Mpitsara

Toko faha-9

17 Fa niady ho anareo ny raiko ka nanao vy very ny ainy mba hanafaka anareo tamin'ny Midianita;

18 nefa androany dia nikomianareo ny ankohonany. Novonoinareo ny zanany fitopolo lahy teo ambony vatolampy iray ihany; ary nampanjakainareo tamin'ny mponin'i Sekema i Abimeleka zanakalahin'ny mpanompovaviny, satria havanareo izy.

19 Koa raha tahiny rariny sy hitsiny ny nataonareo tamin'i Jerobahala sy ny ankohonany androany, dia hifalianareo anie i Abimeleka ary hifaliany anie ianareo!

20 Raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo mivoaka avy amin'i Abimeleka ka handoro anareo mponin'i Sekema sy i Bety-Milao, ary aoka hisy afo mivoaka avy aminareo ka handoro an'i Abimeleka!

21 Taorian'izay dia nitsoaka nandositra nankany Beera i Jotama ary nitoetra tany mba hiery an'i Abimeleka rahalahiny.

22 Nifehy an'i Israely nandritra ny telo taona i Abimeleka.

23 Taorian'izany, dia nisy fanahy mampikorontana nalefan'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka sy tamin'ny mponin'i Sekema ka nikomy tamin'i Abimeleka ireo Sekemita.

24 Izany no ho valin'ny herisetra nataon'i Abimeleka tamin'ny fitopolo lahy zanak'i Jerobahala sy ho todin'ny ran'ny rahalahiny izay novonoiny, sady hamaliana ireo mponin'i Sekema izay niara-nitsikombakomba taminy.

25 Mba hamelezana an'i Abimeleka, dia nisy mpisakan-dalana napetraky ny Sekemita teo an-tampon-kavoana akaikin'ny tanana ka izay rehetra nandalo tamin'izany lalana izany, dia norobainy avokoa. Koa nampandrenesina izany i Abimeleka.

26 Indray andro dia tonga tao Sekema i Gahala zanakalahin'i Hebeda, sy ireo rahalahiny; ary nametraka fitokiana taminy ny mponin'i Sekema.

27 Nandeha nioty voaloboka tany an-tsaha ny Sekemita, ary nanosihosy voaloboka, dia nanomana fety. Nankany amin'ny tempolin'ny andriamaniny izy ary nisotro sy nihinana sady nanozona an'i Abimeleka.

28 Ary i Gahala nanontany azy ireo hoe: Fa iza moa isika eto Sekema no hanaiky hanjakan'i Abimeleka? Ary mba iza moa izy fa tsy zanakalahin'i Jerobahala ary tsy i Zebola ve no nampitondrainy ny tanana? Koa aoka ianareo tsy hivadika amin'ireo taranak'i Hamora, ilay mpanorina an'i Sekema! Tsy misy antony tokony hanompoantsika an'i Abimeleka akory.

29 Enga anie ka ho eo ambony fahefako ny vahoaka sekemita, dia haongako i Abimeleka! Avy eo i Gahala dia nanao tamin'i Abimeleka hoe: Hamaroy ny tafikao, ka mivoaha hiady amiko!

30 Ary nony ren'i Zebola governoran'ny tanana ireo tenin' i Gahala zanakalahin'i Hebeda, dia tezitra izy.

31 Koa nandefa iraka miafina ho any amin'i Abimeleka izy hanao hoe: Indro tonga eto Sekema i Gahala, zanakalahin'i Hebeda, sy ireo rahalahiny ka manainga ny eto an-tanana hikomy aminao.

32 Koa izao anio alina izao ihany dia miainga ianao sy ny tafikao ka miafena any an-tsaha.

33 Ary rahampitso maraina, vao miposaka ny masoandro, dia tongava hanafika ny tanana; ka rehefa mivoaka hifanehatra aminao i Gahala sy ny olona mpomba azy dia ataovy araka ny tokony hafitsokao aminy.

34 Dia niainga i Abimeleka sy ny tafika manontolo mpomba azy nony alina, ka nizara ho antokony efatra ary nandeha niafina tao akaikin'i Sekema.

35 Ary rehefa nivoaka ny tanana i Gahala ary nijoro teo anoloan'ny vavahady, dia nipoitra avy tao amin'ny toerana niafenany i Abimeleka sy ny antokon-tafika niaraka taminy.

36 Nahita ireo i Gahala ka nanao tamin'i Zebola hoe: Jereonao fa misy tafika midina avy ao an-tampon-kavoana. Dia novalian'i Zebola hoe: Tsia fa aloky ny havoana no heverinao ho olona!

37 Nanamafy kosa i Gahala hoe: Jereonao fa tafika mihitsy ireny midina avy amin'ny havoana afovoany ireny, ary misy antokony iray hafa koa avy amin'ny lalana mihazo ny Terebintan'ny Mpanandro.

38 Dia namaly azy indray i Zebola hoe: Aiza amin'izay ity vavanao nilaza taminay hoe: Iza moa i Abimeleka no hotompointsika? Ka tsy ireo ve ny tafika novingavingainao? Koa miainga ianao ankehitriny hiady aminy!

39 Dia nivoaka ny tanana i Gahala nitarika ny mponin'i Sekema, ka niady tamin'i Abimeleka.

40 Ary voatery nandositra izy fa nenjehin'i Abimeleka. Maro ireo maty niampatrampatra mandra-pahatongany teny am-bavahadin'ny tanana.

41 Ary i Abimeleka dia nandeha nipetraka tao Aroma; fa i Zebola kosa nandroaka an'i Gahala sy ny rahalahiny tao Sekema mba tsy honina ao intsony.

