho satria efa namely ahy ny TOMPO Tsitoha ary efa nahatonga loza tamiko.
22 Dia toy izany no niverenan'i Nahomy avy any amin'ny faritr'i Moaba; ary niaraka taminy koa i Rota, vehivavy moabita vinantony. Tonga tany Betlehema izy mianaka tamin'ny fiandohan'ny fijinjana vary orza.
Toko faha-2
1 Ary Nahomy dia nanana havana, lehilahy manan-karena be avy amin'ny fianakavian'i Elimeleka vadiny; ny anarany atao hoe Bohaza.2 Ary hoy i Rota, vehivavy moabita, tamin'i Nahomy: Avelao aho handeha ho eny an-tanimbary mba hitsimpona salohim-bary eo aorian'izay olona ho tsara fanahy amiko! Dia hoy izy taminy: Mandehana ary, anaka.
3 Dia lasa i Rota ka nandeha nitsimpona teny an-tanimbary, teo aorian'ny mpijinja; ary sendra tao amin'ny tanimbary izay anjaran'i Bohaza, fianakavian'i Elimeleka indrindra, no nandehanany.
4 Taoriana kely dia indro tonga i Bohaza avy tany Betlehema, ka niarahaba ny mpijinja hoe: Hiaraka aminareo anie ny TOMPO! Dia novalian'ireo hoe: Hotahin'ny TOMPO anie ianao!
5 Dia nanontany ilay mpanompony, sady lehiben'ny mpijinja, i Bohaza nanao hoe: Mba iza io vehivavy tanora io?
6 Dia namaly ilay mpanompo, lehiben'ny mpijinja, ka nanao hoe: Ilay vehivavy moabita io, izay niaraka tamin'i Nahomy fony izy niverina tany amin'ny faritr'i Moaba.
7 Nangata-dalana izy mba hitsimpona sy hanangona salohim-bary eo aorian'ny mpijinja. Dia tonga izy ary naharitra niasa teto; hatramin'ny maraina ka mandraka izao, dia kely foana no nijanonany tetsy an-tranotomboka.
8 Dia hoy i Bohaza tamin'i Rota: Mba henoy ny torohevitro. Aza mandeha hitsimpona any an-tanimbary hafa, ary koa aza miala eto; fa mijanona miaraka amin'ny vehivavy mpiasako.
9 Jereo tsara ny tanimbary izay jinjain'ny mpanompoko, dia miaraha amin'ireo vehivavy mpitsimpona salohim-bary. Moa tsy efa nandidy ireo mpanompoko ve aho mba tsy hikasi-tanana anao akory? Ary rehefa mangetaheta ianao, dia mandehana misotro rano amin'ireo siny izay efa nofenoin'ireo mpanompoko.
10 Dia niondrika sy niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Bohaza i Rota sady niteny taminy hoe: Ahoana ianao no tsara fanahy amiko sy mitsinjo ahy, kanefa aho vahiny?
11 Dia namaly i Bohaza ka nanao taminy hoe: Efa notantaraina tsara tamiko avokoa izay nataonao tamin'ny rafozambavinao taorian'ny nahafatesan'ny vadinao; reko ny nandaozanao ny ray aman-dreninao sy ny tany nahabe anao ka nandehananao ho aty amin'ny firenena izay tsy mbola fantatrao akory taloha.
12 Ny TOMPO anie hamaly soa ny nataonao, ka hisy valisoa mitafotafo ho anao avy amin'ny TOMPO Andriamanitr'Israely satria tonga hialoka eo ambany fiarovany ianao!
13 Dia hoy i Rota hoe: Aoka ho tsara fanahy amiko hatrany ianao, tompoko, satria efa nampionona ahy ianao ary efa niteny ankamoram-po tamiko na dia tsy tahaka ny anankiray amin'ireo vehivavy mpiasanao aza aho.
14 Ary tamin'ny fotoana fisakafoana, dia hoy i Bohaza tamin'i Rota: Manatona aty hisakafo; maka tapa-mofo ary atsobohy ao anatin'ny lasosy vinaingitra ny tapa-mofonao. Dia nipetraka teo anilan'ny mpijinja i Rota; ary notoloran'i Bohaza lango izy. Dia nihinana ka voky, sady mbola nisy sisa notehiriziny.
15 Ary rehefa nitsangana hitsimpona salohim-bary izy, dia nandidy ny mpanompony kosa i Bohaza nanao hoe: Avelao hitsimpona eny anelanelan'ireo amboara koa izy, fa aza tabainareo.
16 Anasory mihitsy aza ny salohy sasany avy amin'ny amboara, dia ilaozy mba hotsimponiny, ka aza miteny azy akory.
17 Dia nitsimpona teo an-tanimbarin'i Bohaza i Rota mandra-paharivan'ny andro, ary noveleziny ny salohy izay voatsimpony ka nisy vary orza tokony ho iray kitapo kely.
18 Dia nentiny izany ka nankany an-tanana izy; nasehony an-drafozambaviny izay voatsimpony, sady navoakany koa ary nomeny azy ny sisa tsy laniny tamin'ny sakafony.
19 Dia hoy ny rafozambaviny taminy: Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza ho aiza no niasanao? Hotahin'Andriamanitra anie ilay olona nitsinjo anao! Dia notantarain'i Rota tamin'ny rafozambaviny izay toerana sy olona niasany, ka hoy izy hoe: I Bohaza no anaran'ilay lehilahy niasako androany.
20 Dia hoy i Nahomy tamin'ny vinantovaviny: Ny TOMPO Izay tsy mitsahatra manao soa amintsika velona sy amin'ny maty anie hitahy azy! Hoy kosa izy hoe: Io lehilahy io dia havana akaiky antsika, ka anisan'ireo mahavotra antsika.
21 Dia hoy indray i Rota vehivavy moabita: Nomeny ny lalana koa aza aho mba hanohy hitsimpona eny aorian'ny mpanompony mandra-pahavitan'ny fijinjana rehetra.
22 Dia hoy i Nahomy tamin'i Rota vinantovaviny: Tsara izany anaka, satria hivoaka miaraka amin'ireo vehivavy mpiasan'i Bohaza ianao, fandrao hisy hikasi-tanana anao raha any amin'ny tanimbary hafa.
23 Dia nandeha nitsimpona niaraka tamin'ireo vehivavy mpiasan'i Bohaza i Rota mandra-pahavitan'ny fijinjana ny vary orza sy ny varimbazaha rehetra. Dia niara-nipetraka tamin'ny rafozambaviny hatrany izy.
Toko faha-3
1 Indray andro dia hoy i Nahomy rafozambaviny tamin'i Rota: Tsy maintsy mitady tokantrano misy fiadanana izay hahasoa anao aho anaka. 2 Fantatrao fa havantsika i Bohaza sady ianao efa niara-niasa tamin'ny vehivavy mpiasany. Indro izy hikororoka vary orza ao am-pamoloana anio alina.3 Koa mandroa ianao, mihosora zava-manitra, dia anaovy ny akanjonao tsara indrindra; avy eo dia midina any am-pamoloana, kanefa aza atao fantatr'i Bohaza akory izany raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.