Mpitsara

Toko faha-16

23 Indray andro dia nivory ireo mpanjaka filistinina mba hankalaza ny fandreseny sy hanao sorona lehibe ho an'i Dagona andriamaniny. Fa hoy izy hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika ho eo an-tanantsika i Samsona fahavalontsika.

24 Ary nony efa diboky ny hafaliana izy ireo, dia nitaky ny hampakana an'i Samsona mba hanao fanalana hamohamo azy. Dia nalaina tany an-tranomaizina i Samsona ka nanao fanalana hamohamo azy; avy eo dia natsangana teo anelanelan'ny andrin'ny tempoly izy. Ary rehefa nahita an'i Samsona ny olona, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika ho eto an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny firenentsika sy nandripaka olona maro tamintsika.

26 Tamin'izay i Samsona dia nangataka tamin'ilay zatovo nitantana azy hoe: Tariho kely aho hitsapa ny andry izay manohana ny tempoly mba hiankinako aminy.

27 Ny tempoly anefa tamin'izay dia feno lehilahy sy vehivavy ary tao koa ny mpanjaka filistinina rehetra; ankoatra izany, teo an-tampontrano dia nisy olona tokony ho telo arivo, izay nijery an'i Samsona nanao fanalana hamohamo.

28 Koa niantso ny TOMPO i Samsona nanao hoe: Ry Tompo ANDRIANANAHARY o, mba tsarovy aho! Ka omeo hery aho, Andriamanitra o, na dia amin'izao indray mandeha izao ihany aza mba hamaliako faty indray maka monja ireo Filistinina noho ny amin'ny voamasoko roa.

29 Dia notsapatsapain'i Samsona ireo andry roa afovoany izay nanohana ny tempoly; ka ny anankiray niankinan'ny tanany havanana, ary ny anankiray niankinan'ny tanany havia.

30 Dia nihiaka i Samsona hoe: Aoka aho ho faty miaraka amin'ny Filistinina! Dia naronjiny mafy ny andry ka nianjeran'ny tempoly ireo mpanjaka sy izay rehetra tao. Koa betsaka lavitra ny olona matiny tamin'ny fahafatesany noho izay matiny tamin'ny androm-piainany.

31 Ary nidina ireo rahalahin'i Samsona sy ny fianakavian-drainy mba haka ny fatiny. Dia nentiny niakatra izy ka naleviny tao am-pasan'i Manoa rainy, teo anelanelan'i Tsoreha sy i Estaola. I Samsona no nitondra ny Israelita nandritra ny roapolo taona.

Toko faha-17

1 Tao amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima dia nisy lehilahy natao hoe Mika.

2 Indray andro dia hoy izy tamin'ny reniny: Tsaroanao moa fony nisy naka ny volanao sekela volafotsy 1100, ka nanaovanao ozona izay reko tokoa ny nanononanao azy? Ao amiko io vola io, ary izaho ihany no naka azy. Dia hoy ny reniny taminy: Hotahin'ny TOMPO anie ianao, anaka!

3 Dia naverin'i Mika tamin'ny reniny ny vola sekela 1100; fa hoy kosa ny reniny taminy: Efa natokako mihitsy ho an'ny TOMPO ireo vola ireo ka hankinina aminao, anaka, mba hanamboarana sampy atao sarivongana metaly narendrika. Indro ary averiko aminao izy izao.

4 Kanjo naverin'i Mika tamin'ny reniny indray ireo. Ary nakan-dreniny sekela roanjato izany, ka nomeny ny mpandrendrika. Dia nanamboatra sampy atao sarivongana metaly narendrika io; ary napetraka tao an-tranon'i Mika izany.

5 Fa ity lehilahy atao hoe Mika ity dia nanana toeram-pivavahana iray sady efa nampamboatra koa efoda mbamin'ny terafima; ary ny zanany lahy anankiray no natokany ho mpisorona.

6 Tamin'izany fotoana izany dia tsy mbola nisy mpanjaka tany Israely, ka samy nanao izay heveriny ho mety avy ny olona tsirairay.

