Mpitsara
Toko faha-10
10 Noho izany dia niantso vonjy tamin'ny TOMPO izy ka nanao hoe: Nanota taminao izahay, satria nandao Anao Andriamanitray ka nanompo ny Bahala andriamani-tsiizy.11 Dia hoy ny TOMPO tamin'ny Israelita: Raha nampahory anareo ny Ejiptianina sy ny Amorita na ny Hamonita sy ny Filistinina
12 na ny Tsidonianina sy ny Hamalekita ary ny Midianita ka niantso vonjy tamiko ianareo, moa tsy namonjy anareo ho afaka teo an-tanan'ireny va Aho?
13 Saingy ianareo dia nandao Ahy ka nanompo ireo andriamani-kafa. Noho izany dia tsy hamonjy anareo intsony Aho.
14 Andeha antsoy ireo andriamani-tsiizy efa nofidinareo. Aoka ireo no hamonjy anareo amin'ny androm-pahorianareo!
15 Fa hoy ny Israelita tamin'ny TOMPO: Efa nanota izahay. Ataovy izay rehetra sitrakao hatao aminay, fa anio mba vonjeo ihany izahay!
16 Dia narian'ny Israelita tsy ho eo anivon'izy ireo ny andriamani-kafa, ka notompoiny indray ny TOMPO Izay tsy nahazaka hijery ny fijalian'i Israely.
17 Ary nifanangona ny Hamonita ka nitoby tao amin'ny faritanin'i Gilehada; dia nifamory koa ny Israelita ka nitoby tao Mitsepa.
18 Ary nifanontany ny foko tao Gilehada sy ny mpitarika azy ka nanao hoe: Iza no lehilahy sahy hanapoaka ady amin'ny Hamonita? Izany lehilahy izany no ho filohan'ny mponina rehetra eto Gilehada.
Toko faha-11
1 Tany Gilehada, dia nisy miaramila mahery fo nantsoina hoe Jifta, zanakalahin'ny vehivavy janga sy ny lehilahy atao hoe Gilehada.2 Niteraka zanakalahy maro ny vadin'i Gilehada; ka nony efa lehibe ireny, dia nandroaka an'i Jifta ary nilaza taminy hoe: Tsy manan-jo amin'ny lova avy amin'ny raintsika ianao satria zanaky ny vehivavy hafa.
3 Dia nandositra lavitra ny rahalahiny i Jifta ka nonina tao amin'ny faritanin'i Toba. Ary nisy koa olom-poana nivondrona teo aminy ka nanao asan-jirika niaraka taminy.
4 Taoriana kelin'izany, dia nanafika ny Israelita ny Hamonita.
5 Ary rehefa vaky ny ady teo amin'ny Hamonita sy ny Israelita, dia nandeha ireo loholon'i Gilehada mba haka an'i Jifta any amin'ny faritanin'i Toba,
6 ka nanao taminy hoe: Avia ho mpitarika ny tafikay ianao, mba hahafahanay miady amin'ny Hamonita.
7 Fa novalian'i Jifta hoe: Moa tsy nankahala ahy ve ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon'ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko ianareo ankehitriny, rehefa tra-pahoriana?
8 Hoy kosa ny loholona tamin'i Jifta: Mitodika aminao izahay ankehitriny mba handehananao hiaraka aminay ka hiadianao amin'ny Hamonita; dia ho filohanay sy ho filohan'ny mponina rehetra any Gilehada ianao.
9 Dia hoy indray i Jifta taminy: Raha mampody ahy ianareo ankehitriny mba hiady amin'ny Hamonita, ka hatolotry ny TOMPO eo anoloako ireny, dia ho filohanareo aho.
10 Dia hoy ny valin-tenin'ny loholon'i Gilehada hoe: Ny TOMPO no ho vavolombelona amintsika fa araka izay efa nambaranao no hataonay!
11 Dia nandeha niaraka tamin'ireo loholon'i Gilehada i Jifta ka noraisin'ny olona ho filoha sy ho mpitari-tafika. Ary tao Mitsepa, teo anatrehan'ny TOMPO, dia nohamafisin'i Jifta ny teny rehetra efa nifanarahany tamin'ireo loholona.
12 Nandefasan'i Jifta iraka ny mpanjakan'ny Hamonita mba hilaza aminy hoe: Inona no antony hiadiantsika no tonga aty amiko hanafika ny taniko ianao?
13 Dia hoy ny mpanjakan'ny Hamonita tamin'ireo irak'i Jifta: Fony niakatra avy tany Ejipta ny Israelita, dia naka ny taniko hatreo amin'ny lohasahan'i Arnona ka hatrany amin'ny renirano Jaboka sy hatrany Jordana. Koa ankehitriny avereno amiko am-pilaminana ireo faritany ireo.
14 Dia nandefa iraka fanindroany ho any amin'ny mpanjakan'ny Hamonita indray i Jifta
15 mba hilaza izao hafatra izao: Tsy naka ny faritanin'ny Moabita na ny faritanin'ny Hamonita ny Israelita.
16 Fa raha niakatra avy tany Ejipta ireo, dia namakivaky ny taniefitra hatreo amin'ny Ranomasin'ny Volotara ary nankany Kadesy.
17 Tao izy no nandefa iraka nangataka tamin'ny mpanjakan'i Edoma mba hahazo hamaky ny faritaniny, saingy tsy navelany. Ary nandefa fangatahana toy izany koa tamin'ny mpanjakan'i Moaba izy nefa tsy nekeny; ka dia nipetraka tao Kadesy ny Israelita.
18 Avy teo, dia nandeha namakivaky ny taniefitra izy, nanodidina ny faritanin'i Edoma sy i Moaba ary tonga tao atsinanan'i Moaba. Dia nitoby teo ampitan'ny renirano Arnona izy fa tsy niditra tao anatin'ny faritanin'i Moaba, satria i Arnona no sisin-taniny.