42 Ny ampitson'iny, dia niomana ho any an-tsaha ny mponina tao Sekema, ka nampandrenesina izany i Abimeleka.

43 Dia nalain'i Abimeleka ny tafiny ka nozarainy ho antokony telo, dia niafina tany an-tsaha izy. Ary rehefa hitany fa indreny ny olona nivoaka avy tao Sekema, dia nipoitra hamely azy izy.

44 Ary i Abimeleka sy ny antokony niaraka taminy dia niroatra naka toerana teo ambavahadin'ny tanana, fa ireo antokony roa hafa kosa niroatra tamin'ireo olona tany an-tsaha ka nandringana azy.

45 Nanohy ny ady tao an-tanana i Abimeleka ny tontolo andro ka nahazo ny tanana sy nandringana ny olona rehetra tao; dia noravany ny tanana ary nofafazany sira ilay toerana.

46 Ary rehefa ren'ny mponina rehetra tao Migdala-Sekema izany, dia niditra tao amin'ny efitrano fierena tao ambanin'ny tempolin'i Bahala-Berita izy.

47 Ary nisy nampandre an'i Abimeleka fa tafangona miafina ao ny mponina rehetra tao Migdala-Sekema.

48 Dia niakatra nankany an-tendrombohitra Tsalmona i Abimeleka sy ny tafika manontolo nomba azy. Ary naka famaky izy, dia nikapa sampan-kazo ka nobetainy izany ary napetrany teo an-tsorony; dia nasainy nanao tahaka izany haingana koa ny tafiny.

49 Koa samy nikapa sampan-kazo iray avy ny miaramilany rehetra ary nanaraka an'i Abimeleka. Ary nentiny ny sampan-kazo ka natobiny teo anilan'ilay efitrano fierena, dia nodorany io mbamin'izay rehetra tao anatiny. Izany no nahafaty ny mponina rehetra tao Migdala-Sekema, dia lehilahy sy vehivavy tokony ho arivo.

50 Avy eo dia nankany Tebetsa i Abimeleka, ary nanao fahirano ny tanana ka nahazo azy.

51 Nisy tilikambo fiambenana mafy tao afovoan-tanana, koa nandeha nialoka tao avokoa ny mponina rehetra na lahy na vavy mbamin'ireo lehiben'ny tanana: nohidiany ny varavarana ary niakatra teny an-tampon-trano izy rehetra.

52 Ary tonga hatrany amin'ny tilikambo i Abimeleka mba hamely izany; dia nanatona teo am-baravarana izy mba handoro ilay tilikambo.

53 Kanjo nisy vehivavy iray nanjera vato lehibe iray teo an-dohany ka nahavaky ny karandohany.

54 Dia nantsoin'i Abimeleka faingana ilay tovolahy mpitondra ny fiadiany ary nodidiany hoe: Raiso ny sabatrao ka vonoy aho, fandrao holazain'ny olona hoe vehivavy no nahafaty ahy. Dia notrobaran'ilay tovolahy tamin'ny sabatra i Abimeleka ka maty.

55 Ary rehefa hitan'ny vatan-dehilahy israelita fa maty i Abimeleka, dia samy nody any amin'ny fonenany avy izy.

56 Toy izany no namalian'Andriamanitra an'i Abimeleka noho ny ratsy nataony tamin'ny rainy fony izy namono nahafaty ireo rahalahiny fitopolo.

57 Novalian'Andriamanitra toy izany koa ny mponin'i Sekema ka natsingeriny teo an-dohany ny ratsy rehetra nataony, ary tanteraka taminy ireo ozona nambaran'i Jotama, zanakalahin'i Jerobahala.

Toko faha-10

1 Taorian'ny nahafatesan'i Abimeleka dia nitsangana i Tola, zanakalahin'i Pova sady zafikelin'i Dodao, mba hamonjy ny vahoaka Israely. Izy dia lehilahy avy ao amin'ny fokon'i Jisakara ary nonina tao Samira, any amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima.

2 Nitondra ny Israelita nandritra ny 23 taona i Tola; avy eo dia maty izy, ka nalevina tao Samira.

3 I Jairo avy any Gilehada no nandimby azy ka nitondra ny Israelita nandritra ny 22 taona.

4 Nanan-janaka telopolo lahy izay nitaingina boriky telopolo sady nanana toerana telopolo tao amin'ny faritanin'i Gilehada; ary mandraka ankehitriny dia antsoina hoe Havota-Jairo ireny toerana ireny.

5 Avy eo dia maty i Jairo, ka nalevina tao Kamona.

6 Ary mbola nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO indray ny Israelita ka nanompo ny Bahala sy Hastarota andriamani-tsiizy, mbamin'ny andriamanitry ny Sirianina sy ny Tsidonianina na ny andriamanitry Moabita sy ny Hamonita ary ny Filistinina; fa nandao ny TOMPO izy ka tsy nanompo Azy intsony.

7 Dia nirehi-pahatezerana tamin'ny Israelita ny TOMPO ka nanolotra azy teo an-tanan'ny Filistinina sy ny Hamonita.

8 Nanomboka tamin'izany taona izany ary nandritra ny 18 taona ireo no nampahory sy nanenjika ny Israelita izay nonina tany Gilehada sy tao amin'ny faritanin'ny Amorita teny an-dafy atsinanan'i Jordana.

9 Niampita ny ony Jordana mihitsy aza ny Hamonita mba hiady amin'ny fokon'i Joda sy i Benjamina ary i Efraima; ka nijaly mafy ny Israelita.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9481