7 Nisy zatovo levita anankiray nivahiny tao Betlehema any Joda, tanana anisan'ny fokon'i Joda.

8 Niala tao Betlehema izy mba hivahiny any amin'izay azony hitoerana. Raha mbola nandeha izy, dia tonga tany amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima ka tafapaka teo amin'ny tranon'i Mika.

9 Dia nanontany azy i Mika hoe: Avy aiza moa ianao? Ka novaliany hoe: Levita avy any Betlehema any Joda aho, fa mandeha hivahiny any amin'izay azoko hitoerana.

10 Dia hoy i Mika taminy: Mijanona eto amiko fa hataoko mpisorona ato anatin'ny fianakaviako ianao. Sekela volafotsy folo isan-taona sy fitafiana ary sakafo izay ilainao no homeko anao. Dia niditra ny trano ilay levita,

11 ary nanaiky hitoetra tao amin'i Mika izay nitondra azy toy ny zanany lahy.

12 Ary natokan'i Mika ilay levita ka tonga mpisorony ary nipetraka teo aminy.

13 Dia hoy i Mika anakampo hoe: Azoko antoka izao fa hanisy soa ahy ny TOMPO, satria ity levita ity no efa tonga mpisoroko.

Toko faha-18

1 Tamin'izany fotoana izany dia tsy nisy mpanjaka tany Israely. Ary ny fokon'i Dana tamin'izay dia nitady faritany honenany, satria tsy mbola nahazo anjara tahaka ireo foko israelita hafa izy.

2 Koa nifidy lehilahy dimy mahery fo indrindra tao amin'ny fokony izy ary naniraka azy mba hijery tsara ny tany manomboka hatreo Tsoreha ka hatrany Estaola. Tonga hatrany amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima izy ireo ary tafapaka teo akaikin'ny tranon'i Mika ary nandry teo.

3 Fony izy dimy lahy teo akaikin'ny tranon'i Mika, dia nandre ilay zatovo levita ka nahafantatra ny fomba fiteniny ary nanatona azy ka nanontany hoe: Iza no nitondra anao amin'itony toerana itony ary inona no ataonao aty? Inona no mitazona anao aty?

4 Dia namaly azy izy hoe: Zavatra isan-karazany no nataon'i Mika tamiko; izy no manarama ahy, ka dia tonga mpisorony aho.

5 Fa hoy indray ireo taminy: Andeha ary mba anontanio Andriamanitra hahafantaranay na hahomby izao dianay izao na tsia.

6 Dia hoy ilay mpisorona taminy: Mandehana ombam-piadanana, fa miahy anareo ny TOMPO amin'izao dianareo izao.

7 Koa nanohy ny diany izy dimy lahy ary tonga tany Laisy. Hitany fa nilamina ny mponina tao, ka nandry feizay sy tsy manana ahiahy tahaka ny Tsidonianina. Tsy nanana hokianina amin'izay mpitondra azy ny olona. Fa niaina lavitra ny Tsidonianina ireo olona ireo ary tsy niankina tamin'i Arama.

8 Dia niverina nankany Tsoreha sy Estaola ireo iraka ary nofotorin'ireo mpiray foko aminy momba ny zavatra hitany.

9 Koa izao no nambarany: Ndeha isika hanafika ny olona ao Laisy. Araka ny hitanay manko dia tsara mihitsy ny faritany. Koa aza mijanonjanona eto foana ianareo fa andao haingana haka io faritany io isika.

10 Fa raha tonga any ianareo dia hamantana mponina tsy manana ahiahy ao anatin'ny faritany midadasika. Hatolotr'Andriamanitra anareo izany faritany misy ny ilaina rehetra eto ambonin'ny tany izany.

11 Dia niala tao Tsoreha sy Estaola ny vatan-dehilahy eninjato avy tamin'ny fokon'i Dana sady nirongo fiadiana.

12 Niakatra ireo ka nitoby tao andrefan'i Kiriata-Jeharima, tao amin'ny tanin'i Joda. Izany no niantsoana io toerana io hoe Manahe-Dana na Tobin'i Dana, mandraka androany.