19 Ary nandefa iraka ho an'i Sihona mpanjaka amorita izay nanjaka tao Hesbona ny Israelita, ka nangataka taminy mba hahazo hamaky ny faritaniny hatrany amin'ny toerana izay halehany.
20 Tsy natoky ny Israelita i Sihona ka tsy namela azy hamakivaky ny taniny; fa namory ny tafiny manontolo, dia nitoby tao Jahatsa ary nanafika ny Israelita.
21 Ary natolotry ny TOMPO Andriamanitr'i Israely teo an-tanan'ny Israelita i Sihona sy ny tafiny ka resiny. Dia nalain'ny Israelita ny faritany rehetra nonenan'ny Amorita,
22 manomboka hatreo amin'ny lohasahan'i Arnona ka hatrany amin'ny renirano Jaboka, ary hatreo amin'ny taniefitra atsinanana ka hatrany amin'ny ony Jordana.
23 Ny TOMPO Andriamanitr'i Israely ary no efa namela anay vahoakany haka ny tanin'ny Amorita, ka dia ianao indray ve no te hanaisotra azy aminay?
24 Moa tsy tananao ho fanananao ve ny faritany izay nomen'i Kemosy andriamanitrao anao? Noho izany, dia zonay koa ny hitana ho fanananay izay tany rehetra nomen'ny TOMPO Andriamanitray anay.
25 Moa mihevi-tena ho tsara lavitra noho i Balaka zanakalahin'i Tsipora sady mpanjakan'i Moaba ve ianao? Izy anefa tsy mba nila ady tamin'ny vahoaka Israely sady tsy nanafika azy.
26 Efa telonjato taona izao no nipetrahan'ny Israelita tao Hesbona sy Harohera mbamin'ireo tanana kely manodidina azy avy ary koa tao amin'ireo tanana rehetra eny amoron'i Arnona; koa nahoana no tsy nalainareo io faritany io tamin'izany fotoana rehetra izany?
27 Raha izaho aloha dia tsy nanota taminao, fa ianao no manisy ratsy ahy amin'ny iadianao amiko. Ny TOMPO mpitsara anie hitsara ny Israelita sy ny Hamonita anio!
28 Kanefa tsy niraharaha ny hafatr'i Jifta ho azy ny mpanjakan'ny Hamonita.
29 Ary nirotsaka tao amin'i Jifta ny Fanahin'ny TOMPO, dia nandeha nitety ny faritanin'i Gilehada sy i Manase izy, ary tonga tao Mitsepa any Gilehada mba hiampita ho any amin'ny faritanin'ny Hamonita.
30 Ary nivoady tamin'ny TOMPO i Jifta ka nanao hoe: Raha hatolotrao tokoa eo an-tanako ny Hamonita,
31 dia hatokako ho ANAO sady hatolotro ho sorona dorana manontolo ho Anao izay olona mivoaka voalohany ny varavaran'ny tranoko mba hitsena ahy rehefa miverina avy nandresy ny Hamonita aho.
32 Dia nihoatra ny sisin-tanin'ny Hamonita i Jifta mba hiady aminy; ary natolotry ny TOMPO teo an-tanany ireo.
33 Nandresy azy i Jifta, ka nahazo ny tanana roapolo teo anelanelan'i Harohera sy ny manodidina an'i Minita ary hatrany Abela-Keramima. Faharesena goavana ny an'ny Hamonita, ka dia nilefitra teo anoloan'ny Israelita izy.
34 Fa nony niverina tany aminy tao Mitsepa i Jifta, dia ny zanany vavy no nivoaka nitsena azy sady nandihy tamin'ny amponga tapaka; vavy tokany anefa io, fa tsy nanan-janaka hafa izy.
35 Koa raha vao nahita azy i Jifta, dia nandriatra ny fitafiany sady niantso hoe: Indrisy, anaka, fa nampidi-doza ahy ianao, ary ianao izao no fototry ny hakiviako! Efa nanao voady tamin'ny TOMPO manko aho, ka tsy mahazo mitsoaka ny teny nomeko.
36 Fa namaly azy ny zanany vavy hoe: Dada o, raha nanao voady tamin'ny TOMPO ianao, dia tanteraho amiko izay efa naloaky ny vavanao taminy satria IZY efa namela anao hamaly faty ny Hamonita fahavalonao.
37 Nefa na izany aza, dia mba omeo fe-potoana roa volana aho hankanesako eny an-tendrombohitra miaraka amin'ny namako mba hitomaniako ny tenako tsy maintsy ho faty nefa tsy mbola nanambady akory.
38 Dia nomen'i Jifta lalana handeha mandritra ny roa volana izy. Koa nandeha izy sy ireo namany ka nitomany teny an-tendrombohitra noho ny tenany tsy maintsy ho faty nefa tsy mbola nanambady akory.
39 Nony afaka roa volana, dia niverina tany amin'ny rainy izy; ka notanterahin-drainy taminy tokoa izay voady efa nataony. Dia maty mbola virijiny razazavavy. Ary hatramin'izay dia nanjary fanao teo amin'ny Israelita izao fomba izao:
40 Isan-taona ny vehivavy israelita dia mandeha mitomany mandritra ny efatra andro ny zanakavavin'i Jifta, ilay Gilehadita.
Toko faha-12
1 Nifamory ny vatan-dehilahin'i Efraima, dia niampita an'i Jordana ary tonga tao Tsafona, ka niteny tamin'i Jifta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin'ny Hamonita ianao, nefa tsy mba niantso anay handeha hiaraka aminao? Hodoranay aman-trano ianao anio.