13 Avy tao ireo no niampita ho any amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima, ka tonga teo akaikin'ny tranon'i Mika.

14 Dia hoy izy dimy lahy izay nisafo ny faritanin'i Laisy tamin'ny namany: Fantatrareo ve fa ny iray amin'ireo trano ireo dia misy efoda sy terafima ary sampy vita sarivongana metaly narendrika? Ankehitriny hevero izay tokony hataonareo.

15 Ary nanatona izy dimy lahy dia niditra tao an-tranon'i Mika nisy ilay tovolahy levita ary niarahaba azy.

16 Tamin'izay kosa ireo vatan-dehilahy danita eninjato nirongo fiadiana dia niatrana teo am-bavahadin'ny trano.

17 Ary niakatra izy dimy lahy nisafo ny faritr'i Laisy ka nitsofoka tao an-trano ary naka ny sampy mbamin'ny efoda sy ny terafima ary ny sarivongana metaly narendrika. Ny mpisorona tamin'izay dia teo am-bavahadin'ny trano niaraka tamin'izy eninjato lahy nirongo fiadiana;

18 koa raha nahita iretsy nitsofoka tao an-trano naka ny sampy mbamin'ny efoda sy ny terafima ary ny sarivongana metaly narendrika izy, dia nanontany azy hoe: Inona no ataonareo ao? Ka hoy iretsy taminy:

19 Mangina ianao, ary tampeno ny vava! Andeha hiaraka aminay, dia ho mpisoron'ny fokonay ianao. Sa inona no tianao kokoa? Ho mpisorona amin'ny ankohonan'olon-tokana ve sa ho mpisorona amina tarika na foko israelita iray manontolo?

20 Dia faly ilay mpisorona ka nitondra ny efoda sy ny terafima ary ny sampy sady niditra teo anivon'ilay andian-tafika.

21 Dia niainga ireo ka nanohy ny diany. Ny zaza amam-behivavy sy ny biby fiompy ary ny entana no nalefany teo aloha.

22 Efa lasa lavitra ny tranon'i Mika ireo, vao nifamory i Mika sy ny vatan-dehilahy mpiara-monina taminy ka nanenjika azy.

23 Ary nony nihorakoraka nanjohy ny Danita izy, dia nisampotina kosa ireto ka nanontany an'i Mika hoe: Inona no nahatonga anao namory olona maro toy izao?

24 Dia namaly azy i Mika hoe: Nalainareo ireo andriamanitra izay namboariko ho ahy ary nentinareo ny mpisoroko, dia iny ianareo no lasa; ka tsy manana na inona na inona intsony aho. Koa mbola sahy manontany izay nahatonga ahy nanao izao ihany ve ianareo?

25 Fa hoy ny Danita taminy: Aoka tsy handre ny fitarainanao intsony izahay, fandrao hisy ho sosotra aminay ka hamely anareo; dia ianao no hahatonga fahafatesana ho an'ny tenanao sy ny ankohonanao.

26 Ary nanohy ny diany ihany ny Danita. Rehefa hitan'i Mika kosa fa nahery noho ny tenany ireo, dia niverin-dalana nody tany aminy izy.

27 Nalain'ireo Danita ny sampy nataon'i Mika sy ny mpisorony, dia lasa izy nanafika an'i Laisy; ka naringany tamin-tsabatra ny mponina tao izay nandry feizay tsy nanana ahiahy, ary nodorany ny tanana.

28 I Laisy dia tao amin'ny lohasahan'i Bety-Rehoba, ka lavitra an'i Tsidona ary tsy niankina tamin'i Arama. Noho izany tsy nisy olona tonga namonjy azy. Dia namboarin'ny Danita ny tanana, ka nonenany.

29 Novany ny anaran'i Laisy izay niantsoana azy taloha ka nampitondrainy ny anaran'i Dana razambeny, izay zanakalahin'i Jakoba.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.939